“Handeha Manodidina ny Alitaranao Aho, Jehovah Ô”
“HANASA ny tanako amin’ny tsy fananan-tsiny aho, ary handeha manodidina ny alitaranao, Jehovah ô.” (Salamo 26:6, NW ). Nanambara ny fifikirany tamin’i Jehovah tamin’ireo teny ireo, i Davida Mpanjaka fahiny. Nahoana anefa izy no ‘nandeha manodidina’ ny alitaran’i Jehovah, ary ahoana no nanaovany izany?
Ho an’i Davida, ny foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah dia ny tabernakely niaraka tamin’ilay alitarany voarakotra varahina, izay nanaovana fanatitra. Tany Gibeona, any avaratr’i Jerosalema, no nisy ny tabernakely, nandritra ny fanjakan’i Davida. (1 Mpanjaka 3:4). Efa-joro tokotokony ho roa metatra sy fahefany monja ilay alitara, kely lavitra noho ilay alitara goavana naorina teo an-kianjan’ny tempolin’i Solomona.a Na izany aza, dia nahafinaritra be an’i Davida ilay tabernakely sy ny alitarany, izay foiben’ny fanompoam-pivavahana madio teo amin’ny Isiraely.—Salamo 26:8.
Natao teo amin’ilay alitara ireo fanatitra dorana sy fanati-pihavanana mbamin’ny fanati-panonerana; ary lafiny nisongadina tamin’ny Andro Fanavotana ireo sorona natao ho an’ilay firenena. Misy heviny ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao ilay alitara sy ireo sorona natao teo aminy. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa ilay alitara dia sary nampiseho ilay sitrapon’Andriamanitra izay nanekeny sorona iray tena mety mba hanavotana ny olombelona. Hoy i Paoly: “Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha.”—Hebreo 10:5-10.
Rehefa handeha hanao asa fanompoana teo amin’ny alitara ireo mpisorona, dia mazàna izy ireo no nanasa ny tanany tamin’ny rano mba hidiovany. Mety tokoa àry ny nanasan’i Davida Mpanjaka ny tanany ‘tamin’ny tsy fananan-tsiny’ talohan’ny ‘handehanany manodidina ilay alitara’. Nanao zavatra “tamin’ny fahitsian’ny fo sy ny fahamarinana” izy. (1 Mpanjaka 9:4). Raha tsy nanasa ny tanany tamin’izany fomba izany izy, dia tsy ho azo nekena ny fanompoam-pivavahany, izany hoe ny ‘fandehanany manodidina ny alitara’. Marina fa tsy Levita akory i Davida, ary tsy nanana tombontsoa hanao ny asa fanompoan’ny mpisorona teo amin’ilay alitara. Tsy navela hiditra akory teo an-kianjan’ilay tabernakely izy, na dia mpanjaka aza ny tenany. Na izany aza, noho izy Isiraelita nahatoky, dia nankatò ny Lalàn’i Mosesy izy ka nitondra tsy tapaka ny fanatiny mba hatolotra teo amin’ilay alitara. Nandeha manodidina ilay alitara izy, tamin’ny heviny hoe, nataony nifantoka tamin’ny fanompoam-pivavahana madio ny fiainany.
Afaka manaraka ny ohatr’i Davida ve isika amin’izao andro izao? Eny. Afaka manasa ny tanantsika amin’ny tsy fananan-tsiny koa isika, ary mandeha manodidina ny alitaran’Andriamanitra, raha maneho finoana ny soron’i Jesosy, ary “madio tànana sy mahitsy fo” rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra.—Salamo 24:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Efa-joro nirefy sivy metatra teo ho eo izany alitara izany.
[Sary, pejy 23]
Ilay alitara dia sary nampiseho ilay sitrapon’i Jehovah, izay nanekeny sorona iray tena mety mba hanavotana ny olombelona