Aoka isika hitady fahiratan-tsaina eo anilan’i Jehovah
“Hanome saina anao [hahatonga anao hahira-tsaina, MN ] sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho.” — SALAMO 32:8.
1. Tonòny ny sasantsasany amin’ireo anton-javatra amantarana raha hiharihary ho fahendrena ireo fanapahan-kevitra ataontsika (jereo Deoteronomia 32:7, 29).
ISAN’ANDRO, dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra isika. Ny sasany hitantsika ho madinika, ny sasany toa lehibe avy hatrany. Miharihary fa mampiseho fahendrena ve ireo fanapahan-kevitsika? Miankina amintsika indrindra izany: maimaika fanao zavatra ve isika sa kosa mieritreritra alohan’ny hitenenana na hanaovan-javatra? Amin’ny lafiny maro, dia ilaina ny handalinana tsara ny zavatra mba hanaovana fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena. Ilaina indraindray ny hahafantarana izay hiafaran’ireo fisehoan-javatra maneran-tany, ary na dia izay mitranga any amin’ny faritry ny lanitra aza. Nefa mety ho vita ve izany amin’ny fomba hafa ankoatra ny fanombatombanana?
2. Fanampiana inona no ilaintsika mba hitarihana tsara ny diantsika, ary nahoana (Ohabolana 20:24)?
2 Nomena fahaiza-misaina tena mahagaga ny olombelona, kanefa tsy nomena fahaizana hitarika tsara ny diany tsy misy fanekena amim-panetren-tena ny fanampian’Andriamanitra izy ireo. Izany no antony nanoratan’i Jeremia mpaminany toy izao ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23.
3. Inona no hanjo antsika raha tsy mitady ny fitarihan’i Jehovah isika (jereo Genesisy 3:4-6, 16-24)?
3 Inona no hitranga raha toa ka tsy miraharaha an’io zavatra tena misy io isika, ka miantehitra amin’ny tenantsika ihany, na amin’ny olon-kafa, mba hanapahana ny amin’izay mampiseho fahendrena na mampiseho hadalana, tsara na ratsy? Hanaiky hotarihin’ny fiheveran’olombelona ranofotsiny isika, ka hihevitra indraindray fa tsara izay ambaran’Andriamanitra fa ratsy, ary hihevitra fa fahendrena ny fitondrantena iray lazain’Andriamanitra fa hadalana (Isaia 5:20). Amin’izay isika dia mety ho tonga, na dia tsy nahy aza, fahatafintohinana ho an’ny hafa (jereo 1 Korintiana 8:9). Lazain’ny Tenin’Andriamanitra izay mitranga amin’ny olona mikiry tsy mitady ny fitarihan’i Jehovah: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” — Ohabolana 14:12.
4. Fanampiana mampiseho fahalalahan-tanana inona moa no ampanantenain’i Jehovah ireo mpanompony (jereo Jeremia 10:21)?
4 Inona no ilaintsika rehefa dinihina? Ny fanampian’i Jehovah. Manome antsika izao fampanantenana mampahery izao anefa izy: “Hanome saina anao [hahatonga anao hahira-tsaina, MN ] sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” — Salamo 32:8.
Mahafaoka inona moa ny fahiratan-tsaina?
5. Inona moa no atao hoe fahiratan-tsaina?
5 Mifono heviny hoe ahoana indrindra moa ny teny hoe fahiratan-tsaina ao amin’ny Soratra Masina? Izany dia ny fahaizana mahatakatra tarehin-javatra iray, mahita ny zavatra amin’ny fomba lalina. Araka ny Rakibolana ara-teolojian’ny Testamenta Taloha (anglisy), ny teny hebreo nadika hoe “fahiratan-tsaina” dia manondro “fahalalana mazava ny anton’ny” zavatra. Izany dia ny karazam-pahalalana izay mahatonga ho afaka hanao zavatra amim-pahendrena sy hahomby. Mifanaraka amin’io heviny tena lehibe io no ampiasan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ny teny hoe “fahiratan-tsaina”. Mba handikana ny heviny rehetra amin’ny endrik’io teny hebreo avy amin’ny matoanteny io, dia ampiasainy ny fitenenana toy ny hoe ‘miseho ho hendry’, ‘manao zavatra amim-pitandremana’ sy ‘mahita fahombiazana’. — Salamo 14:2.
6. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa “izay mahatana ny molony” no miseho ho hendry, na mahira-tsaina?
6 Araka izany, dia lazaina fa “izay mahatana ny molony” dia “hendry” na mahira-tsaina (Ohabolana 10:19). Alohan’ny hanokafana ny vavany, dia mieritreritra izy ka mihevitra ny fomba handraisana ny hevitry ny teniny. Rehefa mivonona hiresaka amin’olona izy, dia manontany tena raha hiteny amim-pahendrena sy fitiavana izy, na raha ilaina ny hiresahana toy izany (Ohabolana 12:18; Jakoba 1:19). Koa satria hetsehin’ny fitiavana ny lalan’i Jehovah sy ny faniriana amim-pahatsorana hanampy ny mpiara-belona aminy izy, dia manao resaka mampandroso. — Ohabolana 16:23.
7. Ahoana moa no nahazoan’i Davida laza ho lehilahy nanao zavatra tamim-pahamalinana?
7 Izao no vakina ny amin’i Davida, zanak’i Jese: “Na taiza na taiza nanirahan’i Saoly azy, dia nanao zavatra tamim-pahamalinana, izany hoe tamim-pahiratan-tsaina, izy. Takatr’i Davida fa tsy nandray anjara tamin’ny adin’olombelona fotsiny izy, fa niady ny adin’i Jehovah kosa ireo namany sy ny tenany. Nitady ny fitarihana sy ny fitahian’i Jehovah àry izy (1 Samoela 17:45; 18:5, MN; 2 Samoela 5:19). Noho izany, dia nahitana fahombiazana ny fanafihana nataony.
8. Ao amin’ny Soratra grika kristiana, inona avy moa indraindray no hevitry ny matoanteny nadika hoe ‘mahira-tsaina’?
8 Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny matoanteny nadika hoe ‘mahira-tsaina’ indraindray dia adika hoe ‘mahazo ny heviny’ na “mahatakatra”. (Romana 3:11; Matio 13:13-15; Efesiana 5:17.) Izany dia samy fahaizana ampanantenain’Andriamanitra fa homena ireo mpanompony. Fa ahoana no anaovany izany?
Ahoana no nahatonga an’i Josoa hahira-tsaina?
9. Fahizay, ahoana no nanaovan’i Jehovah izay hampahira-tsaina ny Isiraelita?
9 Teo amin’ny Isiraely fahizay, Jehovah dia nanankina tamin’ireo Levita ny andraikitra hampianatra an’ilay firenena ny Lalàny (Levitikosy 10:11; Deoteronomia 33:8, 10). Nomena tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Lalàna, ary ny fanahin’i Jehovah dia niasa teo amin’ireo fandaharana natao ho amin’izany fampianarana izany (Malakia 2:7). Tamin’izany, araka ny azo vakina ao amin’ny Nehemia 9:20 (MN ), no ‘nanaovan’i Jehovah ny Isiraelita ho malina’, na mahira-tsaina.
10, 11. a) Araka ny asehon’ny Josoa 1:7, 8, inona no hahatonga an’i Josoa hahira-tsaina? b) Fandaharana inona natao tamin’ny lafin’ny fampianarana moa no tsy maintsy nohajain’i Josoa? d) Fiezahana inona moa no tokony hataon’i Josoa manokana koa?
10 Kanefa, moa ve ny Isiraelita isam-batan’olona hanao zavatra amim-pahiratan-tsaina? Mba hanaovana izany, dia tokony hanao zavatra izy ireo. Rehefa nanankina tamin’i Josoa ny andraikitra hampiditra ny Isiraely tao amin’ny Tany nampanantenaina tokoa Jehovah, dia hoy izy taminy: “Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina [hanao zavatra amim-pahendrena, MN ] hianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina [hanao zavatra amim-pahendrena, MN ].” Ny teny hebreo nadika eo hoe “manao zavatra amim-pahendrena” dia adika koa hoe “manao zavatra amim-pahiratan-tsaina”. — Josoa 1:7, 8.
11 Ahoana no hanaovan’i Jehovah izay hahatonga an’i Josoa hahira-tsaina? Tsy amin’ny alalan’ny fahagagana, fa amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra. Tokony hamonto ny sainy sy ny fony amin’izany i Josoa amin’ny famakiana azy sy amin’ny fisaintsainana izany tsy tapaka. Araka ny fantany, izany dia mampiseho mazava tsara fa anjaran’ny Levita ny nampianatra ny Lalàna. Tokony hanaja izany fandaharana izany àry izy, tsy hitokantokana amin’ny fiheverana fa hahatakatra irery izany ny tenany satria mitana toerana misy andraikitra eo anivon’ilay firenena (Ohabolana 18:1). Zava-dehibe ny hianaran’i Josoa amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Raha manao toy izany izy, amin’ny tsy fanaovana tsirambina mihitsy na dia tapany iray aza amin’io Teny io, ary raha manaiky izany izy, dia hanao zavatra amim-pahiratan-tsaina. — Jereo 1 Mpanjaka 2:3.
Ahoana no anaovan’i Jehovah antsika ho mahira-tsaina amin’izao andro izao
12. Inona moa ireo zavatra telo tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fahiratan-tsaina atolotr’i Jehovah antsika?
12 Hatramin’izay Jehovah dia manome ho an’ireo mpanompony ny fitarihana ilainy mba hanaovan-javatra amim-pahendrena. Raha tiantsika ny handray soa amin’izany fitarihana izany, dia tokony hahafeno manokana zavatra andidiana maromaro isika: 1) Sahala amin’i Josoa, dia tokony hanaja ny fandaminan’i Jehovah isika. Milaza izany fa ilaina ny miara-miasa amin’ny kongregasionan’ireo kristiana voahosotra, dia “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” sy ny Kolejy foibeny (Matio 24:45-47; jereo koa Asa. 16:4). Izany koa dia milaza famonjena tsy tapaka ireo fivoriana kristiana (Hebreo 10:24, 25). 2) Isam-batan’olona, dia tokony hianatra amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky omen’ny kilasin’ny “mpanompo” antsika mba hanampiana antsika hahazo izany isika. 3) Zava-dehibe koa ny hakantsika fotoana hisaintsainana ny amin’ny fomba azontsika ampiharana eo amin’ny fiainantsika ireo zavatra ianarantsika sy ampiasana izany mba hanampiana ny mpiara-belona amintsika.
13. Inona moa no hevitry ny fampanantenana voasoratra ao amin’ny Jeremia 3:15?
13 Ny amin’ny sakafo sy ny fomba fiaina ara-panahy homeny amin’izao androntsika izao, dia izao no nambaran’i Jehovah ao amin’ny Jeremia 3:15: “Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko hianareo, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena.” Izany fampianarana ara-panahy izany dia tena mety hahatonga antsika ho afaka hahazo ny fahaizana miavaka hahatsapa ny tarehin-javatra ka hanavaka hoe fitondrantena manao ahoana no tokony harahina mba hahitana fahombiazana. Inona no loharanon’izany fahiratan-tsaina izany? Tsy iza fa Jehovah Andriamanitra.
14. Nahoana moa no mahira-tsaina ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky”?
14 Nahoana moa no mahira-tsaina ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky”? Satria ireo anisany dia mihevitra amim-pahatsorana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ka manaraka ireo toroheviny. Ambonin’izany, noho izy ireny manaiky ny fitarihany, Jehovah dia nametraka ny fanahiny teo amin’izy ireo ary mampiasa azy mifanaraka amin’ny fikasany (Lioka 12:43, 44; Asa. 5:32). Efa ela be izay, dia nanoratra toy izao teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny mpanao salamo: “Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.” — Salamo 119:99.
15. a) Amin’ny ambangovangony, inona mandrakariva moa no nanoroan’ny kilasin’ny “mpanompo” hevitra antsika? b) Taona maro lasa izay, inona no nahatonga ny kilasin’ny “mpanompo” ho afaka hanome “ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina” ilaina raha ny amin’ny hevitra kristiana momba ny fampidiran-dra?
15 Rehefa anontaniana ny “mpanompo mahatoky sy malina” hoe inona no mety raha atao, dia omeny mandrakariva izao torohevitra izao: ‘Ampiharo izay lazain’ny Baiboly ary matokia an’i Jehovah.’ (Salamo 119:105; Ohabolana 3:5, 6). Rehefa nanjary nahazatra ny fampidiran-dra ka nisetra an’io raharaha io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nomen’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 jolay 1945 (anglisy) ny hevitra kristiana ny amin’ny fahamasinan’ny ra. Nohazavainy fa ny fandraran’Andriamanitra dia mihatra na amin’ny ram-biby na amin’ny ran’olombelona (Genesisy 9:3, 4; Asa. 15:28, 29). Io gazety io dia tsy niresaka ny amin’ny vokatry ny fampidiran-dra atỳ aoriana, dia vokatra tsy fantatra firy tamin’izany fotoana izany. Ny tena raharaha dia nifandray ary mbola mifandray foana amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. Amin’izao andro izao, dia mihamaro ny olona mahatakatra fa fahendrena ny handavana ny fampidiran-dra, ka tena mandà izany tokoa. Teo anelanelan’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao zavatra tamim-pahiratan-tsaina satria natoky ny Mpamorona azy, izay mahalala mihoatra lavitra noho izay rehetra mety ho olombelona raha ny amin’ny ra.
16. Nahoana moa ireo torohevitra omena ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny sy ny fahaketrahana no niharihary fa nety tanteraka?
16 Rehefa tonga teo amin’ny fara tampony ny fahamoramorainy teo amin’ny lafiny mahakasika ny lahy sy ny vavy, Ny Tilikambo Fiambenana dia nanome mandrakariva ho an’ireo mpamaky azy, torohevitra feno fahendrena mifototra amin’ny Soratra Masina, fa tsy nampanaraka ny lalan’ny maro an’isa. Tamin’izany no nanampiany ny mpamaky azy hiaro ny fifandraisany sarobidy tamin’i Jehovah sy hikatsaka fahasambarana maharitra fa tsy fahafinaretana mihelina fotsiny. Toy izany koa, ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana natao ho an’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray fotsiny na reny fotsiny sy ho an’ny olona miady amin’ny fahaketrahana dia porofon’ny fahiratan-tsaina izay tsy misy manana azy afa-tsy ireo izay mihevitra ho zava-dehibe ny fisainan’i Jehovah ka mivavaka aminy amim-pahatsorana toy izao: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.” — Salamo 143:10; 139:17a.
17. a) Am-polony taona maro nialoha, inona moa no takatry ny mpanompon’i Jehovah ny amin’ny 1914? b) Na dia mbola tsy fantany foana aza ny andinindininy sasany taorian’ny 1914, fahalalana inona moa no nahatonga ireo mpanompon’Andriamanitra ho afaka hitarika ny fiainany tamim-pahendrena?
17 Tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, no nanampian’i Jehovah koa ireo mpanompony hamantatra, am-polony taona maro nialoha, fa hanamarika ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa ny 1914 (Lioka 21:24, Crampon 1905). Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nahavery hevitra azy ny raharaha sasany, kanefa ampy izay fantany mba hanaovan-javatra tamim-pahendrena. Tsy niafina taminy fa, araka ny Soratra Masina, dia akaiky ny fotoana voatendrin’Andriamanitra mba hanafoanana ny fandehan-javatra ankehitriny ka ho hadalana ny hametrahana ny fanantenany amin’izao tontolo izao na ny hanaiky ho voatanan’ny zava-kendreny mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Fantany koa fa ny Fanjakan’i Jehovah no hany tena fanafodin’ny loza rehetra mahazo ny olombelona (Daniela 2:44; Matio 6:33). Takatr’izy ireo mazava fa adidin’ny kristiana marina rehetra ny manambara an’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotr’i Jehovah, sy ny Fanjakany (Isaia 61:1, 2; Matio 24:14). Tamin’ny 1925, ilay lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana mitondra ny lohateny hoe “Ny fahaterahan’ilay firenena” dia nanatanjaka azy ireo, nanome azy fahazoana tsara kokoa ny hevitry ny toko faha-12 ao amin’ny Apokalypsy; takany izao izay nitranga tany an-danitra, tsy hitan’ny mason’olombelona. Nahatonga azy ireo ho afaka hitarika ny diany tamim-pahendrena izany fahiratan-tsaina izany.
18. Tombontsoa sy andraikitra inona moa no ananantsika izao, ary tokony hanontany tena hoe ahoana isika?
18 Tamim-pinoana, ireo olona an’arivony vitsivitsy izay nanao fanambarana ho an’i Jehovah tamin’izany fotoana izany dia nanitatra maneran-tany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina izao. Tamin’izany dia olona an-tapitrisany maro no nanjary nahafantatra sy tia an’i Jehovah, ka nahita nivoha teo anoloany ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. Isika rehetra izay nahita ny fahamarinana noho ny fiezahan’izy ireo tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena, dia mahatakatra fa manana tombontsoa sy andraikitra koa isika handray anjara amin’io asa io amin’ny fanaovana fanambarana feno amin’izay rehetra manaiky hihaino sy amin’ny fanohizana io asa io mandra-pilazan’i Jehovah fa vita izany (Apokalypsy 22:17; jereo koa Asa. 20:26, 27). Moa ve ny fomba fiainantsika mampiseho fa ankasitrahantsika ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah ireo mpanompony amin’ny alalan’ny fandaminany?
19. a) Manonòna ohatra ny amin’ny Vavolombelona iray izay ny fiainany dia manaporofo ny fankasitrahany noho ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany. b) Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’io ohatra io?
19 Amin’ny fomba fiainany, dia olona maro be miely patrana amin’ny tany manontolo no mamaly hoe eny an’io fanontaniana io. Aoka hoheverintsika ny ohatra ny amin’i John Cutforth. 48 taona eo ho eo izay, dia nalatsany am-po ny torohevitra ao amin’ny Baiboly efa nosoritan’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky” sahady, manao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo.” (Matio 6:33, 34). Rehefa avy nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro ny rahalahy Cutforth dia nanambara toy izao: ‘Ny anankiray amin’ireo zavatra namela soritra lalina tao an-tsaiko, dia ny hoe manana fandaminana tarihiny Jehovah, afaka miara-miasa amin’io fandaminana io aho ka raha tiako ny manaraka akaiky ny toromariny, dia hitondra ho ahy fiadanana, fifaliana, fahafahampo, namana maro sy fitahiana hafa be dia be izany.’ Imbetsaka ny fiaikeny no nohamafisina tao anatin’izany taom-piasana izany tany Etazonia, Kanada, Aostralia sy tany Papouasie-Nouvelle-Guinéeb. Tsy azo lavina fa ho antsika rehetra, ny lalam-pahendrena dia ny fampisehoana ny fankasitrahantsika noho ny fomba anaovan’i Jehovah izay hahatonga ireo mpanompony hahira-tsaina. — Matio 6:19-21.
Aoka hataontsika izay tsy hahavery izany
20, 21. a) Ahoana moa no nanarian’ny sasany ny fahiratan-tsaina avy amin’Andriamanitra? b) Inona no hanampy antsika tsy hiditra eo amin’ny lalan-dratsy?
20 Harena tokony hankamamina ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah ireo mpanompony. Aoka ho fantatsika anefa fa mety hanary izany isika raha miala amin’ny lalana nahatonga antsika ho afaka hahazo izany. Mampalahelo anefa fa izany no mitranga amin’ny sasany (Ohabolana 21:16; Daniela 11:35). Rehefa avy nanda ny fifehezana izay nahakasika azy manokana izy ireny, dia nanandrana nanamarina ny fitondrantenany. Nanaiky ho azon’ny fandriky ny fieboeboana izy ireny. Nanjary noheveriny fa tsara izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa ratsy, ka niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireny. Fahavoazana re izany!
21 Ny toeran’izay miditra amin’izany lalana izany dia voalazalaza ao amin’ny Salamo 36:1-3 (MN ), izay amakiantsika toy izao: “Ao anatin’ny fony ny fanambarana ny fahadisoana amin’ny ratsy fanahy.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny fisainan’ny tenany ihany sy ny faniriany mampiseho fitiavan-tena no mitarika azy hanao fahadisoana. “Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony, hoy ny tohin’ny tenin’ny mpanao salamo. Fa malemy loatra amin’ny tenany izy, eo imason’ny tenany, ka tsy mahita ny fahadisoany, mba hankahalana izany. Fanaovan-dratsy sy fitaka ny tenin’ny vavany.” Inona no vokatr’izany? ‘Tsy mahira-tsaina mba hanao ny tsara intsony izy.’ Manjary mampiaiky ny tenany izy fa mahitsy izay ataony ary mampiasa fanangolena izy mba hitarihana olon-kafa hanahaka azy. Zava-dehibe tokoa àry, tsy ny hananantsika fahiratan-tsaina fotsiny, fa ny hitoerantsika ho toy izany koa amin’ny fankamamiana ny fomba namelan’i Jehovah antsika ho tonga toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo Index des publications de la Société Watch Tower, eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Fanambadiana”, “Fianakaviana”, “Fikororosian’ny toe-pitondrantena” sy “Fahaketrahana (ara-tsaina)”.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 janoary 1959, pejy faha-26 sy 27 (BI 6bis/59, pejy faha-30 ka hatramin’ny 35).
Tadidinao ve?
◻ Inona no hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra amim-pahendrena?
◻ Mahafaoka inona moa ny fahiratan-tsaina?
◻ Ahoana moa no anaovan’i Jehovah izay hahatonga ireo mpanompony hahira-tsaina amin’izao androntsika izao?
◻ Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny handray soa feno avy amin’ny fahiratan-tsaina omen’i Jehovah?
[Sary, pejy 16]
Mba hahazoana fahiratan-tsaina avy amin’i Jehovah, dia tokony hankamamy ny fandaminany isika, hianatra amim-paharisihana manokana ary hisaintsaina ny amin’ny fomba hampiharana izay ianarantsika.