Jerosalema Tamin’ny Andron’ny Baiboly — Inona no Ahariharin’ny Arkeôlôjia?
NISY asa lehibe mahaliana nataon’ny arkeôlôgy tany Jerosalema, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1967. Maro amin’ireo toerana nofongarina no misokatra ho an’ny besinimaro ankehitriny, koa andeha isika hitsidika ny sasany amin’izy ireny ary hijery ny fomba ifanarahan’ny arkeôlôjia sy ny tantara ara-baiboly.
Jerosaleman’i Davida Mpanjaka
Ao anatin’ilay tanàn-dehiben’i Jerosalema maoderina, dia toa tsy dia manao ahoana firy ilay faritra resahin’ny Baiboly hoe Tendrombohitra Ziona, izay nanorenana ny Tanànan’i Davida fahiny. Ireo famongarana ny Tanànan’i Davida dia nampiharihary rafi-bato madonda mifanao ambaratonga, na rarivato tohana, eo amin’ny ilany atsinanana amin’ilay havoana. Ny Profesora Yigal Shiloh, nody mandry vao haingana, no nitarika ireo famongarana teo anelanelan’ny taona 1978-1985.
Nolazain’ny Profesora Shiloh fa izy io dia tsy maintsy ho sisan-javatra avy tamin’ny fototra rarivato goavana nanorenan’ny Jebosita (mponina talohan’ny nandresen’i Davida azy) manda iray. Nohazavainy fa anisan’ilay batery fiarovana vaovao naorin’i Davida teo amin’ny toeran’ny mandan’ny Jebosita, ilay rafi-bato mifanao ambaratonga hitany teo an-tampon’ireo rarivato ireo. Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Samoela 5:9: “Nitoetra tao anatin’ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe ‘Tanànan’i Davida.’ Ary narafitr’i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ny ao anatiny.”
Eo akaikin’io rafi-bato io no misy ireo fidiran’ny famatsian-dranon’ilay tanàna fahiny, ka toa tamin’ny andron’i Davida no nisian’ny ampahany tamin’ilay famatsian-drano. Nampipoitra fanontaniana ny filazana sasany ao amin’ny Baiboly momba ny tionelina famatsian-dranon’i Jerosalema. Ohatra, nilaza tamin’ny miaramilany i Davida fa “izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ny [tionelin-drano, NW ] ka hamely” ny fahavalo. (2 Samoela 5:8). Izany no nataon’i Joaba, mpitari-tafik’i Davida. Inona marina moa no tiana holazaina amin’ilay teny hoe “tionelin-drano”?
Nisy fanontaniana hafa nipoitra momba ilay Tionelin’i Siloama malaza, azo inoana fa nolavahin’ny injenieran’i Hezekia Mpanjaka tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., sady resahina ao amin’ny 2 Mpanjaka 20:20 sy 2 Tantara 32:30. Ahoana no nahafahan’ny ekipa roan’ireo mpanao tionelina, izay nandavaka avy teo amin’ny vavan-tionelina roa nifanipaka, nahavita hihaona? Nahoana izy ireo no nifidy lalana niolakolaka, ka nahatonga ilay tionelina ho lava be noho ny tionelina nahitsy? Ahoana no nahazoany rivotra ampy mba hiainana, indrindra fa azo inoana fa nampiasa jiro solika izy ireo?
Nanolotra izay mety ho valin’ireo fanontaniana ireo ilay gazetiboky hoe Biblical Archaeology Review. Voalaza fa niteny toy izao i Dan Gill, mpanolo-tsaina momba ny jeolojia tamin’ilay famongarana: “Misy karst voajanahary nivoatra tsara ao ambanin’ny Tanànan’i Davida. Ny karst dia teny fampiasa amin’ny jeolojia ilazalazana faritra tsy mitovy tantana misy lempona sy zohy ary lakandrano, nateraky ny rano any anaty tany izay mitsika sy mikoriana mamakivaky vato miforona any ambanin’ny tany. (...) Asehon’ny fandinihanay ara-jeolojia an’ilay rafitra famatsian-drano any ambanin’ny tany, ao ambanin’ny Tanànan’i Davida, fa ny ankamaroany dia avy tamin’ny fahaizan’olona nanitatra lakandrano sy lavaka voajanahary nateraky ny fikaohan’ny rano (mifandray amin’ny karst), ary dia nampiasaina ho anisan’ny famatsian-drano.”
Mety hanampy hanazava ny fomba nihadiana ny Tionelin’i Siloama izany. Mety ho nanaraka ny lalana niolakolaka narahin’ny lakandrano iray voajanahary tao ambanin’ilay havoana ilay izy. Nety ho nandavaka tionelina vonjy maika ireo ekipa niasa avy teo amin’ny vavan-tionelina roa, tamin’ny fanovana ireo zohy efa nisy. Avy eo dia nolavahina ny lakandrano misolampy iray mba hikorianan’ny rano avy teo amin’ny loharanon’i Gihona nankeo amin’ny Farihin’i Siloama, izay azo inoana fa tao anatin’ny mandan’ny tanàna. Zava-bitan’injeniera tena mitory fahaizana izany, satria 32 santimetatra monja ny elanelan’ny haavon’ny vavan-tionelina roa, na dia 533 metatra aza ny halavan’ilay tionelina.
Neken’ny manam-pahaizana manokana hatramin’ny ela fa ny loharanon’i Gihona no loharano lehibe indrindran’ilay tanàna fahiny. Tany ivelan’ny mandan’ilay tanàna izy io, kanefa akaiky ihany ka namela ny hihadiana tionelina iray sy lavaka iray 11 metatra ny halaliny, izay nahafahan’ny mponina nanovo rano nefa tsy nivoaka tany ivelan’ny manda fiarovana. Fantatra hoe Lavak’i Warren ilay lavaka, nomena ny anaran’i Charles Warren, izay nahita ilay lalan-drano tamin’ny 1867. Oviana anefa no nanaovana ilay tionelina sy ilay lavaka? Efa nisy ve izy ireo tamin’ny andron’i Davida? Io ve ilay tionelin-drano nampiasain’i Joaba? Hoy ny valin-tenin’i Dan Gill: “Mba hitsapana raha lempona voajanahary marina ny Lavak’i Warren na tsia, dia nataonay analizy raha nisy karbônina-14 ny silaka soson-tsokay mafy avy teo amin’ny rindriny tsy mitovy tantana. Tsy nisy ilay izy, ka nampiseho izany fa maherin’ny 40 000 taona no nisian’ilay sosona mafy: Manome porofo mazava izany fa tsy nohadin’olona ilay lavaka.”
Sisan-javatra avy tamin’ny andron’i Hezekia
Velona tamin’ny fotoana nifaohan’ny firenen’i Asyria ny zava-drehetra teo amin’ny lalany, i Hezekia Mpanjaka. Tamin’ny fahenin-taona nanjakan’i Hezekia, dia nandresy an’i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny foko folo, ny Asyriana. Valo taona tatỳ aoriana (732 al.f.i.), dia niverina indray ny Asyriana, ka nandrahona an’i Joda sy i Jerosalema. Milazalaza ny tetik’ady fiarovana nataon’i Hezekia ny 2 Tantara 32:1-8. Moa ve misy porofo hita maso avy tamin’izany fe-potoana izany?
Eny, nahita sisan-javatra avy tamin’io fe-potoana io ny Profesora Nahman Avigad, tamin’ny 1969. Ny famongarana dia nampiharihary ampahany tamin’ny manda madonda iray, ka ny tapany voalohany dia 40 metatra ny halavany, 7 metatra ny sakany, ary araka ny fanombanana, dia 8 metatra ny haavony. Nijoro teo ambonin’ny vatolampy ny tapany tamin’ilay manda ary teo ambonin’ny trano vao niorina ny tapany. Iza no nanorina ilay manda ary oviana? “Andalan-teny roa ao amin’ny Baiboly no nanampy an’i Avigad hamantatra ny daty nanaovana ilay manda sy ny zava-nokendrena tamin’izany”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky iray momba ny arkeôlôjia. Toy izao no vakin’ireo andalan-teny ireo: “Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ny mànda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy mànda hafa koa teo ivelany”. (2 Tantara 32:5). “Ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny mànda.” (Isaia 22:10). Amin’izao andro izao, dia azon’ny mpitsidika atao ny mahita tapany amin’io antsoina hoe Manda Lehibe io, ao amin’ny Faritanànan’ny Jiosy ao amin’ny Tanàna Tranainy.
Ahariharin’ny famongarana maro samihafa koa fa nivelatra kokoa i Jerosalema tamin’izany fotoana izany, tsy araka ny nieritreretana azy hatramin’izao, ka azo inoana fa noho ny nahatongavan’ny mpialokaloka avy tany amin’ny fanjakana avaratra, taorian’ny nandresen’ny Asyriana azy io, izany. Notombanan’ny Profesora Shiloh fa nahafaoka velaran-tany tokony ho enina hektara ilay tanànan’ny Jebosita. Tamin’ny andron’i Solomona, dia nahafaoka efa ho 16 hektara izy io. Tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka, 300 taona tatỳ aoriana, dia nitombo ho 60 hektara teo ho eo ilay faritra nasiana manda tamin’ilay tanàna.
Ireo fasana tamin’ny fe-potoan’ny Tempoly Voalohany
Loharanom-panazavana hafa koa ireo fasana tamin’ny fe-potoan’ny Tempoly Voalohany, izany hoe, talohan’ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Nisy zavatra nanaitra hita, rehefa nisy vondron-johy fandevenana nofongarina teo amin’ny tehezan’ny Lohasahan’i Hinoma, tamin’ny 1979/1980. “Teo amin’ny tantara manontolon’ny fikarohan’ny arkeôlôgy teto Jerosalema, dia io no iray tamin’ireo toeram-pitahirizana vitsy dia vitsy tamin’ny fe-potoan’ny Tempoly Voalohany, hita niaraka tamin’izay rehetra tao anatiny. Nisy zavatra maherin’ny arivo tao anatin’izy io”, hoy i Gabriel Barkay, arkeôlôgy. Nanohy ny teniny izy hoe: “Ny nofinofy mamy indrindran’ny arkeôlôgy rehetra miasa eto Israely, ary indrindra fa eto Jerosalema, dia ny hahita zavatra vita an-tsoratra.” Nisy horonam-bolafotsy kely roa hita, ary nirakitra inona izy ireo?
Hoy ny fanazavan’i Barkay: “Rehefa nahita ilay volafotsy lavalava kelikely nivelatra aho ka nametraka azy teo ambanin’ny fanita-jery, dia hitako fa feno soratra voakaly natao tamin-java-maranitra teo amin’ilay takela-bolafotsy tena manify sy marefo. (...) Ny Anaran’Andriamanitra izay miseho mazava eo amin’ilay soratra dia voaforona litera hebreo efatra hoe yod-he-waw-he, amin’ny soratra hebreo tranainy.” Tao amin’ny boky iray navoaka tatỳ aoriana, dia izao no teny nanampin’i Barkay: “Gaga izahay fa samy nanoratana teniteny fitsofan-drano saika nitovy tamin’ny Tsodranon’ny Mpisorona hita ao amin’ny Baiboly, ireo takela-bolafotsy roa.” (Nomery 6:24-26). Sambany tamin’izay vao nahitana ny anaran’i Jehovah teo amin’ny soratra iray hita tany Jerosalema.
Ahoana no namantaran’ny manam-pahaizana manokana ny daty nanaovana ireo horonam-bolafotsy ireo? Tamin’ny alalan’ny zavatra nanodidina azy hitan’ny arkeôlôgy, voalohany indrindra. Siny tany fantatra daty, niisa maherin’ny 300, no hita tao amin’ilay toeram-pitahirizana, ka manondro hoe tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina al.f.i. izy ireo. Ilay fomba fanoratra, rehefa nampitahaina tamin’ny soratra hafa efa misy daty, dia manondro fe-potoana mitovy amin’izany. Aseho ao amin’ny Tranombakok’Israely any Jerosalema ireo horonana.
Fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i.
Miresaka ny amin’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. ny Baiboly, ao amin’ny 2 Mpanjaka toko faha-25, 2 Tantara toko faha-36, sy Jeremia toko faha-39, ary mitantara fa nandoro ilay tanàna ny tafik’i Nebokadnezara. Nanamarina io fitantarana io ve ny famongarana faramparany? Araka ny voalazan’ny Profesora Yigal Shiloh, “ny porofo ao amin’ny Baiboly [momba ny fandravan’ny Babyloniana] (...) dia mifameno amin’ny porofo arkeôlôjika mazava tsara: ny faharavana tanteraky ny rafitra maro samihafa, sy ny afo nandevona ny tapany samihafa vita tamin’ny hazo tamin’ireo trano”. Nanao fanamarihana fanampiny izy hoe: “Hita tamin’ny famongarana tsirairay natao teto Jerosalema ny soritr’io fandravana io.”
Azon’ny mpitsidika atao ny mahita sisan-javatra avy tamin’io fandravana izay nitranga maherin’ny 2 500 taona lasa io. Ny Tilikambo Isiraelita, ny Efitra May, sy ny Tranon’ny Tombo-kase dia anaran’ireo toerana arkeôlôjika be mpahalala, izay narovana tsy ho simba sady misokatra ho an’ny besinimaro. Namintina toy izao i Jane M. Cahill sy i David Tarler, arkeôlôgy, ao amin’ilay boky hoe Ancient Jerusalem Revealed: “Tsy amin’ireo sosona matevin’ny sisan-javatra kilan’ny afo izay nofongarina tao anatin’ny rafitra toy ny Efitra May sy ny Tranon’ny Tombo-kase ihany, no ahitana ny halehiben’ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema, fa eo amin’ny poti-bato miavosa avy tamin’ireo trano nirodana koa, hita nandrakotra ny tehezan-kavoana atsinanana. Mifameno amin’ny porofo omen’ny arkeôlôjia ny filazalazan’ny Baiboly ny fandravana ilay tanàna”.
Araka izany, tamin’ny fomba maro dia nohamarinin’ny famongarana nataon’ny arkeôlôgy nandritra ny 25 taona lasa, ny filazalazan’ny Baiboly an’i Jerosalema nanomboka tamin’ny andron’i Davida ka hatramin’ny nandravana azy tamin’ny 607 al.f.i. Ahoana anefa ny amin’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
Jerosalema tamin’ny andron’i Jesosy
Manampy an’ireo manam-pahaizana manokana haka sary an-tsaina an’i Jerosalema tamin’ny andron’i Jesosy, talohan’ny nandravan’ny Romana azy io tamin’ny 70 am.f.i., ny famongarana sy ny Baiboly sy ilay mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Josèphe ary ny loharanon-kevitra hafa. Misy sary modelin’i Jerosalema iray, izay aseho ao ambadiky ny hotely lehibe iray any Jerosalema, asiana fanitsiana tsy tapaka arakaraka ny zava-baovao ahariharin’ny famongarana. Ny lafiny nisongadina lehibe indrindra tamin’ilay tanàna dia ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly, izay nampitomboin’i Heroda avo roa heny ny habeny raha nampitahaina tamin’ilay tamin’ny andron’i Solomona. Izy io no velaran-tany nataon’olona ho marin-tampona, izay lehibe indrindra teo amin’ny tontolo fahiny, ary nirefy tokony ho 480 metatra ny lavany ary 280 metatra ny sakany. Nilanja 50 taonina ny vato nanorenana sasany, ka ny iray aza efa ho 400 taonina sady “tsy nisy nitovy habe taminy na taiza na taiza teo amin’ny tontolo fahiny”, araka ny voalazan’ny manam-pahaizana manokana iray.
Tsy mahagaga raha taitra ny olona sasany rehefa nahare an’i Jesosy nilaza hoe: “Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy.” Nihevitra izy ireo fa ilay trano tempoly goavana no tian’i Jesosy holazaina, nefa “ny tenany no tempoly” tiany holazaina, raha ny marina. Noho izany, dia hoy izy ireo: “Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana?” (Jaona 2:19-21). Vokatry ny namongarana ny manodidina ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly, dia azon’ny mpitsidika atao izao ny mahita ampahany tamin’ireo manda sy zavatra nisongadina hafa teo amin’ny mari-trano tamin’ny andron’i Jesosy, ary azony atao mihitsy aza ny mandeha eo amin’ny tohatra, izay azo inoana fa niakaran’i Jesosy nankeo amin’ny vavahady atsimon’ny tempoly.
Tsy lavitra ny manda andrefan’ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly, eo amin’ny Faritanànan’ny Jiosy ao amin’ny Tanàna Tranainy, no misy toerana roa nofongarina voaverina tsara amin’ny laoniny, izay avy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., fantatra hoe Trano May sy Faritanànan’ny Herodiana. Taorian’ny nahitana ilay Trano May, dia izao no nosoratan’i Nahman Avigad, arkeôlôgy: “Tena mazava izao fa nodoran’ny Romana tamin’ny 70 ar.J.K. io trano io, nandritra ny nandravana an’i Jerosalema. Sambany teo amin’ny tantaran’ny famongarana teto amin’itỳ tanàna itỳ, vao nipoitra ny porofo arkeôlôjika velona sady mazava fa nodorana ilay tanàna.” — Jereo ireo sary eo amin’ny pejy faha-12.
Manome fanazavana ny amin’ny fisehoan-javatra sasany teo amin’ny fiainan’i Jesosy ny sasany amin’ireo zavatra vao hita ireo. Ireo trano dia tao amin’ny Tanàna Ambony, izay nipetrahan’ny mpanan-karena tao Jerosalema, anisan’izany ny mpisoronabe. Nahitana lakam-pandroana maro be nampiasaina ara-pombafomba tao amin’ireo trano. Hoy ny fanamarihan’ny manam-pahaizana manokana iray: “Hamarinin’ny hamaroan’ny lakam-pandroana fa nitandrina fatratra ireo lalàna momba ny fahadiovana ara-pombafomba ireo mponina tao amin’ny Tanàna Ambony, nandritra ny fe-potoan’ny Tempoly Faharoa. (Voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Mishnah, izay manokana toko folo ho an’ny tsipirian’ny mikveh, ireo lalàna ireo.)” Manampy antsika hahatakatra ny fanamarihana nataon’i Jesosy tamin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna momba ireo fanao ara-pombafomba ireo, io fanazavana io. — Matio 15:1-20; Marka 7:1-15.
Mahagaga fa nahitana siny vato maro be koa tao Jerosalema. Hoy ny fanamarihan’i Nahman Avigad: “Nahoana àry no nipoitra tampoka teo sady betsaka aoka izany tao amin’ny tokantrano tao Jerosalema izy ireny? Ny valiny dia ao amin’ny halakhah, ireo lalàna jiosy momba ny fahadiovana ara-pombafomba. Milaza amintsika ny Mishnah fa anisan’ireo zavatra izay tsy mora andairan’ny fahalotoana ny siny vato. (...) Tsy mora andairan’ny fandotoana ara-pombafomba tsotra izao ny vato.” Misy manipy hevitra fa izany no manazava ny antony nitahirizana ny rano novan’i Jesosy ho divay, tao anaty siny vato fa tsy siny tany. — Levitikosy 11:33; Jaona 2:6.
Hahita fitahirizan-taolam-paty roa hafakely ianao raha mitsidika ny Tranombakok’Israely. Hoy ny fanazavan’ny Biblical Archaeology Review: “Nampiasaina voalohany indrindra, tao anatin’ny zato taona teo ho eo nialoha ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., ireo fitahirizan-taolam-paty. (...) Napetraka tao amin’ny tsefaka iray noloahina teo amin’ny rindrin’ny zohy fandevenana, ny faty; rehefa lo ny nofo, dia nangonina ny taolam-paty ka napetraka tao anaty fitahirizan-taolam-paty iray — vata iray mazàna vita tamin’ny vatosokay noravahana.” Hita tamin’ny Novambra 1990 tao anaty zohy fandevenana iray ireo roa aseho any ireo. Hoy ny tatitra nataon’i Zvi Greenhut, arkeôlôgy: “Ny teny (...) hoe ‘Kaiafa’ eo amin’ireo fitahirizan-taolam-paty roa tao amin’ilay fasana dia sambany eto vao nipoitra teo amin’ny fikarohan’ny arkeôlôgy. Azo inoana fa anaran’ny fianakavian’i Kaiafa Mpisoronabe, voatonona (...) ao amin’ny Testamenta Vaovao izy io. (...) Avy tao an-tranony tao Jerosalema no nanolorana an’i Jesosy tamin’i Pontio Pilato, governora romana.” Nisy taolam-patin’ny lehilahy iray tokony ho 60 taona tao anatin’ny fitahirizan-taolam-paty iray. Tombanan’ny manam-pahaizana manokana fa taolam-patin’i Kaiafa ireo, raha ny marina. Mihevitra ny manam-pahaizana manokana iray fa tamin’ny andron’i Jesosy ireo zavatra hita ireo: “Ny vola madinika iray hita tao amin’ny iray tamin’ny fitahirizan-taolam-paty hafa dia nataon’i Heroda Agripa (37-44 am.f.i.). Mety ho tany am-piandohan’ilay taonjato mihitsy aza ireo fitahirizan-taolam-patin’i Kaiafa roa ireo.”
Toy izao no nomarihin’i William G. Dever, profesora momba ny arkeôlôjia any Proche-Orient, ao amin’ny Oniversiten’i Arizona, mikasika an’i Jerosalema: “Tsy fanitaran-dresaka ny filazana fa niana-javatra betsaka kokoa momba ny tantara arkeôlôjika izahay teo amin’io toerana fototra io, tato anatin’ny 15 taona farany, noho ny tao anatin’ny 150 taona teo aloha mitambatra.” Maro amin’ireo asa lehibe ataon’ny arkeôlôgy any Jerosalema nandritra ny am-polony taona faramparany no azo antoka fa nampiseho zavatra hita izay manazava ny tantara ara-baiboly.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Fampisehoana ny Tanànan’i Jerosalema tamin’ny fotoan’ny Tempoly Faharoa – eo amin’ny tokotanin’ny Hotely Holyland, any Jerosalema
[Sary, pejy 10]
Ambony: Zorony atsimo-atsinanan’ny Tendrombohitra Nisy ny Tempoly tao Jerosalema
Havanana: Famakivakiana ny tionelin’i Hezekia