-
Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
-
-
16, 17. a) Lalàna inona nomen’i Jehovah no niaro ny Isiraelita tamin’ny aretina sasany? b) Ahoana no ahafahana mampihatra ilay fotopoto-pitsipika ao ambadiky ny Deoteronomia 23:13, 14 ao amin’ny ankohonana rehetra?
16 Hevero ny ohatra iray hafa. Tokony ho 3 500 taona lasa izay, Andriamanitra dia nanome ho an’ny firenen’ny Isiraely ny Lalàny mba handaminana ny fanompoam-pivavahan’izy ireo, ary koa, hatramin’ny ambaratonga sasany, ny fiainan’izy ireo andavanandro. Izany Lalàna izany dia nanampy mba hiarovana ilay firenena tamin’ny aretina, tamin’ny fanorenana fitsipi-pahadiovana fototra sasany. Ny lalàna iray toy izany dia nifandray tamin’ny fanariana ny dikin’olombelona, izay tsy maintsy nalevina tsara, lavitra ny toby, mba tsy ho voaloto ny faritra nonenan’ny olona. (Deoteronomia 23:13, 14). Iny lalàna fahizay iny dia mbola torohevitra tsara ihany. Na dia amin’izao andro izao aza ny olona dia marary sy maty satria tsy manaraka azy io.a
-
-
Ahoana no Ahafahanao Mitantana Ankohonana?Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
-
-
a Ao amin’ny boky iray manoro hevitra ny amin’ny fomba hisorohana ny aretim-pivalanana — aretina fahita izay mahafaty zazakely maro — dia hoy ny ambaran’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: “Raha tsy misy kabine, dia mandehana mivalana lavitra ny trano, sy lavitra ny faritra ilalaovan’ny ankizy, ary folo metatra fara fahakeliny avy eo amin’ny toeram-pantsakàna; totofy tany ny fivalananao.”
-