Avy Amin’ny Mpamaky
Volombavan’i Jesosy Tao amin’ilay fitohitohizan-dahatsoratrareo hoe “Jesosy — Toy Inona Marina ny Bika Aman’endriny? Inona Izy Izao?” (8 Desambra 1998), ireo sary nataonareo dia toa manondro fa nandika ilay lalàna ao amin’ny Levitikosy 19:27 i Jesosy. Izao no voalazan’io lalàna io: “Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.” Nahoana no tsy sarin’i Jesosy tsy voahety sisim-bolo no nataonareo?
C. S., Angletera
Miharihary fa nomena mba hisakanana ny Jiosy tsy hanapaka ny sisim-bolombavany na ny sisim-bolony mba hanahafana fomba fanao sasany an’ny mpanompo sampy, io lalàna io. Tsy te hilaza anefa ny didin’Andriamanitra hoe tsy afaka nanapaka ny sisim-bolombavany na ny sisim-bolo teo amin’ny tavany mihitsy ny Jiosy. Ilay fitantarana ao amin’ny 2 Samoela 19:25 dia manondro fa “namboatra”, na nanapaka ny sisim-bolo teo amin’ny tavany ny lehilahy jiosy, raha ny marina. Izay halavan’ny notapahiny aloha dia azo inoana fa niankina tamin’ny fomba fanao nahazatra. Misy porofo arkeôlôjika manambara fa samihafa karazana ny hety volombavan’ny Jiosy nandritra ireo taonjato. Mifanaraka amin’ny porofo misy àry ny sary nataonay mampiseho an’i Jesosy fohy volombava sy misy volombava sy volon-doha voahety tsara ny sisiny. — MPAMPANONTA.
Fifandonana Planeta Kely Tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Febroary 1999, dia nisy lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Planeta Kely, Kintana Manan-drambo, Planeta Tany — Hifandona Ve?” Misaotra indrindra noho io lahatsoratra io. Nanome fanazavana azo inoana momba ny fandrahonana mety hitranga amin’ny tany izy io. Tsy nisy loza nitranga noho i Jehovah. Nankasitrahako ilay fanazavana mazava tsara sy feno fahatsorana ao amin’ilay lahatsoratra.
O. R., Failandy