Inona no Atao hoe Ota?
Valiny ara-baiboly
Ny ota dia izay rehetra mifanohitra amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Mety ho zavatra atao izany, na fihetseham-po, na eritreritra. Manota koa ny olona iray rehefa mandika ny lalàn’Andriamanitra, ka manao zavatra efa lazainy hoe ratsy na tsy marina. (1 Jaona 3:4; 5:17) Lazain’ny Baiboly koa fa manota ny olona iray tsy manao izay tokony hataony.—Jakoba 4:17.
Midika hoe “tsy mahatratra tanjona” ilay teny tany am-boalohany nadika hoe ota. Nisy miaramila tany Israely fahiny, ohatra, tena nahay nampiasa pilotra ka “tsy nisy nivaona” ny vato nalefany. Midika ara-bakiteny hoe “tsy nanota” ilay hoe “tsy nisy nivaona.” (Mpitsara 20:16) Toy ny hoe tanjona ny fitsipika lavorary napetrak’Andriamanitra, ka manota isika rehefa tsy mahavita manaraka izany.
Zon’Andriamanitra ny mametraka fitsipika ho an’ny olombelona satria izy no Mpamorona. (Apokalypsy 4:11) Mbola hampamoahiny amin’izay ataontsika isika.—Romanina 14:12.
Ho vitantsika ve ny tsy hanota mihitsy?
Tsia. Milaza ny Baiboly fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23; 1 Mpanjaka 8:46; Mpitoriteny 7:20; 1 Jaona 1:8) Nahoana?
Tsy nisy ota i Adama sy Eva, tamin’ny voalohany satria lavorary. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra izy ireo. (Genesisy 1:27) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa izy ireo ka lasa tsy lavorary. (Genesisy 3:5, 6, 17-19) Manaranaka ny ota sy ny tsy fahalavorariana ka nifindra tamin’ny zanany, rehefa niteraka izy ireo. (Romanina 5:12) Hoy i Davida mpanjakan’ny Israely momba izany: “Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko.”—Salamo 51:5.
Misy ota ratsy kokoa noho ny ota hafa ve?
Eny. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “ratsy fanahy ny olona tao Sodoma sady nanota be”, ary ‘tena navesatra’ ny fahotan’izy ireo. (Genesisy 13:13; 18:20) Misy lafiny telo mila dinihina ireto, mba hahitana hoe tena ratsy be ve ilay fahotana.
Tena lehibe ve ilay izy? Asain’ny Baiboly halavirintsika ny fahotana lehibe, anisan’izany ny mijangajanga, manompo sampy, mangalatra, manao mamo, manao an-keriny, mamono olona, ary manao ody. (1 Korintianina 6:9-11; Apokalypsy 21:8) Asehon’ny Baiboly fa tsy mitovy amin’ny olona manao fahotana lehibe ny olona manota tsy nahy, na manaonao foana satria tsy nandinika tsara. Mety ho tsy fanahy iniana, ohatra, ny milaza na manao zavatra mampalahelo ny hafa. (Ohabolana 12:18; Efesianina 4:31, 32) Na izany aza, dia milaza ny Baiboly fa tsy tokony hohamaivanina mihitsy ny fahotana. Mety ho voatarika hanao fahotana lehibe kokoa mantsy ny olona iray manao fahotana madinidinika.—Matio 5:27, 28.
Niniana natao ve ilay izy? Manota ny olona sasany satria tsy mahalala ny fitsipik’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:30; 1 Timoty 1:13) Marina fa tsy manala tsiny ny olona toy izany ny Baiboly, nefa tsy ampitoviny amin’ny olona minia mandika ny lalàn’Andriamanitra ireny olona ireny. (Nomery 15:30, 31) Ny ‘fo ratsy’ no mahatonga ny olona hanao fanahy iniana hanota.—Jeremia 16:12.
Miverimberina ve ilay izy? Asehon’ny Baiboly koa fa tsy mitovy ny hoe manota indray mandeha sy ny hoe zatra manota mandritra ny fotoana elaela. (1 Jaona 3:4-8) Melohin’Andriamanitra ny olona iray raha “minia manota” rehefa avy nampianarina tsara ny fahamarinana.—Hebreo 10:26, 27.
Mety henjehin’ny eritreriny foana ny olona iray nanao fahotana lehibe. Hoy, ohatra, i Davida Mpanjaka: “Efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako. Toy ny enta-mavesatra ireny, ka mavesatra loatra amiko.” (Salamo 38:4) Mbola misy fanantenana anefa, satria hoy ny Baiboly: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny. Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy. Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.”—Isaia 55:7.