Fanampiana ny Olona Hanatona An’i Jehovah
“Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” — JAONA 14:6.
1. Nandidy ny mpianany hanao inona i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, ary inona no vokatry ny nankatoavan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany?
NODIDIAN’I Jesosy Kristy ireo mpanara-dia azy mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra, hanao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina’. (Matio 28:19). Tato anatin’ny folo taona farany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy olona mahery lavitra ny telo tapitrisa mba hanatona an’Andriamanitra. Nataony batisa ireny olona ireny rehefa nandeha ny fotoana, ho mariky ny fanoloran-tenan’izy ireny ho an’Andriamanitra mba hanao ny sitrapony. Endrey ny fifaliantsika manampy ireny olona ireny hanatona an’Andriamanitra! — Jakoba 4:8.
2. Na maro aza ireo vaovao natao batisa, inona no nitranga?
2 Any amin’ny tany sasany, izay misy mpianatra vaovao maro natao batisa, anefa, dia tsy niara-nitombo tamin’izany ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Mazava ho azy fa tsy maintsy heverina ny hoe misy ny maty, satria 1 isan-jato eo ho eo ny taham-pahafatesana isan-taona. Maromaro ihany anefa no niala noho ny antony sasany, tato anatin’ireo taona vitsivitsy faramparany. Fa nahoana? Handinika ny fomba itaomana ny olona ho amin’i Jehovah ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka, ary handinika koa ireo mety ho antony ialan’ny sasany.
Ny zava-kendren’ny fitoriantsika
3. a) Amin’ny ahoana ilay asa nankinina tamin’ny mpianatr’i Jesosy no mifanitsy amin’ny an’ilay anjely voatonona ao amin’ny Apokalypsy 14:6? b) Inona no hita ho fomba mandaitra mba hanairana ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, kanefa inona no olana?
3 Nirahina hampiely ny “fahalalana” mahakasika “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”, ireo mpianatr’i Jesosy, amin’izao “andro farany” izao. (Daniela 12:4; Matio 24:14, NW ). Ny asa anirahana azy ireo dia mifanitsy amin’ny an’ilay anjely izay “nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra”. (Apokalypsy 14:6). Sahiran-tsaina aoka izany amin’ireo raharaha andavanandro ity tontolo ity. Amin’ny ankapobeny àry, dia ny firesahana amin’ny olona momba ilay fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, no fomba mandaitra indrindra mba hanairana ny fahalianany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy mba hanampiana azy ireo hanatona an’i Jehovah. Na dia tsy mahagaga aza izany, ireo izay mifanerasera amin’ny vahoakan’Andriamanitra noho ny fikendrena fotsiny ny ho tafiditra ao amin’ny Paradisa, dia tsy mifahatra tsara eo amin’ilay lalana ety mankany amin’ny fiainana. — Matio 7:13, 14.
4. Araka ny voalazan’i Jesosy sy ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra, inona no zava-kendren’ny asa fitoriantsika?
4 Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Manambara “filazantsara mandrakizay” ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra, ka hoy izy amin’ireo izay monina etỳ an-tany: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” (Apokalypsy 14:7). Ny hanampy ny olona hanatona an’i Jehovah, amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, àry, no zava-kendrena lehibe indrindran’ny fitoriantsika ny vaovao tsara.
Ny anjarantsika amin’ilay asan’i Jehovah
5. Inona no nolazain’i Paoly sy i Jesosy, izay mampiseho fa tsy asantsika akory no ataontsika, fa asan’i Jehovah?
5 Niresaka ny amin’ilay “fanompoana fampihavanana” ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra ho an’ireo Kristianina voahosotra, ary nilaza izy fa mampihavana ny olona amin’ny tenany Andriamanitra, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Nilaza koa i Paoly fa ‘Andriamanitra no mampangataka anay’, ary “solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo”. Mankahery ny mieritreritra izany! Na voahosotra “ambasadôra solon’i Kristy” isika, na iraka manantena ny hiaina eto an-tany, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa asan’i Jehovah no ataontsika, fa tsy asantsika. (2 Korintiana 5:18-20, fanamarihana ambany pejy). Andriamanitra tokoa no mitaona ny olona, ary mampianatra an’izay manatona an’i Kristy izy. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’Andriamanitra’. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ny Ray no manatona Ahy.” — Jaona 6:44, 45.
6. Amin’ny ahoana no anozongozonan’i Jehovah mialoha ireo firenena, ary etsy an-danin’izany, iza no mahita filaminana ao ‘an-tranony’ fanolorana fanompoam-pivavahana?
6 Amin’izao andro farany izao, ahoana no itaoman’i Jehovah ny olona sy anokafany eo anoloan’izy ireo ny “varavaram-pinoana”? (Asan’ny Apostoly 14:27; 2 Timoty 3:1). Fomba iray tena lehibe ny fanirahany ny Vavolombelony hanambara ny hafany momba ny famonjena sy momba ny fanamelohana ity fandehan-javatra ratsy ity. (Isaia 43:12; 61:1, 2). Eo am-panozongozonana ireo firenena io fanambarana maneran-tany io. Izany dia fambara ny amin’ny fanorotoroana ho avy tsy ho ela, rehefa hampiharina ny didim-pitsarana. Etsy an-danin’izany, ny olona “sarobidy” eo imason’Andriamanitra dia taomina hiala avy amin’ity fandehan-javatra ity, ka mahita filaminana ao ‘an-tranon’i Jehovah’ izay anolorana fanompoam-pivavahana marina. Amin’izany fomba izany no anatanterahan’i Jehovah ireto teniny ara-paminaniana nosoratan’i Hagay ireto: “Ary hanozongozona ny firenena rehetra aho, ka tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity”. — Hagay 2:6, 7, NW, fanamarihana ambany pejy; Apokalypsy 7:9, 15.
7. Ahoana no anokafan’i Jehovah ny fon’ny olona sy itaomany ny isam-batan’olona ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany?
7 Manokatra ny fon’ireny olona matahotra an’Andriamanitra ireny — “ireo zavatra tsara indrindra eo amin’ny firenena rehetra” — i Jehovah, mba hahafahan’izy ireny ‘hitandrina ny teny izay lazain’ny’ Vavolombelony. (Hagay 2:7, Jewish Publication Society; Asan’ny Apostoly 16:14). Mampiasa anjely i Jehovah indraindray, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, mba hitarihana ny Vavolombelony ho any amin’ny olona tso-po, izay nitalaho fanampiana taminy. (Asan’ny Apostoly 8:26-31). Mianatra momba ireo fandaharana mahatalanjona nataon’Andriamanitra ho azy, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, ilay olona. Arakaraka ny ianarany momba izany no hahavoataona azy ho amin’i Jehovah, satria voataonan’ny fitiavan’i Jehovah izy. (1 Jaona 4:9, 10). Mitaona ny olona ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany tokoa Andriamanitra, amin’ny alalan’ny ‘hatsaram-panahiny miharo fitiavana’, na ny ‘fitiavany tsy mivadika’. — Jeremia 31:3, NW, fanamarihana ambany pejy.
Iza no taomin’i Jehovah?
8. Karazan’olona manao ahoana no taomin’i Jehovah?
8 Ireo olona mitady an’i Jehovah no taominy ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany. (Asan’ny Apostoly 17:27). Anisan’izany ireo olona “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” eo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, eny, maneran-tany mihitsy aza. (Ezekiela 9:4). “Mahatsapa izay ilainy ara-panahy” ireny olona ireny. (Matio 5:3, NW ). Eny tokoa, izy ireny no ‘mpandefitra [“manetry tena”, NW, fanamarihana ambany pejy] amin’ny tany’, izay honina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. — Zefania 2:3.
9. Ahoana no ahafahan’i Jehovah mahita raha ‘mirona araka ny marina ho amin’ny fiainana mandrakizay’ ny olona, ary amin’ny fomba ahoana no itaomany azy ireny?
9 Afaka mamantatra ny ao am-pon’ny olona i Jehovah. Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona zanany: “Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy hianao, dia hahita Azy”. (1 Tantara 28:9). Ny toe-pon’ny olona iray sy ny toe-tsaina mahazo vahana ao aminy no jeren’i Jehovah. Avy amin’izany no ahitany raha hanaiky ireo fandaharana nataony momba ny famelan-keloka sy ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao sy marin’Andriamanitra, ilay olona, na tsia. (2 Petera 3:13). Mitory sy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny alalan’izany Teniny izany no itaoman’i Jehovah ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany, ny olona ‘rehetra mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’, ary dia “tonga mpino” izy ireo. — Asan’ny Apostoly 13:48, NW.
10. Inona no mampiseho fa tsy lahatra akory ny hoe ny olona sasany ihany no taomin’i Jehovah?
10 Endriny iray amin’ny lahatra ve ny hoe ny olona sasany ihany no taomin’i Jehovah? Tsia dia tsia! Miankina amin’ny hetahetan’ny olona tsirairay no itaoman’Andriamanitra azy, ary hajainy ny safidiny malalaka. Apetrak’i Jehovah eo anoloan’ny mponina eto an-tany ankehitriny ilay safidy efa napetrany teo anoloan’ny Isiraelita, 3 000 taona mahery lasa izay, rehefa nilaza i Mosesy hoe: “Efa nataoko teo anoloanao andro-any ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza (...). Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao”. — Deoteronomia 30:15-20.
11. Tamin’ny fomba ahoana no tokony hifidianan’ny Isiraelita ny fiainana?
11 Mariho fa tokony hifidy ny fiainana ny Isiraelita, amin’ny ‘fitiavana an’i Jehovah sy ny fihainoana ny feony ary ny fifikirana aminy’. Mbola tsy nahazo ny Tany Nampanantenaina ny vahoakan’ny Isiraely, tamin’ny fotoana nilazana ireo teny ireo. Teo amin’ny Lemak’i Moaba izy ireo, nivonona hiampita ny Ony Jordana sy hiditra tany Kanana. Ara-dalàna ny nampitodihan’izy ireo ny sainy ho amin’ilay tany “soa sy malalaka”, sy “tondra-dronono sy tantely”, izay ho azon’izy ireo tsy ho ela. Na izany aza, ny fahatanterahan’ilay hetahetany dia niankina tamin’ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fihainoany ny feony ary ny fifikirany taminy. (Eksodosy 3:8). Nampiseho izany mazava toy izao i Mosesy: “[Raha hihaino ny didin’i Jehovah Andriamanitrao ianao, NW ] tamin’ny nandidiako anao andro-any ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny làlany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, [dia, NW ] ho velona hianao ka hihamaro, ary mba hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.” — Deoteronomia 30:16.
12. Inona no tokony hampianarin’ny ohatry ny Isiraelita antsika mahakasika ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika?
12 Moa ve izany tsy mampiana-javatra antsika mahakasika ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika amin’izao fotoan’ny farany izao? Mieritreritra momba ny tany zary Paradisa ho avy isika, ary miresaka momba izany eny amin’ny fanompoantsika. Samy tsy hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana anefa na ny tenantsika na ireo olona ampianarintsika, raha toa ka manompo an’Andriamanitra noho ny antony feno fitiavan-tena. Tsy maintsy mianatra ny ‘ho tia an’i Jehovah sy hihaino ny feony ary hifikitra aminy’ isika sy ireo olona ampianarintsika, toy ny nataon’ny Isiraelita. Raha mitadidy izany isika eo am-panatontosana ny fanompoantsika, dia hiara-miasa amin’Andriamanitra tokoa amin’ny fitaomana ny olona ho aminy.
Mpiara-miasa amin’Andriamanitra
13, 14. a) Araka ny 1 Korintiana 3:5-9, ahoana no ahatongavantsika ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra? b) Iza no tokony homem-boninahitra noho izay mety ho fitomboana, ary nahoana?
13 Nohazavain’i Paoly tamin’ny ohatra ny amin’ny fambolena eo amin’ny saha iray, ny fiaraha-miasa amin’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. Izaho namboly, Apolosy [nanondraka, NW ], fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay [manondraka, NW ], fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. Ary iray ihany ny mpamboly sy ny [manondraka, NW ]; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra (...) hianareo.” — 1 Korintiana 3:5-9.
14 Mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika, ka tsy maintsy mamboly amim-pahatokiana “ny tenin’ny fanjakana” ao am-pon’ny olona. Avy eo dia manondraka izay mety ho fahalianana aseho isika, amin’ny alalan’ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly voaomana tsara. Raha tsara ilay tany, izany hoe ny fo, dia hanao ny anjarany i Jehovah ka hampitombo ilay voan’ny fahamarinana ara-baiboly mba hamokatra. (Matio 13:19, 23). Hitaona ilay olona ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany izy. Rehefa dinihina àry, izay mety ho fitomboana eo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana dia vokatry ny asan’i Jehovah eo amin’ny fon’ny olona, amin’ny fampitomboany ilay voan’ny fahamarinana sy amin’ny fitaomany ireny olona ireny ho amin’ny tenany sy ho amin’ny Zanany.
Asa fanorenana izay hitoetra
15. Inona no fanoharana nampiasain’i Paoly mba hampisehoana ny fomba anampiantsika ny hafa hampitombo finoana?
15 Na dia mifaly noho ny fitomboana aza isika, dia maniry amim-pahatsorana ny hahita ny olona hanohy ho tia an’i Jehovah sy hihaino ny feony ary hifikitra aminy. Malahelo isika rehefa mahita olona mihamangatsiaka ka miala. Moa ve misy zavatra azontsika atao mba hisorohana izany? Nasehon’i Paoly tao amin’ny fanoharana iray hafa ny fomba azontsika anampiana ny hafa hampitombo finoana. Izao no nosoratany: “Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’ny afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” — 1 Korintiana 3:11-13.
16. a) Amin’ny ahoana ireo fanoharana roa nampiasain’i Paoly no samy hafa zava-kendrena? b) Amin’ny ahoana ny asa fanorenana ataontsika no mety hanjary tsy hahafa-po sy tsy hahatanty afo?
16 Ao amin’ilay fanoharan’i Paoly ny amin’ny saha, ny fitomboana dia miankina amin’ny tsy fanaovana tsirambina ny fambolena, miankina amin’ny fanondrahana tsy tapaka, sy ny fitahian’Andriamanitra. Asongadin’ilay fanoharana hafa nataon’ilay apostoly kosa ny andraikitry ny mpitory kristianina ny amin’izay hiafaran’ilay asa fanorenana nataony. Moa ve izy nanorina teo ambony fototra azo antoka, sady nampiasa fitaovana tsara? Hoy ny fampitandreman’i Paoly: “Aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.” (1 Korintiana 3:10). Nanaitra ny fahalianan’ny olona iray isika tamin’ny filazana taminy momba ilay fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Moa ve isika nony avy eo, mifantoka amin’ny fampianarana ireo fahalalana fototra araka ny Soratra Masina fotsiny, ka manantitrantitra indrindra ny amin’izay tsy maintsy ataon’ilay olona mba hahazoana fiainana mandrakizay? Moa ve miompana amin’izao fotsiny ny fampianarantsika: ‘Raha te hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ianao, dia tsy maintsy mianatra sy mandeha mivory ary mandray anjara amin’ny asa fitoriana’? Raha izany no izy, dia tsy manorina ny finoan’ilay olona eo ambony fototra mafy isika, ary mety tsy hahatanty ny afon’ny fisedrana na hateza, ny zavatra aorintsika. Toy ny fanorenana ampiasana “hazo, na bozaka, na mololo”, ny fiezahana hitaona olona hanatona an’i Jehovah amin’ny fifantohana fotsiny amin’ny fanantenana fiainana ao amin’ny Paradisa, ho tambin’ny taona vitsivitsy anompoana an’i Jehovah.
Fanorenana fitiavana an’Andriamanitra sy i Kristy
17, 18. a) Inona no tena ilaina raha tiana haharitra ny finoan’ny olona iray? b) Ahoana no azontsika anampiana olona iray hanana an’i Kristy hitoetra ao am-pony?
17 Mba haharetan’ny finoana, dia tsy maintsy miorina amin’ny fifandraisana manokana amin’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, izy io. Olombelona tsy lavorary isika, ka tsy afaka ny hanana izany fifandraisana milamina amin’Andriamanitra izany, raha tsy amin’ny alalan’ny Zanany. (Romana 5:10). Tadidio izao tenin’i Jesosy izao: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” Mba hanampiana ny hafa hanorina finoana, dia “tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy”. Inona no tafiditra amin’izany? — Jaona 14:6; 1 Korintiana 3:11.
18 Ny hoe manorina eo ambonin’i Kristy, izay fototra, dia midika hoe mampianatra ilay mpianatra Baiboly mba hamboly fitiavana lalina an’i Jesosy, avy amin’ny fahalalana feno ireto anjara asany ireto: Mpanavotra, Lohan’ny kôngregasiôna, Mpisoronabe be fitiavana, sy Mpanjaka efa manapaka. (Daniela 7:13, 14; Matio 20:28; Kolosiana 1:18-20; Hebreo 4:14-16). Izany dia midika hoe manao an’i Jesosy ho tena misy amin’izy ireo, hany ka toy ny hoe mitoetra ao am-pon’izy ireo mihitsy izy. Tokony ho sahala amin’ilay fangatahan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Efesosy, ny vavaka ataontsika ho azy ireo. Izao no nosoratany: ‘Mandohalika amin’ny Ray aho, mba homeny anareo ny mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo.’ — Efesiana 3:14-17.
19. Inona no tokony ho vokatry ny fanorenana fitiavana an’i Kristy ao am-pon’ireo olona ampianarintsika Baiboly, kanefa inona no tsy maintsy ampianarina azy ireo?
19 Raha manorina amin’ny fomba toy izany isika ka mitombo ao am-pon’ireo olona ampianarintsika ny fitiavana an’i Kristy, dia mazava ho azy fa hitarika ho amin’ny fanorenana fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra izany. Hita taratra tanteraka teo amin’ny fitiavan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony ary ny fangoraham-pony mantsy ny toetran’i Jehovah. (Matio 11:28-30; Marka 6:30-34; Jaona 15:13, 14; Kolosiana 1:15; Hebreo 1:3). Koa arakaraka ny hahafantaran’ny olona an’i Jesosy sy hitiavany azy, no hahafantarany an’i Jehovah sy hitiavany azy.a (1 Jaona 4:14, 16, 19). Ilaintsika hampianarina an’ireo mpianatra Baiboly fa i Jehovah no tompon’antoka amin’ny zavatra rehetra nataon’i Kristy ho an’ny olombelona, koa i Jehovah, noho izany, no tokony hotolorantsika ny fisaorana sy ny fiderana ary ny fanompoam-pivavahana, noho izy ‘Andriamanitry ny famonjena antsika’. — Salamo 68:19, 20; Isaia 12:2-5; Jaona 3:16; 5:19.
20. a) Ahoana no azontsika anampiana ny olona hanatona an’Andriamanitra sy ny Zanany? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Noho isika mpiara-miasa amin’Andriamanitra, dia aoka isika hanampy ny olona hanatona an’Andriamanitra sy ny Zanany, ka hanampy azy ireny hamboly fitiavana sy finoana ao am-pon’izy ireny. Hanjary ho tena misy amin’izy ireo i Jehovah, amin’izany. (Jaona 7:28). Ho afaka hanorina fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra izy ireo, amin’ny alalan’i Kristy, ka ho tia an’Andriamanitra sy hifikitra aminy. Tsy hametra fotoana hanompoany izy ireo satria atosiky ny fitiavana, ary maneho finoana fa ho tanteraka amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah ireo fampanantenany mahatalanjona. (Fitomaniana 3:24-26; Hebreo 11:6). Eo am-panampiantsika ny hafa hamboly finoana sy fanantenana ary fitiavana anefa, dia tsy maintsy manorina ny finoantsika manokana isika, mba ho toy ny sambo mafy iray ho afaka hamakivaky soa aman-tsara tafiotra mahery izy io. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fitaovana tsara dia tsara manampy mba hahafantarana tsara kokoa an’i Jesosy, ary amin’ny alalany, dia mba hahafantarana tsara kokoa an’i Jehovah Rainy, ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ho Famerenana
◻ Ahoana matetika no fomba anairantsika ny fahalianan’ny olona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, nefa inona no atahorana?
◻ Karazan’olona manao ahoana no taomin’i Jehovah ho amin’ny tenany sy ny Zanany?
◻ Niankina tamin’inona ny fidiran’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
◻ Inona no anjara asantsika eo amin’ny fanampiana ny olona hanatona an’i Jehovah sy ny Zanany?
[Sary, pejy 10]
Na dia manolotra ny olona ilay fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa aza isika, dia ny hitaona azy ireo ho amin’i Jehovah no zava-kendrentsika lehibe indrindra
[Sary, pejy 13]
Mety ho tena hahitam-bokatra ny fiverenana mitsidika ataontsika, raha manomana tsara isika