-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Oktobra
-
-
Indraindray, dia ampirisihin’ny dokotera mafy ny marary hametraka ny rany, herinandro vitsivitsy alohan’ny fandidiana (don préopératoire de sang autologue), mba hahafahany hampiditra izany rany notahirizina izany ao amin’ilay marary, raha ilaina. Kanefa, mifanohitra mivantana amin’izay voalaza ao amin’ny Levitikosy sy Deoteronomia ny fakana sy ny fitahirizana ary ny fampidirana ra toy izany. Tsy tokony hotahirizina ny ra, fa tokony hararaka—toy ny hoe averina amin’Andriamanitra. Marina fa tsy manan-kery ny Lalàn’i Mosesy ankehitriny. Na izany aza, dia manaja ny foto-pitsik’Andriamanitra tafiditra amin’izy io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tapa-kevitra ny ‘hifady ny ra’. Noho izany, dia sady tsy manome ra isika no tsy mitahiry, ho amin’ny fampidiran-dra, ny rantsika, izay tokony ‘haidina amin’ny tany’. Mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany fanao izany.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Oktobra
-
-
Ahoana raha toa ka namono biby iray mba ho sakafony ny olona iray? Nilaza toy izao Andriamanitra: “[Tsy maintsy, NW] haidiny amin’ny tany ny rany ka hototofany”.a (Levitikosy 17:11, 13). Naverin’i Jehovah imbetsaka io didy io. (Deoteronomia 12:16, 24; 15:23). Izao no fanamarihana ao amin’ny Soncino Chumash jiosy: “Tsy tokony hotahirizina ny ra, fa hatao kosa izay tsy hahazoana mihinana azy, amin’ny fandrarahana azy amin’ny tany.” Tsy nisy Isiraelita nahazo naka, nitahiry sy nampiasa ny ran’ny zavaboary iray hafa, izay an’i Jehovah ny ainy.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 15 Oktobra
-
-
a Nanoratra toy izao ny Profesora Frank H. Gorman: “Fantatra tsara indrindra ho fanehoam-panajana ny ain’ilay biby, ny fandrarahana ilay ra, ary noho izany, dia fanehoam-panajana an’Andriamanitra, izay namorona sady mbola miahy izany aina izany.”
-