Ehoda — Lehilahy Nanam-pinoana sy Be Herim-po
TAONA maro no lasa hatramin’ny nandiavan’ny Isiraelita ny Tany Nampanantenaina. Efa ela no maty i Mosesy sy i Josoa mpandimby azy. Rehefa tsy teo intsony ny lehilahy nanam-pinoana toy ireny, dia nihena ny fankasitrahana ny fanompoam-pivavahana madio. Nanomboka nanompo ireo Bala sy ireo tsato-kazo masina mihitsy aza ny Isiraelita.a Ho vokatr’izany, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Syriana nandritra ny valo taona ny vahoakany. Avy eo, dia nitalaho fanampiana tamin’Andriamanitra ny Isiraelita. Tamim-pamindram-po, dia nihaino izy. Nanangana mpitsara iray, i Otniela, mba hanafaka ny vahoakany, i Jehovah. — Mpitsara 3:7-11, NW.
Ireny fisehoan-javatra ireny dia tokony ho nampianatra ny Isiraelita fahamarinana fototra iray — mitondra fitahiana ny fankatoavana an’i Jehovah, kanefa kosa, miafara amin’ny fanozonana ny tsy fankatoavana. (Deoteronomia 11:26-28). Kanefa, tsy nandray izany fianarana izany ny vahoakan’ny Isiraely. Taorian’ny 40 taona nisian’ny fiadanana, dia nafoin’izy ireo indray ny fanompoam-pivavahana madio. — Mpitsara 3:12.
Notapahin’i Moaba
Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia navelan’i Jehovah ho lavo teo an-tanan’i Eglona Mpanjakan’i Moaba, ny vahoakany. Milazalaza azy io ho “lehilahy matavibe” ny Baiboly. Nomban’i Amona sy Amaleka, dia nanafika ny Isiraely i Eglona ary nanangana ny lapany tao Jeriko “tanàna be rofia”. Hafahafa toy inona moa raha ilay tanàna kananita voalohany babon’ny Isiraely izao no mampialoka ny etamazaoron’ilay mpivavaka amin’ilay andriamani-diso natao hoe Kemosy!b — Mpitsara 3:12, 13, 17.
Nampahory ny Isiraelita nandritra ireo 18 taona nanaraka i Eglona, niharihary fa tamin’ny fitakiana hetra mavesatra tamin’izy ireo. Tamin’ny fitakiana hetra ara-potoana, dia nanatanjaka ny toerany manokana ara-toe-karena i Moaba teo am-pandritana tsikelikely ny loharanon-karen’ny Isiraely. Mora takatra ny nitalahoan’ny vahoakan’Andriamanitra famonjena, ka teto indray, dia nihaino i Jehovah. Nanangana mpamonjy hafa ho azy ireo izy, teto dia Benjamita iray nantsoina hoe Ehoda. Mba hamaranana ny fampahorian’i Eglona teo amin’ny Isiraely, dia nanao planina i Ehoda mba hanao zavatra amin’ny andro handoavana ny hetra manaraka. — Mpitsara 3:14, 15.
Mba hiomanana ho amin’ny tetik’adiny nilana herim-po, dia nanao sabatra roa lela iray hakiho i Ehoda. Raha toa ka hakiho fohy izany, dia tokony ho 38 santimetatra teo ny halavan’ilay fitaovam-piadiana. Nihevitra ny sasany fa lefom-pohy izany. Niharihary fa tsy nisy nitsivalana teo anelanelan’ny lelany sy ny fitanana azy. Noho izany, dia azon’i Ehoda nafenina tao anatin’ny ketron’akanjony ilay sabatra kely. Ankoatra izany, noho i Ehoda kavia, ny sabany dia azony nafatotra teo am-balahany ankavanana — tsy toerana mahazatra fasiana fitaovam-piadiana. — Mpitsara 3:15, 16.
Tsy hoe tsy nety hampidi-doza akory ny tetik’adin’i Ehoda. Ohatra, inona no hitranga raha nosavain’ireo mpanompon’ny mpanjaka i Ehoda sao nitondra fitaovam-piadiana? Na dia tsy nanao izany azy izy ireo, dia azo antoka fa tsy hamela irery ny mpanjakany hiaraka amin’ny Isiraelita iray! Fa raha toa nanao izany izy ireo ka azo natao ny namono an’i Eglona, amin’ny fomba ahoana no handosiran’i Ehoda? Hatraiza izy no ho afaka handositra alohan’ny hahitan’ny mpanompon’i Eglona izay nitranga?
Tsy isalasalana fa nieritreritra tsipirian-javatra toy izany i Ehoda, angamba naka sary an-tsaina vokany maro ratsy dia ratsy. Na dia izany aza dia nanatanteraka ny planina nokasainy izy, nampiseho herim-po no sady naneho finoana an’i Jehovah.
Nihaona tamin’i Eglona i Ehoda
Tonga ilay andro hanolorana ny hetra nanaraka. Niditra ny lapan’ny mpanjaka i Ehoda sy ireo olona niaraka taminy. Tsy ela izy ireo dia nijoro teo anoloan’ny tenan’i Eglona Mpanjaka. Ho an’i Ehoda anefa, dia mbola tsy tonga ny fotoana hamelezana. Taorian’ny fanolorana ilay hetra dia nampandeha ireo olona nitondra izany i Ehoda. — Mpitsara 3:17, 18.
Nahoana no nahemotr’i Ehoda ny fotoana hamelezana an’i Eglona? Resin’ny tahotra ve izy? Tsy izany velively! Mba hanatanterahana ny planiny, dia nila fihaonana mitokana tamin’ny mpanjaka i Ehoda — fahafahana izay tsy nananany tamin’io fihaonana voalohany io. Ankoatra izany, dia nila nitsoaka haingana i Ehoda. Ho mora lavitra ho an’ny lehilahy iray ny mandositra noho ny ho an’ireo mpanompo mpitondra hetra iray manontolo. Noho izany, dia niandry ny fotoana mety i Ehoda. Nahatonga azy ho afaka hamantatra mora foana ny firafitr’ilay lapa sy hahita ny habetsahan’ny fepetra ho fiarovana ny mpanjaka ny fitsidihana fohy nataony tamin’i Eglona.
Rehefa nahatratra “ny fihadiam-bato izay any Gilgala” i Ehoda, dia nandao ireo olony ka nitampody tany amin’ny lapan’i Eglona. Ilay dia an-tongotra sahabo ho roa kilaometatra nataon’i Ehoda dia nanome azy fotoana kely nieritreretana momba ny fanirahana azy, sy nivavahana mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah. — Mpitsara 3:19.
Niverina i Ehoda
Niharihary fa noraisina tsara tao an-dapa i Ehoda rehefa niverina. Angamba ilay hetra be dia be natolony teo aloha no nahatonga an’i Eglona ho falifaly. Mety ho nanome an’i Ehoda fotoana ampy mba hanorenana fifandraisana tamin’ny mpanjaka ny fitsidihana voalohany nataony, na dia fohy aza. Na ahoana na ahoana toe-javatra, dia tonga teo anatrehan’i Eglona indray i Ehoda.
“Misy teny holazaiko mangingina aminao ry mpanjaka ô”, hoy i Ehoda. Matoa tonga hatramin’izany izy dia nanondro fa nitarika azy i Jehovah. Kanefa, nisy olana. Ilay ‘teny mangingina’ nentin’i Ehoda dia tsy azo nolazaina teo anatrehan’ireo mpanompon’ny mpanjaka. Raha tokony hiditra an-tsehatra i Jehovah dia teo no ho eo no nilan’i Ehoda izany fanampiana izany. “Mialà kely hianareo rizareo”, hoy ny mpanjaka nandidy. Koa satria tsy nirin’i Eglona hisy handre io ‘teny mangingina’ io, dia nasaina niala ireo mpanompony. Alao sary an-tsaina ange ny fanamaivanana tsapan’i Ehoda e! — Mpitsara 3:19.
Nipetraka tao amin’ny efitrano iray tany an-tampon-trano i Eglona fony nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: “Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao.” Tamin’ny filazana hoe “Andriamanitra”, nanisy firesahana ny amin’i Kemosy ve i Ehoda? Mety ho nihevitra izany i Eglona. Nanitikitika ny sainy izany ka nitsangana niala ny seza fiandrianany izy ary nijoro tamim-panantenan-javatra. Nanatona i Ehoda, azo inoana fa nihetsika tamim-pitandremana mba tsy hanairana ny ahiahin’ny mpanjaka ny amin’ny famelezana. Avy eo, tamin’ny fihetsehana mailaka dia “naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny ambalahany ankavanana, dia natsatony tamin’ny kibon’i Eglona izany; ary difotra mbamin’ny zarany, ka voasaron’ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ny vodiny izany”. — Mpitsara 3:20-22.
Tsy taitra ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nitaraikiraiky teo akaiky teo. Mbola notandindomim-doza ihany anefa i Ehoda. Tamin’ny fotoana rehetra dia nety ho nirohotra hiditra ireo mpanompon’i Eglona ka hahita ny fatin’ilay mpanjakany lavo. Nila nitsoaka haingana i Ehoda! Narindriny ny varavarana ka nandositra teo amin’ny lava-drivotry ny tafon’ilay efitrano tany an-tampon-trano izy. — Mpitsara 3:23, 24a.
Fahatratrarana sy faharesena
Tsy ela dia nanjary liana ta hahafanta-javatra ireo mpanompon’i Eglona. Kanefa, tsy sahy nisetra ny tsy fahafalian’ny mpanjaka izy ireo tamin’ny fanapahana ny fihaonana mitokana nataony. Voamarik’izy ireo tamin’izay fa nirindrina ny varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano. “Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha”, hoy izy ireo nisaina. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nivadika ho fanahiana ny fahalianana ta hahafanta-javatra fotsiny. Tsy afa-niandry ela intsony ireo mpanompon’i Eglona. “Ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy [ny varavaran’ilay efitrano tany an-tampon-trano]; ary, indro, maty niampatra tamin’ny rihana ny tompony.” — Mpitsara 3:24b, 25.
Nandritra izany fotoana izany dia efa nandositra i Ehoda. Nandalo ny fihadiam-bato tao Gilgala izy ka nahatratra an’i Seirata, toerana iray any amin’ny tany havoanan’i Efraima. Nampamory ireo lehilahin’ny Isiraely i Ehoda ary nitarika azy ireo tamin’ny fanafihana tafaray hamelezana ireo Moabita. Milaza ny fitantarana fa “namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy (...), samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza”. Rehefa resy i Moaba, dia nandry feizay nandritra ny 80 taona ny tanin’ny Isiraely. — Mpitsara 3:26-30.
Fianarana avy amin’ny ohatr’i Ehoda
Ny finoana an’Andriamanitra no nanosika an’i Ehoda. Ny Hebreo toko faha-11 dia tsy miresaka ny aminy amin’ny fomba voafaritra ho ilay ‘nandresy fanjakana tamin’ny finoana, tonga nahery tamin’ny ady, nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa’. (Hebreo 11:33, 34). Na dia izany aza, dia nanohana an’i Ehoda i Jehovah rehefa nanao zavatra tamim-pinoana izy ary nanafaka ny Isiraely tamin’ny fahefana nampahorin’i Eglona Mpanjaka.
Iray tamin’ireo toetran’i Ehoda ny herim-po. Tsy maintsy ho be herim-po izy mba hahay hampiasa sabatra ara-bakiteny iray mba hisy vokany mavesa-danja sy mandaitra. Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika amin’ny andro ankehitriny, dia tsy mandray sabatra toy izany isika. (Isaia 2:4; Matio 26:52). Kanefa, tena mampiasa “ny sabatry ny fanahy”, ny Tenin’Andriamanitra isika. (Efesiana 6:17). Havanana i Ehoda tamin’ny fampiasana ny fitaovam-piadiany. Ilaintsika koa ny hahay hampiasa ny Tenin’Andriamanitra rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika. (Matio 24:14, NW ). Hanampy antsika hanahaka ireo toetra nasehon’i Ehoda, izay tena lehilahy nanam-pinoana sy be herim-po marina, ny fianarana manokana ny Baiboly, ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristiana, ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana sy ny fianteherana amin’ny vavaka amin’ilay Raintsika any an-danitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo inoana fa fampisehoana ny filahiana ireo tsato-kazo masina. Nampifandraisina tamin’ny fanaranam-po amin’ny firaisana maloto ara-pitondran-tena mibaribary izy ireny. — 1 Mpanjaka 14:22-24.
b I Kemosy no ambony indrindra tamin’ireo andrimanitry ny Moabita. (Nomery 21:29; Jeremia 48:46). Tamin’ny toe-javatra sasany fara fahakeliny, dia azo inoana fa nisy ankizy natao fanatitra tamin’io andriamani-diso maharikoriko, io. — 2 Mpanjaka 3:26, 27.
[Sary, pejy 31]
Ehoda sy ireo olony nanolotra ny hetra tamin’i Eglona Mpanjaka
[Sary nahazoan-dalana]
Nalaina avy tamin’ny Illustrirte Pracht - Bibel/Heilige Schrift des Alten und Neuen Testaments, nach der deutschen Uebersetzung D. Martin Luther’s