“Aza Mety Hasiana Zioga Tsy Mitovy Tantana”
IREO omby roa aseho eto dia manan-kery lehibe dia lehibe, ka izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hitarika enta-mavesatra mora foana. Aoka anefa hatao hoe nosoloana ampondra ny iray amin’ireo omby ireo. Koa satria ny ampondra kely kokoa sy malemy kokoa noho ny omby, dia azo inoana fa hikomy izy amin’ny fandakana ireo tsora-kazo mihazona azy amin’io zioga tsy mitovy tantana io. Noho ny antony tsara àry, ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia nanambara hoe: “Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.” — Deoteronomia 22:10.
Ny apostoly Paoly dia nanoratra zavatra nitovy tamin’izany momba ny olombelona. Hoy izy: “Aza mety hasiana zioga [tsy mitovy tantana, NW ] hikambanana amin’ny tsy mino.” (2 Korintiana 6:14). Tokony hotadidina ao an-tsaina indrindra izany rehefa mifidy vady ny tena. Ny fanambadiana dia fiarahana maharitra, satria hoy i Jesosy Kristy: “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” (Matio 19:6). Ratram-po be dia be no vokany rehefa tsy mitovy zavatra inoana sy fotopoto-pitsipika ary tanjona ny mpivady iray. Noho izany dia tsy tafahoatra tsotra izao ny hanarahana ny fananaran’ny Baiboly tsy hanambady afa-tsy “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Ny fanambadiana olona iray izay tsy mitovy finoana aminao dia hiteraka zava-manahirana lehibe kokoa aza noho ny fampikambanana omby iray amin’ny ampondra iray.
Ny fahasamihafana eo amin’ny finoana dia lafin-javatra iray monja izay mety hahatonga ny mpivady iray hasiana zioga tsy mitovy tantana. Ireo olona mikasa hivady — na dia ireo mitovy finoana aza — dia haneho fahendrena raha manontany hoe: ‘Mitovy tanjona ve isika? Aiza isika no hipetraka? Iza no hitantana ny vola? Samy hiasa ve isika roa? Hanan-janaka ve isika? Hanapaka eo amin’ny fifandraisantsika ve ny hatsaram-panahy sy ny fanehoam-piheverana?’
Ny fomba iresahana momba ireo fanontaniana ireo dia afaka manondro kely ihany raha hitovy tantana na tsia ny zioga iray. Mazava ho azy fa tsy hisy olona roa hifanaraka amin’ny fomba feno. Kanefa amin’ny ankapobeny, raha afaka miatrika sy mandamina zava-manahirana miaraka ny olon-droa mikasa hivady, ary raha afaka mifampiresaka malalaka izy ireo, dia azo inoana fa tsy hasiana zioga tsy mitovy tantana izy ireo.