-
Jerosalema Tamin’ny Andron’ny Baiboly — Inona no Ahariharin’ny Arkeôlôjia?Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Jona
-
-
Ohatra, nilaza tamin’ny miaramilany i Davida fa “izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ny [tionelin-drano, NW ] ka hamely” ny fahavalo. (2 Samoela 5:8). Izany no nataon’i Joaba, mpitari-tafik’i Davida. Inona marina moa no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “tionelin-drano”?
-
-
Jerosalema Tamin’ny Andron’ny Baiboly — Inona no Ahariharin’ny Arkeôlôjia?Ny Tilikambo Fiambenana—1997 | 15 Jona
-
-
Neken’ny manam-pahaizana manokana hatramin’ny ela fa ny loharanon’i Gihona no loharano lehibe indrindran’ilay tanàna fahiny. Tany ivelan’ny mandan’ilay tanàna izy io, kanefa akaiky ihany ka namela ny hihadiana tionelina iray sy lavaka iray 11 metatra ny halaliny, izay nahafahan’ny mponina nanovo rano nefa tsy nivoaka tany ivelan’ny manda fiarovana. Fantatra hoe Lavak’i Warren ilay lavaka, nomena ny anaran’i Charles Warren, izay nahita ilay lalan-drano tamin’ny 1867. Oviana anefa no nanaovana ilay tionelina sy ilay lavaka? Efa nisy ve izy ireo tamin’ny andron’i Davida? Io ve ilay tionelin-drano nampiasain’i Joaba? Hoy ny valin-tenin’i Dan Gill: “Mba hitsapana raha lempona voajanahary marina ny Lavak’i Warren na tsia, dia nataonay analizy raha nisy karbônina-14 ny silaka soson-tsokay mafy avy teo amin’ny rindriny tsy mitovy tantana. Tsy nisy ilay izy, ka nampiseho izany fa maherin’ny 40 000 taona no nisian’ilay sosona mafy: Manome porofo mazava izany fa tsy nohadin’olona ilay lavaka.”
-