Sarin’ny tany nampanantenaina
Ny lohasaha Elaha − izay namonoan’i Davida goavana iray!
VITSY ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mampientam-po kokoa noho ilay milazalaza ny fomba “nandresen’i Davida ilay Filistina [i Goliata, ilay goavana] tamin’ny vaton’antsamotady” (1 Samoela 17:50). Teo amin’ny lohasaha Elaha no nisehoan’izany.
Aiza anefa no misy io lohasaha io, ary toy inona izy izany? Ny fahafantarana izany no mahatonga anao ho afaka haka sary an-tsaina an’io fandresena malaza azon’ilay zatovolahy voahosotra ho mpanjakan’ny Isiraely io. Tatỳ aoriana, Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’i Davida ny amin’ny fanjakana izay hitondra soa mandrakizay ho antsika, ary izany dia tokony hanome antsika antony fanampiny hianarana ny amin’izay nitranga teo amin’ny lohasaha Elaha.
Nonina nanaraka ny morontsirak’i Kanana ny Filistina. Teo ambany fanapahan’ny Isiraelita ireo tendrombohitr’i Jodia (atsimon’i Jerosalema). Toy izao àry ny toe-javatra: ireo fahavalo, er? andrefana, eny amin’ny tany lemaka; ny mpanompon’Andriamanitra eo amin’ny faritra ambony kokoa, etỳ atsinanana. Eo anelanelany no misy ny havoana ivan’i Sefela, faritra mampisaraka izay ifandrombahana. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny Filistina nanafika ny Isiraely? Ny lalana mety indrindra dia ny miakatra hatreny amin’ny fihaonan’ny lohasahan-driaka na hadilanana atsinanana andrefana, ka anisan’ny lehibe indrindra aminy ny Lohasaha Elaha. Miainga avy eo amin’ny lemaka akaikin’i Gata sy Ekrona, tanàna filistina izy, mananika mamakivaky an’i Sefela hatrany amin’ireo tendrombohitra eo amin’ny 25 kilaometatra any atsimo andrefan’i Jerosalema sy Betlehema. Asehon’ny sary (nalaina avy tany atsimo atsinanana) ny tapany ambony amin’io lohasahan-driaka io. Hitanao er? amin’ny faravodilanitra ny tendrombohitr’i Jodiaa.
Eo am-pijerena io sary io dia aoka ianao haka sary an-tsaina ny Filistina miakatra avy eo amin’io faritra lemaka io mankany amin’ireo tendrombohitra. Mba hanakanana azy, dia mandroso mianatsimo andrefana avy any Jodia ireo Isiraelita. Teo, dia samy nijanona aloha. Nahoana? Satria “ny Filistina dia teo am-pita teo amin’ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin’ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.” — 1 Samoela 17:3.
Na dia tsy fantatra mazava aza hoe taiza marina tamin’ilay lohasahan-driaka no nitrangan’izany, dia alao sary an-tsaina ny Filistina eo amin’ny havoana etsy ambany ankavanana, ary ny tafik’i Saoly mifanatrika aminy, eo amin’ny havoana tazana ankoatra ny faritra maizina amin’ny sary. Tsy misy amin’ireo tafika roa maniry hamakivaky ilay lohasahan-driaka mba hanafika ny fahavalo izay eny amin’ny faritra ambony sady azo antoka no mora iarovan-tena. Maherin’ny iray volana no naharetan’izany fiatoana izany. Inona no hanapaka izany?
Nihantsy marain-tsy hariva ny tobin’i Saoly teo amin’ilay lohasaha i Goliata, Filistina mahery indrindra, maherin’ny 2,70 metatra ny halavany, mba hanapaka ilay raharaha amin’ny alalan’ny ady ifanaovan’olon-droa. Tsy nisy Isiraelita sahy namaly azy anefa. Tamin’ny farany, dia tonga avy tany Betlehema nitondra sakafo ho an’ny rahalahiny tao amin’ny toby i Davida, mpiandry ondry tanora. Nanao ahoana ny fihetsiny teo anatrehan’io fihaikana feno fitenenan-dratsy io? “Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona?” (1 Samoela 17:4-30). Niharihary fa i Davida dia nanana ny fomba fijery izay asehon’ny teny fototry ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny taona 1990 manao hoe: ‘Manàna herim-po ka milazà hoe: “Jehovah no mpanampy ahy.”’ — Hebreo 13:6, MN; Salamo 56:11; 118:6.
Rehefa ren’i Saoly mpanjaka fa hifanandrina amin’i Goliata nahatahotra io zatovo io, na dia tsy nanam-piadiana sady tsy nahazo fiofanana ara-tafika aza, dia natolony hampiasainy ny fiadiany. Nanda izany i Davida, satria niriny ny hifanandrina tamin’ilay goavana niaraka tamin’ny tehin’ny mpiandry ondry, antsamotady hoditra, ary vato kilonjy dimy hitany tao amin’ny lohasahan-driaka. Toy inona moa ireo vato kilonjy ireo? Tsy azo inoana fa vatokely mitovy habe amin’ny voaloboka na ny voan’oliva izany. Nisy vaton’antsamotady hita izay nanana savaivo 5 ka hatramin’ny 8 santimetatra, mitovy habe amin’ny voasary kely. Afaka manipy vato toy izany amin’ny hafainganam-pandeha 160 ka hatramin’ny 240 kilaometatra isan’ora ny mpandefa antsamotady iray.
Tsy isalasalana fa efa novakinao izay nitranga avy eo tao amin’ilay lohasaha, teo imason’ireo tafika roa tonta. Izao no nambaran’i Davida: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.” Nomen’i Jehovah avy eo ny fandresena. Nalefan’ilay tovolahy tamin-kery aoka izany ny vato kilonjy iray ka nilentika teo amin’ny handrin’i Goliata ary nahafaty azy. Nihazakazaka avy eo ilay mpiandry ondry, ka tamin’ny sabatr’ilay goavana ihany no nanapahany ny lohany. — 1 Samoela 17:31-51.
Nahazo hery tamin’ny finoana sy ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra ireo Isiraelita ka nirohotra namely ireo fahavalony very hevitra, nanenjika azy nidina namakivaky an’i Sefela hatrany Filistia. — 1 Samoela 17:52, 53.
Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsy maintsy re teo amin’ny Joda! Afaka nitazana avy teo an-tendrombohitra ny lohasaha Elaha sy Sefela er? ambany andrefana ny vahoakan’Andriamanitra sahala amin’izay tazana amin’izao andro izao eo amin’ny sary etsy ambany nalaina teo akaikin’i Hebrona. Kanto ny hafotsin’ny famonin’ny amygdala, nefa mbola kanto kokoa ny hatsaran’ny fandresena ny fahavalon’Andriamanitra. Afaka nilaza ara-drariny tokoa ireo vehivavy isiraelita nanao hoe: “Saoly nahafaty arivoarivo; fa Davida nahafaty alinalina”, anisan’izany io goavana izay nasiany tao amin’ny lohasaha Elaha io. — 1 Samoela 18:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io sary io nohalehibeazina kokoa dia hita ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1990 izay mampiseho koa eo amin’ny fonony ny toerana misy an’io lohasahan-driaka io.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.