Iza no Tokony Hanehoanao Tsy Fivadihana?
“Ny tanindrazanay: . . . Enga anie ny tanindrazanay mba hanana ny marina foana, nefa enga anie izy ho tanindrazanay foana, na manana ny marina izy na tsia.”—Stephen Decatur, manamboninahitra amerikanina, 1779-1820.
MARO no mihevitra fa ny adidiny lehibe indrindra dia ny tsy fivadihana tanteraka amin’ny tanindrazany. Izao no fomba hafa hilazan’ny olona an’ireo tenin’i Stephen Decatur ireo: ‘Enga anie ny fivavahako hanana ny marina foana, nefa enga anie izy ho fivavahako foana, na manana ny marina izy na tsia.’
Ny toerana nahaterahantsika mazàna no mamaritra ilay tany na fivavahana mitaky tsy fivadihana amintsika. Tsy azontsika atao anefa ny mamela io zava-misy io hamaritra izay tokony hanehoantsika tsy fivadihana, satria lehibe loatra ny fanapahan-kevitra raisintsika momba izany. Mitaky herim-po ny mamakafaka ny zavatra ninoan’ny tena hatramin’izay, sady mety hiteraka zava-tsarotra.
Fitsapana ny tsy fivadihana
Hoy ny vehivavy iray teraka tany Zambia: “Tia fivavahana hatramin’ny fahazazako aho. Nisy efitra masina tao an-tranonay ary nozarina hivavaka isan’andro tao aho, nozarina hitandrina ny andro masina, ary nandeha niangona tsy tapaka. Nifamatotra akaiky tamin’ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina ary ny fianakaviana nisy ahy ny fivavahana narahiko.”
Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, tamin’izy 20 taona teo ho eo, ka tsy ela dia niova finoana. Fivadihana ve izany?
Teraka tany Bosnia i Zlatko, ary nisy fotoana nandraisany anjara tamin’ny ady nandrotidrotika ny tanindrazany. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Tsy mety mandray anjara amin’ny ady intsony izy izao. Nivadika ve izy?
Arakaraka ny fomba fihevitrao no hamalianao ireo fanontaniana ireo. Hoy ilay vehivavy voalaza etsy aloha: “Tsy afa-tondromaso mandrakizay ny olona niova finoana teo amin’ny fiaraha-monina nisy ahy. Toy ny hoe nivadika tamin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izy.” Nihevitra koa ny miaramila naman’i Zlatko taloha, fa izay tsy niara-niady taminy dia mpamadika. Samy mihevitra anefa, io vehivavy io sy Zlatko, fa endriny ambony kokoa isehoan’ny tsy fivadihana, no manosika azy ireo hanao zavatra, dia ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Mbola zava-dehibe kokoa aza ny hoe: ‘Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny olona maniry ny tsy hivadika aminy?’
Fanehoam-pitiavana ny tena tsy fivadihana
Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah Andriamanitra: “Ny olona tsara no isehoanao fa tsara.” (2 Samoela 22:26) Ny teny hebreo nadika hoe “tsara” eto, dia midika koa hoe “tsy mivadika”, ka ny heviny dia hoe tsara fanahy, miraiki-po hatrany amin’olona na zavatra, mandra-pahatanteraky ny zava-kendrena mifandray amin’io olona na zavatra io. Toy ny fihetsiky ny reny amin’ny zanany minono ny fihetsik’i Jehovah. Miraiki-po amin’ireo tsy mivadika aminy izy. Hoy izy tamin’ireo mpanompony tsy nivadika teo amin’ny Isiraely fahiny: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” (Isaia 49:15) Azo antoka àry fa hokarakarain’i Jehovah amim-pitiavana ny olona mihevitra ny tsy fivadihana aminy ho zava-dehibe indrindra.
Miorina amin’ny fitiavana ny tsy fivadihana amin’i Jehovah. Manosika ny olona iray ho tia izay tian’i Jehovah izy io, ary hankahala ny zava-dratsy izay halan’i Jehovah. (Salamo 97:10) Hisakana ny olona iray tsy haneho haratsiam-panahy ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra, satria ny fitiavana no toetran’i Jehovah lehibe indrindra. (1 Jaona 4:8) Raha miova finoana àry ny olona iray satria te haneho tsy fivadihana amin’Andriamanitra, dia tsy midika izany fa tsy tia ny fianakaviany intsony izy.
Mahasoa ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra
Toy izao no anazavan’ilay vehivavy voalaza etsy aloha ny zavatra nataony: “Rehefa nianatra Baiboly aho dia fantatro fa i Jehovah no Andriamanitra marina, ary nanorina fifandraisana manokana taminy aho. Tsy mitovy amin’ireo andriamanitra nivavahako taloha i Jehovah. Mifandanja tanteraka ny fomba anehoan’i Jehovah ny fitiavana, ny rariny, ny fahendrena ary ny hery. Tsy maintsy niala tamin’ireo andriamani-kafa aho, satria mitaky fifikirana tsy mizarazara i Jehovah.”
“Naverimberin’ny ray aman-dreniko fa tena tsy faly sady diso fanantenana tamiko ry zareo. Tena sahiran-tsaina aho satria zava-dehibe tamiko ny fankasitrahany. Nanjary nazava tamiko anefa ny safidy tokony hataoko, rehefa nitombo ny fahalalako ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy afaka nanilika an’i Jehovah aho.”
“Marina fa naleoko tsy nivadika tamin’i Jehovah toy izay tsy nivadika tamin’ireo lovantsofina ara-pivavahana. Tsy midika anefa izany hoe mivadika amin’ny fianakaviako aho. Iezahako aseho amin’izy ireo, amin’ny alalan’ny teny sy fihetsika, fa takatro tsara ny fihetseham-pony. Raha mivadika amin’i Jehovah anefa aho, dia mety hisakana ny fianakaviako tsy hahafantatra azy, ka izany no ho tena atao hoe fivadihana.”
Tsy mpamadika ihany koa ny olona iray raha tsy manao politika sady tsy mandray anjara amin’ny ady, satria takin’ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra izany. Hoy i Zlatko manazava ny zavatra nataony: “Nobeazina tao amin’ny Kristianisma Anarana aho, nefa nanambady olona hafa finoana. Samy nitaky tsy fivadihana tamiko ny fivavahako sy ny an’ny vadiko, rehefa nipoaka ny ady. Voatery nifidy izay hiandaniako àry aho. Niady nandritra ny telo taona sy tapany aho. Nandositra tany Kroasia izahay mivady, tamin’ny farany, ary nahita Vavolombelon’i Jehovah tany.”
“Takatray, rehefa nianatra Baiboly izahay, fa i Jehovah no tokony hanehoanay tsy fivadihana voalohany indrindra. Takatray koa fa nirin’i Jehovah ny itiavanay ny mpiara-belona aminay, na inona na inona fivavahany na firazanany. Tafaray ao amin’ny fivavahana amin’i Jehovah izahay mivady izao, ary fantatro fa tsy mety ny hoe sady haneho tsy fivadihana amin’Andriamanitra no hiady amin’ny mpiara-belona amiko.”
Tsy fivadihana tarihin’ny fahalalana araka ny marina
Rariny raha ny tsy fivadihana amin’i Jehovah no heverina ho lehibe noho ny tsy fivadihana amin-javatra na amin’olon-kafa satria Izy no Mpamorona antsika. (Apokalypsy 4:11) Tsy maintsy tarihin’ny fahalalana araka ny marina anefa io tsy fivadihana amin’Andriamanitra io. Mety hanosika ny olona hanao zavatra amin-kafanam-po tafahoatra ka hampidi-doza izy io, raha tsy izany. Hoy ny Baiboly: ‘Havaozy ny fanahin’ny sainareo, ary tafio ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahamasinana [na tena tsy fivadihana].’ (Efesiana 4:23, 24) Namakafaka ny zavatra nanehoany tsy fivadihana, ilay lehilahy malaza nanoratra ireo teny ara-tsindrimandry ireo. Nahatonga azy hanao fiovana nahasoa izany.
Tena notsapaina koa ny tsy fivadihan’i Saoly, toy ny an’ny olona maro. Nobeazina mba hankatò ny lovantsofina hentitra narahin’ny fianakaviany i Saoly. Niavaka ny tsy fivadihany tamin’ilay fivavahana narahiny hatramin’izay niainany. Io tsy fivadihany io no nanosika azy hampijaly an’ireo tsy nitovy hevitra taminy. Nalaza i Saoly noho izy nanafika ny tranon’ny Kristianina, ka nitaritarika azy ireo mba hosazina sy hovonoina mihitsy.—Asan’ny Apostoly 22:3-5; Filipiana 3:4-6.
Zavatra tsy noeritreretin’ireo namany akory hoe hataon’i Saoly no nataony, rehefa nahazo fahalalana ara-baiboly izy. Niova finoana izy. Naleon’i Saoly tsy nivadika tamin’Andriamanitra toy izay tsy nivadika tamin’ny lovantsofina. Nantsoina hoe ny apostoly Paoly izy, tatỳ aoriana. Lasa nalala-tsaina sy be fitiavana ary nahay nampahery i Paoly, noho ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra, notarihin’ny fahalalana araka ny marina. Tsy nampidi-doza na nafana fo tafahoatra toy ny taloha intsony izy.
Zava-dehibe ve ny tsy fivadihana?
Tena mandray soa isika rehefa mampifanaraka ny tsy fivadihantsika amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Nilaza, ohatra, ny Fikambanana Mpandinika ny Fianakaviana, any Aostralia, tamin’ny 1999, fa anisan’ny zava-dehibe mahatonga ny fanambadiana haharitra sy ho vanona ny “fitokisana sy tsy fivadihana . . . [ary] ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy.” Hitan-dry zareo koa fa ny “fanambadiana miorina tsara sy mahafa-po” dia mahatonga ny lehilahy sy vehivavy ho sambatra kokoa, salama kokoa ary ho ela velona kokoa. Azo inoana fa ho sambatra koa ny ankizy avy amin’ny fianakaviana toy izany.
Eto amin’ity tontolo tsy ahalalantsika izay havoakan’ny ampitso ity, dia azo oharina amin’ny tady mampifandray ny mpilomano iray amin’ny lakan’aina ny tsy fivadihana. Toy ny atopatopan’ny onja sy ny rivotra fotsiny io olona miady mafy io, raha tsy misy zavatra anehoany tsy fivadihana. Azo lazaina hoe mifatotra amin’ny lakana efa ho rendrika ilay tady raha diso fiantefa ny tsy fivadihan’ilay olona. Mety ho voasarika hanao zavatra mampidi-doza toa an’i Saoly izy amin’izay. Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah kosa, izay miorina amin’ny fahalalana araka ny marina, no tady azo antoka mampilamina ny fiainantsika sy ahazoantsika famonjena.—Efesiana 4:13-15.
Izao no fampanantenan’i Jehovah ho an’ireo tsy mivadika aminy: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina [na tsy mivadika]; harovana mandrakizay ireo.” (Salamo 37:28) Tsy ho ela dia havela hiditra ao amin’ny tany zary paradisa izy ireo. Tsy halahelo na hanaintaina intsony izy ao. Hifaly kosa izy ireo satria tsy hampisara-bazana ny fivavahana sy ny politika, fa hifandray tsara hatrany izy ireo.—Apokalypsy 7:9, 14; 21:3, 4.
Dieny izao, dia efa an-tapitrisa ny olona nahita fa ny tsy fivadihana amin’i Jehovah ihany no tena mahasambatra. Nahoana raha avela hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampitaha ny fiheveranao ny tsy fivadihana, amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo”, hoy ny Baiboly.—2 Korintiana 13:5.
Ilana herim-po ny mamakafaka ny finoan’ny tena sy ny antony tsy hivadihana amin’izy io. Mitondra valisoa anefa izany ka tena tokony hiezahantsika. Ohatra, mahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah, izany. Maneho ny fihetseham-pon’ny maro ilay vehivavy voalaza etsy aloha rehefa nilaza hoe: “Tsapako fa tena zava-dehibe ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fitsipiny. Manampy antsika hahay handanjalanja eo amin’ny fifandraisana amin’ny mpianakavy izany, sady mahatonga antsika ho olona tsara kokoa eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy hivadika amintsika mihitsy i Jehovah raha tsy mivadika aminy isika, na inona na inona zava-tsarotra manjo antsika.”
[Sary, pejy 6]
Nanosika an’i Saoly hanova ny zavatra sy olona nanehoany tsy fivadihana ny fahalalana araka ny marina
[Sary, pejy 7]
Nahoana raha dinihina hoe mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ireo zavatra sy olona anehoanao tsy fivadihana?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Churchill, ambony ankavia: U.S. National Archives photo; Joseph Göbbels, farany ankavanana: Library of Congress