Mandehana Amin-kerim-po Amin’ny Lalan’i Jehovah
“Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.” — SALAMO 128:1.
1, 2. Manampy amin’inona moa ny fitantaran’ny Baiboly ny teny sy izay nataon’ireo vavolombelon’i Jehovah voalohany?
NY TENY Masin’i Jehovah dia feno fitantarana ny amin’ireo fitsapana sy fifaliana hitan’ireo mpanompony nahatoky. Miavaka sy velombelona erỳ ny fitantarana an’ireo fanandraman-javatra hitan’i Noa, i Abrahama, i Saraha, i Josoa, i Debora, i Baraka sy i Davida ary ny hafa. Izy rehetra ireo dia olona tena nisy avokoa izay nanan-javatra manokana niombonana. Samy nanam-pinoana an’Andriamanitra izy ireo, ary samy nandeha tamin-kerim-po tamin’ny lalany avokoa.
2 Afaka mitondra fampaherezana ho antsika ny teny sy izay nataon’ireo vavolombelon’i Jehovah voalohany, eo am-piezahantsika mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia ho sambatra isika raha mampiseho fanajana an’Andriamanitra sy tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy. Marina izany, na dia miatrika fitsapana eo amin’ny fiainana aza isika, satria nihira toy izao ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry: “Sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany.” — Salamo 128:1.
Ny atao hoe herim-po
3. Inona no atao hoe herim-po?
3 Tsy maintsy manana herim-po isika mba handehanana amin’ny lalan’i Jehovah. Raha ny marina, ny Soratra Masina dia mandidy ny vahoakan’Andriamanitra mba haneho izany toetra tsara izany. Nihira toy izao, ohatra, i Davida mpanao salamo: “Mahereza [“Manàna herim-po”, NW ], ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah.” (Salamo 31:24). Ny herim-po dia “hery ara-tsaina na ara-pitondran-tena mahatonga ho sahy hanao zavatra, ho feno fikirizana, ary hanohitra amim-pahatapahan-kevitra ny loza sy ny tahotra ary ny fahasahiranana”. (Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary). Ny olona iray manana herim-po dia matanjaka, sahy, mahery fo. Manome herim-po ny mpanompony i Jehovah, ary izany dia miharihary amin’ireto teny nataon’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy ireto: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” — 2 Timoty 1:7.
4. Inona no fomba iray hahazoana herim-po?
4 Ny fandinihana amim-bavaka ny Tenin’i Jehovah, ny Baiboly, dia fomba iray hahazoana ilay herim-po omen’Andriamanitra. Misy fitantarana maro hita ao amin’ny Soratra Masina afaka manampy antsika hanjary ho be herim-po kokoa. Noho izany, dia aoka isika aloha hijery izay azontsika ianarana avy amin’ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny olona sasany izay nandeha tamin-kerim-po tamin’ny lalan’i Jehovah.
Herim-po hanambarana ny hafatr’Andriamanitra
5. Amin’ny ahoana ny herim-pon’i Enoka no mitondra soa ho an’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao?
5 Ny herim-pon’i Enoka dia afaka manampy ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao hilaza amin-kerim-po ny hafatr’Andriamanitra. Talohan’ny nahaterahan’i Enoka, dia “natao ny fanombohana niantso ny anaran’i Jehovah”. Milaza ny manam-pahaizana manokana sasany fa ny olona dia “nanomboka” niantso “tamim-pametavetana” ny anaran’i Jehovah. (Genesisy 4:25, 26, NW; 5:3, 6). Nety ho nampiharina tamin’olombelona na tamina sampy mihitsy aza ilay anaran’Andriamanitra. Noho izany, dia niroborobo ny fivavahan-diso rehefa teraka i Enoka, tamin’ny taona 3404 al.f.i. Raha ny marina, dia toa izy irery ihany no “niara-nandeha tamin’Andriamanitra”, nanaraka lalana marina nifanaraka tamin’ny fahamarinan’i Jehovah Andriamanitra voambara. — Genesisy 5:18, 24.
6. a) Hafatra mahery inona no nambaran’i Enoka? b) Afaka matoky ny amin’inona isika?
6 Nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin-kerim-po i Enoka, azo inoana fa tamin’ny fitoriana. (Hebreo 11:5; ampitahao amin’ny 2 Petera 2:5.) “Indro”, hoy io vavolombelona nandeha irery io, “tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy [“tsy tia an’Andriamanitra”, NW ] rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny [manafintohina, NW ] rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.” (Joda 14, 15). Nanana herim-po nampiasa ny anaran’i Jehovah i Enoka rehefa nampita ilay hafatra nanameloka ireo tsy tia an’Andriamanitra. Ary toy ny nanomezan’Andriamanitra herim-po an’i Enoka mba hanambara ilay hafatra mahery, dia manome hery ireo Vavolombelony amin’izao andro izao koa i Jehovah mba hilazan’izy ireo amin-kasahiana ny Teniny eny amin’ny fanompoana sy any an-tsekoly ary any an-toeran-kafa. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:29-31.
Herim-po ao anatin’ny fitsapana
7. Ohatra mampiseho herim-po inona no nomen’i Noa?
7 Afaka manampy antsika ho be herim-po eo am-panatanterahana asa marina rehefa ao anatin’ny fitsapana ny ohatr’i Noa. Tamin-kerim-po sy tamim-pinoana no nanaovan’i Noa asa noho ny fampitandreman’Andriamanitra ny amin’ny safodrano haneran-tany iray sy ‘nanamboarany sambo-fiara hamonjena ny ankohonany’. Tamin’ny fanaovany asa tamim-pankatoavana sy fahamarinana, dia nanameloka ilay tontolo tsy nino noho ny asa ratsiny i Noa, ary nampiseho azy io ho mendrika horinganina. (Hebreo 11:7; Genesisy 6:13-22; 7:16). Ny fisaintsainana ny fiainan’i Noa dia manampy ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao mba hirotsaka amin-kerim-po ao amin’ny asam-pahamarinana toy ny fanompoana kristiana.
8. a) Inona no natrehin’i Noa tamin’ny naha-“mpitory ny fahamarinana” be herim-po azy? b) Inona no hataon’i Jehovah ho antsika raha mpitory ny fahamarinana be herim-po isika?
8 Raha manaraka lalana marina isika kanefa tsy mahafantatra ny fomba hiatrehana fitsapana sasany, dia aoka isika hivavaka mba hahazo fahendrena hiatrehana izany amim-pahombiazana. (Jakoba 1:5-8). Ny tsy fivadihan’i Noa tamin’Andriamanitra tao anatin’ny fitsapana dia mampiseho fa azo atao ny miatrika ireo fitsapana amin-kerim-po sy fahatokiana. Notoheriny tamim-pahatapahan-kevitra ny fanerena avy tamin’ny tontolo ratsy iray sy avy tamin’ireo anjely nitafy nofo mbamin’ireo zanany safiotra. Eny, i Noa dia “mpitory ny fahamarinana” be herim-po teo amin’izao “rehetra izao taloha” nizotra ho any amin’ny fandringanana. (2 Petera 2:4, 5; Genesisy 6:1-9). Na dia niteny tamin-kasahiana aza izy tamin’ny naha-mpitondra ny fampitandreman’Andriamanitra azy teo amin’ireo olona talohan’ny safodrano, dia “tsy nanisy fiheverana izany izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano izay nipaoka azy rehetra”. (Matio 24:36-39, NW ). Aoka anefa isika hitadidy fa, na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao ny hafatra miorina amin’ny Baiboly entintsika, dia hanohana antsika i Jehovah toy ny nanohanany an’i Noa, raha maneho finoana sy herim-po mitovy amin’izany isika amin’ny maha-mpitory ny fahamarinana antsika.
Herim-po hankatoavana an’Andriamanitra
9, 10. Tamin’ny lafiny inona avy i Abrahama sy i Saraha ary i Isaka no nampiseho fankatoavana tamin-kerim-po?
9 Ohatra tsara dia tsara teo amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra tamin-kerim-po i Abrahama, “sakaizan’Andriamanitra”. (Jakoba 2:23). Nila finoana sy herim-po i Abrahama mba hankatoavana an’i Jehovah ka handaozana an’i Ora an’ny Kaldeana, dia tanàna iray feno tombontsoa ara-nofo. Nino ny fampanantenan’Andriamanitra izy fa “ny firenena rehetra ambonin’ny tany” dia hotahina amin’ny alalan’ny tenany, ary homena tany iray ny taranany. (Genesisy 12:1-9; 15:18-21). Finoana no ‘niainan’i Abrahama toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenaina’ sy ny niandrasany tamim-panantenana “ilay tanàna mafy orina” — ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Eo ambanin’io Fanjakana io no hananganana azy ho amin’ny fiainana eto an-tany. — Hebreo 11:8-16, DIEM.
10 I Saraha, vadin’i Abrahama, dia nanana ilay finoana sy herim-po nilaina mba handaozana an’i Ora sy hanarahana ny vadiny tany an-tanin’olona ary mba hiaretana ireo zava-tsarotra hita tany. Ary novalian-tsoa toy inona moa izy noho ny fankatoavany an’Andriamanitra tamin-kerim-po! Na dia momba aza i Saraha hatreo amin’ny faha-90 taonany teo ho eo, ary efa “nitsaha-jaza”, dia nomena hery mba ‘hanan-anaka izy satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana’. Tsy ela dia niteraka an’i Isaka izy. (Hebreo 11:11, 12; Genesisy 17:15-17; 18:11; 21:1-7). Taona maro tatỳ aoriana, dia nankato an’Andriamanitra tamin-kerim-po i Abrahama tamin’ny ‘nanolorany an’i Isaka ho sorona’. Nosakanan’ny anjely iray ilay patriarka, ka nandray ny zanany be herim-po sy mpankato avy tamin’ny fahafatesana tamin’ny fomba nampiseho “tandindon-javatra”. Araka izany izy sy i Isaka dia nampiseho ara-paminaniana fa i Jehovah Andriamanitra dia hanolotra ny Zanany, i Jesosy Kristy, ho avotra mba hahazoan’izay maneho finoana azy fiainana mandrakizay. (Hebreo 11:17-19, DIEM; Genesisy 22:1-19; Jaona 3:16). Azo antoka fa ny fankatoavana tamin-kerim-po nasehon’i Abrahama sy i Saraha ary i Isaka dia tokony hanosika antsika hankato an’i Jehovah sy hanao mandrakariva ny sitrapony.
Herim-po hiandaniana amin’ny vahoakan’Andriamanitra
11, 12. a) Ahoana no nanehoan’i Mosesy herim-po mikasika ny vahoakan’i Jehovah? b) Noho ny herim-pon’i Mosesy, dia fanontaniana inona no azo atao?
11 Niandany tamin-kerim-po tamin’ny vahoakan’Andriamanitra nampahorina i Mosesy. Tamin’ny taonjato faha-16 al.f.i., dia ny ray aman-drenin’i Mosesy mihitsy no naneho herim-po. Tsy natahotra ny baikon’ny mpanjaka hamonoana ny zazalahy hebreo rehetra vao teraka izy ireo, fa nanafina an’i Mosesy ary avy eo dia nametraka azy tao anatin’ny fiara iray teny amin’ny zozoro teo amoron’ny ony Neily. Hitan’ny zanakavavin’i Farao izy ka notezaina toy ny zanany naterany, na dia nahazo fampiofanana ara-panahy tany an-tranon-dray aman-dreniny aza izy aloha. Tamin’ny naha-anisan’ny ankohonan’i Farao azy, dia “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana” i Mosesy ary nanjary “nahery tamin’ny teniny sy ny asany”, nahery teo amin’ny fahaizany ara-tsaina sy ara-batana. — Asan’ny Apostoly 7:20-22; Eksodosy 2:1-10; 6:20.
12 Na dia teo aza ireo tombontsoa ara-nofo tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nifidy tamin-kerim-po ny hiandany tamin’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah izay nandevozin’ny Egyptiana izy. Mba hiarovana Isiraelita iray, dia namono Egyptiana iray izy ary avy eo dia nandositra tany Midiana. (Eksodosy 2:11-15). Efapolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nampiasa azy Andriamanitra mba hitarika ny Isiraelita hiala tamin’ny fanandevozana. Tamin’izay i Mosesy dia ‘nandao an’i Egypta, fa tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka’ izay nandrahona azy ho faty noho izy nisolo tena an’i Jehovah ho an’ny Isiraely. Nandeha i Mosesy toy ny nahita “Izay tsy hita”, dia i Jehovah Andriamanitra. (Hebreo 11:23-29; Eksodosy 10:28). Manana finoana sy herim-po toy izany ve ianao ka hifikitra amin’i Jehovah sy ny vahoakany na dia eo aza ny zava-tsarotra sy ny fanenjehana?
Herim-po mba ho ‘tanteraka amin’ny fanarahana an’i Jehovah’
13. Ahoana no nanomezan’i Josoa sy i Kaleba ohatra momba ny herim-po?
13 I Josoa sy i Kaleba be herim-po dia nanome porofo fa afaka mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra isika. “Tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah” izy ireo. (Nomery 32:12). Anisan’ireo lehilahy 12 nalefa hisafo ny Tany Nampanantenaina i Josoa sy i Kaleba. Noho ny fahatahoran’ireo mpisafo tany folo ny mponina tao, dia nanandrana nanakivy ny Isiraely tsy hiditra tao Kanana izy ireo. Niteny tamin-kerim-po toy izao anefa i Josoa sy i Kaleba: “Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” (Nomery 14:8, 9). Tsy tonga tany amin’ny tany nampanantenaina mihitsy io taranaka isiraelita io noho tsy fananany finoana sy herim-po. I Josoa sy i Kaleba kosa anefa, niaraka tamin’ny taranaka vaovao iray, dia niditra tao.
14, 15. a) Rehefa nampiharin’i Josoa ireo teny ao amin’ny Josoa 1:7, 8, dia inona no hitan’ny tenany sy ireo Isiraelita? b) Fianarana inona mahatafiditra ny herim-po no raisintsika avy amin’i Josoa sy i Kaleba?
14 Niteny toy izao tamin’i Josoa Andriamanitra: “Koa mahereza [“manàna herim-po”, NW ] sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina hianao amin’izay rehetra halehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:7, 8.
15 Rehefa nampihatra ireo teny ireo i Josoa, dia lavo teo anatrehan’ny Isiraelita i Jeriko sy tanàna maro hafa. Nataon’Andriamanitra mihitsy aza izay tsy hihetsehan’ny masoandro mba hamirapiratany hatrany mandra-pandresen’ny Isiraely tao Gibeona. (Josoa 10:6-14). Rehefa norahonan’ny tafika fahavalo nitambatra “maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina” i Josoa, dia nanao zavatra tamin-kerim-po izy, ary dia nataon’Andriamanitra ho mpandresy indray ny Isiraely. (Josoa 11:1-9). Na dia olombelona tsy tanteraka aza isika, sahala amin’i Josoa sy i Kaleba, dia afaka ny ho tanteraka isika amin’ny fanarahana an’i Jehovah, ary afaka manome hery handehanantsika amim-kerim-po amin’ny lalany Andriamanitra.
Herim-po mba hitokiana amin’Andriamanitra
16. Tamin’ny fomba ahoana avy i Debora sy i Baraka ary i Jaela no naneho herim-po?
16 Valian-tsoa ny fitokiana amin-kerim-po amin’Andriamanitra, araka ny asehon’ireo zava-nitranga tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara teo amin’ny Isiraely. (Rota 1:1). I Baraka Mpitsara sy i Debora mpaminanivavy, ohatra, dia nitoky tamin-kerim-po tamin’Andriamanitra. Nampahory ny Isiraely nandritra ny 20 taona i Jabina mpanjaka kananita rehefa nasain’i Jehovah nampirisihin’i Debora i Baraka mba hamory lehilahy 10 000 teo amin’ny Tendrombohitra Tabara. I Sisera, mpitari-tafik’i Jabina, dia nandeha faingana tany amin’ny lohasahan-driakan’i Kisona, nahazo antoka erỳ fa teo amin’io toerana iva io, ireo lehilahin’ny Isiraely dia tsy ho afaka hifaninana amin’ny tafiny sy ireo kalesiny fitondra miady 900 nisy antsy vy fijinjana teo amin’ny kodiarany. Rehefa nandroso hiady tao amin’ilay lohasaha lemaka ny Isiraelita, dia nanao zavatra ho azy ireo Andriamanitra, ary nisy tondra-drano tampoka nahatonga ilay saha fiadiana hamotaka mandrevo izay tsy naha-afa-nihetsika ireo kalesin’i Sisera. Nandresy ireo olon’i Baraka, hany ka “lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra”. Nandositra nankany amin’ny lain’i Jaela i Sisera, kanefa raha mbola natory iny izy, dia nanana herim-po i Jaela mba hamonoana azy tamin’ny fanatsatohana tsima-day teo amin’ny fihirifany. Araka izany, nifanaraka tamin’ilay filazana ara-paminaniana nataon’i Debora tamin’i Baraka, dia an’ny vehivavy iray ‘ny voninahitra’ tamin’io fandresena io. Noho i Debora sy i Baraka ary i Jaela nitoky tamin-kerim-po tamin’Andriamanitra, “dia nandry ny tany efa-polo taona” teo amin’ny Isiraely. — Mpitsara 4:1-22; 5:31.
17. Ohatra ny amin’ny fitokiana tamin-kerim-po tamin’i Jehovah inona no nomen’i Gideona Mpitsara?
17 Nitoky tamin-kerim-po tamin’i Jehovah Andriamanitra i Gideona Mpitsara rehefa nanafika ny Isiraely ny Midianita sy ny hafa. Na dia resy an’isa aza ireo lehilahy mpiady isiraelita 32 000 teo anatrehan’ny mpanafika sahabo ho 135 000, dia nety mbola hirona hihevitra ilay fandresena nomen’Andriamanitra ho avy tamin’ny heriny manokana ihany izy ireo. Teo ambany fitarihan’i Jehovah àry, dia nahenan’i Gideona ho antoko telo nisy 100 lahy avy ny tafiny. (Mpitsara 7:1-7, 16; 8:10). Raha nanodidina ny tobin’ny Midianita tamin’ny alina ireo 300 lahy, ny tsirairay taminy dia nitana anjomara sy siny nisy fanilo tao anatiny. Tamin’ny famantarana iray, dia nitsoka ny anjomara izy ireo ka namaky ny siny sy nanandratra ambony ireo fanilo niredareda ary niantsoantso hoe: “Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!” (Mpitsara 7:20). Nanomboka nandositra ireo Midianita raiki-tahotra ka resy. Ny zava-nitranga toy izany dia tokony hampiaiky mafy antsika fa ny fitokiana amin-kerim-po amin’Andriamanitra dia valian-tsoa koa amin’izao andro izao.
Herim-po hanomezam-boninahitra an’i Jehovah sy hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana madio
18. Inona no nataon’i Davida tamin-kerim-po rehefa namely nahafaty an’i Goliata izy?
18 Misy ohatra sasany ao amin’ny Baiboly manome herim-po hanomezam-boninahitra an’i Jehovah sy hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. I Davida tanora izay namonjy tamim-pahasahiana ny ondrin-drainy dia niseho ho be herim-po teo anatrehan’i Goliata filistina goavana. “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy”, hoy i Davida, “fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, (...) mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady”. (1 Samoela 17:32-37, 45-47). Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia nanome voninahitra an’i Jehovah tamin-kerim-po i Davida, namely nahafaty an’i Goliata, ary araka izany nandray anjara lehibe tamin’ny fanesorana ny fandrahonana nataon’ny Filistina tamin’ny fanompoam-pivavahana madio.
19. Tamin’ny tetik’asa inona no nilan’i Solomona herim-po, ary ahoana no azo ampiharana amin’izao andro izao ny fomba nampiasainy?
19 Rehefa nadiva hanorina ny tempolin’Andriamanitra i Solomona zanak’i Davida Mpanjaka, dia nampirisika azy toy izao ilay rainy efa be taona: “Mahereza [“Manàna herim-po”, NW ] sy matanjaha ka [miasà, NW ]; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovanao ny tranon’i Jehovah.” (1 Tantara 28:20). Noho izy nanao zavatra tamin-kerim-po, dia vitan’i Solomona tamim-pahombiazana ilay tempoly. Rehefa misy zava-tsarotra tsy maintsy resena amin’ny fandaharam-panorenana teokratika iray amin’izao andro izao, dia aoka isika hahatsiaro ireo tenin’i Davida ireo hoe: “Manàna herim-po sy matanjaha ka miasà”. Fomba tsara dia tsara toy inona moa izany mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah sy hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana madio!
20. Tamin’ny lafiny inona i Asa Mpanjaka no nisikina herim-po?
20 Noho ny fanirian’i Asa Mpanjaka hanome voninahitra an’Andriamanitra sy hampandroso ny fanompoam-pivavahana madio, dia nodioviny i Joda tamin’ireo sampy sy ireo lehilahy nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy. Nesoriny teo amin’ny toerana ambony notanany koa ny renibeny mpivadi-pinoana ary nodorany ny “sampiny”. (1 Mpanjaka 15:11-13). Eny, i Asa dia ‘[nisikina herim-po, NW ] ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny tany havoan’i Efraima, sady nanavao ny alitaran’i Jehovah izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’i Jehovah’. (2 Tantara 15:8). Moa ve ianao koa mandà amin-kerim-po ny fivadiham-pinoana ary mampandroso ny fanompoam-pivavahana madio? Moa ve ianao mampiasa ny harenanao ara-nofo mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana? Ary moa ve ianao mitady ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanambarana ny vaovao tsara amin’ny maha-Vavolombelony anao?
21. a) Amin’ny ahoana no afaka manampy antsika ny fitantarana mikasika ireo mpihazona tsy fivadihana talohan’ny andro kristiana? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Feno fankasitrahana toy inona moa isika noho ny nitahirizan’Andriamanitra fitantarana ao amin’ny Soratra Masina mikasika ireo mpihazona tsy fivadihana be herim-po talohan’ny andro kristiana! Azo antoka fa ny ohatra tsara dia tsara navelan’izy ireo dia afaka manampy antsika hanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah amin-kerim-po sy tahotra araka an’Andriamanitra ary fanajana. (Hebreo 12:28, NW ). Mirakitra ohatra maro momba ny herim-po araka an’Andriamanitra am-perinasa koa anefa ny Soratra Grika Kristiana. Ahoana no ahafahan’ireny fitantarana ireny manampy antsika handeha amin-kerim-po amin’ny lalan’i Jehovah?
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no atao hoe herim-po?
◻ Ahoana no nanehoan’i Enoka sy i Noa herim-po?
◻ Tamin’ny lafiny inona avy i Abrahama sy i Saraha ary i Isaka no nanao zavatra tamin-kerim-po?
◻ Ohatra mikasika ny herim-po inona avy no navelan’i Mosesy sy i Josoa ary i Kaleba?
◻ Ahoana no nanehoan’ny hafa fa nanana herim-po nitokiana tamin’Andriamanitra izy ireo?
[Sary, pejy 15]
Nitoky tamin-kerim-po tamin’i Jehovah i Gideona sy ilay antokon’olom-bitsy niaraka taminy