-
Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2021 | Novambra
-
-
9. Fa maninona i Naomy no nieritreritra hoe niady taminy i Jehovah?
9 Resahina ao amin’ny bokin’i Rota ny tantaran’i Naomy sy Rota vinantovaviny. Resahina ao koa ny momba an’i Boaza, havan’ny vadin’i Naomy. Lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy io. Nisy mosary tany Israely, dia nifindra tany Moaba i Naomy sy ny vadiny ary ny zanany roa lahy. Maty tany anefa ny vadin’i Naomy. Nanambady ny zanany avy eo, nefa mampalahelo fa samy maty koa izy roa lahy. (Rota 1:3-5; 2:1) Tena nampahory an’i Naomy ireo rehetra ireo ka nihakivy nihakivy foana izy. Novesaran’ny alahelo loatra izy, dia nieritreritra hoe niady taminy i Jehovah. Izao no nolazainy: “Mangidy amiko ny namelezan’i Jehovah ahy.” Niteny koa izy hoe: “Tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra. ... I Jehovah no efa nampietry ahy, ary ilay Mahery Indrindra no efa nahatonga loza tamiko.”—Rota 1:13, 20, 21.
10. Tezitra tamin’ny tenin’i Naomy ve i Jehovah? Ahoana no nanampiany azy?
10 Tezitra tamin’ny teny tsy nety nolazain’i Naomy ve i Jehovah? Tsia! Tsy nanary an’io mpanompony rera-tsaina io izy fa nangoraka azy. Fantany hoe “mety hahatonga ny hendry hanao adaladala ny fampahoriana.” (Mpito. 7:7) Nila fanampiana anefa i Naomy mba hahitany fa teo anilany foana Andriamanitra. (1 Sam. 2:8) Nampiasa an’i Rota àry i Jehovah mba hampisehoana taminy hoe tsy miovaova ny fitiavany. Tsara fanahy i Rota sady vonona hanampy ny rafozany mba tsy ho kivy loatra sy hatoky hoe mbola tia azy i Jehovah.
-
-
Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2021 | Novambra
-
-
18. Inona no nataon’i Naomy ka mety hoe nandratra ny fon’i Rota?
18 Aza mandray am-po. Nihaona tamin’ny mpiray tanàna taminy taloha i Naomy rehefa tonga tany Betlehema izy sy i Rota. Niteny tamin-dry zareo i Naomy hoe: “Nanam-be aho fony niala teto, nefa nampody ahy tanam-polo i Jehovah.” (Rota 1:21) Efa nanao izay rehetra azony natao i Rota mba hanampiana an’i Naomy. Niara-nitomany taminy izy, nampionona azy, ary niara-dalana taminy nandritra ny andro maro. Ahoana anefa no notenenin’i Naomy? Hoe ‘nampody azy tanam-polo i Jehovah’! Hoatran’ny te hilaza izy hoe tsy nisy dikany taminy ny fanampian’i Rota, nefa i Rota nijoro teo akaiky teo mihitsy. Mba ahoana izao ny fihetseham-pon’i Rota naheno an’izany? Tsy maintsy nandratra ny fony izany! Mbola nifikitra tamin’i Naomy ihany anefa izy.
19. Inona no hanampy antsika hifikitra amin’ny olona iray kivy be?
19 Fampiharana: Ahoana raha efa miezaka mafy ianao manampy anabavy iray kivy be, nefa mbola manao teny mandratra ny fonao izy? Aza mandray am-po an’izay lazainy. Miezaha kosa hifikitra amin’ny anabavinao, ary mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hahita hevitra hampaherezana azy.—Ohab. 17:17.
-