Jerosalema — Ilay “Tanànan’ny Mpanjaka Lehibe”
“Aza mianiana (...) amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izany.” — MATIO 5:34, 35.
1, 2. Inona no mety hanahiran-tsaina ny sasany mahakasika an’i Jerosalema?
JEROSALEMA! Ny anarany fotsiny dia efa mahatonga fihetseham-po mahery eo amin’ny olona avy amin’ny fivavahana samy hafa. Raha ny marina dia tsy misy amintsika tsy mahalala io tanàna tranainy io, satria resahina matetika ao amin’ny vaovao izy io. Mampalahelo anefa fa tsy toeram-piadanana foana akory i Jerosalema, araka ny ahariharin’ny tatitra maro.
2 Mety hanahiran-tsaina ireo mpamaky ny Baiboly sasany izany. Tamin’ny lasa mantsy, ny fanafohezana ny anaran’i Jerosalema dia hoe Salema, izay midika hoe “fiadanana”. (Genesisy 14:18; Salamo 76:2; Hebreo 7:1, 2). Koa mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Nahoana ny tanàna iray mitondra io anarana io no tsy nisy fiadanana aoka izany tato ho ato?’
3. Aiza no mety hahitantsika fanazavana azo ianteherana momba an’i Jerosalema?
3 Mba hamaliana io fanontaniana io, dia mila miverina lavitra eo amin’ny tantara isika, ary mianatra ny mombamomba an’ilay Jerosalema tamin’ny andro fahiny. Mety hieritreritra anefa ny sasany hoe: ‘Tsy manam-potoana hianarana tantara fahiny izahay’. Na izany aza, dia misy vidiny ho antsika rehetra ny fahalalana marina ny tantaran’i Jerosalema tany am-boalohany. Asehon’ny Baiboly amin’izao teny izao ny anton’izany: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Ny fahalalana omen’ny Baiboly mahakasika an’i Jerosalema dia afaka manome antsika fiononana, eny, fanantenana fiadanana, tsy ao amin’io tanàna io ihany, fa manerana ny tany koa.
Ilay toeran’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”
4, 5. Inona no nataon’i Davida mba hahatonga an’i Jerosalema hanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra?
4 Tamin’ny taonjato faha-11 al.f.i., dia nanjary re laza eran-tany fa renivohitry ny firenena iray nilamina sy nandry feizay, i Jerosalema. Nasain’i Jehovah Andriamanitra nohosorana ho mpanjaka teo amin’io firenena fahiny io, izany hoe ny Isiraely, ilay tovolahy natao hoe Davida. Noho ny foiben’ilay fitondram-panjakana tao Jerosalema, dia nanjary nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah”, na “seza fiandrianan’i Jehovah” i Davida sy ireo mpanjaka taranany. — 1 Tantara 28:5; 29:23.
5 Naka an’i Jerosalema avy tamin’ireo Jebosita mpanompo sampy i Davida, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, izay Isiraelita avy tao amin’ny fokon’i Joda. Tamin’izay, dia teo amin’ny havoana iray ihany nantsoina hoe Ziona no nisy ilay tanàna. Nanjary nitovy dika tamin’ny hoe Jerosalema mihitsy anefa io anarana io. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasain’i Davida nafindra tao Jerosalema, natao tao anaty lay, ilay fiaran’ny fanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely. Taona maro talohan’izay, dia niteny tamin’i Mosesy mpaminaniny Andriamanitra, avy tao amin’ny rahona iray teo ambonin’ilay Fiara masina. (Eksodosy 25:1, 21, 22; Levitikosy 16:2; 1 Tantara 15:1-3). Nampiseho ny fanatrehan’Andriamanitra ilay Fiara, satria i Jehovah no tena Mpanjakan’ny Isiraely. Noho izany, dia tamin’ny heviny roa sosona no azo nilazana hoe nanapaka tao amin’ny tanànan’i Jerosalema, i Jehovah Andriamanitra.
6. Inona no fampanantenana nomen’i Jehovah mahakasika an’i Davida sy i Jerosalema?
6 Nampanantena an’i Davida i Jehovah fa tsy hifarana ilay fanjakana hoentin’ireo mpanjaka anisan’ny ankohonany izay naseho tamin’ny alalan’i Ziona na Jerosalema. Nidika izany fa hisy taranak’i Davida handova ny zo hanapaka mandrakizay noho izy Voahosotr’Andriamanitra, izany hoe Mesia, na Kristy.a (Salamo 132:11-14; Lioka 1:31-33). Ahariharin’ny Baiboly koa fa io mpandova mandrakizay ny “seza fiandrianan’i Jehovah” io dia ho mpanapaka ny firenena rehetra, fa tsy i Jerosalema fotsiny. — Salamo 2:6-8; Daniela 7:13, 14.
7. Ahoana no nampandrosoan’i Davida Mpanjaka ny fanompoam-pivavahana madio?
7 Herim-po very maina ny fanandramana hanongana an’i Davida Mpanjaka, ilay voahosotr’Andriamanitra. Ireo firenena fahavalo kosa no resy, ary nitarina hahatratra ny fetra voatondron’Andriamanitra ny sisin’ilay Tany Nampanantenaina. Nampiasa izany toe-javatra izany mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana madio i Davida. Ary maro tamin’ireo salamo nataon’i Davida no mankalaza an’i Jehovah ho tena Mpanjaka tao Ziona. — 2 Samoela 8:1-15; Salamo 9:1, 11; 24:1, 3, 7-10; 65:1, 2; 68:1, 24, 29; 110:1, 2; 122:1-4.
8, 9. Ahoana no nitaran’ny fanompoam-pivavahana marina tao Jerosalema, teo ambanin’ny fanapahan’i Solomona Mpanjaka?
8 Nandritra ny fanjakan’i Solomona, zanak’i Davida, dia niitatra mbola tsy nisy toy izany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Nitarin’i Solomona nianavaratra i Jerosalema mba hahafaoka koa ny havoana Moria (ilay faritra misy ny Dôme du Rocher amin’izao andro izao). Nanana tombontsoa hanorina tempoly iray kanto dia kanto ho fiderana an’i Jehovah izy, teo amin’io faritra avo kokoa io. Napetraka tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’io tempoly io ilay fiaran’ny fanekena. — 1 Mpanjaka 6:1-38.
9 Niadana ilay firenen’ny Isiraely rehefa nanohana tamin’ny fo manontolo ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, izay tao Jerosalema no foibeny. Raha nilazalaza tamin’ny fomba kanto io toe-javatra io ny Soratra Masina, dia nanambara hoe: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly. (...) Ary [i Solomona] dia tsara fihavanana tamin’ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona”. — 1 Mpanjaka 4:20–5:4, 5.
10, 11. Ahoana no anamafisan’ny arkeôlôjia izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jerosalema fony i Solomona nanjaka?
10 Manohana io fitantarana momba ny fanjakan’i Solomona natanjaka ara-toe-karena io, ireo zavatra hitan’ny arkeôlôjia. Izao no nolazain’ny Profesora Yohanan Aharoni, tao amin’ilay bokiny hoe The Archaeology of the Land of Israel: “Vetivety dia nahatonga fiovana lehibe sady niavaka teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fivoarana (...) ny harem-be avy tany amin’ny vazan-tany efatra izay nitobaka tao amin’ny lapam-panjakana, mbamin’ny varotra niroborobo. (...) Ilay fivoarana (...) dia tsy vitan’ny hoe hita taratra teo amin’ireo fitaovana haitraitra fotsiny, fa teo amin’ny fanaovana seramika koa indrindra indrindra. (...) Nihatsara mbola tsy nisy toy izany ny tefy tanimanga sy ny fandoroana izany.”
11 Tsy misy hafa amin’izany koa ny nosoratan’i Jerry M. Landay: “Teo ambany fanapahan’i Solomona, dia lasa lavitra kokoa ny fivoaran’ireo Isiraelita tao anatin’ny 30 taona, noho ny tao anatin’ireo 200 taona teo aloha. Hitanay tao amin’ny soson-tany tamin’ny andron’i Solomona ny sisan-javatra avy amin’ny fanorenana goavana, tanàna lehibe misy rindrina matevina, faritanàna mihaja maro be misy fonenan’ny mpanan-karena mifanakaiky vita tsara, ary dingana lehibe teo amin’ny teknikan’ny fahaizana manefy tanimanga sy ny fomba fanaovana izany. Hitanay koa ny sisan’ny asa tanan’olona mampiseho zavatra nohafarana avy lavitra, famantarana ny amin’ny fisian’ny varotra sy fifanakalozana niraisam-pirenena niroborobo.” — The House of David.
Niadana dia nanjary lao
12, 13. Nahoana no tsy nitohy ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina tao Jerosalema?
12 Mety raha natao antom-bavaka ny fiadanana sy ny fanambinana an’i Jerosalema, ilay tanàna nisy ny fitoerana masin’i Jehovah. Nanoratra toy izao i Davida: “Mangataha fiadanana ho an’i Jerosalema; hambinina anie izay tia anao; fiadanana anie ho ao anatin’ny mandanao; fanambinana anie ho ao an-dapanao. Noho ny rahalahiko sy ny namako no hanaovako hoe: Fiadanana anie ho ao anatinao.” (Salamo 122:6-8). Na dia nanana tombontsoa hanorina ilay tempoly kanto dia kanto tao amin’io tanàna nisy fiadanana io aza i Solomona, dia nanambady vehivavy maro mpanompo sampy izy tatỳ aoriana. Tamin’ny fahanterany, dia notaomin’izy ireny hampandroso ny fanompoam-pivavahana tamin’andriamanitra sandoka tamin’izany andro izany, izy. Nisy vokany nanimba teo amin’ilay firenena manontolo io fivadiham-pinoana io, ka nanaisotra taminy sy ireo mponina tao aminy ny tena fiadanana. — 1 Mpanjaka 11:1-8; 14:21-24.
13 Tany am-piandohan’ny nanjakan’i Rehoboama zanak’i Solomona, dia nikomy ny foko folo ka namorona ilay fanjakan’ny Isiraely, tany avaratra. Noho ny nivavahan’izy ireo tamin’ny sampy, dia navelan’Andriamanitra haongan’i Asyria io fanjakana io. (1 Mpanjaka 12:16-30). Mbola nanana an’i Jerosalema ho foibeny ihany ny fanjakan’ny Joda nisy foko roa, tatỳ atsimo. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia niala tamin’ny fanompoam-pivavahana madio koa izy ireo, ka navelan’Andriamanitra horavan’ny Babylonianina ilay tanàna naditra, tamin’ny 607 al.f.i. Voatery niaina toy ny babo tany Babylona ireo Jiosy natao sesitany, nandritra ny 70 taona. Avy eo, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, dia navela hiverina tany Jerosalema sy hamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina, izy ireo. — 2 Tantara 36:15-21.
14, 15. Ahoana no nahazoan’i Jerosalema anjara toerana lehibe indray taorian’ny sesitany tany Babylona, saingy inona no niova?
14 Tsy maintsy efa rakotra bozaka ireo sisa tsy rava tamin’ny trano, taorian’ny 70 taona nahalao ilay tanàna. Nirodana ny mandan’i Jerosalema, ka banga be ny teo amin’izay nisy vavahady sy tilikambo taloha. Nisikina herim-po anefa ireo Jiosy tafaverina. Nanorina alitara teo amin’ilay toerana nisy ny tempoly taloha izy ireo ary nanomboka nanao ireo sorona fanao isan’andro ho an’i Jehovah.
15 Fiaingana nahavelom-panantenana izany, saingy tsy ho renivohitry ny fanjakana iray hisy taranak’i Davida Mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianana intsony, io Jerosalema tafaverina amin’ny laoniny io. Notapahin’ny governora voatendrin’ireo mpandresy an’i Babylona kosa ny Jiosy, ary voatery nandoa hetra tamin’ireo Persanina tompony, izy ireo. (Nehemia 9:34-37). Na dia ‘nohitsahina’ aza i Jerosalema, dia mbola izy ihany, naneran-tany, no tanàna nomen’i Jehovah Andriamanitra tombontsoa manokana. (Lioka 21:24). Foiben’ny fanompoam-pivavahana madio izy io, ka noho izany dia nampiseho koa ny zon’Andriamanitra hampihatra ny fiandrianany manerana ny tany manontolo amin’ny alalan’ny taranak’i Davida Mpanjaka.
Notoherin’ny mpanaraka fivavahan-diso teny amin’ny manodidina
16. Nahoana ireo Jiosy izay niverina avy tany Babylona no nampitsahatra ny fanarenana an’i Jerosalema?
16 Tsy ela dia nametraka ny fototry ny tempoly vaovao iray ireo Jiosy niverina tao Jerosalema avy tany amin’ny sesitany. Nandefa taratasy fanendrikendrehana tany amin’i Artaksersesy Mpanjaka persanina anefa ireo mpanaraka fivavahan-diso teo amin’ny manodidina. Nilaza io taratasy io fa hikomy ny Jiosy. Ho setrin’izany, dia noraran’i Artaksersesy tsy hitohy intsony ny fanorenana tao Jerosalema. Azonao an-tsaina fa raha nipetraka tao amin’io tanàna io ianao tamin’izay, dia ho nanontany tena ny amin’izay hanjo azy io amin’ny hoavy. Araka izany tokoa, dia nampitsahatra ny fanorenana ny tempoly ny Jiosy, ary nanjary revo tamin’ny fikatsahany manokana zavatra ara-nofo. — Ezra 4:11-24; Hagay 1:2-6.
17, 18. Ahoana no nataon’i Jehovah mba hahazoana antoka fa ho voaorina indray i Jerosalema?
17 Tokony ho 17 taona taorian’ny niverenan’izy ireo, dia nanainga an’i Hagay sy i Zakaria mpaminany Andriamanitra, mba hanitsy ny fisainan’ny vahoakany. Voatosika hibebaka ireo Jiosy ka nanomboka nanorina indray ny tempoly. Teo anelanelan’izay, dia tonga mpanjakan’i Persia i Dariosy. Nohamarininy ny fisian’ilay didin’i Kyrosy Mpanjaka, izay nampanorina indray ny tempolin’i Jerosalema. Nandefa taratasy tany amin’ireo mponina nanodidina ny Jiosy i Dariosy, nampitandrina azy ireo mba ‘hihataka amin’i Jerosalema’ ka hanome fanampiana ara-bola avy amin’ny hetram-panjakana mba hamitana izany asa fanorenana izany. — Ezra 6:1-13.
18 Novitain’ireo Jiosy ilay tempoly tamin’ny taona faha-22 taorian’ny niverenany. Azonao an-tsaina fa tsy maintsy nankalazaina tamim-pifaliana be io fotoan-dehibe io. Na izany aza, dia mbola rava ny ampahany lehibe tamin’i Jerosalema sy ny mandany. Nasiana fiheverana ilay tanàna “tamin’ny andron’i Nehemia governora sy Ezra mpisorona sady mpanora-dalàna”. (Nehemia 12:26, 27). Voaporofo fa voaorina tanteraka indray ho tanàna lehibe teo amin’ny tontolo fahiny i Jerosalema, tamin’ny faran’ny taonjato fahadimy al.f.i.
Niseho ny Mesia!
19. Ahoana no naneken’ny Mesia fa nanana anjara toerana tsy nanam-paharoa i Jerosalema?
19 Andeha anefa isika handingana taonjato maromaro, ka hizaha fisehoan-javatra lehibe iray izay nisy akony teo amin’izao rehetra izao, dia ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Niteny tamin’ilay virjiny, renin’i Jesosy, ny anjelin’i Jehovah Andriamanitra, ka nanao hoe: “Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; (...) ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33). Taona maro tatỳ aoriana, dia nanao ilay Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra i Jesosy. Nanome fampaherezana sy torohevitra nahakasika foto-kevitra maro izy tao amin’izy io. Ohatra, nampirisika ireo mpihaino azy izy, mba hanatanteraka ny voadiny tamin’Andriamanitra ka hitandrina mba tsy hanonononona foana voady tsy nasiam-piheverana. Hoy Jesosy: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy to, fa efao amin’i Jehovah ny fianiananao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory: na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izany; na amin’ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izany.” (Matio 5:33-35). Tsara homarihina fa neken’i Jesosy hoe nanana anjara toerana tsy nanam-paharoa i Jerosalema, dia anjara toerana izay nananany nandritra ny taonjato maro. Eny, izy no “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, dia i Jehovah Andriamanitra izany.
20, 21. Fiovana tampoka inona no nitranga teo amin’ny fihetsiky ny olona maro nipetraka tao Jerosalema?
20 Rehefa nadiva hifarana ny fiainany teto an-tany, dia niseho tamin’ny mponin’i Jerosalema toy ny Mpanjakany voahosotra ara-dalàna, i Jesosy. Vokatr’io zava-nitranga nampientam-po io, dia maro no niantsoantso tamim-pifaliana hoe: “Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’i Davida raintsika!” — Marka 11:1-10; Jaona 12:12-15.
21 Tsy ampy herinandro akory anefa, dia navelan’ilay vahoaka hanodina azy hanohitra an’i Jesosy, ireo mpitarika ara-pivavahana tao Jerosalema. Nampitandrina i Jesosy fa hamoy ilay anjara toerany nisy tombontsoa teo anatrehan’Andriamanitra ny tanànan’i Jerosalema sy ilay firenena manontolo. (Matio 21:23, 33-45; 22:1-7). Nanambara toy izao, ohatra, i Jesosy: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:37, 38). Nampamono tsy ara-drariny an’i Jesosy tany ivelan’i Jerosalema, ireo mpanohitra azy, tamin’ny fotoan’ny Paska tamin’ny 33 am.f.i. Na izany aza, dia nanangana tamin’ny maty ilay Voahosony, i Jehovah ka nanome azy voninahitra tamin’ny fanomezana azy fiainana ara-panahy tsy mety maty any amin’i Ziona any an-danitra. Afaka mandray soa avy amin’izany zava-bita izany isika rehetra. — Asan’ny Apostoly 2:32-36.
22. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ahoana no niharan’ireo firesahana maro momba an’i Jerosalema?
22 Nanomboka hatreo, ny ankamaroan’ireo faminaniana mbola tsy tanteraka izay mahakasika an’i Ziona, na i Jerosalema, dia azo heverina fa mihatra amin’ny fandaharana any an-danitra na amin’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy. (Salamo 2:6-8; 110:1-4; Isaia 2:2-4; 65:17, 18; Zakaria 12:3; 14:12, 16, 17). Maromaro ireo firesahana momba an’i “Jerosalema” na “Ziona”, nosoratana taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Miharihary fa manana heviny ara-panoharana izy ireny, ary tsy mihatra amin’ilay tanàna na ilay toerana ara-bakiteny. (Galatiana 4:26; Hebreo 12:22; 1 Petera 2:6; Apokalypsy 3:12; 14:1; 21:2, 10). Tonga tamin’ny 70 am.f.i. ny porofo farany fa tsy “tanànan’ny Mpanjaka lehibe” intsony i Jerosalema, rehefa nandrava azy io ny tafika rômanina, araka ny voalazan’ny faminanian’i Daniela sy i Jesosy Kristy. (Daniela 9:26; Lioka 19:41-44). Na ireo mpanoratra ny Baiboly, na ny tenan’i Jesosy dia samy tsy nisy nanambara mialoha hoe hiverina indray ilay tombontsoa manokana taloha nananan’ilay Jerosalema eto an-tany teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. — Galatiana 4:25; Hebreo 13:14.
Fahitana mialoha ny fiadanana mandrakizay
23. Nahoana no tokony mbola hahaliana antsika ihany i Jerosalema?
23 Rehefa avy nojerena indray ny tantaran’i Jerosalema eto an-tany, tany am-boalohany, dia tsy azo lavina fa nifanaraka tamin’ny dikan’ny anarany, hoe “Fananana [na Fiorenan’ny] Fiadanana Roa Sosona” ilay tanàna, nandritra ny fanjakam-piadanan’i Solomona Mpanjaka. Vao santatra fotsiny anefa izany, santatry ny fiadanana sy fanambinana ho azon’ireo tia an’Andriamanitra tsy ho ela, rehefa hiaina eo amin’ny tany voaova ho paradisa izy ireo. — Lioka 23:43, NW.
24. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny toe-piainana nanjaka fony i Solomona nanapaka?
24 Mampiseho taratry ny toe-piainana nanjaka nandritra ny fanapahan’i Solomona Mpanjaka, ny Salamo faha-72. Io hira mahafinaritra io anefa dia mampiseho ara-paminaniana ireo fitahiana ny olombelona eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy Kristy, ilay Mesia, any an-danitra. Nihira toy izao momba azy ny mpanao salamo: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. (...) Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany. Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. — Salamo 72:7, 8, 12-14, 16.
25. Nahoana isika no haniry hianatra bebe kokoa momba an’i Jerosalema?
25 Fampiononana sy fanantenana toy inona moa no omen’izany teny izany ho an’ireo tia an’Andriamanitra any Jerosalema sy any an-toeran-kafa, na aiza na aiza eto an-tany! Afaka ny ho anisan’ireo izay hankafy fiadanana maneran-tany eo ambanin’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra, ianao. Afaka manampy antsika hahazo ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny fahafantarana ny mombamomba an’i Jerosalema tamin’ny lasa. Ireo fisehoan-javatra nitranga 70 sy 80 taona taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tamin’ny sesitany tany Babylona no hifantohan’ireo lahatsoratra manaraka. Izany dia hampionona izay rehetra maniry hanolotra fanompoam-pivavahana azo ekena ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjaka Lehibe.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny anaram-boninahitra hoe “Mesia” (avy amin’ny teny hebreo iray nasiana fanovana) sy ny hoe “Kristy” (grika) dia samy midika hoe “Ilay Voahosotra”.
Tsaroanao Ve?
◻ Ahoana no nahatonga an’i Jerosalema ho toeran’ny “seza fiandrianan’i Jehovah”?
◻ Inona no anjara asa lehibe notanan’i Solomona teo amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa nitsahatra tsy ho foiben’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, i Jerosalema?
◻ Nahoana no mahaliana antsika ny mahafantatra bebe kokoa momba an’i Jerosalema?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 10]
Teo amin’ny havoana iray teny atsimo no nisy ny Tanànan’i Davida, saingy nitarin’i Solomona nianavaratra ilay tanàna ary nanorenany ny tempoly
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.