Niaritra i Joba — Afaka Manao toy Izany koa Isika!
“Indro, ataontsika fa sambatra izay efa [niaritra, NW ].” — JAKOBA 5:11.
1. Inona no nolazain’ny Kristiana zokiolona iray mikasika ny fisedrana nahazo azy?
‘MIFOFO ahy ny Devoly! Mitovy amin’izay tsapan’i Joba no tsapako!’ Tamin’izany teny izany no nilazan’i A. H. Macmillan ny fihetseham-pony tamin’ny namana akaiky iray tao amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahavita ny fihazakazahany teto an-tany teo amin’ny faha-89 taonany ny Rahalahy Macmillan, tamin’ny 26 Aogositra 1966. Fantany fa ny voninahitra amin’ny fanompoana amim-pahatokiana ataon’ny Kristiana voahosotra sahala aminy, dia ‘hanaraka azy’. (Apokalypsy 14:13). Ireo voahosotra tokoa dia hanohy tsy hisy fahatapahana ny fanompoana an’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra. Faly ireo naman’ny Rahalahy Macmillan satria nahazo izany valisoa izany izy. Tamin’ireo taona faramparany niainany teto an-tany, dia nasian’ny fisedrana maro samihafa izy, anisan’izany ny zava-nanahirana ara-pahasalamana izay nahatonga azy hahatsapa mafy ny fanandraman’i Satana handrava ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra.
2, 3. Iza moa i Joba?
2 Rehefa nilaza ny Rahalahy Macmillan hoe nitovy tamin’izay tsapan’i Joba no tsapany, dia nanisy firesahana ny amin’ny lehilahy iray izay niaritra fitsapam-pinoana lehibe, izy. I Joba dia niaina tany amin’ny “tany Oza” izay azo inoana fa tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia. Tamin’ny naha-taranak’i Sema zanak’i Noa azy, dia mpivavaka tamin’i Jehovah izy. Ireo fitsapana nahazo an’i Joba dia toa nitranga tamin’ny fotoana tsy fantatra teo anelanelan’ny nahafatesan’i Josefa sy ny fotoana nisehoan’i Mosesy ho olo-mahitsy. Nandritra izany fe-potoana izany, dia tsy nisy nitovy tamin’i Joba teto an-tany raha ny amin’ny fifikirana tamin’Andriamanitra. Nihevitra an’i Joba ho lehilahy marina sy mahitsy ary natahotra an’Andriamanitra, i Jehovah. — Joba 1:1, 8.
3 Tamin’ny naha-“nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra” an’i Joba, dia nanana mpanompo maro izy, ary niisa 11 500 ny biby fiompiny. Zavatra faran’izay lehibe taminy anefa ny harena ara-panahy. Sahala amin’ireo raim-pianakaviana tia an’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia azo inoana tokoa fa nampianatra ny zanany lahy fito sy ny zanany vavy telo ny amin’i Jehovah izy. Na dia rehefa tsy nipetraka tao aminy intsony aza ireo, dia niasa tamin’ny naha-mpisorona ho an’ny fianakaviana izy tamin’ny fanaovana fanatitra ho azy ireo, sao fotsiny nanota izy ireo. — Joba 1:2-5.
4. a) Nahoana ireo Kristiana voaenjika no tokony handinika ilay lehilahy atao hoe Joba? b) Fanontaniana inona avy no hodinihintsika mikasika an’i Joba?
4 I Joba dia olona tokony hodinihin’ireo Kristiana voaenjika mba hanatanjahan’izy ireo tena mba hanana fiaretana amim-paharetana. “Indro”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra, “ataontsika fa sambatra izay efa [niaritra, NW ]. Efa renareo ny [fiaretan’i, NW ] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11). Sahala amin’i Joba, dia mila fiaretana ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy sy ireo “olona betsaka” amin’izao andro izao mba hiatrehana amim-pahombiazana ireo fitsapam-pinoana. (Apokalypsy 7:1-9). Koa fisedrana inona avy àry no niaretan’i Joba? Nahoana izy ireo no nitranga? Ary ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny fanandraman-javatra hitany?
Raharaha niadian-kevitra tena lehibe
5. Inona no niseho tany an-danitra, tsy fantatr’i Joba?
5 Tsy fantatr’i Joba fa nisy raharaha niadian-kevitra lehibe nadiva hipoitra tany an-danitra. Indray andro, dia “avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah”. (Joba 1:6). Teo ilay Zanakalahy tokan’Andriamanitra, ny Teny. (Jaona 1:1-3). Teo koa ireo anjely marina sy ireo “zanak’Andriamanitra”, anjely tsy nankato. (Genesisy 6:1-3). Teo i Satana, satria ny fandroahana azy avy tany an-danitra dia tsy ho niseho raha tsy taorian’ny fiorenan’ilay Fanjakana, tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:1-12). Tamin’ny andron’i Joba dia nampipoitra raharaha niadian-kevitra tena lehibe i Satana. Nadiva hametraka fisalasalana ny amin’ny naha-ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah teo amin’ny zavaboariny rehetra i Satana.
6. Inona no nandraman’i Satana natao, ary ahoana no nitenenany ratsy an’i Jehovah?
6 “Avy taiza hianao?”, hoy ny fanontanian’i Jehovah. Namaly toy izao i Satana: “Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.” (Joba 1:7). Teo am-pitadiavana olona harapaka izy. (1 Petera 5:8, 9). Amin’ny fandravana ny tsy fivadihan’ny olona tsirairay manompo an’i Jehovah, dia hanandrana hanaporofo i Satana fa tsy misy olona hankato tanteraka an’Andriamanitra noho ny fitiavana. Nikarakara ilay raharaha niadian-kevitra i Jehovah ka nanontany an’i Satana hoe: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Joba 1:8). Nifanaraka tamin’ireo fari-pitsipika avy amin’Andriamanitra izay nanisy fiheverana ireo kileman-toetrany, i Joba. (Salamo 103:10-14). Namaly tamin’ny fomba henjana anefa i Satana nanao hoe: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny.” (Joba 1:9, 10). Niteny ratsy an’i Jehovah ny Devoly araka izany, tamin’ny filazana an-kolaka fa tsy misy olona tia an’i Jehovah sy manolotra fanompoam-pivavahana aminy noho ny maha-izy azy, fa manambitamby ny zavaboariny amin’ny fanomezana kosa Izy mba hanompoan’ireo Azy. Nilaza i Satana fa nanompo an’Andriamanitra noho ny tombontsoa feno fitiavan-tena i Joba, fa tsy noho ny fitiavana.
Nanafika i Satana!
7. Tamin’ny fomba ahoana no nihaikan’ny Devoly an’Andriamanitra ary ahoana no namalian’i Jehovah izany?
7 “Fa ahinjiro ange ny tànanao”, hoy i Satana, “ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” Ahoana no hamalian’Andriamanitra fihaikana feno fanevatevana toy izany? “Indro”, hoy i Jehovah, “eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao.” Nilaza ny Devoly fa izay rehetra nananan’i Joba dia notahina sy nampitomboina ary narovana. Hamela an’i Joba hijaly Andriamanitra, na dia tsy azo nokasihina aza ny vatany. Nandao ilay fivoriana lehibe i Satana, tapa-kevitra ny hanao ratsy. — Joba 1:11, 12.
8. a) Famoizan-javatra ara-nofo inona avy no hitan’i Joba? b) Inona ny fahamarinana momba ilay “afon’Andriamanitra”?
8 Tsy ela dia nanomboka ny fanafihana avy tamin’i Satana. Ny iray tamin’ireo mpanompon’i Joba dia nanome azy izao vaovao ratsy izao: “Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany, dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra”. (Joba 1:13-15). Nesorina nanodidina ny fananan’i Joba ilay fefy. Saiky avy hatrany dia nihatra ny herin’ny demonia nivantana, satria nanao tatitra toy izao ny mpanompon’i Joba hafa iray: “Nisy afon’Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman-osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy”. (Joba 1:16). Feno haratsiana toy inona moa ny fampisehoana an’Andriamanitra ho toa tompon’andraikitra amin’ny loza lehibe toy izany, eo amin’ny mpanompony mihitsy! Koa satria avy any an-danitra ny tselatra, dia nety ho nomen-tsiny mora foana i Jehovah, kanefa raha ny tena izy, dia avy tamin’ny demonia ilay afo.
9. Nanao ahoana ny fiantraikan’ny fahafonganam-pananana teo amin’ny fifandraisan’i Joba tamin’Andriamanitra?
9 Arakaraka ny nanohizan’i Satana ny fanafihana, dia nisy mpanompo hafa iray nanao tatitra fa nalain’ny Kaldeana ireo ramevan’i Joba ary novonoiny ireo ankizilahy hafa rehetra. (Joba 1:17). Na dia nahita fahafonganam-pananana aza i Joba, izany dia tsy nandrava ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Moa ve ianao afaka miaritra famoizan-javatra ara-nofo lehibe kanefa tsy handrava ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah?
Namely ny loza nahatsiravina lehibe kokoa
10, 11. a) Inona no nitranga tamin’ny zanak’i Joba folo? b) Taorian’ny fahafatesana nahatsiravina nahazo ny zanak’i Joba, dia ahoana no niheverany an’i Jehovah?
10 Tsy tapitra ny fanafihan’ny Devoly an’i Joba. Mbola nisy mpanompo hafa koa nitatitra hoe: “Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa; ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.” (Joba 1:18, 19). Ny olona iray notoroana vohony dia mety hilaza fa ilay fandringanana naterak’izany rivotra izany dia ‘asan’Andriamanitra’. Ny herin’ny demonia anefa no nikasika an’i Joba teo amin’izay nampahalemy azy indrindra.
11 Vonton’alahelo i Joba ka ‘nandriatra ny lambany, nanaratra ny lohany, niapoka tamin’ny tany ka niankohoka’. Kanefa dia henoy ange ny teniny e: “Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah.” Manampy teny toy izao ilay fitantarana: “Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra.” (Joba 1:20-22). Resy indray koa i Satana. Ahoana raha toa ka mahita fijaliana noho ny fahafatesan’olon-tiana, na alahelo isika, amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika? Ny fifikirana tsy misy fitiavan-tena amin’i Jehovah sy ny fitokiana aminy dia afaka mahatonga antsika hahay hiaritra amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana, toy ny nataon’i Joba. Tena afaka manovo fampiononana sy tanjaka avy amin’io fitantarana ny amin’ny fiaretan’i Joba io ireo voahosotra sy ireo namany manana fanantenana ny ho eto an-tany.
Nihanafana ilay raharaha niadian-kevitra
12, 13. Tamin’ny fivoriana lehibe hafa iray tany an-danitra, inona no notakin’i Satana, ary ahoana no namalian’Andriamanitra izany?
12 Tsy ela dia nandamina fivoriana lehibe hafa iray i Jehovah tao amin’ny kianjan’ny lanitra. Nanjary lehilahy tsy nanan-janaka sy nampahantraina ary toa nampahorin’Andriamanitra i Joba, kanefa dia tsy simba ny tsy fivadihany. Mazava ho azy fa tsy hiaiky ny naha-diso ny fiampangany an’Andriamanitra sy i Joba, i Satana. Izao ireo “zanak’Andriamanitra” dia nadiva handre ilay hevitra haroso sy ny setrin’izany, raha nampiasa ny Devoly i Jehovah, mba handaminana farany ilay raharaha niadian-kevitra.
13 Raha nanadina an’i Satana i Jehovah dia nanontany hoe: “Avy taiza hianao?” Inona no valin-teny? “Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.” I Jehovah dia nanintona indray ny saina ho amin’i Joba mpanompony izay marina sy mahitsy ary natahotra an’Andriamanitra ka mbola nitana mafy ihany ny tsy fivadihany. Namaly toy izao ny Devoly: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” Koa hoy Andriamanitra: “Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.” (Joba 2:2-6). Tamin’ny filazana an-kolaka fa mbola tsy nanaisotra ny fefy fiarovana rehetra i Jehovah, dia nitaky ny hikasihana ny taolana sy ny nofon’i Joba i Satana. Tsy hahazo lalana hamono an’i Joba ny Devoly; kanefa dia fantatr’i Satana fa hampanaintaina azy ny aretina ara-batana ary izany dia hanao izay hisehoany ho toa nizaka famaizana avy tamin’Andriamanitra noho ny ota niafina.
14. Namely an’i Joba tamin’inona i Satana, ary nahoana no tsy nisy olombelona afaka nanome fanamaivanana an’ilay nijaly?
14 Rehefa nalefa hiala tamin’izany fivoriana lehibe izany i Satana, dia nanohy indray tamim-pahafinaretana faran’izay feno halozana izy. Namely tamin’ny “vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany” izy. Fahoriana be toy inona moa no niaretan’i Joba raha nipetraka teo amin’ny lavenona sy nihaotra ny tenany tamin’ny silaka tavim-bilany izy! (Joba 2:7, 8). Tsy nisy mpitsabo olombelona afaka nitondra fanamaivanana ho azy tamin’io fampahoriana faran’izay nampanaintaina sy naharikoriko ary nampietry io, satria hery avy amin’i Satana no nahatonga izany. I Jehovah irery ihany no afaka nanasitrana an’i Joba. Raha mpanompon’Andriamanitra marary hianao, dia aza hadinoina mihitsy fa Andriamanitra dia afaka manampy anao hiaritra sy afaka manome anao fiainana ao amin’ny tontolo vaovao iray ho afaka amin’ny aretina. — Salamo 41:1-3; Isaia 33:24.
15. Nampirisika mafy an’i Joba hanao inona ny vadiny, ary ahoana no fihetsik’i Joba?
15 Farany, dia hoy ny vadin’i Joba: “Mbola mitana ny [tsy fivadihanao, NW ] ihany va hianao? [Manozòna, NW ] an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Ny “tsy fivadihana” dia milaza fifikirana tsy azo kianina, ary nety ho niteny tamim-panesoana izy mba hanosehana an’i Joba hanozona an’Andriamanitra. Namaly toy izao anefa izy: “Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?” Tsy nandaitra na dia io tetika fanakiviana nataon’i Satana io aza, satria izao no lazaina amintsika: “Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ny molony Joba.” (Joba 2:9, 10). Aoka hatao hoe misy mpianakavintsika manohitra ka milaza fa mamizan-tena amin-kadalana eo amin’ireo raharaha kristiana isika, ary mampirisika mafy antsika izy mba hahafoy an’i Jehovah Andriamanitra. Sahala amin’i Joba, dia afaka miaritra fitsapana toy izany isika satria tia an’i Jehovah sy maniry ny hidera ny anarany masina. — Salamo 145:1, 2; Hebreo 13:15.
Mpisoloky telo lahy nizahozaho
16. Iza no tonga ka nolazaina fa hampionona an’i Joba, kanefa ahoana no nampiasan’i Satana azy ireo tamin’izay tiany?
16 Tamin’ilay toe-javatra izay nivadika ho tetika hafa iray avy amin’i Satana, dia tonga ireo “sakaiza” telo lahy nolazaina fa hampionona an’i Joba. I Elifaza ny iray, azo inoana fa taranak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Esao. Koa satria i Elifaza no nahazo niteny voalohany, dia azo inoana fa izy no zokiny indrindra. Teo koa i Bildada, taranak’i Soaha, iray tamin’ireo zanakalahin’i Abrahama tamin’i Ketora. Ny lehilahy fahatelo dia i Zofara, nantsoina hoe Namatita mba hampahafantarana ny fianakaviany na ny toerana nonenany, angamba tany avaratra-andrefan’i Arabia. (Joba 2:11; Genesisy 25:1, 2; 36:4, 11). Sahala amin’ireo izay manandrana manao izay hahafoizan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’Andriamanitra amin’izao andro izao, ireo telo lahy ireo dia nampiasain’i Satana tamin’izay tiany mba hanao izay hahatonga an’i Joba hiaiky fa meloka tamin’ireo fiampangana lainga izy, ka handrava ny tsy fivadihany.
17. Inona no nataon’ireo telo lahy nitsidika, ary inona no tsy nataony nandritra ny hafitoan’andro sy hafitoan’alina?
17 Nanao fampisehosehoana be ny fiarahany miory izy telo lahy tamin’ny fitomaniana sy tamin’ny fandriatana ny lambany ary tamin’ny fanipazana vovoka ho eo an-dohany. Avy eo anefa izy ireo dia nipetraka niaraka tamin’i Joba hafitoan’andro sy hafitoan’alina, tsy nisy teny fampiononana na dia indraim-bava aza! (Joba 2:12, 13; Lioka 18:10-14). Tsy nanan-javatra ara-panahy mihitsy ireo mpisoloky telo lahy nizahozaho ireo, hany ka tsy nanana na inona na inona nampionona holazaina mikasika an’i Jehovah sy ny fampanantenany izy ireo. Na dia izany aza, dia nanao fanatsoahan-kevitra diso izy ireo ary nivonona ny hampiasa izany mba hamelezana an’i Joba raha vao avy nanaraka ireo fanao amin’ny alahelo ampahibemaso. Mahaliana fa talohan’ny nifaranan’ireo fito andro nanginana, dia naka toerana teo amin’izay nahafahany nandre ny resaka ilay tovolahy natao hoe Eliho.
18. Nahoana i Joba no nitady fiadanana tao amin’ny fahafatesana?
18 Farany dia nanapaka ny fanginana i Joba. Noho izy tsy nanovo fampiononana avy tamin’ireto mpitsidika telo lahy, dia nanozona ny andro nahaterahany izy ary nanontany tena ny amin’ny antony nanalavana ny fiainany nahafadiranovana. Nitady fiadanana tao amin’ny fahafatesana izy, tsy nalainy sary an-tsaina akory ny hoe ho afaka hahita tena fifaliana indray izy alohan’ny hahafatesany, tamin’izao izy tsy nanana na inona na inona sy nozoim-pahoriana ary narary mafy izao. Tsy namela an’i Joba hokasihina hatramin’ny fahafatesana anefa Andriamanitra. — Joba 3:1-26.
Famelezan’ireo mpiampanga an’i Joba
19. Tamin’ny lafiny inona avy i Elifaza no niampanga lainga an’i Joba?
19 I Elifaza no niteny voalohany tamin’ny tsirairay amin’ireo fihodinana telo tamin’ilay ady hevitra izay vao mainka nisedra ny tsy fivadihan’i Joba. Tao amin’ny lahateniny voalohany, dia nanontany toy izao i Elifaza: “Taiza no nisy olo-mahitsy naringana?” Nanatsoaka hevitra izy fa tsy maintsy ho nanao zava-dratsy i Joba matoa nahazo ny famaizan’Andriamanitra. (Joba 4, 5 , toko faha-4, 5). Tao amin’ny lahateniny faharoa, i Elifaza dia naneso ny fahendren’i Joba ary nanontany hoe: “Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa”? Te hilaza i Elifaza hoe nanandrana niseho ho ambony noho ny Tsitoha i Joba. Tamin’ny famaranany ny famelezany faharoa, dia nilazalaza an’i Joba ho meloka noho ny fivadiham-pinoana sy ny fanomezana kolikoly ary ny famitahana, izy. (Joba 15 , toko faha-15). Tao amin’ny lahateniny farany, dia niampanga lainga an’i Joba ho nanao heloka bevava maro i Elifaza: fakana an-keriny, tsy fanomezana mofo sy rano ho an’ireo sahirana, ary fampahoriana ny mpitondratena sy ny kamboty. — Joba 22 , toko faha-22.
20. Nanao ahoana ny toetran’ny fanafihan’i Bildada an’i Joba?
20 Noho izy niteny faharoa tamin’ny tsirairay amin’ireo fihodinana telo tamin’ilay ady hevitra, dia mazàna i Bildada no nanaraka ilay loha hevitra ankapobeny naorin’i Elifaza. Fohy kokoa ireo lahatenin’i Bildada, saingy nanindrona kokoa. Niampanga mihitsy ny zanak’i Joba ho nanao ratsy ka mendrika ny fahafatesana, izy. Nanao fanjohian-kevitra nivilana izy tamin’ny fampiasana itỳ fanoharana itỳ: Toy ny maha-maina sy hahafatesan’ny zozoro sy ny harefo raha tsy misy rano, dia toy izany koa ny amin’izay “rehetra manadino an’Andriamanitra”. Marina izany filazana izany, saingy tsy nihatra tamin’i Joba. (Joba 8 , toko faha-8). Nanakilasy ny fahorian’i Joba ho toy ireo tonga amin’ny ratsy fanahy, i Bildada. (Joba 18 , toko faha-18). Tao amin’ilay lahateniny fohy fahatelo, dia nilaza i Bildada fa ny olona dia “kankana” sy “olitra” ka noho izany dia maloto eo anatrehan’Andriamanitra. — Joba 25 , toko faha-25.
21. Niampanga an’i Joba ho naninona i Zofara?
21 I Zofara no niteny fahatelo tao amin’ilay ady hevitra. Tamin’ny ankapobeny, dia nitovy tamin’ny an’i Elifaza sy i Bildada ny fanjohian-keviny. Niampanga an’i Joba ho nampiseho haratsiam-panahy i Zofara ary nampirisika mafy azy mba hanary ireo fanaony ratsy. (Joba 11, 20 , toko faha-11, 20). Taorian’ny fihodinana roa, dia nitsahatra tsy niteny i Zofara. Tsy nanan-teny hanampy izy tamin’ilay fihodinana fahatelo. Nandritra izany rehetra izany anefa, dia namaly ny mpiampanga azy tamin-kerim-po i Joba. Nisy fotoana, ohatra, nitenenany hoe: “Mpampionona mahasorisorena foana hianareo rehetra. Efa tapitra va izay ny bedibedy foana?” — Joba 16:2, 3.
Afaka miaritra isika
22, 23. a) Toy ny tamin’izay nanjo an’i Joba, ahoana no mety hataon’ny Devoly amin’ny fanandramana handrava ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah Andriamanitra? b) Na dia niaritra fitsapana maro samihafa aza i Joba, dia mety hanontany inona momba ny fihetsiny isika?
22 Sahala amin’i Joba, dia mety hiatrika fisedrana mihoatra ny iray indray miaraka isika, ary mety hampiasa fahakiviana na anton-javatra hafa i Satana mba hiezahany handrava ny tsy fivadihantsika. Mety hanandrana ny hampiodina antsika amin’i Jehovah izy, raha manam-pahasahiranana ara-bola isika. Raha maty ny olon-tiana iray na raha ratsy ny fahasalamantsika, dia mety hanandrana hitaona antsika hanome tsiny an’Andriamanitra i Satana. Sahala amin’ireo sakaizan’i Joba, dia mety hisy olona hiampanga lainga antsika mihitsy aza. Araka ny voalazan’ny Rahalahy Macmillan, dia mety ‘hifofo antsika’ i Satana, kanefa dia afaka miaritra isika.
23 Araka ny efa nodinihintsika hatreto, dia niaritra ireo fisedrana maro samihafa nahazo azy i Joba. Kanefa, moa ve izy niaritra kely fotsiny? Moa ve izy resy tanteraka ara-tsaina, raha ny tena izy? Aoka hojerentsika raha tena very fanantenana tanteraka tokoa i Joba.
Ahoana no Havalinao?
◻ Raharaha niadian-kevitra lehibe inona no napoitran’i Satana tamin’ny andron’i Joba?
◻ Tamin’ny fomba ahoana avy i Joba no notsapaina hatramin’ny fetra farany?
◻ Niampanga an’i Joba ho naninona ireo “sakaizany” telo lahy?
◻ Toy ny tamin’izay nanjo an’i Joba, ahoana no mety hanandraman’i Satana handrava ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah?
[Sary, pejy 10]
A. H. Macmillan