TOKO FAHA-13
“Nataon’i Jehovah Izay tao An-tsainy”
1. Inona no nolazain’i Jeremia momba an’i Jehovah, rehefa rava i Jerosalema?
RAVA i Jerosalema. Mbola nidona-tsetroka ilay tanàna, noho ny afo narehitry ny Babylonianina. Tsaroan’i Jeremia ny kiakiakan’ireo olona novonoina. Tanteraka daholo izay nolazain’Andriamanitra taminy. Sady nisento ilay mpaminany no niteny hoe: “Nataon’i Jehovah izay tao an-tsainy.” Loza tokoa no nanjo an’i Jerosalema!—Vakio ny Fitomaniana 2:17.
2. Inona no faminaniana voalaza taloha ela be, hitan’i Jeremia ny fahatanterahany?
2 Nahita ny fahatanterahan’ny faminaniana maro i Jeremia, anisan’izany ny faminaniana voalaza taloha ela be. Nilaza tamin’ny Israelita, ohatra, i Mosesy, taonjato maro talohan’izay, hoe hahazo “fitahiana” izy ireo raha mankatò, fa ho ‘voaozona’ raha tsy mankatò. Tian’i Jehovah hahazo ny tsara indrindra ny vahoakany, izany hoe hahazo fitahiana. Raha tsy mankatò anefa izy ireo, dia hihatra aminy ny ozona faran’izay ratsy. Nampitandrina i Mosesy hoe izay tsy miraharaha an’i Jehovah sy manohitra azy dia ‘hihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.’ Naverin’i Jeremia izany fampitandremana izany tatỳ aoriana. (Deot. 30:19, 20; Jer. 19:9; Lev. 26:29) Mety ho nisy olona nieritreritra tamin’izany hoe: ‘Zavatra mahatsiravina izany ve dia hitranga!’ Tena nitranga anefa izany, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babylonianina. Nisy mosary tamin’izay. Nitantara i Jeremia hoe: “Ny tanan’ny vehivavy be fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany. Lasa sakafo fampiononana ireny nandritra ny fahalavoan’ny oloko zanakavavy.” (Fitom. 4:10) Nampalahelo tokoa izany!
3. Nahoana Andriamanitra no naniraka mpaminany?
3 Tsy ny hanambara loza fotsiny no antony nanirahan’i Jehovah mpaminany toa an’i Jeremia. Naniraka azy ireny koa izy satria tiany hiova ny vahoakany ka tsy hivadika aminy. Tiany hibebaka ny mpanota. Nampiseho izany i Ezra rehefa nilaza hoe: “Namerimberina nandefa iraka nitondra fampitandremana ho azy ireo i Jehovah Andriamanitry ny razany, satria nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy.”—2 Tan. 36:15; vakio ny Jeremia 26:3, 12, 13.
4. Inona no tsapan’i Jeremia momba an’ilay hafatra mila ampitainy?
4 Nangoraka ny mpiray tanindrazana taminy i Jeremia, toa an’i Jehovah ihany. Nikorontan-tsaina izy rehefa nieritreritra ny loza hanjo an’i Jerosalema. Tsy hitranga anefa io loza io, raha mba mankatò ny hafatra ampitainy ny olona! Eritrereto ny fihetseham-pon’i Jeremia rehefa nieritreritra momba ilay hafatr’Andriamanitra. Nitomany izy niteny hoe: “Mangotikotika ny tsinaiko, mangotikotika ny tsinaiko! Mijaly mafy ny foko ka mila ho vaky. Midobodoboka ny foko ato anatiko. Tsy afaka ny hangina aho satria feon’anjombona no reko, eny, fanairana rehefa misy ady.” (Jer. 4:19) Tsy vitany ny tsy hanambara an’ilay loza nananontanona!
NATOKY AN’IREO FAMINANIANA I JEREMIA
5. Nahoana i Jeremia no natoky hoe ho tanteraka ny hafatra notoriny?
5 Nahoana i Jeremia no tsy nisalasala mihitsy hoe ho tanteraka ny faminaniana nambarany? (Jer. 1:17; 7:30; 9:22) Nianatra ny Soratra Masina io lehilahy nanam-pinoana io, ary fantany fa tanteraka foana ny faminaniana lazain’i Jehovah. Porofoin’ny tantara fa afaka milaza mialoha izay hitranga i Jehovah, na dia zavatra tsy mampino aza ilay izy. Ohatra hoe ny nanafahana ny Israelita tamin’ny fanandevozana tany Ejipta sy ny nialan’izy ireo tany. Fantatr’i Jeremia io tantara io sy ny tenin’i Josoa izay nanatri-maso izany. Hoy mantsy i Josoa tamin’ny Israelita: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.”—Jos. 23:14.
6, 7. a) Nahoana no tokony hahaliana anao ny faminanian’i Jeremia? b) Inona no hanampy anao hatoky hoe ho tanteraka ny hafatra torinao?
6 Nahoana ianao no mila mandinika ny faminanian’i Jeremia? Voalohany, satria misy antony matoa izy natoky ny tenin’i Jehovah. Faharoa, satria tanteraka amin’izao andro izao ny zavatra sasany nasain’Andriamanitra nambarany, ary mbola ho tanteraka amin’ny hoavy ny hafa. Fahatelo, satria mpanompon’Andriamanitra tena niavaka izy, rehefa jerena ny habetsahan’ny faminaniana nambarany sy ny hafanam-pony nanambara azy ireny. ‘Hafa mihitsy i Jeremia, na dia hoe ampitahaina amin’izy samy mpaminany aza’, hoy ny manam-pahaizana iray. Mpaminany tena niavaka tokoa izy, hany ka rehefa nitory i Jesosy, dia noeritreretin’ny olona hoe i Jeremia ihany.—Mat. 16:13, 14.
7 Nisy faminaniana lehibe tanteraka tamin’ny andron’i Jeremia ary toy izany koa ankehitriny. Toa an’i Jeremia isika, ka mila matoky foana ny fampanantenan’Andriamanitra. (2 Pet. 3:9-14) Inona no hanampy anao amin’izany? Mila miezaka foana ianao hino hoe azo antoka tanteraka ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy anao amin’izany ity toko ity. Hodinihintsika ato ny faminaniana maromaro nampitain’i Jeremia. Ny sasany tanteraka tamin’ny androny, ny hafa tanteraka tatỳ aoriana. Misy koa mahakasika anao sy ny hoavinao. Enga anie ity toko ity hanampy anao hino kokoa ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hahatonga anao hatoky kokoa hoe ‘hanao izay ao an-tsainy i Jehovah.’—Fitom. 2:17.
Nahoana Andriamanitra no naniraka mpaminany? Nahoana ianao no matoky an’ireo faminaniana momba ny fandringanana, izay hitranga tsy ho ela?
FAMINANIAN’I JEREMIA TANTERAKA TAMIN’NY ANDRONY
8, 9. Inona no mampiavaka ny Baiboly?
8 Maro no manandrana milaza ny hoavy. Anisan’izany ny mpandinika ny toe-karena, ny mpanao politika, ny mpilalao ody, ary ny mpilaza toetrandro. Mety ho tsapanao anefa fa sarotra na dia ny hilaza izay hitranga afaka andro vitsivitsy na herinandro vitsivitsy aza. Na izany aza, dia miavaka ny Baiboly, satria milaza faminaniana marina. (Isaia 41:26; 42:9) Tsy nisy diso ny faminanian’i Jeremia, na ireo faminaniana ho tanteraka vetivety izany, na ireo ho tanteraka ela be atỳ aoriana. Mahakasika olon-tokana na firenena ny maro tamin’izy ireny. Ny faminanian’i Jeremia tanteraka tamin’ny androny anefa aloha no hodinihintsika voalohany.
9 Iza no mahay maminany hoe hanao ahoana izao tontolo izao amin’ny herintaona, na afaka roa taona? Iza, ohatra, ny manam-pahaizana afaka milaza marina tsara izay fiovana hitranga eo amin’ny fitondrana maneran-tany? Nahavita izany i Jeremia, rehefa nahazo ny fanahy masin’Andriamanitra. Afaka nilaza mialoha izy hoe hitatra ny faritra hanjakan’i Babylona. Nilaza izy hoe toy ny “kaopy volamena” hampiasain’i Jehovah i Babylona, mba handrarahany ny fahatezerany amin’i Joda sy ny tanàna manodidina azy. (Jer. 51:7) Ho andevozin’ny Babylonianina izy ireo. Nahita ny fahatanterahan’izany i Jeremia sy ny mpiara-belona taminy.—Ampitahao amin’ny Jeremia 25:15-29; 27:3-6; 46:13.
10. Inona no nolazain’i Jehovah mialoha momba ny mpanjaka efatra tao Joda?
10 Nampiasa an’i Jeremia koa i Jehovah mba hilaza izay ho fiafaran’ny mpanjaka efatra tao Joda. Nilaza, ohatra, izy fa hatao sesitany i Joahaza (antsoina koa hoe Saloma) zanak’i Josia Mpanjaka, ary tsy hiverina ao Joda intsony. (Jer. 22:11, 12) Tanteraka izany. (2 Mpanj. 23:31-34) Nilaza koa Andriamanitra hoe “halevina toy ny fandevina ampondra” i Joiakima, ilay nandimby an’i Joahaza. (Jer. 22:18, 19; 36:30) Tsy lazain’ny Baiboly hoe ahoana no nahafatesan’izy io na hoe natao ahoana ny fatiny, fa voalaza ao hoe nandimby azy i Joiakina zanany rehefa natao fahirano i Jerosalema. Nilaza koa i Jeremia hoe hatao sesitany any Babylona ary ho faty any i Joiakina, izay antsoina koa hoe Konia na Jekonia. (Jer. 22:24-27; 24:1) Tanteraka koa izany. Ary ahoana i Zedekia, ilay mpanjaka farany? Nilaza i Jeremia fa hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo tsy mangoraka izy. (Jer. 21:1-10) Azon’ny fahavalony tokoa i Zedekia. Novonoin’izy ireo teo imasony ny zanany lahy, izay mbola tanora. Nopotsirin’izy ireo ny mason’i Zedekia avy eo, ary nentiny tany Babylona izy, ka maty tany. (Jer. 52:8-11) Tanteraka daholo ireo faminaniana momba ny mpanjaka ireo!
11. Iza i Hanania, ary inona no nolazain’i Jehovah mialoha momba azy?
11 Tantaraina ao amin’ny Jeremia toko faha-28 fa nisy mpaminany sandoka atao hoe Hanania tamin’ny andron’i Zedekia. Nanohitra ny teny nasain’i Jehovah nambaran’i Jeremia izy io, dia ilay hoe ho lasa eo ambany fahefan’ny Babylonianina i Jerosalema. Nilaza izy io fa ho tapaka ny zioga hapetrak’i Nebokadnezara eo am-bozon’i Joda sy ny firenena hafa. Nirahin’i Jehovah hilaza anefa i Jeremia hoe diso ny tenin’i Hanania. Nasainy namerina nilaza koa izy hoe firenena maro no hanompo ny Babylonianina, ary ho faty amin’io taona io i Hanania. Nitranga tokoa izany!—Vakio ny Jeremia 28:10-17.
12. Inona no noeritreretin’ireo mpiara-belona tamin’i Jeremia momba an’ilay hafatra lehibe indrindra nampitainy?
12 Ny faharavan’i Jerosalema no hafatra lehibe indrindra nasain’Andriamanitra nambaran’i Jeremia. Imbetsaka i Jeremia no nampitandrina fa ho rava ilay tanàna, raha tsy mibebaka ny Jiosy fa mbola manompo sampy sy manao ny tsy rariny ary mahery setra. (Jer. 4:1; 16:18; 19:3-5, 15) Maro tamin’ny mpiara-belona tamin’i Jeremia no nihevitra fa tsy hanao izany mihitsy i Jehovah. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy havelan’Andriamanitra ho rava mihitsy ny tempoly, izay tao Jerosalema. Tsy mba mandainga anefa i Jehovah. Nanao izay tao an-tsainy izy.—Jer. 52:12-14.
13. a) Nahoana no azo lazaina hoe mitovy amin’ny andron’i Jeremia ny androntsika? b) Nahoana no mahaliana anao ny fampanantenana nomen’Andriamanitra ny olona sasany tamin’ny andron’i Jeremia?
13 Mitovy amin’ireo Jiosy tsy nivadika tamin’ny andron’i Jeremia ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Fantatsika fa kely sisa dia horinganin’i Jehovah izay rehetra tsy mankatò ny fampitandremany. Nampahery an’ireo Jiosy tsy nivadika ny fampanantenana ao amin’ireo faminaniana, ary mampahery antsika koa. Mampahery antsika, ohatra, ny momba an’ireo Rekabita. Nilaza tamin’izy ireo i Jehovah fa ho tafavoaka velona izy ireo rehefa ho rava i Jerosalema, noho izy ireo tsy nivadika taminy sy nankatò ny didin’ny razambeny. Tsy maty tokoa izy ireo. Mety hanamarina izany ny filazana tatỳ aoriana fa nandray anjara tamin’ny fanamboarana an’i Jerosalema i “Malkia zanak’i Rekaba”, tamin’ny andron’i Nehemia Governora. (Neh. 3:14; Jer. 35:18, 19) Nanome toky an’i Ebeda-meleka koa Andriamanitra fa tsy ho faty izy, satria natoky azy sy nanampy an’i Jeremia. (Jer. 38:11-13; 39:15-18) Toy izany koa i Baroka. Nampanantena azy Andriamanitra hoe homeny azy ‘ho babony ny ainy.’ (Jer. 45:1, 5) Tanteraka daholo ireo faminaniana ireo. Inona no lesona raisinao avy amin’izany? Inona no eritreretinao hoe hataon’i Jehovah aminao raha tsy mivadika ianao?—Vakio ny 2 Petera 2:9.
Inona no soa noraisin’i Ebeda-meleka sy Baroka ary ny Rekabita, noho i Jehovah manatanteraka foana ny fampanantenany? Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’ireny faminaniana ireny?
FAMINANIANA TANTERAKA TATỲ AORIANA
14. Nahoana no tena nahagaga ilay faminaniana momba an’i Babylona?
14 Nilaza mialoha Andriamanitra fa tsy i Joda ihany no ho resin’i Nebokadnezara, fa i Ejipta koa. (Jer. 25:17-19) Toa tsy nampino izany, satria firenena natanjaka be i Ejipta, ary nifehy an’i Joda mihitsy aza. (2 Mpanj. 23:29-35) Rehefa rava i Jerosalema, dia nikasa hialokaloka tany Ejipta ireo Jiosy tsy lasa babo. Efa nampitandrina azy ireo anefa i Jehovah mba tsy hanao izany, sady nilaza fa hotahiny izy ireo raha mijanona ao Joda. Nilaza koa i Jehovah fa raha mandositra any Ejipta izy ireo, dia hahatratra azy ireo any ny sabatra natahorany. (Jer. 42:10-16; 44:30) Tsy resahin’i Jeremia ao amin’ireo boky nosoratany raha nahita ny nanafihan’ny Babylonianina an’i Ejipta izy na tsia. Ny azo antoka anefa dia hoe tanteraka tamin’ireo Israelita nitsoa-ponenana ilay faminaniana, rehefa resin’ny Babylonianina i Ejipta tany am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K.—Jer. 43:8-13.
15, 16. Ahoana no nahatanterahan’ilay tenin’i Jehovah momba ny nanafahana ny vahoakany?
15 Naminany momba ny hiafaran’i Babylona koa i Jeremia. Zato taona mialoha izy dia efa nilaza fa ho rava tampoka izy io. Ahoana no hitrangan’izany? Ho “ritra” ireo rano miaro azy, ary tsy hiady ireo lehilahy mahery ao aminy. (Jer. 50:38; 51:30) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izany. Navilin’ny Medianina sy ny Persianina ny Reniranon’i Eofrata, ka afaka nandeha an-tongotra niampita an’ilay rano izy ireo, ary niditra tao amin’ilay tanàna. Tsy nampoizin’ny Babylonianina izany. Mahaliana koa ilay faminaniana hoe ho lao tsy hisy mponina intsony i Babylona. (Jer. 50:39; 51:26) Tsy misy mponina tokoa any izao, ka voaporofo fa marina ilay faminaniana mahakasika an’io firenena natanjaka fahiny io.
16 Nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia koa fa hanompo an’i Babylona 70 taona ny Jiosy. Hoentin’Andriamanitra hiverina any amin’ny taniny izy ireo aorian’izay. (Vakio ny Jeremia 25:8-11; 29:10.) Natoky i Daniela hoe ho tanteraka io faminaniana io, ka nampiasa azy io izy mba hahafantarana hoe rahoviana no ho tapitra ny fotoana “aharavan’i Jerosalema.” (Dan. 9:2) Nitantara i Ezra fa “mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia”, dia “nentanin’i Jehovah i Kyrosy mpanjakan’i Persa” mba hamerina an’ireo Jiosy any amin’ny taniny. Io Kyrosy io no nandresy an’i Babylona. (Ezra 1:1-4) Tena faly ny Jiosy rehefa tafody tany amin’ny taniny, satria tsy nanana ahiahy izy ireo tany, ary afaka namerina ny fivavahana madio, araka ny faminaniana efa nambaran’i Jeremia.—Jer. 30:8-10; 31:3, 11, 12; 32:37.
17. Ahoana avy no mety ho nahatanterahan’ilay faminaniana hoe hisy “fitomaniana” ao Rama?
17 Nilaza faminaniana tanteraka tatỳ aoriana be koa i Jeremia. Hoy izy: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Misy feo re any Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana. Mitomany an’ireo zanany mantsy i Rahely, ary tsy mety hampiononina izy, satria tsy eo intsony ireny.’ ” (Jer. 31:15) Toa nisy Jiosy babo maromaro nangonina tao Rama, valo kilaometatra tany avaratr’i Jerosalema, taorian’ilay fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Novonoina tao mihitsy aza angamba ny sasany. Mety ho tamin’izay no tanteraka voalohany ilay faminanian’i Jeremia, ka toy ny hoe nitomany i Rahely satria tsy eo intsony ny “zanany.” Tanteraka koa izy io enin-jato taona mahery tatỳ aoriana. Nasain’i Heroda Mpanjaka novonoina ireo zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina azy tamin’izay. Nohazavain’i Matio, mpanoratra Filazantsara, fa efa nolazain’i Jeremia mialoha ny alahelo haterak’izany.—Mat. 2:16-18.
18. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana nolazain’Andriamanitra momba an’i Edoma?
18 Naminany koa i Jeremia fa anisan’ny firenena hotafihin’ny Babylonianina i Edoma. (Jer. 25:15-17, 21; 27:1-7) Nolazainy koa fa ho lasa toa an’i Sodoma sy Gomora izy io, izany hoe tsy hisy mponina intsony, ary hanjavona amin’ny farany. (Jer. 49:7-10, 17, 18) Tanteraka tamin’ny taonjato voalohany izany. Mbola mandre momba ny Edomita ve ianao ankehitriny, na mbola mahita ny hoe Edoma amin’ny sarintany? Tsy mahita an’izany ianao raha tsy ao amin’ny boky momba ny tantara fahiny, na boky momba ny tantara ao amin’ny Baiboly, na sarintany mampiseho ny firenena tamin’izany andro izany. Nilaza i Flavius Josèphe fa noterena hanaiky ny Fivavahana Jiosy ny Edomita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Ary rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70, dia nanjavona koa ny firenena edomita ka tsy nisy intsony.
19. Inona no asehon’ny bokin’i Jeremia momba an’Andriamanitra?
19 Hitantsika àry fa misy faminaniana be dia be mahakasika olon-tokana sy firenena ao amin’ny bokin’i Jeremia. Efa tanteraka ny ankamaroany, ka na izay fotsiny aza dia efa tokony handrisika anao handinika an’io boky io. Raha manao izany ianao dia ho hitanao fa hamafisin’io boky io hoe nanao izay tao an-tsainy i Jehovah, ilay Andriamanitra lehibe, ary mbola hanao izany. (Vakio ny Isaia 46:9-11.) Hanampy anao hatoky kokoa ny faminaniana ao amin’ny Baiboly izany. Mahakasika anao sy ny hoavinao mihitsy ny faminaniana sasany nosoratan’i Jeremia, raha ny marina. Handinika ny sasany amin’izany isika izao.
Inona no faminaniana sasany tanteraka taorian’ny nahafatesan’i Jeremia? Nahoana izy ireny no zava-dehibe aminao?
FAMINANIANA MAHAKASIKA ANAO
20-22. Inona no mampiseho fa tsy indray mandeha ihany no tanteraka ny faminaniana sasany, anisan’izany ny ao amin’ny bokin’i Jeremia?
20 Mety ho tsy indray mandeha ihany no tanteraka ny faminaniana iray. Diniho, ohatra, ilay valin-teny nomen’i Jesosy ny mpianany, momba ny famantarana ‘ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Mat. 24:3) Tanteraka tamin’ny taona 66 ka hatramin’ny 70 izy io. Mbola ho tanteraka anefa ny lafiny sasany amin’izy io, mandritra ny “fahoriana lehibe” hihatra amin’ity tontolo ratsy ity. ‘Mbola tsy nisy fahoriana’ toa an’io “hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:21) Tsy indray mandeha koa no tanteraka ny faminaniana sasany nolazain’i Jeremia. Nisy tanteraka tamin’ny taona 607 T.K., ary tanteraka indray tatỳ aoriana. Anisan’izany ilay faminaniana momba an’i ‘Rahely mitomany ny zanany.’ (Jer. 31:15) Mahakasika ny andro iainantsika mihitsy ny faminaniana sasany nambaran’i Jeremia, ary mahakasika anao ny fahatanterahan’izy ireny.
21 Hitantsika izany rehefa mandinika ny bokin’ny Apokalypsy. Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Jaona, ka nanonona ny faminanian’i Jeremia momba ny faharesen’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Hitantsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy fa hitovy amin’izay nitranga tamin’i Babylona fahiny no hanjo an’i “Babylona Lehibe.” Anisan’ireo faminanian’i Jeremia tanteraka nandritra izao androntsika izao ilay hoe hianjera i “Babylona Lehibe”, izany hoe hihena be ny herin’ireo fivavahan-diso eran-tany. (Apok. 14:8; 17:1, 2, 5; Jer. 50:2; 51:8) Tsy maintsy ‘mivoaka avy ao’ amin’izy io ny vahoakan’Andriamanitra, mba tsy hiaraka ho ringana aminy. (Apok. 18:2, 4; Jer. 51:6) Ho “ritra” ny ranon’io tanàna io, izany hoe hihena ny mpivavaka ao aminy.—Jer. 51:36; Apok. 16:12.
22 Mbola ho tanteraka amin’ny hoavy ilay fampanantenana hoe hamaly ny fivavahan-diso Andriamanitra, noho izy io mampijaly ny vahoakany. Hovalian’i Jehovah araka “izay rehetra nataony” izy. (Jer. 50:29; 51:9; Apok. 18:6) Tsy hisy mpanohana intsony i Babylona Lehibe amin’izay, ka ho toy ny tanàna aolo.—Jer. 50:39, 40.
23. Inona no naverina amin’ny laoniny amin’izao androntsika izao, araka ny faminanian’i Jeremia?
23 Voamarikao angamba fa milaza zavatra tsara koa ny faminanian’i Jeremia. Nilaza izy, ohatra, fa haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina amin’ny androntsika. Toy ireo Jiosy nafahana avy tany Babylona fahiny, dia nafahana avy tamin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra, taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra. Nampian’i Jehovah hanaraka ny fivavahana madio indray ny vahoakany, ka tena faly sy nisaotra azy. Notahiny ny ezaka nataon’izy ireo, rehefa nanampy olona hanompo azy sy nizara sakafo ara-panahy izy ireo. (Vakio ny Jeremia 30:18, 19.) Fantatrao koa fa nanome mpiandry hikarakara ny olony i Jehovah, araka ny efa nampanantenainy. Lehilahy matotra izy ireny, ary tena miahy sy miaro ny andian’ondry.—Jer. 3:15; 23:3, 4.
24. Inona no faminaniana lehibe nolazain’i Jeremia, mbola ho tanteraka amin’ny hoavy?
24 Tsy hoe nanome fampanantenana ho an’ireo olona tsy mivadika fotsiny i Jeremia, fa nilaza hafatra fampitandremana koa. Nilaza izy hoe ho ringana izay miala amin’i Jehovah. Toy izany koa ny asa ataontsika. Hitantsika mantsy fa tena mila mampitandrina haingana ny olona isika noho ireto teny ireto: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany. Tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.”—Jer. 25:33.
25. Inona no andraikitry ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?
25 Miaina amin’ny fotoan-tsarotra toy ny tamin’ny andron’i Jeremia isika. Toy ny tamin’izany andro izany ihany, dia miankina amin’ny fandraisan’ny olona ny hafatr’i Jehovah no hahavoavonjy azy na tsia. Tsy mpaminany toa an’i Jeremia anefa isika. Tsy nahazo hery avy amin’ny fanahy masina isika, ka hoe ho afaka hanampy ny tenin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nirahina hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana kosa anefa isika mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Mat. 28:19, 20) Tsy tokony ‘hangalatra ny tenin’i Jehovah’ mihitsy àry isika, ka hoe hanafina amin’ny olona ny zavatra hitranga tsy ho ela. (Vakio ny Jeremia 23:30.) Tsy tokony hafenintsika amin’izy ireo mihitsy hoe raha tsy manaraka ny tenin’i Jehovah izy dia ho ringana. Maro amin’ny faminaniana nasain’Andriamanitra nampitain’i Jeremia no efa tanteraka. Manome toky antsika izany fa mbola ho tanteraka ny faminaniana hafa. Mila milaza amin’ny olona àry isika hoe tsy maintsy ‘hanao izay ao an-tsainy i Jehovah’ ary ‘hanatanteraka ny teniny, dia ny didiny efa hatramin’ny ela be.’—Fitom. 2:17.
26. Inona no faminaniana mbola mila dinihintsika?
26 Tsy hahalala tsara momba ny faminaniana nambaran’i Jeremia sy ny asa nasaina nataony ianao, raha tsy mandinika ny fampanantenana lehibe iray nomen’i Jehovah. Nampanantena izy fa hanao “fifanekena vaovao” amin’ny vahoakany, ary hanoratra ny lalàny ao am-pon’izy ireo. (Jer. 31:31-33) Mahakasika anao io faminaniana io sy ny fahatanterahany, ka hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka.
Inona avy no faminanian’i Jeremia tanteraka amin’ny androntsika? Ahoana ny hevitrao momba ireo faminaniana mbola tsy tanteraka?