Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nahoana no antsoina hoe “vehivavy malemy fanahy” ao amin’ny Fitomaniana 4:10 ireo reny izay nihinana ny zanany?
Rehefa nilazalaza ny tarehin-javatra nampamoifo indrindra nisy ny Jiosy nandritra ny nanaovan’ny Babyloniana fahirano an’i Jerosalema tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana i Jeremia dia nanoratra hoe: “Ny tànan’ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany; eny, izany no nohaniny tamin’ny fandringanana ny oloko zanakavavy.” — Fitomaniana 4:10.
Taonjato maro tany aloha dia nampitandrina ny Isiraelita Mosesy fa amin’ny hoavy dia hahita, na “fitahiana” na “fanozonana” izy ireo. Hanandrana fitahiana izy ireo raha mitandrina ny didin’Andriamanitra, nefa hitondra fijaliana ho an’ny tenany kosa izy ireo raha mandà ny lalany marina. Ny hoe ho tonga hatramin’ny fihinanana ny zanany mihitsy aza izy ireo dia anankiray amin’ireo ho vokatr’izany mahatsiravina (Deoteronomia 28:1, 11-15, 54, 55; 30:1; Levitikosy 26:3-5, 29). Izany tokoa no nitranga rehefa navelan’i Jehovah teo am-pelatanan’ny Babyloniana io firenena naditra sy tsy nanam-pinoana io.
Ao amin’ny Fitomaniana 4:10 dia manintona ny saina ho amin’ny zavatra iray miharihary i Jeremia mpaminany: voajanahary ho an’ny reny iray ny mora tohina sy feno fangorahana ny zanany ka miaro azy ireo izy (1 Mpanjaka 3:26, 27; 1 Tesaloniana 2:7). Mafy loatra anefa ny mosary nanjaka tao Jerosalema natao fahirano, hany ka ireo reny izay mazàna no mangoraka, dia nahandro ny nateraky ny kibony ka nihinana olona. — Jereo Fitomaniana 2:20.
Niseho indray ny tarehin-javatra mitovy amin’izany, rehefa nolavin’ny Jiosy ny Mesia, izay nampiomana azy ny amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema tsy ho ela (Matio 23:37, 38; 24:15-19; Lioka 21:20-24). Milazalaza ny anankiray amin’ireo loza tamin’io fanaovana fahirano io, tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana i Josèphe mpanoratra tantara: “Maria, zanakavavin’i Eleazara (...) dia namono ny zanany lahy, nahandro azy ka nihinanany ny tapany taminy ary nafeniny ny hafa.” — Ny Adin’ny Jiosy, boky faha-VI, toko faha-21, fandikan-teny frantsay nataon’i Arnaud d’Andilly, fanontana Lidis, 1973, pejy faha-889, 890.
Tsy misy isalasalana fa ny fialana amin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah dia tsy ny lalan’ny fahendrena.