“Ny Fahazavanao no Hahitanay Fahazavana”
MATETIKA no tsy heverintsika ho zava-dehibe ny hazavana, raha tsy rehefa tapaka ny jiro ka maizina ny manodidina antsika. Soa ihany fa tena azo ianteherana ny “foiben-kerinaratra” eny amin’ny lanitra, dia ny masoandro. Noho ny hazavana avy amin’ny masoandro koa no ahafahantsika mahita, mihinana, mifoka rivotra, ary ho velona.
Koa satria tena ilaina mba hahavelomana ny hazavana, dia tsy ho gaga isika raha milaza ny Genesisy fa noforonina tamin’ny andro voalohany izy io. “Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.” (Genesisy 1:3) Niaiky foana ny lehilahy tia fivavahana, toa an’i Davida Mpanjaka, fa avy amin’i Jehovah ny fiainana sy ny hazavana. Hoy i Davida: “Ao aminao no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.”—Salamo 36:9.
Misy heviny ara-bakiteny sy tsy ara-bakiteny ny tenin’i Davida. Manamarika ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) hoe: “Manampy antsika hahita ny hazavana.” Hoy koa izy: “Ny maso no tena mampiditra fahalalana be indrindra ao amin’ny atidoha raha oharina amin’ny vavahadin-tsaina hafa.” Miankina betsaka amin’ny fahitantsika ny fahafahantsika mianatra. Mila hazavana anefa isika vao mahita, ka izany no antony iresahan’ny Soratra Masina ny amin’ny hazavana tsy ara-bakiteny.
Nilaza tamin’ny mpianany toy izao àry i Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12) Ny hafatra momba ny fahamarinana notoriny no hazavana resahin’i Jesosy eto. Afaka nanazava ny saina sy ny fon’ny mpihaino azy, izy io. Nahatakatra ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana ny mpianatr’i Jesosy, rehefa avy tao anatin’ny haizina ara-panahy nandritra ny taona maro. Tena “fahazavan’aina” tokoa io fahalalana io, satria afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nivavaka tamin-dRainy any an-danitra toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Aoka hoheverintsika ho zava-dehibe foana io fahazavana ara-panahy io!