-
Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Aogositra
-
-
Kora—Mpikomy feno fitsiriritana
4. a) Iza moa i Kora, ary tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’ny zava-nitranga ara-tantara inona avy izy? b) Nitarika fanaovan-dratsy inona i Kora, rehefa zokinjokiny?
4 Levita taranak’i Kehata i Kora, ary zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Mosesy sy i Arona. Toa tsy nivadika teo anatrehan’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro izy. Nanana tombontsoa anisan’ireo nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy teo amin’ny Ranomasina Mena i Kora, ary azo inoana fa anisan’ny nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ireo Isiraelita nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eksodosy 32:26). Tatỳ aoriana anefa, dia nitarika fikomiana tamin’i Mosesy sy i Arona, i Kora. Anisan’ireo mpikomy i Datana sy i Abirama ary i Ona, izay samy taranak’i Robena, mbamin’ny filoha isiraelita 250.a
-
-
Mitondra Fahafaham-baraka ny Fahasahisahian-dratsyNy Tilikambo Fiambenana—2000 | 1 Aogositra
-
-
a Koa satria i Robena no lahimatoan’i Jakoba, ireo anisan’ny taranany voataonan’i Kora hikomy dia nety ho sosotra fa hoe i Mosesy, izay taranak’i Levy, no nahazo fahefana hitantan-draharaha teo amin’izy ireo.
-