“Iza moa no Nanao ny Rahona Matevina ho Fitoeram-pahendrena”?
“RAHA mahita rahona miposaka any andrefana hianareo, miaraka amin’izay dia hoy hianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany. Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy hianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.” Ireo tenin’i Jesosy nosoratan’i Lioka, mpanoratra ny Filazantsara, ireo, dia ohatra ny amin’ny filazana ny mety ho toetr’andro toy ny nanaovana azy tany Palestina fahiny. (Lioka 12:54, 55). Tamin’ny tarehin-javatra sasany, dia afaka namantatra ny hevitr’ireo famantarana, sy nanao filazana mialoha araka ny marina ny mety ho toetr’andro mandritra ny fe-potoana fohy, ny ntaolo.
Amin’izao andro izao, dia mampiasa fitaovana ary fomba, toy ny zanabolana mihodidina ny tany, sy ny radara Doppler, ary ny ôrdinatera matanjaka ny mpamantatra ny toetr’andro mba hanombanana ny fiovaovan’ny toetr’andro ao anatin’ny fe-potoana lava kokoa. Matetika anefa no diso ny filazana mialoha ataony. Nahoana?
Anton-javatra maro no manasarotra ny filazana ny mety ho toetr’andro araka ny marina. Mety hanasarotra ilay raharaha, ohatra, ny fiovana tsy ampoizina eo amin’ny maripana, ny hamandoana, ny tsindrindrivotra sy ny hafainganam-pandehany ary ny zotrany. Manampy trotraka izany ny fifanintonana saro-takarina misy eo amin’ny herin’ny masoandro sy ny rahona ary ny ranomasimbe miaraka, izay mbola tsy takatry ny mpahay siansa amin’ny fomba feno. Noho izany no mbola tsy mahasiansa marina ny filazana ny mety ho toetr’andro.
Ny fahalalana voafetra ananan’ny olombelona ny amin’ny toetr’andro dia mampahatsiahy antsika ny amin’ireo fanontaniana napetraka tamin’i Joba toy izao: “Iza (...) no miteraka ny ranon’ando? Kibon’iza moa no nihavian’ny ranomandry? (...) Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va hianao, mba hanafotra anao ny rano mandriaka? (...) Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ny lanitra?” — Joba 38:28-37.
Tsy ny olombelona fa i Jehovah Andriamanitra; izany no valin’ireo fanontaniana rehetra ireo. Eny, na toy inona na toy inona mety ho fahendren’ny olombelona, dia mbola ambony lavitra noho izany ny fahendren’ny Mpamorona antsika. Tena naneho fitiavana marina izy tamin’ny fanaovana izay hahazoantsika mampiasa ny fahendreny hita ao amin’ireo pejin’ny Baiboly, mba hahitantsika fahombiazana eo amin’ny lalana diavintsika. — Ohabolana 5:1, 2.