-
Ilay Vehivavy MalinaTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
23. Inona ny fitahiana azon’i Abigaila, ary ahoana no ahafantarantsika fa tsy nampiova azy izany?
23 Tsy nijaly am-panambadiana intsony àry i Abigaila sady nahazo fitahiana hafa koa. Ren’i Davida mantsy hoe maty i Nabala, ka nandefa iraka izy mba hangataka azy ho vady. Niova ve i Abigaila ka lasa nirehareha, satria hoe ho vadin’i Davida? Tsia. Vonona mihitsy aza izy hanompo ny mpanompon’i Davida! Hoy izy: “Intỳ aho mpanompovavinao, ho mpanompovavy hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko.”
-