Israely Tamin’ny Andron’i Davida sy Solomona
NAMPANANTENA Andriamanitra fa homeny ny taranak’i Abrahama ilay tany “hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny . . . ony Eofrata.” (Ge 15:18; Ek 23:31; De 1:7, 8; 11:24) Efajato taona teo ho eo tatỳ aorian’ny nidiran’i Josoa ny tany Kanana, vao nahatratra ireo fetra ireo ny Tany Nampanantenaina.
Resin’i Davida Mpanjaka ny fanjakana aramianina tany Zoba, izay tonga hatrany Eofrata, tany amin’ny faritra avaratr’i Syria.a Tonga hatrany amin’ny morontsirak’i Ejipta ny sisin’ny Tany Nampanantenaina tany atsimo, rehefa resin’i Davida ny Filistinina.—2Sa 8:3; 1Ta 18:1-3; 20:4-8; 2Ta 9:26.
Nanjaka “hatramin’ny ony [Eofrata] sy ny tanin’ny Filistina ka hatramin’ny sisin’i Egypta” i Solomona taorian’izay. Izany dia tandindon’ny fanjakana feno fiadanana tarihin’ny Mesia. (1Mp 5:1-5; 1Mp 8:65; 1Ta 13:5; Sl 72:8; Za 9:10) Nolazaina foana anefa hoe “hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba” ny tanin’ny Israely.—2Sa 3:10; 2Ta 30:5.
Tsy nankatò an’Andriamanitra i Solomona Mpanjaka, ka nanangona soavaly sy kalesy maro be. (De 17:16; 2Ta 9:25) Afaka nandefa azy ireny teny amin’ireo lalana sy lalam-be maro izy. (Js 2:22; 1Mp 11:29; Is 7:3; Mt 8:28) Vitsy ihany ny fanazavana amin’ny antsipiriany momba ireny lalana ireny, anisan’izany ny “làlambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’i Lebona.”—Mps 5:6; 21:19.
Nilaza toy izao ny boky Ny Lalana sy Lalam-be Tany Israely Fahiny (anglisy): “Tena sarotra ny mamantatra ny toerana nisy an’ireo lalana, teo amin’ny Israely fahiny, satria tsy nisy lalana vita tamin’ny vato [tamin’izany andro izany], hany ka tsy nisy tavela ireo lalana voalazan’ny Soratra Hebreo.” Fantatra ihany anefa ny toerana nisy azy ireny, noho ny vohon-tany sy ireo sisan-javatra nofongarina tamin’ireo tanàna.
Tsy maintsy nanaraka ireo lalana ny andian-tafika, matetika. (1Sa 13:17, 18; 2Mp 3:5-8) Nanaraka ny lalana avy tany Ekrona sy Gata ny Filistinina, rehefa hanafika ny Israely, ka tonga “teo anelanelan’i Soko sy Azeka.” Nifanandrina tamin’izy ireo “teo amin’ny lohasaha Elaha” ny tafik’i Saoly. Rehefa matin’i Davida i Goliata, dia nandositra ny Filistinina, ka niverina tany Gata sy Ekrona indray, fa i Davida kosa nankany Jerosalema.—1Sa 17:1-54.
Tany amin’ireo lalana masaka namakivaky an’i Sefela nankany amin’ireo havoanan’i Joda no nisy an’i Lakisy (E10) sy Azeka (E9) ary Beti-semesy (E9). Tsara toerana àry ireo tanàna ireo, mba hanakanana ireo fahavalo nandeha tamin’ny Via Maris tsy ho tonga hatrany afovoan’ny tanin’ny Israely.—1Sa 6:9, 12; 2Mp 18:13-17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tonga hatrany amin’ny Efitra Syrianina ny faritanin’ny fokon’i Robena, ka ny reniranon’i Eofrata no mamaritra ny sisiny atsinanan’izy io.—1Ta 5:9, 10.
[Sarintany, pejy 17]
(Jereo ny bokikely)
Faritany sy Lalana Fony Mbola Fanjakana Tokana no Tany
Sisin-tany (tamin’ny andron’i Solomona)
Tifsa
Hamata
Tadmora
Berotahy (Kona?)
Sidona
Damaskosy
Tyro
Dana
Jerosalema
Gaza
Aroera
Beri-sheba
Tamara
Ezion-gebera
Elata (Elota)
[Renirano sy loharano]
Eofrata
L. Ejipta
Davida sy Solomona (lalana)
B10 Gaza
D8 Jopa
D9 Asdoda
D10 Askelona
D11 Ziklaga
D12 EFITR’I PARANA
E5 Dora
E6 Hefera
E8 Afeka
E8 Rama
E9 Salbima
E9 Gazera
E9 Makaza
E9 Ekrona
E9 Beti-semesy
E9 Gata
E9 Azeka
E10 Soko
E10 Adolama
E10 Keila
E10 Lakisy
E11 Jatira
E12 Beri-sheba
F2 Tyro
F4 Kabola
F5 Jokneama (Jokmeama?)
F5 Megido
F6 Tanaka
F6 Arobota
F7 Piratona
F8 Lebona
F8 Zareda
F8 Betela
F9 Beti-horona Ambany
F9 Beti-horona Ambony
F9 Geba
F9 Gibeona
F9 Gibea
F9 Kiriata-jearima
F9 Noba
F9 Bala-perazima
F9 Jerosalema
F9 Betlehema
F10 Tekoa
F10 Hebrona
F11 Zifa
F11 Horesa?
F11 Karmela
F11 Maona
F11 Estemoa
G5 En-dora
G5 Sonema
G5 Jezirela
G6 Beti-sana
G7 Tirza
G7 Sekema
G8 Zaretana
G8 Silo
G8 Ofra?
G9 Jeriko
G11 En-jedy
H2 Abela-beti-maka
H2 Dana
H3 Hazora
H3 MAKA
H5 Lo-debara (Debira)
H5 Rogelima
H6 Abela-mehola
H7 Sokota
H7 Mahanaima
I1 SYRIA
I4 GESORA
I6 Ramota-gileada
I8 Raba
I9 Medeba
I11 Aroera
I12 MOABA
J4 Helama?
J9 AMONA
[Lalam-be]
D10 Via Maris
I6 Lalan’andriana
[Tendrombohitra]
G5 T. Gilboa
[Ranomasina/Farihy]
D8 Ranomasina Mediterane (Ranomasina Lehibe)
G10 Ranomasin-tsira (Ranomasina Maty)
H4 Ranomasin’i Galilia
[Loharano]
F9 En-rogela
[Sary, pejy 16]
Havanana: Lohasaha Elaha, mitodika miantsinanana any amin’ireo havoanan’i Joda
Ambany: Lalana namakivaky ny Tany Nampanantenaina