-
Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny ZanakaoNy Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
-
-
16. Inona no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany momba an’i Jehovah, ary ahoana no tokony hanaovany izany?
16 Aoka ianao ho mpampianatra. “Tsy maintsy mandentika [ireo teny ireo] ao amin’ny zanakao ianao”, hoy i Jehovah. Ny teny manodidina dia milaza aminao hoe inona no hampianarina sy hoe amin’ny fomba ahoana. Voalohany aloha, dia “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Deoteronomia 6:5). Avy eo, ‘ireo teny ireo dia tsy maintsy alentikao’. Mampità fampianarana izay mikendry ny hampitombo fitiavana an’i Jehovah sy ny lalàny amin’ny fanahy (âme) rehetra. (Ampitahao amin’ny Hebreo 8:10.) Ny teny hoe “mandentika” dia midika hoe mampianatra amin’ny alalan’ny famerimberenana. Koa i Jehovah àry, raha ny tena izy, dia milaza aminao fa ny fomba voalohany indrindra hanampiana ireo zanakao hamboly toetra araka an’Andriamanitra dia ny firesahana momba azy mandrakariva. Tafiditra amin’izany ny fiaraha-mianatra ny Baiboly tsy tapaka amin’izy ireo.
17. Inona no mety hilain’ny ray aman-dreny hampitomboina ao amin’ny zanany? Nahoana?
17 Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia mahafantatra fa tsy mora ny fampidirana fanazavana ao am-pon’ny zaza iray. Hoy ny nampirisihan’ny apostoly Petera mafy an’ireo Kristiana namany: “Tahaka ny zaza vao teraka dia [mampitomboa faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny, NW ]”. (1 Petera 2:2). Ny teny hoe “mampitomboa faniriana” dia toa manondro fa maro no tsy mahatsiaro hanoanana voajanahary hanina ara-panahy. Mety hila ny hitady fomba hampitomboana izany faniriana izany ao amin’ny zanany ireo ray aman-dreny.
18. Inona avy no fomba fampianatr’i Jesosy sasany ampirisihana hotahafin’ny ray aman-dreny?
18 I Jesosy dia nanohina ny fon’ny olona tamin’ny fampiasana fanoharana. (Marka 13:34; Lioka 10:29-37). Io fomba fampianarana io dia mandaitra indrindra eo amin’ny ankizy. Mampianara fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny fampiasana tantara miloko sy mahaliana, angamba ireo hita ao amin’ny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a Ataovy tafiditra ao amin’izany ireo ankizy. Avelao izy ireo hampiasa ny fahaizany mamoron-javatra mba hilalaovana toy ny an-tsehatra, fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. Nampiasa fanontaniana koa i Jesosy. (Matio 17:24-27). Tahafo io fomba nampiasainy io mandritra ny fianaram-pianakavianareo. Aza manambara fotsiny lalàn’Andriamanitra iray, fa mametraha kosa fanontaniana toy ny hoe: Nahoana i Jehovah no nanome antsika io lalàna io? Inona no hitranga, raha mankato azy io isika? Inona no hitranga raha tsy mankato azy io isika? Ny fanontaniana toy izany dia manampy ny zaza iray hanjohy hevitra sy hahita fa azo ampiharina sady tsara ireo lalàn’Andriamanitra. — Deoteronomia 10:13.
19. Raha manaraka fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny ray aman-dreny eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny zanany, tombony lehibe inona avy no ho azon’ny ankizy?
19 Raha ohatra sy namana ianao, mifampiresaka amin-janakao ary mpampianatra, dia afaka manampy ny zanakao raha vao eo amin’ireo taona voalohany indrindra amin’ny fiainany, hampitombo fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra. Io fifandraisana io dia hampirisika ny zanakao ho Kristiana sambatra. Hikely aina izy mba hiaina mifanaraka amin’ny finoany, na dia rehefa tojo faneren’ny mitovy taona aminy sy fakam-panahy aza. Ampio foana izy hankasitraka io fifandraisana sarobidy io. — Ohabolana 27:11.
-
-
Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny ZanakaoNy Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
-
-
11. Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreny isiraelita ny zanany hamboly toetra araka an’Andriamanitra?
11 Tsy ela talohan’ny nidiran’ny firenen’ny Isiraely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia hoy ny nolazain’i Jehovah tamin’ireo ray aman-dreny isiraelita: “[Tsy maintsy ho ao am-ponao ireo teny izay andidiako anao anio ireo; ary tsy maintsy mandentika ireo ao amin’ny zanakao ianao, sy miresaka momba ireo, NW ], na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:6, 7). Eny, ny ray aman-dreny dia mila ny ho ohatra, ho namana, hifampiresaka amin-janany ary ho mpampianatra.
12. Nahoana no tena lehibe dia lehibe ny haha-ohatra tsara ny ray aman-dreny?
12 Aoka ianao ho ohatra. Voalohany aloha dia hoy i Jehovah: “Tsy maintsy ho ao am-ponao ireo teny (...) ireo”. Avy eo, dia nanampy teny izy hoe: “Tsy maintsy mandentika ireo ao amin’ny zanakao ianao”. Koa tsy maintsy ho ao am-pon’ilay ray (na ilay reny) àry aloha ny toetra araka an’Andriamanitra. Tsy maintsy tia ny fahamarinana ilay ray (na ilay reny) ka miaina mifanaraka amin’izy io. Amin’izay ihany izy vao afaka manohina ny fon’ilay zaza. (Ohabolana 20:7). Nahoana? Satria ny ankizy dia voataona kokoa noho izay hitany fa tsy noho izay reny. — Lioka 6:40; 1 Korintiana 11:1.
13. Eo amin’ny fanehoana fiheverana ny zanany, ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny kristiana manahaka ny ohatr’i Jesosy?
13 Aoka ianao ho namana. Hoy ny nolazain’i Jehovah tamin’ireo ray aman-dreny teo amin’ny Isiraely: ‘Miresaha amin’ny zanakao na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana.’ Izany dia mitaky fandaniana fotoana miaraka amin’ireo ankizy, na sahirana toy inona aza ireo ray aman-dreny. I Jesosy dia miharihary fa nahatsapa hoe mendrika ny hanomezany ny fotoanany ny ankizy. Nandritra ireo andro farany tamin’ny fanompoany, dia “nisy nitondra [ankizy kely, NW ] ho eo aminy mba hametrahany tànana”. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? “Nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13, 16). Alao sary an-tsaina izany, nanao dingan-dava ireo ora farany tamin’ny androm-piainan’i Jesosy. Na dia izany aza, dia nanome ny fotoanany sy ny fiheverany an’ireo ankizy ireo izy. Fianarana tsara dia tsara re izany!
14. Nahoana no mahasoa ny handanian’ny ray aman-dreny fotoana miaraka amin’ny zanany?
14 Mifampiresaha amin-janakao. Ny fandaniana fotoana miaraka amin’ny zanakao dia hanampy anao hifampiresaka aminy. Arakaraka ny ifampiresahanao aminy, no hahitanao tsara kokoa ny fitomboan’ny toetrany. Tadidio anefa fa tsy firesahana fotsiny ny hoe fifampiresahana. “Tsy maintsy namboly ny fahaizana mihaino aho”, hoy ny reny iray any Brezila, “mihaino amin’ny foko.” Nisy vokany ny faharetany, rehefa nanomboka namboraka ny fihetseham-pony taminy ny zanany lahy.
-