Antony Marim-pototra Hijerena Lafy Tsaran-javatra Amin’izao Andro Izao
NAMPIHATRA fitaomana nahery teo amin’ny fisainan’ny olona amin’izao taonjato faha-20 izao i H. G. Wells, mpahay tantara sady sôsiôlôgy, teraka tamin’ny 1866. Tamin’ny alalan’ny asa sorany, dia nohazavainy ny finoany mafy fa ilay arivo taonam-pahasambarana dia hifandray amin’ny fandrosoana siantifika. Araka izany, ny Collier’s Encyclopedia dia nampahatsiahy ny “fijerena lafy tsaran-javatra tsy manam-petra” nananan’i Wells teo am-piezahany tsy an-kiato mba hampandrosoana ny hevitra nijoroany. Nomarihin’izy io koa anefa fa nirodana ny fijereny lafy tsaran-javatra rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa.
Rehefa nahatakatra i Wells fa “ny siansa dia sady afaka mitera-boka-tsoa no afaka mitera-bokatra ratsy, dia nanjavona ny finoany, ary nanjary nijery lafy ratsin-javatra izy”, hoy ny nambaran’ny Chambers’s Biographical Dictionary. Inona no nahatonga izany?
Niorina tamin’ny zava-bitan’ny olombelona ranofotsiny ny finoan’i Wells sy ny fijereny lafy tsaran-javatra. Rehefa takany fa tsy afaka nanatratra ilay Nofinofy nokolokoloiny ny olombelona, dia tsy nanana toeran-kafa nitodihana izy. Nivadika haingana ho fijerena lafy ratsin-javatra ny famoizam-po.
Amin’izao andro izao, dia olona maro no mahita fanandraman-javatra toy izany noho ny antony mitovy amin’ny azy. Mijery lafy tsaran-javatra foana izy ireo raha mbola tanora, nefa manjary manjombona noho ny fijerena lafy ratsin-javatra rehefa mihabe taona. Misy mihitsy aza tanora izay miala amin’ilay antsoina hoe fomba fiaina ara-dalàna, ary manaram-po amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny firaisana amin’ny olona samy hafa ary ny fomba fiaina manimba. Inona no vahaolana? Diniho ireto ohatra manaraka avy tamin’ny andron’ny Baiboly ireto, ary jereo hoe inona no antony hijerena lafy tsaran-javatra — tamin’ny lasa sy ankehitriny ary amin’ny hoavy.
Novalian-tsoa ny fijeren’i Abrahama ny lafy tsaran-javatra
Tamin’ny taona 1943 al.f.i., i Abrahama dia niala tany Harana, sy niampita ny Ony Eofrata, ary niditra tao amin’ny tany Kanana. I Abrahama dia nolazaina ho “rain’ny olona rehetra izay mino”, ary toy inona moa ny ohatra tsara navelany! — Romana 4:11.
Niaraka tamin’i Abrahama i Lota, zanaka kambotin’ny rahalahin’i Abrahama, sy ny fianakaviany. Tatỳ aoriana, rehefa namely ilay tany ny mosary, dia nifindra tany Egypta ireo fianakaviana roa ireo, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia niara-niverina izy ireo. Tamin’izay i Abrahama sy i Lota dia efa nahangona harena be, ary koa andiam-biby. Rehefa nipoaka ny fifandirana teo amin’ny mpiandry ombin’izy ireo, dia nanao ny dingana voalohany i Abrahama ary nilaza hoe: “Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho.” — Genesisy 13:8, 9.
Tamin’ny naha-zokiny an’i Abrahama, dia ho afaka nitarika ilay raharaha ho amin’ny tombontsoany manokana izy, ary i Lota, noho ny fanajana ny rahalahin-drainy, dia ho afaka namela an’i Abrahama hifidy. Kanefa, “Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. Dia nofidin’i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’i Jordana”. Noho izany safidy izany, i Lota dia nanana ny antony rehetra nijerena ny lafy tsaran-javatra. Ahoana anefa ny amin’i Abrahama? — Genesisy 13:10, 11.
Moa ve sahisahy ratsy i Abrahama tamin’izany, ka nahatandindomin-doza ny soa ho an’ny fianakaviany? Tsia. Ny fihetsika tsara sy ny fahalalahan-tanan’i Abrahama dia nitondra valisoa lehibe. Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazàna mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.” — Genesisy 13:14, 15.
Nisy antony marim-pototra ny fijeren’i Abrahama ny lafy tsaran-javatra. Izy io dia niorina tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra ny hahatonga an’i Abrahama ho firenena lehibe, mba ho “aminao [Abrahama] no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 12:2-4, 7). Isika koa dia manana antony tokony hatokiana, noho ny fahafantarana fa “Andriamanitra dia manao izay hahatonga ny asany rehetra hiara-miasa mba hahasoa izay tia an’Andriamanitra”. — Romana 8:28, NW.
Mpisafo tany roa nijery ny lafy tsaran-javatra
Efajato taona mahery tatỳ aoriana, ny firenen’ny Isiraely dia vonona ny hiditra tao Kanana, “tany tondra-dronono sy tantely”. (Eksodosy 3:8; Deoteronomia 6:3). Nanendry loham-pirenena 12 i Mosesy mba ‘hisafo ny tany ka hitondra teny hilaza ny lalana izay halehan’izy ireo sy ny tanàna izay hiakaran’izy ireo’. (Deoteronomia 1:22; Nomery 13:2). Nitovy tsy nisy hafa ny filazalazan’ireo mpisafo tany 12 rehetra momba ny firoboroboan’ilay tany, kanefa ny 10 tamin’izy ireo dia nanao tatitra nahakely fanantenana izay nampiditra tahotra tao am-pon’ny olona. — Nomery 13:31-33.
I Josoa sy i Kaleba kosa tetsy an-danin’izany dia nampiseho hafatra nahabe fanantenana tamin’ilay vahoaka, ary nanao izay rehetra azony natao mba hampitonena ny tahotr’izy ireo. Ny fihetsika sy ny tatitra nasehon’izy ireo dia nanome taratry ny fatokiana feno ny fahaizan’i Jehovah hanatanteraka ny teniny mba hamerina azy ireo any amin’ny Tany Nampanantenaina — nefa tsy nisy vokany izany. “Hoy [kosa aza] ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy.” — Nomery 13:30; 14:6-10.
Nampirisika ilay vahoaka mba hitoky tamin’i Jehovah i Mosesy, nefa nanda tsy hihaino izy ireo. Noho izy ireo nikiry nijery ny lafy ratsin-javatra, dia voatery nirenireny nandritra ny 40 taona tany an’efitra ilay firenena manontolo. Tamin’ireo mpisafo tany 12, dia i Josoa sy i Kaleba ihany no nahazo ny valisoan’ny fijerena ny lafy tsaran-javatra. Inona no zava-nanahirana fototra? Ny tsy fahampiam-pinoana, satria nitodika tany amin’ny fahendreny manokana ilay vahoaka. — Nomery 14:26-30; Hebreo 3:7-12.
Ny fisalasalan’i Jona
Velona tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i. i Jona. Ny Baiboly dia milaza fa mpaminany nahatokin’i Jehovah teo amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely izy, nandritra ny fanapahan’i Jeroboama II. Kanefa, tsy nanaiky hirahina ho any Ninive mba hampitandrina ny olona izy. Ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe dia milaza fa i Jona dia “nieritreritra fa tsara kokoa ny niala an-tsokosoko” sy nankany Jopa. Tany izy dia niondrana an-tsambo ho any Tarsisy, izay azo inoana fa i Espaina ankehitriny. (Jona 1:1-3). Ny antony nijeren’i Jona ny lafy ratsin’io fanendrena io toy izany dia voazava ao amin’ny Jona 4:2.
Nanaiky hanatanteraka ny fanirahana azy ihany i Jona tamin’ny farany, nefa tezitra izy rehefa nibebaka ny mponina tao Ninive. Noho izany, dia nanome azy lesona tsara dia tsara iray ny amin’ny fangoraham-po i Jehovah: nampahalazo sy nahafaty ilay tanantanamanga izay nialokalofan’i Jona izy. (Jona 4:1-8). Ny fahatsapan’i Jona alahelo tamin’ny nahafatesan’ilay zavamaniry dia tokony ho niantefa marimarina kokoa tany amin’ireo olona 120 000 tao Ninive izay tsy “mahafantatra ny havanany sy ny haviany”. — Jona 4:11.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’i Jona? Tsy mamela toerana ho an’ny fijerena lafy ratsin-javatra ny fanompoana masina. Raha mahita ny fitarihan-dalan’i Jehovah isika ka manaraka izany amim-patokiana feno, dia hahita fahombiazana. — Ohabolana 3:5, 6.
Fijerena lafy tsaran-javatra ao anatin’ny fahoriana
“Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy”, hoy i Davida Mpanjaka. “Ary aza mialona ny mpanao meloka”. (Salamo 37:1). Izany dia tena torohevitra feno fahendrena, satria manodidina antsika ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana amin’izao andro izao. — Mpitoriteny 8:11.
Na dia tsy mialona ny mpanao ratsy aza anefa isika, dia mora ny mahatsapa ho tsy afa-manoatra rehefa mahita olona tsy manan-tsiny mijaly eo an-tanan’ny ratsy fanahy isika, na rehefa ny tenantsika mihitsy no entina tsy ara-drariny. Ny fanandraman-javatra toy izany dia mety hahatonga antsika ho kivy, na hijery lafy ratsin-javatra. Rehefa mahatsapa izany isika, inona no tokony hataontsika? Voalohany, dia afaka mitadidy isika fa ny ratsy fanahy dia tsy afaka ny hihevitra amim-pahafaham-po fa tsy ho azon’ny famaizana mihitsy ny tenany. Ny Salamo faha-37 dia manohy ny teniny ka manome toky antsika eo amin’ny andininy faha-2 hoe: “Hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy [ny mpanao ratsy] ka halazo tahaka ny ahi-maitso.”
Fanampin’izany, dia afaka manohy manao izay tsara, sy mijery lafy tsaran-javatra hatrany ary miandry an’i Jehovah isika. “[Halaviro] ny ratsy, ka manaova ny soa, dia honina mandrakizay hianao”, hoy ny mpanao Salamo nanohy ny teniny. “Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina”. — Salamo 37:27, 28.
Manjaka ny tena fijerena lafy tsaran-javatra!
Ahoana àry ny amin’ny hoavintsika? Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia milaza amintsika momba ny “zavatra tsy maintsy ho tonga faingana”. Anisan’ireny ny soavaly mena, mampiseho ady, izay aharihary ho ‘manaisotra ny fihavanana amin’ny tany’. — Apokalypsy 1:1; 6:4.
Ny fomba fihevitra fandre — sy nijery lafy tsaran-javatra — tany Grande-Bretagne, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia hoe, izy io no ho ady lehibe farany. Tamin’ny 1916, ilay mpitondra fanjakana britanika atao hoe David Lloyd George, dia nijery zavatra araka ny zava-misy kokoa. Hoy izy: “Itỳ ady itỳ, mitovy amin’ilay ady manaraka, dia ady hamarana ny ady.” (Izahay no manao sora-mandry.) Marina ny azy. Ny Ady Lehibe Faharoa dia vao mainka nanafaingana ny fanamboarana fomba famonoana tamba-be mahatsiravina kokoa. Dimampolo taona mahery atỳ aoriana, dia mbola tsy manangasanga ihany ny faran’ny ady.
Ao amin’io bokin’ny Apokalypsy io ihany, isika dia mamaky momba ny mpitaingin-tsoavaly hafa, izay mampiseho mosary sy areti-mandringana ary fahafatesana. (Apokalypsy 6:5-8). Ireo dia lafin-javatra fanampiny amin’ilay famantarana ny fotoana. — Matio 24:3-8.
Moa ve izy ireny antony hijerena lafy ratsin-javatra? Tsy izany velively, satria ilay fahitana dia milazalaza momba ny “soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy”. (Apokalypsy 6:2). Eto isika dia mahita an’i Jesosy Kristy, Mpanjaka any an-danitra, manala ny faharatsiana rehetra, mandroso mitaingin-tsoavaly mba hanorina ny fiadanana sy ny filaminana maneran-tany.a
Tamin’ny naha-Mpanjaka Voatendry azy, i Jesosy Kristy dia nampianatra ny mpianany mba hivavaka ny amin’ilay Fanjakana, fony izy teto an-tany. Angamba ianao koa efa nampianarina hanao ny “Rainay Izay any An-danitra”, na ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Ao amin’izy io isika dia mivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andrimanitra, mba hanatanterahana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. — Matio 6:9-13.
Tsy hanandrana hanamboamboatra itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ akory i Jehovah, fa amin’ny alalan’ilay Mpanjaka Mesianikany, i Kristy Jesosy, dia hanaisotra azy io tanteraka izy. Ho solony, hoy i Jehovah, dia “indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza”. Eo ambanin’ilay fitondram-panjakana any an-danitra, ny tany dia ho tonga fonenana feno fiadanana sy fahasambarana ho an’ny olombelona, ka ho fifaliana tsy tapaka ny fiainana sy ny asa ao. “Miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”, hoy i Jehovah. “Ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:17-22). Raha manorina ny fanantenanao momba ny hoavy amin’izany fampanantenana azo antoka izany ianao, dia hanana ny antony rehetra hijerena ny lafy tsaran-javatra — dieny izao ary ho mandrakizay!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy fanazavana amin’ny antsipiriany an’io fahitana io, ao amin’ny toko faha-16 amin’ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 4]
H. G. Wells
[Sary nahazoan-dalana]
Corbis-Bettmann