Fianarana Azo Ampiharina avy Amin’ny Tany Nampanantenaina
AZO antoka fa nanana ny nampiavaka azy ilay Tany Nampanantenaina ao amin’ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly. Mahita lafiny misongadina ara-jeografia maro karazana isika ao amin’io faritra azo lazaina ho kely io. Any avaratra, dia misy ireo tendrombohitra rakotra oram-panala ny tendrony; any atsimo, dia faritra manana toe-tany mafana. Ao ireo tany iva mamokatra, ireo faritra efitra ngazana, sy ireo tany havoana fambolena hazo fihinam-boa sy firaofan’ny andiam-biby.
Ny tsy fitoviana eo amin’ny haambo, ny toe-tany, sy ny karazan-tany dia mamela ny fisian’ny hazo sy kirihitra ary zavamaniry hafa, maro isan-karazany — anisan’izany ny karazany sasany izay mandrobona any amin’ny faritra mangatsiakan’i Alpes, ny hafa izay maniry any an’efitra mahamay, ary ny hafa koa izay mandrobona eny amin’ny lemaka be tany dilatra na eny amin’ny lembalemba be vatolampy. Tombanan’ny manam-pahaizana iray momba ny zavamaniry fa karazan-javamaniry 2 600 eo ho eo no hita any amin’ilay faritra! Ireo Isiraelita voalohany izay nizaha ilay tany dia nahita porofo azo noraisina avy hatrany ny amin’izay mety ho ny zava-bitan’izy io. Nitondra niverina, avy tany amin’ny lohasaha iray, sampahom-boaloboka iray lehibe aoka izany izy ireo hany ka tsy maintsy nolanjain’ny lehilahy roa tamin’ny hazo izy io! Nantsoina tamin’ny fomba nety hoe Eskola, izay midika hoe “Sampaho[m-boaloboka]”, ilay lohasaha.a — Nomery 13:21-24.
Aoka anefa isika izao hijery akaiky ny sasany amin’ireo lafiny misongadina ara-jeografian’io tany lava tsy manam-paharoa io, indrindra indrindra ilay tapany mianatsimo.
Sefela
Ny sisiny andrefan’ny Tany Nampanantenaina dia moron-tsirany eo amin’ny Ranomasina Mediterane. Tokony ho 40 kilaometatra afovoan-tany no misy an’i Sefela. Ny teny hoe “Sefela” dia midika hoe “Tany Iva”, nefa raha ny tena izy dia faritra be havoana izy io, ary tsy azo antsoina hoe iva raha tsy rehefa ampitahaina amin’ireo tendrombohitr’i Joda eny atsinanana.
Jereo ny sarintany fira miaraka amin’itỳ ary mariho ny fifandraisan’i Sefela amin’ireo faritany manodidina azy. Eny atsinanana, dia ahitana ireo tendrombohitr’i Joda; eny andrefana, ny lemaka amoron-tsirak’i Filistia. Araka izany, i Sefela dia toy ny faritra nampisaraka ireo tafika mpifanandrina, fefy iray izay nampisaraka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ireo fahavalony fahiny tamin’ny andron’ny Baiboly. Izay nety ho tafika mpanafika avy tany andrefana dia tsy maintsy ho niditra tao Sefela talohan’ny nahafahany nandroso hamely an’i Jerosalema, ilay renivohitry ny Isiraely.
Nitranga ny zava-niseho toy izany tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. Manao tatitra ny Baiboly fa i Hazaela Mpanjakan’i Syria dia “niakatra (...) ary namely an’i Gata [azo inoana fa teo amin’ny sisin-tanin’i Sefela] ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an’i Jerosalema koa izy”. Nahavita nampijanona an’i Hazaela i Joasy Mpanjaka, tamin’ny fanambazana azy tamin’ny zava-tsarobidy samihafa avy tao amin’ny tempoly sy tao an-dapa. Na dia izany aza, dia mampiseho mazava io fitantarana io, fa zava-dehibe tena nilaina ho amin’ny filaminan’i Jerosalema i Sefela. — 2 Mpanjaka 12:18, 19.
Ho azontsika atao ny hisintona fianarana azo ampiharina avy amin’io. Naniry handresy an’i Jerosalema i Hazaela, nefa tsy maintsy miboroaka tao Sefela izy aloha. Mitovy amin’izany koa fa ‘mitady handrapaka’ ireo mpanompon’Andriamanitra i Satana Devoly, nefa matetika dia tsy maintsy mitsofoka ao amin’ny faritra mampisaraka ny mpifanandrina izy aloha — dia ny fifikiran’izy ireo amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, toy ireo mahakasika ny fifaneraserana ratsy sy ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. (1 Petera 5:8; 1 Korintiana 15:33; 1 Timoty 6:10). Matetika dia dingana voalohany mankamin’ny fanaovana fahotana lehibe ny fanekena lembenana amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Koa hazony ho azo antoka àry izany faritra mampisaraka ny mpifanandrina izany. Araho ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly anio, dia tsy handika ireo lalàn’Andriamanitra ianao rahampitso.
Ny tany havoanan’i Joda
Lavitra kokoa any afovoan-tany raha avy eo Sefela no misy ny tany havoanan’i Joda. Izy io dia faritra be tendrombohitra izay mamokatra voan-javatra sy diloilon’oliva ary divay tsara. Noho izy avo be, dia fialofana tsara dia tsara koa i Joda. Araka izany, i Jotama Mpanjaka dia nanorina “trano fiarovana ary tilikambo” tany. Afaka nandositra tany amin’ireny ny olona mba hahazoana fiarovana tamin’ny fotoana nisian’ny korontana. — 2 Tantara 27:4.
Tapany manerinerina amin’ilay tany havoanan’i Joda i Jerosalema, antsoina koa hoe Ziona. Toa tsy nanana ahiahy i Jerosalema satria voahodidin’ny lohasaha mideza teo amin’ny lafiny telo, ary voaron’ny manda telo sosona teo amin’ny lafiny avaratra, araka ilay mpanoratra tantara tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Josèphe. Mila mihoatra noho ny manda sy fitaovam-piadiana anefa ny fialofana iray mba hihazonana ny fiarovany. Tsy maintsy manana rano koa izy io. Tena ilaina izany mandritra ny fanaovana fahirano, satria raha tsy misy rano, dia ho voatery hilavo lefona haingana ireo mponina voafandrika.
I Jerosalema dia nitarika tahirin-drano avy tamin’ny Farihin’i Siloama. Kanefa, tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., ho fitsinjovana ny fanaovan’ny Asyriana fahirano, dia nanorina manda ivelany i Hezekia Mpanjaka mba hiarovana ny Farihin’i Siloama, ka nanjary tafiditra tao anatin’ny faritr’ilay tanàna izy io. Nanampina ireo loharano teny ivelan’ny tanàna koa izy, mba hampananosarotra ny hahitan’ireo Asyriana mpanao fahirano, rano ho an’ny tenany. (2 Tantara 32:2-5; Isaia 22:11). Tsy izay ihany no nataon’i Hezekia. Nahita fomba hampiviliana tahirin-drano fanampiny hatrao Jerosalema izy!
Tao amin’izay nantsoina hoe iray tamin’ireo zava-bita lehibe fahiny nampiasana teknika, i Hezekia dia nandavaka tionelina iray avy teo amin’ny loharanon’i Gihona hatrany amin’ny Farihin’i Siloama.b Ny haavon’io tionelina io dia 1,8 metatra tamin’ny antsalany, ary 533 metatra ny halavany. Alao sary an-tsaina fotsiny ange e — tionelina iray antsasa-kilaometatra ny halavany, nolavahana namakivaky ny vatolampy! Amin’izao andro izao, 2 700 taona eo ho eo atỳ aoriana, ireo mpitsidika mankany Jerosalema dia afaka miroboka mamakivaky io sangan’asa ara-teknika io, mazàna fantatra amin’ny hoe tionelin’i Hezekia. — 2 Mpanjaka 20:20; 2 Tantara 32:30.
Afaka manome fianarana azo ampiharina ho antsika ireo ezaka nataon’i Hezekia mba hiarovana sy hampitomboana ny tahirin-dranon’i Jerosalema. I Jehovah no “loharanon’ny rano velona”. (Jeremia 2:13, Fandikan-teny Katolika). Ny heviny, voarakitra ao amin’ny Baiboly, dia mamelona aina. Izany no antony mahatonga ny fianarana manokana ny Baiboly ho tena ilaina. Tsy hikoriana fotsiny hankany aminao anefa ny fahafahana hianatra sy ny fahalalana vokatr’izany. Mety ho tsy maintsy ‘mandavaka tionelina’, toy ny hoe mamakivaky ny fanaonao andavanandro be atao, ianao, mba hanomezana toerana ho amin’izany. (Ohabolana 2:1-5; Efesiana 5:15, 16). Raha vantany vao nanomboka ianao, dia mifikira amin’ny fandaharam-potoananao, amin’ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fianaranao manokana. Aoka ianao hitandrina mba tsy hamela na iza na iza, na, na inona na inona, hanaisotra aminao io tahirin-drano sarobidy io. — Filipiana 1:9, 10.
Ireo faritra efitra
Any atsinanan’ireo tendrombohitr’i Joda no misy ny Efitr’i Joda, antsoina koa hoe Jesimona, izay midika hoe “Tany Karakaina”. (1 Samoela 23:19, NW, fanamarihana ambany pejy). Eo amin’ny Ranomasin-tsira, io faritra ngazana io dia miavaka noho ireo lozoka be vatolampy sy ireo hantsambato marani-doha. Mitsontsorika eo amin’ny 1 200 metatra eo ho eo, ao anatin’ny 24 kilaometatra monja ny Efitr’i Joda, ka voaro amin’ireo rivotra mitondra orana avy any andrefana, ka noho izany dia tsy mahazo afa-tsy ranonorana voafetra. Tsy isalasalana fa io ilay efitra izay nampandehanana ilay ondrilahy ho an’i Azazela tamin’ny Andro Fanavotana isan-taona. Tany koa no nandosiran’i Davida an’i Saoly. Tany i Jesosy no nifady hanina nandritra ny 40 andro, ary taorian’izany dia nalain’ny Devoly fanahy. — Levitikosy 16:21, 22; Salamo 63, teny mampiditra azy; Matio 4:1-11.
Sahabo ho 160 kilaometatra atsimo andrefan’ny Efitr’i Joda no misy ny Efitra Parana. Maro tamin’ireo toerana nitobian’ny Isiraelita nandritra ny dia lavitra 40 taona nataony avy tany Egypta nankany amin’ny Tany Nampanantenaina no tao amin’io toerana io. (Nomery 33:1-49). Nanoratra ny amin’ny “efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy [menarana misy poizina, NW ] sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano”, i Mosesy. (Deoteronomia 8:15). Mahatalanjona tokoa ny nahafahan’ny Isiraelita an-tapitrisany maro ho tafita velona! Kanefa dia nanohana azy ireo i Jehovah.
Enga anie izany mba ho fampahatsiahivana fa afaka manohana antsika koa i Jehovah, na dia ao amin’itỳ tontolo ngazana ara-panahy itỳ aza. Eny, isika koa dia mandehandeha eo anivon’ny menarana sy maingoka, na dia azo inoana fa tsy ara-bakiteny aza. Isika dia mety ho tsy maintsy mifandray isan’andro amin’olona maty eritreritra ka mamoaka teny misy poizina, izay mety hanimba mora foana ny fisainantsika. (Efesiana 5:3, 4; 1 Timoty 6:20). Tokony hanaovana teny fiderana ireo izay miezaka mafy hanompo an’Andriamanitra na dia eo aza ireny vato misakana ireny. Ny fahatokiany dia porofo mahery fa manohana azy ireo tokoa i Jehovah.
Ireo havoanan’i Karmela
Midika hoe “Saham-boankazo” ilay anarana hoe Karmela. Io faritra lonaka any avaratra io, izay 50 kilaometatra eo ho eo ny halavany, dia voaravaky ny tanimboaloboka sy hazo oliva ary hazo fihinam-boa. Ny tendron’io tandavan-kavoana io dia tsy hay hadinoina noho ny endriny mahafinaritra ary noho ny hakantony. Ny Isaia 35:2 (NW ) dia miresaka ny amin’ny “famirapiratan’i Karmela” ho fanoharana ny amin’ny voninahitra nahavokatra nananan’ny tanin’ny Isiraely naverina tamin’ny laoniny.
Fisehoan-javatra maromaro niavaka no nitranga tao Karmela. Tao i Elia no nihaika ireo mpaminanin’i Bala ary teo koa no “latsaka ny afon’i Jehovah” ho porofon’ny maha-Fara Tampony azy. Afa-tsy izany koa, dia avy teo an-tampon’i Karmela i Elia no nisarika ny saina ho amin’ilay rahona kely izay tonga oram-batravatra, ka namarana tamin’ny fomba mahagaga ilay hain-tany teo amin’ny Isiraely. (1 Mpanjaka 18:17-46). Teo amin’ny Tendrombohitra Karmela i Elisa, mpandimby an’i Elia, fony tonga nitady ny fanampiany ilay vehivavy tao Sonema, ho an’ilay zanany maty, izay natsangan’i Elisa tamin’ny maty taorian’izany. — 2 Mpanjaka 4:8, 20, 25-37.
Mbola misy saham-boankazo sy hazo oliva ary voaloboka ireo ilan’i Karmela. Mandritra ny lohataona, dia rakotry ny voninkazo kanto dia kanto aoka izany toy ny karipetra ireo ilany ireo. “Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela”, hoy i Solomona tamin’ilay zatovovavy solemita, angamba nanisy firesahana tsy mivantana ny amin’ny hatevin’ny volony na ny fomba nipoiran’ny lohany maorimaorina avy amin’ny vozony amin’ny fomba mahafinaritra. — Tonon-kiran’i Solomona 7:6.
Ny famirapiratana izay nampiavaka ireo havoanan’i Karmela dia mampahatsiahy antsika ny amin’ny hakanto ara-panahy nomen’i Jehovah ny fandaminan’ny mpivavaka aminy amin’ny andro maoderina. (Isaia 35:1, 2, NW ). Tena miaina ao anatin’ny paradisa ara-panahy marina ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mitovy fihetseham-po amin’i Davida Mpanjaka, izay nanoratra toy izao izy ireo: “Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.” — Salamo 16:6.
Marina fa misy fihaikana sarotra izay tsy maintsy atrehin’ny firenen’Andriamanitra ara-panahy amin’izao andro izao, toy ny niatrehan’ny Isiraelita fahiny fanoherana tsy an-kijanona avy tamin’ireo fahavalon’Andriamanitra. Kanefa, ireo Kristiana marina dia mahatsapa foana ireo fitahiana nomen’i Jehovah — ao anatin’izany ny fahazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay mihamitombo hatrany, ny firahalahiana maneran-tany, sy ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa. — Ohabolana 4:18; Jaona 3:16; 13:35.
“Tahaka ny sahan’i Jehovah”
Ny Tany Nampanantenaina fahiny dia nahafinaritra ny maso. Nolazalazaina tamin’ny fomba tsara ho “tany tondra-dronono sy tantely” izy io. (Genesisy 13:10; Eksodosy 3:8). Niantso azy io hoe “tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ny lohasaha sy ny tendrombohitra, — tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, — tany misy hazo oliva sy tantely, — tany izay hihinananao hanina amin’ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo hianao, — tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ny tendrombohiny no hihadianao varahina”. — Deoteronomia 8:7-9.
Raha afaka nanolotra tanindrazana nanankarena sady tsara tarehy toy izany ho an’ny vahoakany fahiny i Jehovah, dia azo antoka fa afaka manome ho an’ireo mpanompony mahatoky amin’ny andro maoderina, paradisa iray be voninahitra hiitatra haneran-tany — misy tendrombohitra, lohasaha, sy renirano, ary farihy. Eny, ilay Tany Nampanantenaina fahiny sy ny fahasamihafana rehetra tao aminy dia santatra fotsiny ny amin’ny paradisa ara-panahy ananan’ny Vavolombelony amin’izao andro izao ary santatr’ilay Paradisa ho avy ao amin’ny tontolo vaovao. Ho tanteraka ao ilay fampanantenana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Salamo 37:29, manao hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Rehefa hanome an’io Paradisa io ho fonenana ho an’ny olombelona mankato i Jehovah, dia ho toy inona moa ny hasambaran’izy ireo hizaha ny “efitra” rehetra ao aminy, ary hanana ny mandrakizay hanaovana izany!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Voalaza ho nilanja 12 kilaograma ny sampahom-boaloboka iray avy tany amin’io faritra io, ary ny hafa iray, maherin’ny 20 kilaograma.
b Teo ivelan’ny fetra atsinanana mamaritra an’i Jerosalema mihitsy no nisy ny loharanon’i Gihona. Voafina tao amin’ny zohy iray izy io; noho izany, dia azo inoana fa tsy nahafantatra ny fisiany ireo Asyriana.
[Sarintany, pejy 4]
GALILIA
Tendr. Karmela
Ranomasin’i Galilia
SAMARIA
SEFELA
Ireo Tendrombohitr’i Joda
Ranomasin-tsira
[Sary nahazoan-dalana]
NASA photo
[Sarintany, pejy 4]
Fefy nampisaraka ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ireo fahavalony i Sefela
MI 0 5 10
KM 0 8 16
Lemak’i Filistia
Sefela
Tany Havoanan’i Joda
Efitr’i Joda
Lohasaha Mitsefaka
Ranomasin- tsira
Tanin’ny Amonita sy ny Moabita
[Sarintany/Sary, pejy 5]
Tionelin’i Hezekia: 533 metatra ny halavany, nolavahana namakivaky ny vatolampy mafy
Lohasaha Tyropoeona
Siloama
TANÀNAN’I DAVIDA
Lohasaha Kidrona
Gihona
[Sary, pejy 6]
Tany amin’ny Efitr’i Joda no nitady fiarovana handosirana an’i Saoly i Davida. Tany i Jesosy tatỳ aoriana no nalain’ny Devoly fanahy
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 7]
Tendrombohitra Karmela, izay nampietren’i Elia ireo mpaminanin’i Bala
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 8]
“Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ny lohasaha sy ny tendrombohitra”. — Deoteronomia 8:7