Tsy ho Ela ny Fahafahana Be Voninahitra ho An’ireo Zanak’Andriamanitra
“Izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, (...) sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny [ fanandevozan’ny fahalovana ka hahazo ny fahafahana be, NW ] voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — ROMANA 8:20, 21.
1. Ahoana no nampisehoana tamin’ny alalan’ny tandindona ny soron’i Jesosy, tamin’ny Andro Fanavotana?
NANOME ny Zanany lahitokana ho sorom-panavotana i Jehovah, ka izany dia nanokatra lalana mankamin’ny fiainana any an-danitra ho an’ny olona 144 000, sy fanantenana mandrakizay ny ho eto an-tany ho an’ny sisa amin’ny olombelona. (1 Jaona 2:1, 2). Araka ny nomarihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia naseho tamin’ny alalan’ny tandindona ny soron’i Jesosy ho an’ireo Kristiana nateraky ny fanahy, rehefa nanao sorona vantotr’ombilahy ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely, ho fanatitra noho ny otan’ny tenany sy ny ankohonany ary ny fokon’i Levy, tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona. Tamin’io andro io ihany izy dia nanao sorona osilahy ho fanatitra noho ny otan’ireo Isiraelita hafa rehetra, tsy misy hafa amin’ny soron’i Kristy izay hitondra soa ho an’ny olombelona amin’ny ankapobeny. Nisy osilahy velona iray nitondra ara-panoharana ny fahotana niombonan’ny vahoaka tamin’ny taon-dasa, ka nalefa tsy hita popòka tany an’efitra.a — Levitikosy 16:7-15, 20-22, 26.
2, 3. Inona no tiana holazaina tamin’ilay filazan’i Paoly voarakitra ao amin’ny Romana 8:20, 21?
2 Rehefa avy nasongadin’ny apostoly Paoly ny fanantenan’ireo olona izay ho tonga “zanak’Andriamanitra” any an-danitra, dia hoy izy: “Izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny [fanandevozan’ny fahalovana ka hahazo ny fahafahana be, NW ] voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:14, 17, 19-21). Inona no dikan’io filazana io?
3 Fony Adama razambentsika noforonina ho olombelona lavorary, dia “zanak’Andriamanitra” izy. (Lioka 3:38). Noho izy nanota, dia tonga tao anatin’ny “fanandevozan’ny fahalovana” izy, ary nampita izany toe-piainana izany tamin’ny taranak’olombelona. (Romana 5:12). Navelan’Andriamanitra ny olombelona ho teraka ka hiatrika “zava-poana” noho ny tsy fahalavorariana nolovany. Nanome fanantenana anefa izy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay “taranaka”. (Genesisy 3:15; 22:18; Galatiana 3:16). Manambara ny amin’ny fotoana ‘tsy hisian’ny fahafatesana, sy ny alahelo sy ny fitarainana ary ny fanaintainana intsony’ ny Apokalypsy 21:1-4. Koa satria fampanantenana ho an’ny “olona” io, dia manome toky antsika izany fa hisy fitambaran’olona vaovao eto an-tany hiaina eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. Ho hitan’io fitambaran’olona vaovao io ny famerenana ny saina sy ny vatana ho amin’ny fahasalamana tanteraka, sy ny fiainana mandrakizay amin’ny maha-“zanak’Andriamanitra” eto an-tany. “Hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” ireo olona mankatò, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Rehefa ho avy nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah nandritra ny fitsapana farany izy ireo, dia ho afaka mandrakizay amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovana. (Apokalypsy 20:7-10). Amin’izay ireo eto an-tany dia hanana ilay “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”.
Hoy izy ireo hoe “Avia”!
4. Inona no dikan’ny hoe ‘misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’?
4 Izany ka fanantenana mahatalanjona apetraka eo anoloan’ny olombelona! Tsy mahagaga raha manome ohatra amin-jotom-po eo amin’ny fanambarana izany amin’ny hafa, ireo Kristiana nateraky ny fanahy mbola eto an-tany! Ho tonga anisan’ny ‘ampakarin’ny’ Zanak’ondry nomem-boninahitra, dia Jesosy Kristy, ireo sisa voahosotra. Noho izany, dia tafiditra ao amin’ny fahatanterahan’ireto teny ara-paminaniana ireto izy ireo: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 21:2, 9; 22:1, 2, 17). Tsia, tsy ferana ho an’ireo voahosotra 144 000 ihany akory ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Tsy mitsahatra miasa amin’ny alalan’ireo sisa amin’ny kilasin’ny ampakarina eto an-tany, ny fanahin’Andriamanitra amin’ny filazana hoe: “Avia”. Na iza na iza mandre ka mangetaheta ny fahamarinana dia asaina hanao hoe “Avia”, hanararaotra ny fandaharam-pamonjena omen’i Jehovah malalaka.
5. Mahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah ny manana an’iza eo anivon’izy ireo?
5 Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandaharan’Andriamanitra mba hanomezana fiainana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 4:12). Faly izy ireo mahita eo anivony, olona tso-po izay maniry hianatra momba ny fikasan’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo dia misokatra ho an’izay rehetra maniry ho ‘tonga ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’ amin’izao “andro farany” izao. — Daniela 12:4.
Fiovana rehefa nandeha ny fotoana
6. Ahoana no niasan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah, nandritra ny vanim-potoana samihafa?
6 Manana ny fotoana voatondrony hanatanterahana ny fikasany Andriamanitra, ary misy vokany eo amin’ny fifandraisany amin’ny olombelona izany. (Mpitoriteny 3:1; Asan’ny Apostoly 1:7). Na dia tonga teo amin’ireo mpanompony talohan’ny Kristianisma aza ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy nateraka ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo. Nanomboka tamin’i Jesosy anefa, dia tonga ny fotoana hampiasan’i Jehovah ny fanahy masina mba hiterahana lehilahy sy vehivavy nanolo-tena, mba hahazo lova any an-danitra. Ahoana ny amin’izao androntsika izao? Miasa eo amin’ireo ‘ondry hafan’i’ Jesosy io fanahy io ihany, saingy tsy mampifoha ao amin’izy ireo ny fanantenana sy faniriana fiainana any an-danitra. (Jaona 10:16). Fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa, no fanantenana omen’Andriamanitra azy, ary manohana amim-pifaliana ny sisa voahosotra izy ireo eo amin’ny fanaovana fanambarana mandritra izao fe-potoana tetezamita avy amin’ny tontolo tranainy mankamin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina izao. — 2 Petera 3:5-13.
7. Asa fijinjana inona no naharevo ireo Mpianatra ny Baiboly, kanefa inona no fantatr’izy ireo momba ny paradisa?
7 Nanomboka ‘nitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra’, Andriamanitra, tamin’ny fandatsahana ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., ary toa nametra fotoana izy mba hamenoana ny isan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” mitontaly ho 144 000. (Hebrio 2:10, Kat.; Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:1-8). Noresahina matetika tato amin’itỳ gazety itỳ ny asa fijinjana iray nahakasika ireo Kristiana voahosotra, nanomboka tamin’ny 1879. Nahafantatra koa anefa ireo Mpianatra ny Baiboly (antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), fa manolotra fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa ny Soratra Masina. Izao, ohatra, no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny Jolay 1883: “Rehefa ho voaorin’i Jesosy ny fanjakany, ho voaringany ny ratsy, sns., dia ho tonga paradisa itỳ tany itỳ, (...) ary ho eo ireo rehetra any am-pasana. Ary ho afaka hiaina mandrakizay eo izy ireo raha tonga mpankatò ny lalàny.” Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihena ny fijinjana an’ireo voahosotra, ary tsikelikely dia nisy olona tsy nanana ilay fanantenana ny ho any an-danitra, nojinjaina hankao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Nandritra izany fotoana izany, dia nomen’Andriamanitra fahaiza-mahataka-javatra miavaka ireo mpanompony voahosotra, dia ireo Kristiana nateraka indray. — Daniela 12:3, NW; Filipiana 2:15; Apokalypsy 14:15, 16.
8. Ahoana no nitomboan’ny fahatakarana ny hevitr’ilay fanantenana ny ho eto an-tany, tany am-piandohan’ireo taona 1930?
8 Nanomboka tamin’ny 1931 indrindra indrindra no niarahan’ireo nanana ilay fanantenana ny ho eto an-tany, tamin’ny kongregasiona kristiana. Tamin’io taona io no nanomezan’i Jehovah fahazavana ho an’ny sisa amin’ireo Kristiana nateraky ny fanahy, mba hahitany fa io kilasy eto an-tany io, izay asiana marika mba ho tafita velona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, no asian-teny ao amin’ny Ezekiela toko faha-9. Tamin’ny 1932, dia natao ny fanatsoahan-kevitra fa naseho an’ohatra tamin’i Jonadaba, mpiara-miasa tamin’i Jeho, ireo olona toy ny ondry amin’izao andro izao. (2 Mpanjaka 10:15-17). Tamin’ny 1934, dia naseho mazava tsara fa tokony “hanokan-tena”, na hanolo-tena ho an’Andriamanitra ireo “Jonadaba”. Tamin’ny 1935, dia fantatra fa ondry hafa manana fanantenana ny ho eto an-tany ny “vahoaka sesehena”, na ny “olona betsaka”. Taloha mantsy izy io dia noheverina ho kilasy ara-panahy latsa-danja kokoa, izay ‘sakaizan’ilay’ ampakarin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 7:4-15; 21:2, 9; Salamo 45:14, 15). Ary nanomboka tamin’ny 1935 indrindra ireo voahosotra no nitarika ny fikarohana olona mahitsy fo izay maniry mafy ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa.
9. Nahoana no nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny marika tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Kristiana sasany, taorian’ny 1935?
9 Taorian’ny 1935, dia nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny mofo sy ny divay tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ny Kristiana sasany izay nanao izany teo aloha. Nahoana? Satria takatr’izy ireo fa ny ho eto an-tany no fanantenany, fa tsy ny ho any an-danitra. Hoy ny vehivavy iray natao batisa tamin’ny 1930: “Na dia noheverina fa mety aza ny [fandraisana anjara], indrindra fa ho an’ireo mpanompo manontolo andro be zotom-po, dia tsy nino mihitsy aho hoe nanana fanantenana ny ho any an-danitra. Avy eo, tamin’ny 1935, dia naseho mazava tsara taminay fa efa an-dalana ny fanangonana vahoaka be manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Maro taminay no faly nahatakatra fa anisan’izany vahoaka be izany ny tenanay, ary nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ireo marika izahay.” Niova na dia ny foto-kevitra novoaboasan’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana aza. Natao voalohany indrindra ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy nateraky ny fanahy ireo zavatra vita an-tsoratra taloha. Nanomboka tamin’ny 1935 kosa, dia nanome sakafo ara-panahy mifanentana amin’izay ilain’ny voahosotra sy ireo mpiara-miasa aminy manana ilay fanantenana ny ho eto an-tany, Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo zavatra vita an-tsoratra hafan’ny “mpanompo mahatoky”. — Matio 24:45-47, NW.
10. Ahoana no mety hanoloana ny voahosotra tsy mahatoky iray?
10 Aoka hatao hoe manjary tsy mahatoky ny voahosotra iray. Hisy fanoloana azy ve? Izany indrindra no nohazavain’i Paoly tao amin’ny resaka nataony momba ny hazo oliva ara-panoharana. (Romana 11:11-32). Raha ilaina hosoloana ny olona iray nateraky ny fanahy, dia azo inoana fa ilay fiantsoana ho any an-danitra dia homen’Andriamanitra olona iray manam-pinoana fakan-tahaka eo amin’ny fanaovana fanompoana masina ho azy, efa hatramin’ny taona maro. — Ampitahao amin’ny Lioka 22:28, 29; 1 Petera 1:6, 7.
Antony maro mahavelom-pankasitrahana
11. Na inona na inona karazam-panantenana ananantsika, dia toky inona no omen’ny Jakoba 1:17 antsika?
11 Na aiza na aiza anompoantsika an’i Jehovah amim-pahatokiana, dia hanome izay ilaintsika sy izay faniriantsika ara-drariny, i Jehovah. (Salamo 145:16; Lioka 1:67-74). Na tena ny ho any an-danitra marina no fanantenantsika, na ny ho eto an-tany, dia manana antony marim-pototra maro tokony hahavelom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika. Izay hahasoa indrindra an’ireo tia azy foana no ataony. Nilaza i Jakoba mpianatra fa “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana”, dia i Jehovah Andriamanitra. (Jakoba 1:17). Andeha homarihintsika ny vitsivitsy amin’ireny fanomezana sy fitahiana ireny.
12. Nahoana isika no afaka milaza fa nanome fanantenana mahatalanjona ny mpanompony mahatoky tsirairay i Jehovah?
12 Nanome fanantenana mahatalanjona ho an’ny mpanompony mahatoky tsirairay i Jehovah. Niantso ny sasany ho amin’ny fanantenana ny ho any an-danitra izy. Nomen’i Jehovah an’ireo vavolombelony talohan’ny Kristianisma, ilay fanantenana kanto momba ny fitsanganan’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Nino ny fitsanganan’ny maty, ohatra, i Abrahama, ary niandry “ny tanàna misy fanorenana”, dia ilay Fanjakana any an-danitra. Eo ambany fanapahan’io Fanjakana io no hananganana azy ho amin’ny fiainana eto an-tany. (Hebreo 11:10, 17-19). Amin’izao fotoan’ny farany izao indray koa, no anomezan’Andriamanitra fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa ho an’ny olona an-tapitrisany maro. (Lioka 23:43, NW; Jaona 17:3). Azo antoka fa tokony ho velom-pankasitrahana lalina na iza na iza nomen’i Jehovah fanantenana lehibe toy izany.
13. Ahoana no niasan’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny vahoakany?
13 Manome ny fanahiny masina ho fanomezana ho an’ny vahoakany i Jehovah. Voahosotra tamin’ny fanahy masina ireo Kristiana izay nomena fanantenana ny ho any an-danitra. (1 Jaona 2:20; 5:1-4, 18). Na izany aza anefa, dia mahazo fanampiana sy tari-dalana avy amin’ny fanahy masina ireo mpanompon’Andriamanitra manana fanantenana ny ho eto an-tany. Anisan’ireny i Mosesy izay nanana ny fanahin’i Jehovah, toy ireo lehilahy 70 izay notendrena mba hanampy azy. (Nomery 11:24, 25). Teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina no nanompoan’i Bezalila tamin’ny naha-mpanao asa tanana mahay, teo amin’ny fanamboarana ny tabernakelin’ny Isiraely. (Eksodosy 31:1-11). Tonga teo amin-dry Gideona sy Jefta sy Samsona sy Davida sy Elia ary Elisa mbamin’ny hafa, ny fanahin’Andriamanitra. Na dia tsy hoentina ho any amin’ny voninahitra any an-danitra mihitsy aza ireny olona tamin’ny andro fahiny ireny, dia notarihin’ny fanahy masina sy nampiany izy ireny, toy ireo ondry hafan’i Jesosy amin’izao andro izao. Koa ny fananana ny fanahin’Andriamanitra àry dia tsy midika hoe tsy maintsy nahazo fiantsoana ho any an-danitra isika. Manome tari-dalana anefa ny fanahin’i Jehovah, manampy antsika hitory sy hanatontosa asa hafa nanendren’Andriamanitra, manome antsika hery mihoatra noho ny mahazatra, ary miteraka ao amintsika ny vokany dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana sy ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena. (Jaona 16:13; Asan’ny Apostoly 1:8; 2 Korintiana 4:7-10, NW; Galatiana 5:22, 23, NW ). Tsy tokony ho velom-pankasitrahana ve isika noho io fanomezana mampiseho fahalalahan-tanana avy amin’Andriamanitra io?
14. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fahalalana sy ny fahendrena izay fanomezan’Andriamanitra?
14 Fanomezana avy amin’Andriamanitra izay tokony hahavelom-pankasitrahana antsika ny fahalalana sy ny fahendrena, na ho any an-danitra, na ho eto an-tany no fanantenantsika. Ny fahalalana an’i Jehovah araka ny marina dia manampy antsika ‘hahazo antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa’, ka ‘handeha mendrika an’i Jehovah sy hampifaly azy amin’ny fomba feno’. (Filipiana 1:9-11, NW; Kolosiana 1:9, 10, NW ). Fiarovana sy tari-dalana eo amin’ny fiainana ny fahendrena araka an’Andriamanitra. (Ohabolana 4:5-7; Mpitoriteny 7:12). Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny tena fahalalana sy tena fahendrena, ary ireo sisa voahosotra vitsy dia voasintona manokana amin’izay lazain’izy io momba ny fanantenan’izy ireo ny ho any an-danitra. Na izany aza, dia tsy ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahatakarana tsara ny hevitr’izy io akory no fomba entin’Andriamanitra ilazana fa voantso ho amin’ny fiainana any an-danitra isika. Nanoratra tapany ao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny lehilahy sahala amin-dry Mosesy sy Daniela, kanefa dia hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany izy ireo. Samy mahazo sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay ankasitrahan’i Jehovah, isika rehetra, na ny ho any an-danitra na ny ho eto an-tany no fanantenantsika. (Matio 24:45-47, NW ). Velom-pankasitrahana erỳ isika rehetra noho ny fahalalana azo amin’izany fomba izany!
15. Inona no iray amin’ireo fanomezan’Andriamanitra lehibe indrindra, ary ahoana no fiheveranao azy io?
15 Iray amin’ireo fanomezan’Andriamanitra lehibe indrindra ilay fandaharana feno fitiavana momba ny sorom-panavotan’i Jesosy. Mandray soa avy amin’izany isika, na manana fanantenana ny ho any an-danitra isika, na ny ho eto an-tany. Tian’Andriamanitra aoka izany ny tontolon’ny olombelona ka “nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16). Ary ny fitiavan’i Jesosy dia nanosika azy “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Araka ny nanazavan’ny apostoly Jaona azy, dia i Jesosy Kristy “no avotra noho ny fahotantsika [ny an’ireo voahosotra], ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa”. (1 Jaona 2:1, 2). Noho izany, dia tokony ho velom-pankasitrahana lalina isika rehetra, noho io fandaharam-pamonjena feno fitiavana ho amin’ny fiainana mandrakizay io.b
Hanatrika ve ianao?
16. Fisehoan-javatra miavaka inona no hotsarovana ny 11 Aprily 1998, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ary iza avy no tokony hanatrika any?
16 Ny fankasitrahantsika ny avotra nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany dia tokony hanosika antsika ho any amin’ireo Efitrano Fanjakana na toeran-kafa hivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy, ny 11 Aprily 1998, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Rehefa nanorina io fankalazana io niaraka tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany, dia hoy izy: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19, 20, NW; Matio 26:26-30). Ireo sisa voahosotra vitsy no handray anjara amin’ny mofo tsy misy lalivay mampiseho ny tenan’olombelona tsy nisy ota nananan’i Jesosy, sy amin’ny divay mena tsy miharo zavatra mahatonga azy hahery kokoa, dia divay izay mampiseho ny rany nalatsaka ho sorona. Ireo Kristiana nateraky ny fanahy ihany no tokony handray anjara, satria izy ireo ihany no ao anatin’ilay fanekena vaovao sy ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana. Ary izy ireo ihany no nahazo fanambarana tsy azo lavina avy tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra fa ny ho any an-danitra no fanantenany. Hisy olona an-tapitrisany maro hanatrika eo, ho mpitazana feno fanajana, izay velom-pankasitrahana noho ny fitiavana nasehon’Andriamanitra sy i Kristy, dia fitiavana mifandray amin’ilay soron’i Jesosy izay nahatonga ny fiainana mandrakizay hety hisy. — Romana 6:23.
17. Inona no tokony hotadidintsika mahakasika ny fanosorana amin’ny fanahy?
17 Ireo hevitra ara-pivavahana ninoana taloha, ny fihetseham-po mafy nipoitra noho ny fahafatesan’olon-tiana, ireo zava-tsarotra mifandray amin’ny fiainana eto an-tany ankehitriny, na ny fahatsapana ho nandray fitahiana manokana sasany avy tamin’i Jehovah, dia mety hitarika ny sasany hilaza amin’ny fomba diso fa natao ho azy ireo ny fiainana any an-danitra. Tokony hotadidintsika rehetra anefa fa ny Soratra Masina dia tsy mandidy antsika handray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana mba hanehoana ny fankasitrahantsika ny sorom-panavotan’i Kristy. Ambonin’izany, ny fanosorana amin’ny fanahy “dia tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka (...), fa avy amin’Andriamanitra”, Ilay niteraka an’i Jesosy ho Zanany ara-panahy sy nitondra zanaka hafa 144 000 monja ho any amin’ny voninahitra. — Romana 9:16; Isaia 64:7.
18. Inona avy ireo fitahiana miandry ny ankamaroan’ireo manompo an’i Jehovah amin’izao andro izao?
18 Fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa no fanantenana omen’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona manompo an’i Jehovah amin’izao andro farany izao. (2 Timoty 3:1-5). Tsy ho ela izy ireo dia hiriaria ao amin’io paradisa mahatalanjona io. Hitantana ny raharahan’ny tany amin’izay ireo mpanapaka, eo ambanin’ny fanapahana any an-danitra. (Salamo 45:16). Hisy ny toe-piainam-piadanana, arakaraka ny hanarahan’ireo mponina eto an-tany ny lalàn’Andriamanitra sy hianarany bebe kokoa ny amin’ny lalan’i Jehovah. (Isaia 9:5, 6; Apokalypsy 20:12). Hisy asa maro be hatao ho fanorenana trano sy ho fiasana ny tany hovolena. (Isaia 65:17-25). Ary eritrereto ny amin’ny fihaonan’ny mpianakavy amin-kafaliana rehefa ho velona indray ny maty! (Jaona 5:28, 29). Ho lasa avokoa ny faharatsiana rehetra aorian’ny fitsapana farany iray. (Apokalypsy 20:7-10). Aorian’izay, mandritra ny mandrakizay, ny tany dia ho feno olona lavorary izay ho ‘novotsorana tamin’ny fanandevozan’ny fahalovana ka hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Insight on the Scriptures, Boky 1, pejy faha-225-226.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1991, pejy faha-19-22.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no dikan’ny hoe ‘misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’?
◻ Na ny ho any an-danitra na ny ho eto an-tany no fanantenantsika, inona avy ireo antony marim-pototra tokony hahavelom-pankasitrahana an’Andriamanitra antsika?
◻ Fankalazana fanao isan-taona inona no tokony hatrehintsika rehetra?
◻ Inona no fonosin’ny hoavy, ho an’ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah?
[Sary, pejy 18]
Olona an-tapitrisany maro no efa nanomboka ‘nisotro maimaim-poana tamin’ny ranon’aina’. Anisan’izy ireny ve ianao?