Toko 7
Izay Ianarantsika avy Amin’ny Famelan’Andriamanitra ny Ratsy Hisy
1. a) Raha nandringana teo no ho eo ireo mpikomy tany Edena i Jehovah, dia ho nanao ahoana ny vokatr’izany teo amintsika? b) Fandaharana feno fitiavana inona kosa anefa no nataon’i Jehovah ho antsika?
NA INONA na inona fahasahiranana mety ho hitantsika eo amin’ny fiainana, ny nahaterahantsika dia tsy fanehoana tsy rariny avy amin’Andriamanitra akory. Nanome ny fahatanterahana ho an’ireo olombelona voalohany izy ary nanome azy ireo Paradisa koa ho fonenany. Raha namono azy ireo taorian’ny nikomiany avy hatrany izy, dia tsy ho nisy ny taranak’olombelona araka ny ahafantarantsika azy ankehitriny, izany hoe ianjadian’ny aretina, ny fahantrana ary ny heloka bevava. Tamim-pamindram-po anefa, dia namela an’i Adama sy i Eva hanana fianakaviana talohan’ny nahafatesany i Jehovah, na dia handova ny tsy fahanterahana aza ireo. Tamin’ny alalan’i Kristy, dia nanao fandaharana izy mba hahazoan’ireo taranak’i Adama naneho finoana izay narian’izy io — ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny toe-javatra izay hahafahany hifaly faran’izay betsaka amin’ny fiainana. — Deot. 32:4, 5; Jaona 10:10.
2. Moa ve ny famonjena antsika fotsiny no zava-kendren’izany rehetra izany?
2 Tsy hay tombanana ireo soa hoentin’izany ho antsika manokana. Fantatsika avy amin’izay voarakitra ao amin’ny Baiboly anefa fa misy zavatra lehibe lavitra noho ny famonjena antsika manokana tafiditra amin’izany.
Ho an’ny anarany lehibe
3. Inona no tafiditra tao amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ho an’ny tany sy ny olombelona?
3 Ny anaran’i Jehovah, izany hoe ny lazany amin’ny maha-Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao sy Andriamanitry ny fahamarinana azy, dia tafiditra ao amin’ny fahatanterahan’ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Noho ny toerana tanan’i Jehovah, ny fiadanana sy ny fahasoavan’izao rehetra izao manontolo dia mitaky ny hanomezana ho an’ny anarany ny haja rehetra tokony ho azy ary koa ny hankatoavan’ny rehetra azy.
4. Inona marina no tena tafiditra tao amin’izany fikasana izany?
4 Rehefa avy namorona an’i Adama sy i Eva Andriamanitra dia nanome azy ireo asa iray tokony hataony. Nampahafantariny mazava fa ny fikasany dia tsy ny hampanompo ny tany rehetra fotsiny, amin’ny fanitarana ny faritry ny Paradisa, fa ny hamenoana azy amin’ireo taranak’ilay lehilahy sy ilay vehivavy voalohany, dia i Adama sy i Eva. (Gen. 1:28). Tsy hahomby ve io fikasana io noho ny fahotan’izy ireo, ka hiteraka fanomezan-tsiny ho an’ny anaran’Andriamanitra?
5. a) Araka ny Genesisy 2:17, rahoviana no ho faty izay hihinana amin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy? b) Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah izany, sady nanajany ny fikasany momba ny famenoana ny tany?
5 Nampiomana an’i Adama i Jehovah fa, raha tsy nankatò izy ka nihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia ho faty tokoa “amin’ny andro” izay hihinanany azy. (Gen. 2:17). Tsy nivadika tamin’ny teniny i Jehovah, fa tamin’ny andro nanotan’i Adama iny ihany, dia nampamoaka an’ireo mpandika lalàna izy ary nanonona ny fanamelohana ho faty tamin’izy ireo. Tsy azo nosorohina ny famaizana. Araka ny lalàna, teo imason’Andriamanitra, dia maty tamin’izany andro izany i Adama sy i Eva. (Ampitahao amin’ny Lioka 20:37, 38.) Kanefa, mba hanatanterahana ny fikasany nambaran’ny tenany manokana momba ny famenoana ny tany, dia navelan’i Jehovah hanana fianakaviana izy ireo talohan’ny nahafatesany ara-bakiteny. Na dia izany aza, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra ny amin’ny 1 000 taona ho toy ny indray andro, rehefa nifarana teo amin’ny faha-930 taonany ny fiainan’i Adama, dia mbola tao anatin’ny indray “andro” ihany izany. (Gen. 5:3-5; ampitahao amin’ny Sal. 90:4; 2 Pet. 3:8.) Araka izany, dia voaro ny maha-marina an’i Jehovah raha ny amin’ny fotoana nampiharana ny famaizana, ary tsy voasakana ny fikasany momba ny famenoana ny tany amin’ny taranak’i Adama. Kanefa izany dia nidika fa, nandritra ny fotoana kelikely, dia navela ho velona ny olona mpanota.
6, 7. a) Inona no asehon’ny Eksodosy 9:15, 16 raha ny amin’ny antony amelan’i Jehovah ny ratsy fanahy mbola hisy ihany mandritra ny fotoana elaela? b) Tamin’izay niseho tamin’i Farao, ahoana no nisehoan’ny herin’i Jehovah ary ahoana no nampahafantarana ny anarany? d) Inona àry no ho fiafaran-javatra amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny?
6 Izay nolazain’i Jehovah tamin’ilay mpanapaka an’i Egypta tamin’ny andron’i Mosesy dia manome fanazavana fanampiny ny amin’ny antony namelan’Andriamanitra ny ratsy mbola hisy ihany mandritra ny fotoana kelikely. Rehefa nandrara ny zanak’Isiraely tsy handao an’i Egypta i Farao, dia tsy namono azy avy hatrany i Jehovah. Nisy loza folo nampidinina teo amin’ilay tany, nampiseho ny herin’i Jehovah tamin’ny fomba samy hafa sy nahatalanjona. Rehefa nampitandrina an’i Farao ny amin’ilay loza fahafito i Jehovah dia nilaza taminy fa ho afaka hamongotra azy sy ny vahoakany mora foana tamin’ny tany izy. “Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao”, hoy i Jehovah, “dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” — Eks. 9:15, 16.
7 Rehefa nanafaka ny Isiraely i Jehovah, dia tena nanjary fantatra hatraiza hatraiza tokoa ny anarany. Amin’izao andro izao, efa ho 3 500 taona atỳ aoriana, dia mbola tsy hadinon’ny olona ihany ny nataony tamin’izay. Tsy ny anarana manokan’i Jehovah ihany no nambara fa ny fahamarinana momba Ilay nitondra io anarana io koa. Izany dia nampiorina mafy ny lazan’i Jehovah amin’ny maha-Andriamanitra mitana ny fanekeny sady manao zavatra ho tombontsoan’ireo mpanompony, azy. Izany dia nanaporofo koa fa, noho ny heriny tsy toha, dia tsy misy na inona na inona afaka manakantsakana ny fikasany. Mbola hanaitra kokoa noho izany aza ny fandringanana tsy ho ela ny fandehan-javatra ratsy manontolo, hita maso sy tsy hita maso. Izany fanehoana hery tsy toha izany, sy ny voninahitra hoentin’izany ho an’ny anaran’i Jehovah, dia tsy hohadinoina na oviana na oviana eo amin’ny tantaran’izao rehetra izao. Tsy hanam-pahataperana ireo soa ho azo avy amin’izany! — Ezek. 38:23; Apok. 19:1, 2.
‘Endre ny halalin’ny fahendren’Andriamanitra’
8. Lafin-javatra inona avy no ampirisihan’i Paoly mba hodinihintsika?
8 Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, dia manontany toy izao ny apostoly Paoly: “Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra?” Ary avy eo dia mamaly izany izy amin’ny fanasongadinana ny famindram-pon’Andriamanitra sy amin’ny firesahana momba ilay nolazain’i Jehovah tamin’i Farao. Mampahatsiahy ny amin’ny maha-tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy vilany antsika olombelona koa izy. Moa ve mitaraina ny amin’ny fomba ampiasana azy ny tanimanga? Manampy teny toy izao i Paoly: “Raha tahiny, ankehitriny, Andriamanitra, na dia maniry haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, ka naneho fahari-po lehibe ka nandefitra tamin’ireo fanaky ny fahatezerana natao mendrika ny fandringanana, mba hahafahany hampahafantatra ny harenan’ny voninahiny amin’ireo fanaky ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra, izany hoe isika, izay nantsoiny, tsy avy amin’ny Jiosy ihany fa avy amin’ireo firenena koa, dia ahoana ny amin’izany?” — Rom. 9:14-24, NW.
9. a) Iza moa ireo “fanaky ny fahatezerana natao mendrika ny fandringanana”? b) Nahoana i Jehovah no naneho fahari-po lehibe teo anoloan’ny fankahalan’izy ireo, ary amin’ny ahoana ny ho fiafaran-javatra farany no hitondra soa ho an’ireo izay tia azy?
9 Hatramin’ny nanaovan’i Jehovah ilay fanambarana ara-paminaniana voarakitra ao amin’ny Genesisy 3:15, dia niseho ho “fanaky ny fahatezerana natao mendrika ny fandringanana” i Satana sy ny taranany. Nandritra izany fotoana rehetra izany i Jehovah dia naneho fahari-po. Nanao ny lalany ho fihomehezana ireo ratsy fanahy; nanenjika ny mpanompony izy ireo, namono ny Zanany mihitsy aza. Nifehy tena aoka izany anefa i Jehovah, ho soa maharitra ho an’ny mpanompony. Nanana fahafahana hahita ny vokatra mampidi-dozan’ny fikomiana amin’Andriamanitra ny zavatra noforonina rehetra. Nandritra izany fotoana izany koa, ny fahafatesan’i Jesosy dia nanome ny fomba hanafahana ny olombelona mankatò sy ‘handravana ny asan’ny Devoly’. — 1 Jaona 3:8; Heb. 2:14, 15.
10. Nahoana i Jehovah no nanohy nandefitra tamin’ireo ratsy fanahy nandritra ireo 1 900 taona lasa?
10 Nandritra ireo 1 900 taona mahery taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia mbola nanohy nandefitra tamin’ireo “fanaky ny fahatezerana” ihany i Jehovah, ka nampihemotra ny fandringanana azy ireo. Nahoana? Satria nanomana ny tapany faharoa amin’ilay taranaky ny vehivavy izy, izany hoe ireo izay hiaraka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Gal. 3:29). Izy ireo, izay miisa ho 144 000, no ireo “fanaky ny famindram-po” noresahin’ny apostoly Paoly. Olona avy teo amin’ireo Jiosy aloha no nasaina mba hahaforona io kilasy io. Avy eo dia nampiana ireo Samaritana voafora izany, ary tamin’ny farany, dia olona avy tamin’ireo firenena jentilisa. Tamim-pahari-po lehibe, i Jehovah dia nanatanteraka ny fikasany, ka tsy nanery na iza na iza hanompo azy, fa nandrotsaka fitahiana be dia be tamin’ireo izay nanaiky tamim-pankasitrahana ireo fandaharany feno fitiavana. Ankehitriny dia efa ho vita ny fanomanana io kilasin’ny ho any an-danitra io.
11. Antokon’olona hafa iza koa ankehitriny no mandray soa avy amin’ny fahari-pon’i Jehovah?
11 Ahoana anefa ny amin’ireo honina amin’ny tany? Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, dia hisy olona an’arivo tapitrisany maro hatsangana amin’ny maty mba ho olom-pehezin’ilay Fanjakana eto an-tany. Ankoatra izany, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1935, ny fahari-pon’i Jehovah dia nahatonga hety ny fanangonana “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra ho famonjena azy ireo. — Apok. 7:9, 10; Jaona 10:16.
12. a) Ho vokatr’izany, inona moa no nianarantsika momba an’i Jehovah mihitsy? b) Ahoana no fihetsikao eo anoloan’ny fomba nandaminan’i Jehovah ireo raharaha ireo?
12 Nisy tsy rariny ve tamin’izany rehetra izany? Tsy izany mihitsy! Raha nampihemotra ny fandringanana ny ratsy fanahy, dia ireo “fanaky ny fahatezerana”, Andriamanitra mba hahafahany haneho fangorahana amin’ny olona hafa ho fanarahana ny sitrapony, iza no afaka ny hitaraina ara-drariny ny amin’izany? Mifanohitra amin’izany kosa fa, rehefa mandinika ny fizotran’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah isika dia mianatra zavatra betsaka momba azy. Talanjona isika mahita ireo lafiny samihafa amin’ny maha-izy azy izay nanjary niharihary — ny fitiavany ny rariny, ny famindram-pony, ny fahari-pony, ny lafiny samihafa amin’ny fahendreny. Ny fandaminan’i Jehovah ilay raharaha tamim-pahendrena dia ho fanamarinana mandrakizay manaporofo fa ny fomba fanapahany no tsara indrindra. Miara-milaza amin’ny apostoly Paoly toy izao isika: “Endrey ny halalan’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!” — Rom. 11:33.
Fahafahana azontsika hararaotina mba hanehoana ny fifikirantsika
13. a) Rehefa miaritra fahoriana ny tenantsika, fahafahana inona no mivelatra eo anoloantsika? b) Inona no hanampy antsika hanao zavatra amim-pahendrena?
13 Misy tarehin-javatra izay tena iaretan’ny tenantsika fahoriana noho Andriamanitra mbola tsy nandringana ny ratsy fanahy sy namerina ny taranak’olombelona ho amin’ny fahatanterahana araka ny nampanantenainy. Inona no fihetsitsika eo anoloan’izany? Moa ve isika mahita azy ireo ho toy ny fahafahana azo hararaotina mba hanadiovana ny anaran’i Jehovah amin’ny fahafaham-baraka sy mba hanaporofoana fa mpandainga ny Devoly? Afaka mahazo fampaherezana lehibe mba hanao izany isika amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ilay torohevitra manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohab. 27:11). I Satana, ilay miteny ratsy an’i Jehovah, dia niampanga fa, raha mamoy zavatra ara-nofo ny olona na mijaly ara-batana, dia hanome tsiny an’Andriamanitra, hanozona azy mihitsy aza. (Joba 1:9-11; 2:4, 5). Mampifaly ny fon’i Jehovah isika rehefa mampiseho fa tsy marina izany raha ny amin’ny tenantsika manokana, amin’ny fihazonana ny tsy fivadihantsika eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny zava-tsarotra. Matoky tanteraka isika fa maneho fitiavana amin’ny mpanompony i Jehovah ary koa fa, toy ny tamin’i Joba, amin’ny fotoana voatendriny, izy dia hamaly soa antsika amim-pahalalahan-tanana, raha miseho ho mahatoky isika. — Jak. 5:11; Joba 42:10-16.
14. Raha miantehitra amin’i Jehovah isika rehefa mandia fitsapana, soa hafa inona avy no mety ho azontsika?
14 Raha miantehitra amin’i Jehovah sy matoky azy isika rehefa mandia fitsapana mampahory, dia afaka mamboly toetra tsara tena sarobidy. Ho vokatr’ireo zavatra niaretany, i Jesosy dia “nianatra fankatoavana” toy ny mbola tsy nataony mihitsy talohan’izay. Isika koa dia afaka mianatra zavatra — mamboly fahari-po, fiaretana ary fankasitrahana lalina kokoa ireo lalana marin’i Jehovah. Hanaiky amim-paharetana izany fampiofanana izany ve isika? — Heb. 5:8, 9, NW; 12:11; Jak. 1:2-4.
15. Rehefa miaritra zava-tsarotra amim-paharetana isika, amin’ny ahoana ny hafa no mety handray soa avy amin’izany?
15 Handinika izay ataontsika ny hafa. Noho izay iaretantsika noho ny fitiavantsika ny fahamarinana, dia mety hisy sasany amin’ny farany hahatakatra hoe iza marina no ‘rahalahin’i Kristy’ amin’izao andro izao, ary rehefa mifandray amin’ireo ‘rahalahiny’ ireo izy eo amin’ny fanompoam-pivavahany, dia ho afaka hanantena handray ireo fitahiana hoentin’ny fiainana mandrakizay. (Matio 25:34-36, 40, 46). Tian’i Jehovah sy ny Zanany hanana izany fahafahana izany izy ireo. Ary isika? Moa ve isika vonona ny hiaritra zava-tsarotra mba hetezan’izany?
16. Inona no ifandraisan’ny fomba fihevitsika momba ny zava-tsarotra mahazo antsika manokana amin’ny raharaha momba ny firaisan-tsaina?
16 Tsara dia tsara erỳ rehefa mandray ireo tarehin-javatra sarotra eo amin’ny fiainana ho toy ny fahafahana azo hararaotina mba hanehoana ny fifikirantsika amin’i Jehovah isika, ary koa mba hanatanterahana ny sitrapony! Ny fanaovantsika izany dia afaka manome porofo fa tena mandroso ho amin’ilay firaisan-tsaina amin’Andriamanitra sy i Kristy isika, firaisan-tsaina izay nangatahin’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony ho an’ireo tena Kristiana. — Jaona 17:20, 21.
Famerenana
● Tamin’ny famelana ny ratsy hisy, tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jehovah fanajana lalina ny anarany?
● Tamin’ny ahoana ny fandeferan’Andriamanitra tamin’ireo “fanaky ny fahatezerana” no nahatonga ny famindram-pony ho tonga hatratỳ amintsika?
● Tokony hiezaka mba hahita inona ao amin’ireo tarehin-javatra iaretan’ny tenantsika fahoriana isika?