-
Vehivavy MalinaNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Jolay
-
-
Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Vehivavy Malina
HITAN’I Abigaila fa natahotra be ilay tovolahy. Nivadi-po izy satria nisy loza amin’antambo nananontanona. Efa teny an-dalana mantsy ny miaramila 400 teo ho eo, tamin’izay. Vonona hamono ny lehilahy rehetra tao an-tranon’i Nabala, vadin’i Abigaila, izy ireo. Nahoana?
I Nabala no nahatonga an’ilay izy. Lehilahy ratsy fanahy sy tsy nahalala fomba izy. Mpitari-tafika anefa no novingavingainy, tamin’ity indray mitoraka ity. Nanana miaramila tsara ofana sady tia azy sy tsy nivadika taminy io mpitari-tafika io. Nankany amin’i Abigaila àry ilay tovolahy mpanompon’i Nabala, angamba anisan’ny mpiandry ondriny. Nino mantsy izy fa hahita hevitra hanavotana azy ireo i Abigaila. Inona anefa no ho vitan’ny vehivavy iray eo anatrehan’ny tafika iray manontolo?
-
-
Vehivavy MalinaNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Jolay
-
-
“Vazavaza sy teny henjana no nataony tamin’izy ireo”
Nampidi-kizo an’i Abigaila i Nabala. I Davida mihitsy mantsy ilay nataony tsinontsinona. Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika i Davida, ary efa nanosotra azy ho mpanjaka i Samoela mpaminany. Midika izany fa nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka handimby an’i Saoly izy. (1 Samoela 16:1, 2, 11-13) Nialona azy i Saoly Mpanjaka ka nifofo ny ainy. Nandositra tany an-tany efitra àry i Davida sy ny miaramilany 600 tsy nivadika.
-
-
Vehivavy MalinaNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Jolay
-
-
Tezitra be izy! “Vazavaza sy teny henjana no nataony tamin’izy ireo”, hoy ilay tovolahy voaresaka terỳ aloha, tamin’i Abigaila. Tsy nety nanome tamin’ny mofony sy ny ranony ary ny henam-biby novonoiny ilay Nabala kahihitra. Nambaniny i Davida ary nolazainy fa tsisy ilana azy, sady mpanompo mitsoaka ny tompony. Mety ho nitovy tamin’ny an’i Saoly, izay nankahala an’i Davida, ny fiheveran’i Nabala. Tsy nisy nitovy tamin’ny an’i Jehovah anefa ny fiheveran’izy roa lahy. Tian’i Jehovah i Davida, ary tsy mpanompo nikomy no fahitany azy fa ilay ho mpanjakan’ny Israely.—1 Samoela 25:10, 11, 14.
-
-
Vehivavy MalinaNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Jolay
-
-
Azo lazaina hoe efa nanao zavatra sahady i Abigaila. Hita hoe vonona hihaino mantsy izy fa tsy toa an’i Nabala vadiny. Hoy ilay mpanompo momba an’i Nabala: “Olona tena tsy manjary ... izy ka tsy azo ifampiresahana mihitsy.”c (1 Samoela 25:17) Nampalahelo fa tsy nety nihaino i Nabala satria nihevi-tena ho zavatra loatra. Maro koa ny olona toy izany ankehitriny. Fantatr’ilay tovolahy anefa fa hafa mihitsy i Abigaila, ka tsy nisalasala nanatona azy izy rehefa nipoitra ny olana.
-