Toko Fahadimy
Nandresy ny Finoany, Tamin’ilay Fisedrana Mafy
1. Ahoana no fiheveran’ny maro momba ny fifikirana amin’Andriamanitra sy amin’ny tanindrazany?
TOKONY ho Andriamanitra sa ilay tany misy anao no hifikiranao? Maro no hamaly hoe: ‘Mitsaoka azy roa aho. Mivavaka amin’Andriamanitra araka ireo fitsipiky ny fivavahako aho, no sady mivoady fa tsy hivadika amin’ny tanindrazako.’
2. Tamin’ny ahoana ny mpanjakan’i Babylona no nitana toerana ara-pivavahana sy ara-politika?
2 Mety ho toa manjavozavo ny tsipika mampisaraka ny fanompoam-pivavahana sy ny fitiavan-tanindrazana amin’izao andro izao, fa tany Babylona fahiny kosa dia tena tsy nisy mihitsy izy io. Nifampidipiditra aoka izany tokoa ny raharaham-panjakana sy ny raharaha ara-pivavahana, hany ka tsy azo navahana indraindray. “Tany Babylona fahiny”, hoy ny nosoratan’ny Profesora Charles F. Pfeiffer, “ny mpanjaka dia sady Mpisoronabe no mpitondra fanjakana. Nanolotra fanatitra izy, ary nanapaka ny amin’ny fivavahan’ny olom-peheziny.”
3. Inona no mampiseho fa olona tena tia fivavahana i Nebokadnezara?
3 Raiso, ohatra, i Nebokadnezara. Ny anarany fotsiny dia midika hoe “Ry Nebo ô, Arovy Ilay Mpandova!” Andriamanitra babylonianin’ny fahendrena sy ny fambolena i Nebo. Olona tena tia fivavahana i Nebokadnezara. Araka ny nomarihina teo aloha, dia nanorina sy nanatsara ireo tempolin’ireo andriamanitra babylonianina maro be izy, ary nivavaka indrindra indrindra tamin’i Mardoka, izay nomeny ny voninahitra noho ireo fandreseny ara-tafika.a Toa niantehitra mafy tamin’ny fanaovana sikidy i Nebokadnezara mba hanoritana ireo tetikadiny. — Ezekiela 21:23-28.
4. Lazalazao ny momba ny fivavahana tao Babylona.
4 Tena vonton’ny fivavahana tokoa i Babylona manontolo. Nisy tempoly maherin’ny 50 tao, izay nivavahana tamin’andriamanitra sy andriamanibavy maro samihafa, toy ilay fitambaran’andriamanitra telo hoe i Anou (andriamanitry ny lanitra), sy i Enlil (andriamanitry ny tany sy ny rivotra ary ny oram-baratra), ary i Ea (andriamanitry ny rano). Nisy trinite hafa iray koa, voaforon’i Sîn (ilay andriamanitra volana), sy i Shamash (ilay andriamanitra masoandro), ary i Ishtar (ilay andriamanibavin’ny fahavokarana). Nanan-toerana lehibe dia lehibe teo amin’ny fivavahana babylonianina ny fanaovana majika sy ody ratsy ary astrôlôjia.
5. Zava-tsarotra inona no nateraky ny fivavahana tao Babylona ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany?
5 Tena sarotra tamin’ireo Jiosy tany an-tsesitany tao ny niaina teo anivon’ny olona nivavaka tamin’andriamanitra maro. Taonjato maro talohan’io i Mosesy dia efa nampitandrina ny Isiraelita fa hiharan’ny vokany faran’izay ratsy izy ireo, raha nifidy ny hikomy tamin’ilay Mpanome Lalàna Fara Tampony. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Ho entin’i Jehovah ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao hianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.” — Deoteronomia 28:15, 36.
6. Nahoana no tena sarotra ho an’i Daniela, i Hanania, i Misaela ary i Azaria indrindra indrindra ny fiainana tao Babylona?
6 Tao anatin’izany toerana sarotra izany indrindra izao ireo Jiosy. Ho sarotra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah, indrindra fa ho an’i Daniela, i Hanania, i Misaela ary i Azaria. Voafantina manokana mba hampiofanina hiasa tao amin’ny fitondram-panjakana ireo tanora hebreo efa-dahy ireo. (Daniela 1:3-5). Tadidio fa nomena anarana babylonianina mihitsy aza izy ireo — Beltesazara, Sadraka, Mesaka ary Abednego — izay azo inoana fa natao mba hitaomana azy ireo hifanaraka tsara tamin’ilay toe-piainana vaovao nisy azy.b Noho izy ireo nitana toerana ambony, ny fandavany tsy hivavaka tamin’ireo andriamanitr’ilay tany dia tsy ho takona afenina — ho toy ny famadihana mihitsy aza.
NITERAKA FANDRAHONANA NY SARIOLONA VOLAMENA IRAY
7. a) Lazalazao ny momba ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara. b) Inona no zava-nokendrena tamin’ilay sariolona?
7 Tsy maintsy ho mba hanamafisana ny firaisan’ny empirany no nananganan’i Nebokadnezara sariolona volamena iray teo amin’ny lemak’i Dora. Nisy 60 hakiho (27 metatra) ny haavon’izy io ary 6 hakiho (2,7 metatra) ny sakany.c Misy mino fa andry, vatolahy ejipsianina iray fotsiny ilay sariolona. Angamba izy io nanana fototra avo be, izay nitsanganan’ny sariolona goavam-be iray, izay nety ho nampiseho ny tenan’i Nebokadnezara, na i Nebo andriamanitra. Na ahoana na ahoana, iny sary nanerinerina iny dia nampiseho ny Empira Babylonianina, ka noho izany dia natao ho hita sy hoderaina. — Daniela 3:1.
8. a) Iza avy no nantsoina tamin’ny fitokanana an’ilay sariolona, ary inona no nasaina nataon’izay rehetra tonga teo? b) Inona no ho sazy noho ny tsy fetezana hiankohoka teo anoloan’ilay sariolona?
8 Araka izany, dia nandamina fankalazana fitokanana i Nebokadnezara. Novoriny ny solo-mpanjaka, ny mpanapaka, ny governora, ny andriambaventy, ny mpitahiry ny volam-panjakana, ny mpahay lalàna, ny mpitsara, ary ny komandy isan-tokony rehetra. Hoy ny antsoantson’ny mpitondra hafatra iray: “Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny: Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany hianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ny sariolona volamena izay efa natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka; ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.” — Daniela 3:2-6.
9. Inona no toa hevitry ny fiankohofana teo anoloan’ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara?
9 Misy mino fa mba hanerena ny Jiosy hampandefitra ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah no nandaminan’i Nebokadnezara io fankalazana io. Azo inoana anefa fa tsy izany no izy, satria niharihary fa ny manam-pahefana tao amin’ny fitondram-panjakana ihany no nantsoina. Noho izany, ireo hany Jiosy hanatrika teo dia ho ireo izay niasa tao amin’ny fitondram-panjakana. Toa hita àry fa ny fiankohofana teo anoloan’ilay sariolona dia fankalazana natao mba hanamafisana ny firaisan-kinan’ireo mpanapaka. Hoy ny nomarihin’i John F. Walvoord, manam-pahaizana iray: “Ny fampirantirantiana olona ambony toy izany dia sady fampisehoana nahafa-po ny herin’ny empiran’i Nebokadnezara, no nahafahana naneho fankasitrahana an’ireo andriamanitra izay ninoan’izy ireo ho nanome azy ny fandreseny.”
TSY NETY NANAIKY LEMBENANA NY MPANOMPON’I JEHOVAH
10. Nahoana no tsy nampaninona an’ireo tsy Jiosy ny nankato ny baikon’i Nebokadnezara?
10 Na dia nivavaka tamin’andriamanitra manokana maro samihafa aza ny ankamaroan’ireo tafavory teo anoloan’ilay sariolon’i Nebokadnezara, dia tsy nenjehin’ny eritreriny akory noho ny nivavahany tamin’izy io. “Samy zatra nivavaka tamin’ny sampy izy rehetra, ary ny fivavahana tamin’andriamanitra iray dia tsy nisakana azy ireo tsy hitsaoka iray hafa koa”, hoy ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Hoy koa izy: “Nifanaraka tamin’ireo fomba fihevitra nanjaka teo amin’ireo mpanompo sampy ny hoe nisy andriamanitra maro (...) sy ny hoe tsy ratsy ny fitsaohana ny andriamanitry ny vahoaka na ny tany na iza na iza.”
11. Nahoana i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego no tsy nety niankohoka teo anoloan’ilay sariolona?
11 Hafa noho izany anefa ny an’ny Jiosy. Nodidian’i Jehovah Andriamaniny toy izao izy ireo: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro”. (Eksodosy 20:4, 5). Noho izany, rehefa nanomboka ny mozika ka niankohoka teo anoloan’ilay sary ireo tafavory teo, dia mbola nijoro ihany ireo tanora hebreo telo lahy — i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego. — Daniela 3:7.
12. Inona no fiampangana nataon’ny Kaldeanina sasany momba ireo Hebreo telo lahy, ary nahoana?
12 Naharomotra ny Kaldeanina sasany ny fandavan’ireo manam-pahefana hebreo telo lahy tsy hivavaka tamin’ilay sariolona. Avy hatrany dia nanatona ny mpanjaka izy ireo ka “niampanga ny Jiosy”.d Tsy liana ny hahazo fanazavana akory izy ireo. Notadiavin’ireo mpiampanga hosazina noho ny fivadihana sy ny famadihana ireo Hebreo, ka hoy izy ireo: “Misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ny raharaha amin’i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ny sariolona volamena izay efa natsanganao.” — Daniela 3:8-12.
13, 14. Nanao ahoana ny fihetsik’i Nebokadnezara teo anoloan’ny zavatra nataon’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego?
13 Tsy maintsy ho kivy i Nebokadnezara noho ny tsy nankatoavan’ireo Hebreo telo lahy ny didiny! Niharihary fa tsy nampiova an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ho tonga mpanohana tsy nivadika tamin’ny Empira Babylonianina izy. Moa ve izy tsy nampianatra azy ireo ny fahendren’ny Kaldeanina? Nanova ny anaran’izy ireo mihitsy aza izy! Diso hevitra tanteraka anefa i Nebokadnezara, raha nieritreritra fa hahavita hampianatra azy ireo fomba fivavaka vaovao ny fanabeazana feno haitraitra nomeny azy, na hoe hanova ny toetrany ny fanovana ny anarany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego.
14 Romotra i Nebokadnezara Mpanjaka. Avy hatrany izy dia nampiantso an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, ka nanontany hoe: “Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?” Tsy isalasalana fa sady taitra no tsy nino i Nebokadnezara nilaza an’ireo teny ireo. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy maintsy ho nanjohy hevitra izy hoe: ‘Ahoana no hahafahan’ny telo lahy salama saina toa azy ireo tsy hankato baiko tsotra toy izany — sady amin’izay hitondra sazy mafy be ny tsy fankatoavana azy?’ — Daniela 3:13, 14.
15, 16. Fahafahana inona no mbola nomen’i Nebokadnezara an’ireo Hebreo telo lahy?
15 Vonona ny hanome fahafahana hafa iray ho an’ireo Hebreo telo lahy i Nebokadnezara. “Ankehitriny”, hoy izy, “raha miomana hianareo amin’izay handrenesanareo ny fanenon’ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa hianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tànako izany?” — Daniela 3:15.
16 Toa tsy namela soritra naharitra tao an-tsain’i Nebokadnezara sy tao am-pony ilay fianarana avy tamin’ilay sariolona nonofisiny (voarakitra ao amin’ny Daniela toko faha-2). Angamba efa hadinony sahady ilay teny nataon’ny tenany tamin’i Daniela hoe: “Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka”. (Daniela 2:47). Izao izy dia toa nihantsy an’i Jehovah, tamin’ny filazana fa na i Jehovah aza dia tsy ho afaka hamonjy an’ireo Hebreo avy tamin’ilay sazy niandry azy ireo.
17. Inona no navalin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny fanolorana nataon’ny mpanjaka?
17 Tsy nilain’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego akory ny nandinika indray ilay raharaha. Hoy izy ireo namaly avy hatrany: “Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:16-18.
NATSIPY TAO AMIN’ILAY LAFAORO NISY AFO NIREHITRA!
18, 19. Inona no nitranga rehefa natsipy tao amin’ilay lafaoro nisy afo nirehitra ireo Hebreo telo lahy?
18 Romotra i Nebokadnezara, ka nanome baiko ny mpanompony mba hanafana ilay lafaoro ho impito mihoatra noho ny nahazatra. Avy eo, dia nandidy “lehilahy matanjaka indrindra” mba hamatotra an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego sy hanipy azy ireo tao amin’ilay “lafaoro nisy afo mirehitra” izy. Nanaraka ny baikon’ny mpanjaka izy ireo, ka nanipy an’ireo Hebreo telo lahy tao anatin’ilay afo, nifatotra sy mbola niakanjo — angamba mba ho vao mainka hirehitra haingana kokoa. Kanefa, dia ireto tanan-kavanan’i Nebokadnezara no matin’ny lelafo. — Daniela 3:19-22.
19 Nisy zavatra tena tsy fahita anefa nitranga. Na dia tao afovoan’ilay lafaoro nisy afo nirehitra aza i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, dia tsy nandoro azy ireo ny lelafo. Akory moa ny hatairan’i Nebokadnezara! Nifatotra tsara izy ireo natsipy tao anaty afo nidedadeda, nefa dia mbola velona ihany. Nandehandeha tao anatin’ilay afo mihitsy aza izy ireo! Nahita zavatra hafa koa anefa i Nebokadnezara. “Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo?”, hoy izy nanontany an’ireo mpanolo-tsainy. “Marina izany, ry mpanjaka ô”, hoy ny navalin’ireo. “Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo”, hoy i Nebokadnezara nihiaka, “nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ireo andriamanitra.” — Daniela 3:23-25.
20, 21. a) Inona no voamarik’i Nebokadnezara momba an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, rehefa nivoaka avy tao amin’ilay lafaoro izy ireo? b) Inona no voatery neken’i Nebokadnezara?
20 Nanatona ny varavaran’ilay lafaoro i Nebokadnezara. “Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra”, hoy izy niantso mafy, “mivoaha, ka avia atỳ.” Nivoaka avy tao amin’ilay afo izy telo lahy. Azo antoka fa ankona avokoa izay rehetra nanatri-maso an’io fahagagana io — anisan’izany ireo solo-mpanjaka, mpanapaka, governora ary mpanolo-tsaina. Toy ny hoe tsy niditra tao amin’ilay lafaoro akory izy telo lahy ireo! Tsy nisy fofon’afo akory taminy, ary tsy nisy na dia singam-bolony iray aza nikainkona. — Daniela 3:26, 27.
21 Izao i Nebokadnezara Mpanjaka dia voatery niaiky fa i Jehovah no Andriamanitra Avo Indrindra. “Isaorana anie Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego”, hoy izy, “Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.” Avy eo, dia nanampy izao fampitandremana hentitra izao ilay mpanjaka: “Manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.” Tamin’izay, dia nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka indray ireo Hebreo telo lahy, ka ‘nasandratra tao Babylona sy ny fehiny’. — Daniela 3:28-30.
NY FINOANA SY NY FISEDRANA MAFY AMIN’IZAO ANDRO IZAO
22. Amin’ny heviny ahoana ny mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny no miatrika tarehin-javatra mitovy amin’ny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego?
22 Amin’izao andro izao, dia miatrika tarehin-javatra mitovy amin’ny an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego ny mpivavaka amin’i Jehovah. Marina aloha fa mety tsy ho any an-tsesitany ara-bakiteny ny vahoakan’Andriamanitra. Na dia izany aza, i Jesosy dia nilaza fa “tsy [ho] naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:14). “Vahiny” izy ireo, amin’ny heviny hoe tsy manaraka ireo fombafomba sy fihetsika ary fanao tsy araka ny Soratra Masina arahin’ireo manodidina azy. Araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia tokony “hitsahatra tsy hovolavolain’ity fandehan-javatra ity” ny Kristianina. — Romana 12:2, NW.
23. Ahoana no nanehoan’ireo Hebreo telo lahy fahatokiana, ary ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao manahaka ny ohatr’izy ireo?
23 Nanda tsy hovolavolain’ny fandehan-javatra babylonianina ireo Hebreo telo lahy. Na dia ny fampianarana lalina momba ny fahendren’ny Kaldeanina aza dia tsy nampania azy ireo. Tsy azo niadiana varotra ny toerana notanany momba ny fivavahany, ary tamin’i Jehovah no nanaovany voady tsy hivadihana. Mila ny ho mahatoky tsy misy hafa amin’izany ny Kristianina amin’izao andro izao. Tsy mila ny ho menatra izy ireo satria hoe hafa noho ny olona eto amin’ity tontolo ity. Eny tokoa, “izao tontolo izao dia mandalo ary toy izany koa ny faniriany”. (1 Jaona 2:17, NW ). Ho hadalana sy ho very maina foana àry ny fitadiavana hitovy amin’ity fandehan-javatra efa miala aina ity.
24. Ahoana no azo ampitahana ny toerana tanan’ny Kristianina marina amin’ny an’ireo Hebreo telo lahy?
24 Mila ny mitandrina amin’izay karazana fanompoan-tsampy rehetra, anisan’izany ireo endriny an-kolaka aminy, ny Kristianina.e (1 Jaona 5:21). Nijoro tamim-pankatoavana sy tamim-panajana teo anoloan’ilay sariolona volamena i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, nefa takatr’izy ireo fa ny fiankohofana teo anoloany dia nihoatra noho ny fanehoam-panajana fotsiny. Fanolorana fanompoam-pivavahana izany, ary hiteraka ny fahatezeran’i Jehovah ny fandraisana anjara taminy. (Deoteronomia 5:8-10). Hoy ny nosoratan’i John F. Walvoord: “Toy ny fiarahabana saina ilay izy, raha ny marina, na dia nety ho nisy heviny ara-pivavahana aza, satria nifamatotra akaiky ny tsy fivadihana tamin’ny fivavahana sy ny tsy fivadihana tamin’ny firenena.” Amin’izao andro izao, dia manohitra ny fanompoan-tsampy amin’ny fomba hentitra toy izany ny Kristianina marina.
25. Inona no fianarana azontsika raisina avy amin’ny tantara marin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego?
25 Ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego dia manome fianarana faran’izay tsara ho an’izay rehetra tapa-kevitra ny hanolotra fifikirana tsy mizarazara ho an’i Jehovah. Tsy maintsy ho ireo Hebreo telo lahy ireo no tao an-tsain’ny apostoly Paoly, fony izy niresaka momba ireo olona maro naneho finoana, anisan’izany ireo izay “namono ny fidedadedan’afo”. (Hebreo 11:33, 34). Hamaly soa an’izay rehetra manahaka ny finoana toy izany i Jehovah. Nafahana avy tamin’ilay lafaoro nisy afo nirehitra ireo Hebreo telo lahy, nefa afaka mahazo antoka isika fa hanangana an’ireo olo-mahatoky rehetra namoy ny ainy noho ny fihazonany tsy fivadihana i Jehovah, ary hanome azy ireo fiainana mandrakizay. Na ahoana na ahoana, dia “miaro ny fanahin’ny olony masina [i Jehovah] ary mamonjy azy amin’ny tànan’ny ratsy fanahy”. — Salamo 97:10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy mino fa mampiseho an’i Nimroda nasandratra ho andriamanitra i Mardoka, izay noheverina ho mpanorina ny Empira Babylonianina. Tsy tena azo antoka anefa ny amin’izany.
b Ny dikan’ny hoe “Beltesazara” dia hoe “Arovy ny Ain’ny Mpanjaka”. Ny mety ho dikan’ny hoe “Sadraka” dia hoe “Baikon’i Akou”, ilay andriamanitra volana somerianina. Ny hoe “Mesaka” angamba dia manondro andriamanitra somerianina iray, ary ny dikan’ny hoe “Abednego” dia hoe “Mpanompon’i Nego”, na Nebo.
c Rehefa heverina ny hagoavan’ilay sariolona, dia mino ny manam-pahaizana momba ny Baiboly sasany fa natao tamin’ny hazo izy io ary avy eo vao norakofana volamena.
d Ilay teny aramianina nadika hoe “niampanga” dia midika hoe ‘mihinana ny nofon’ny’ olona iray — mandrotidrotika azy, raha azo atao ny milaza izany, amin’ny alalan’ny fanendrikendrehana.
e Ohatra, ny hatendan-kanina sy ny fitsiriritana, izay ampifamatoran’ny Baiboly amin’ny fanompoan-tsampy. — Filipiana 3:18, 19; Kolosiana 3:5.
INONA NO AZONAO?
• Nahoana i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego no tsy nety niankohoka teo anoloan’ilay sariolona natsangan’i Nebokadnezara?
• Nanao ahoana ny fihetsik’i Nebokadnezara teo anoloan’ny toerana notanan’ireo Hebreo telo lahy?
• Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny finoan’ireo Hebreo telo lahy?
• Inona no nianaranao avy tamin’ny fandinihana ny tantara marin’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego?
[Sary, pejy 68]
[Sary, pejy 70]
1. Tilikambon’ny tempoly (“ziggourat”) tany Babylona
2. Tempolin’i Mardoka
3. Takelaka varahina mampiseho an’i Mardoka (havia) sy i Nebo (havanana) andriamanitra mitsangana eo ambony dragona
4. Sary sokitr’i Nebokadnezara, nalaza noho ireo asa fanorenana nataony
[Sary, pejy 76]
[Sary, pejy 78]