“Miravoravoa Amin’i Jehovah”
“Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.”—SALAMO 37:4.
1, 2. Iza no Loharanon’ny tena fahasambarana, ary ahoana no nisarihan’i Davida Mpanjaka ny saintsika ho amin’izany?
“SAMBATRA ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, . . . sambatra ny mamindra fo, . . . sambatra ny mpampihavana.” Ireo teny ireo miampy filazalazana enina hafa momba ny atao hoe olona sambatra, no nanombohan’i Jesosy ny toriteniny malaza teo an-tendrombohitra, araka ny Filazantsaran’i Matio. (Matio 5:3-11) Manome toky antsika ireo tenin’i Jesosy ireo fa afaka ny ho sambatra isika.
2 Misarika ny saina ho amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny tena fahasambarana, ny hira masina iray noforonin’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny. Hoy izy: “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4) Nahoana no ‘maharavoravo’ ny mahafantatra an’i Jehovah sy ireo toetrany maro samihafa? Nahoana ianao no afaka manantena hahazo “izay irin’ny fonao”, rehefa mandinika izay nataony sy mbola hataony mba hanatanterahana ny fikasany? Hahita ny valin’izany isika rehefa mamakafaka ny Salamo faha-37, andininy 1 ka hatramin’ny faha-11.
“Aza mialona”
3, 4. Inona no torohevitra nomen’i Davida ao amin’ny Salamo 37:1, ary nahoana no mety ny hanarahana izany ankehitriny?
3 Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ary be dia be ny faharatsiana. Tanteraka ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Timoty 3:1, 13) Toa mahomby sy miadana ny ratsy fanahy, ary tena mety hisy fiantraikany eo amintsika izany! Mety ho variana mieritreritra izany isika, ka tsy hifantoka intsony amin’ny zavatra ara-panahy. Mampitandrina antsika àry ny teny fampidirana ao amin’ny Salamo faha-37 hoe: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy; ary aza mialona ny mpanao meloka.”
4 Milaza zavatra tsy ara-drariny be dia be ny fampitam-baovao. Afa-maina ny mpandraharaha manao hosoka. Misy koa mpanao heloka bevava manararaotra ireo tsy manam-piarovana. Ao koa ny mpamono olona, izay tsy mety tratra na tsy mba voasazy mihitsy. Mety hahatezitra sy hanahiran-tsaina antsika izany tsy rariny rehetra izany. Mety hanjary hialona ny mpanao ratsy mihitsy aza isika, rehefa mahita fa toa mahomby izy ireo. Hihatsara anefa ve ny toe-javatra raha sosotra isika? Moa ve ny ratsy fanahy tsy ho ringana ihany, na dia hialona ny tombontsoa azony aza isika? Tsy maintsy ho ringana ihany izy ireo! Tsy misy antony tokony ‘hampirehitra ny fahatezerantsika’ mihitsy àry. Nahoana?
5. Nahoana no ampitovina amin’ny ahitra ny ratsy fanahy?
5 Mamaly ny mpanao salamo hoe: “Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.” (Salamo 37:2) Mety hahafinaritra ny mijery ahi-maitso, saingy vetivety dia maina sy malazo ireny. Toy izany koa ny ratsy fanahy. Toa miadana izy ireo, nefa tsy maharitra izany. Tsy hanampy azy ny harena azony tamin’ny tsy rariny, rehefa maty izy. Tsy maintsy hihatra amin’ny rehetra ny rariny. “Fahafatesana no karama omen’ny ota”, hoy i Paoly. (Romanina 6:23) Tsy hahazo afa-tsy ny ‘karamany’ amin’ny farany, ny ratsy fanahy sy izay rehetra manao ny tsy rariny. Tsy mitondra soa ho azy ireo mihitsy ny fomba fiainany! —Salamo 37:35, 36; 49:16, 17.
6. Inona no lesona tsoahintsika avy amin’ny Salamo 37:1, 2?
6 Tokony hanahiran-tsaina antsika àry ve ny fiadanana mihelina hitan’ny ratsy fanahy? Izao no lesona tsoahintsika avy amin’ireo andininy roa voalohany amin’ny Salamo faha-37: Efa nifidy hanompo an’i Jehovah ianao, ka aza avela hampiala anao amin’izany ny fahombiazan’izy ireo. Mifantoha hatrany kosa amin’ny fitahiana sy ny tanjona ara-panahy.—Ohabolana 23:17.
‘Matokia an’i Jehovah, ka manaova soa’
7. Nahoana isika no tokony hatoky an’i Jehovah?
7 Mampirisika antsika ny mpanao salamo hoe: “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa.” (Salamo 37:3a) Mila matoky mafy an’i Jehovah isika, rehefa betsaka ny mampanahy antsika, na misalasala mihitsy aza isika. Izy no manome antsika fiadanan-tsaina tanteraka. Hoy i Mosesy: “Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.” (Salamo 91:1) Mila miantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah isika, rehefa sahiran-tsaina noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna. Faly isika raha manana namana hiankinana, rehefa sendra folaka ny tongotsika. Mila miankina amin’i Jehovah toy izany koa isika, rehefa miezaka ny tsy hivadika aminy.—Isaia 50:10.
8. Nahoana no tsy hanahiran-tsaina antsika loatra intsony ny fiadanan’ny ratsy fanahy, rehefa manao ny fanompoana kristianina isika?
8 Tsy hanahiran-tsaina antsika ny fiadanan’ny ratsy fanahy, raha revo mikaroka ny olona toy ny ondry isika, ary manampy azy ireo hahalala marina tsara ny fikasan’i Jehovah. Tokony ho variana tanteraka hanampy ny hafa isika, satria mitombo be ny faharatsiana. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manadino hanao soa sy hizara zavatra amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” Ny firesahana ny vaovao tsara be voninahitra momba ny Fanjakan’Andriamanitra no “soa” lehibe indrindra azontsika atao. Tena “sorona fiderana” tokoa ny fitoriana amin’ny besinimaro ataontsika.—Hebreo 13:15, 16; Galatianina 6:10.
9. Hazavao ilay tenin’i Davida hoe “honina amin’ny tany hianao.”
9 Hoy koa i Davida: “Honina amin’ny tany hianao ka ho faly amin’ny fahamarinana.” (Salamo 37:3b) Tamin’ny andron’i Davida, ilay “tany” dia ny faritra nomen’i Jehovah ny Israely, na ny Tany Nampanantenaina. Tonga hatrany Dana izy io tany avaratra, ka hatrany Beri-sheba tany atsimo, tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona. Tany no fonenan’ny Israelita. (1 Mpanjaka 5:5) Na aiza na aiza misy antsika ankehitriny, dia tsy andrintsika ny hahatongavan’ny tany manontolo ho paradisa ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy manana ahiahy ao anatin’ny paradisa ara-panahy isika.—Isaia 65:13, 14.
10. Inona no ho vokany rehefa mahatoky isika?
10 Inona no ho vokany rehefa ‘mifaly amin’ny fahamarinana’ na mahatoky isika? Mampahatsiahy antsika ny ohabolana hoe: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana.” (Ohabolana 28:20) Azo antoka fa hamaly soa antsika i Jehovah, rehefa maharitra amin’ny fitoriana ny vaovao tsara isika, na amin’iza na amin’iza, ary na aiza na aiza misy antsika. Voatendry ho mpisava lalana tany amin’ny tanàna iray, any amin’ny faritra avaratr’i Ekosy, ohatra, i Frank sy Rose vadiny, 40 taona lasa izay. Efa tsy nanohy intsony ireo olona vitsivitsy liana tamin’ny fahamarinana, tamin’izy ireo tonga tany. Tsy kivy anefa izy mivady, fa nanomboka nitory sy nanao mpianatra. Misy fiangonana mandroso tsara ao amin’io tanàna io izao. Notahin’i Jehovah tokoa ny fahatokian’io mpivady io. Nanazava tamim-panetren-tena i Frank hoe: “Ny fitahiana lehibe indrindra dia hoe mbola ao amin’ny fahamarinana izahay, ary ampiasain’i Jehovah.” Mahazo fitahiana maro tokoa isika rehefa mahatoky, ary tena ankasitrahantsika izany.
“Miravoravoa amin’i Jehovah”
11, 12. a) Ahoana no ahafahantsika ‘miravoravo amin’i Jehovah’? b) Inona no azonao atao tanjona rehefa mianatra samirery, ary inona no ho vokany?
11 Tsy maintsy ‘miravoravo amin’i Jehovah’ isika, raha te hanamafy ny fifandraisantsika aminy sy hatoky azy foana. (Salamo 37:4a) Inona àry no tokony hataontsika? Tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika i Jehovah, fa tsy tokony ho revo amin’izay manjo antsika isika, na dia mety hiatrika zava-tsarotra aza. Hanampy antsika hahavita izany, ohatra, ny fakana fotoana hamakiana ny Teniny. (Salamo 1:1, 2) Mahafinaritra anao ve ny mamaky Baiboly? Hahafinaritra anao izany, raha ataonao tanjona ny hianatra zavatra bebe kokoa momba an’i Jehovah. Nahoana raha miato kely rehefa avy mamaky andalan-teny maromaro, ary manontany tena hoe: ‘Inona no nianarako momba an’i Jehovah avy amin’izany?’ Mety ho tsara ny hananana karine na taratasy mora raisina, rehefa mamaky Baiboly. Soraty ao izay teny mampahatsiahy anao ny iray amin’ireo toetra mahatehotia ananan’Andriamanitra, isaky ny miato ianao mba hisaintsainana ny hevitr’izay vakinao. Nihira toy izao i Davida, tao amin’ny salamo hafa iray: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.” (Salamo 19:14) ‘Ankasitrahan’i’ Jehovah na mahafinaritra azy ny mahita antsika mifantoka amin’ny Teniny, sady mahafinaritra antsika koa.
12 Ahoana no hahatonga ny fianarana sy ny fisaintsainana hahafinaritra? Azontsika atao tanjona ny hianatra zavatra betsaka araka izay azo atao momba an’i Jehovah sy ny lalany. Misy fanazavana maro be azo saintsainina sy mahavelom-pankasitrahana ao amin’ireo boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany sy Manatòna An’i Jehovah.a Manome toky ireo olo-marina manao izany i Davida, fa ‘homen’i Jehovah azy izay irin’ny fony.’ (Salamo 37:4b) Izany fatokisana izany no tsy maintsy nanosika ny apostoly Jaona hanoratra hoe: “Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika fa ho azontsika izany, satria nangatahintsika taminy.”—1 Jaona 5:14, 15.
13. Manao ahoana ny fitaran’ny asa fitoriana any amin’ny tany maro, tato anatin’ny taona vitsivitsy?
13 Ny hahita ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra no tena maharavoravo antsika indrindra, satria tsy mivadika aminy isika. (Ohabolana 27:11) Tsy dibo-kafaliana ve isika mahare ny asa goavambe tanterahin’ireo rahalahintsika mitory any amin’ny tany nisy fitondrana tsy refesi-mandidy na didy jadona fahiny? Tsy andrintsika ny hahita izay fahafahana mety mbola ho azo alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity. Mazoto mitory amin’ny mpianatra avy any ivelany sy ny mpitsoa-ponenana ary ny vahiny hafa, ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah any amin’ny tany tsy andrarana ny asantsika. Matetika mantsy ireny olona ireny no malalaka hanaraka izay fivavahana tiany. Antenaintsika fa hampamirapiratra hatrany ny fahamarinana ireny olona ireny rehefa mody any aminy, na dia toa ao anaty haizina mikitroka aza ny taniny.—Matio 5:14-16.
“Ankino amin’i Jehovah ny làlanao”
14. Inona no manaporofo fa afaka matoky an’i Jehovah isika?
14 Tena mampahery mihitsy ny mahafantatra fa misy afaka mampitony ny fanahiantsika sy manamaivana izay enta-mavesatra toa tsy zakantsika! Ahoana no hampety izany? Hoy i Davida: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5) Mahita porofo maro be isika eo anivon’ny fiangonana, fa manampy ny mpanompony i Jehovah. (Salamo 55:22) Azo antoka fa hikarakara antsika izy. Afaka manamarina izany na mpisava lalana, na mpiandraikitra mpitety faritany, na misionera, na Betelita, na mpanompo manontolo andro hafa. Nahoana raha miresaka amin’ny mpanompo manontolo andro fantatrao, ary manontany ny fomba nanampian’i Jehovah azy? Azo antoka fa hahare fitantarana maro ianao, mampiseho fa tsy fohy velively ny tanan’i Jehovah, na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza. Manome izay tena ilaina eo amin’ny fiainana foana izy.—Salamo 37:25; Matio 6:25-34.
15. Nahoana no mamirapiratra ny fahamarinan’ny vahoakan’Andriamanitra?
15 Ho tanteraka amintsika ireto tenin’ny mpanao salamo ireto, rehefa matoky tanteraka an’i Jehovah isika: “Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.” (Salamo 37:6) Haratsina isika Vavolombelon’i Jehovah matetika. Manokatra ny mason’ny olona tso-po anefa i Jehovah, mba hahitany fa ny fitiavana azy sy ny mpiara-belona, no mahatonga antsika hanao ny fanompoantsika. Tsy takona afenina koa ny fitondran-tena tsarantsika, na dia maro aza no manaratsy izany. Manampy antsika hiaritra ny karazana fanoherana sy fanenjehana rehetra i Jehovah. Noho izany, dia mamirapiratra toy ny masoandro amin’ny mitataovovonana, ny fahamarinan’ny vahoakan’Andriamanitra.—1 Petera 2:12.
‘Miandrasa an’i Jehovah ary manantenà azy’
16, 17. Izao no fotoana tokony hanaovana inona araka ny Salamo 37:7, ary nahoana?
16 Hoy indray ilay mpanao salamo: “Miantombena tsara miandry an’i Jehovah hianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny làlany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.” (Salamo 37:7) Manamafy i Davida eto, fa mila maharitra isika ary miandry an’i Jehovah hanao zavatra. Tsy tokony hitaraina isika, na dia mbola tsy tonga aza ny faran’ity tontolo ity. Tsy lehibe lavitra noho ny nieritreretantsika azy tany am-boalohany ve ny famindram-pon’i Jehovah sy ny faharetany? Tsy mba afaka ny haharitra sy hiandry koa ve isika ankehitriny, sady hilofo hatrany hitory ny vaovao tsara, alohan’ny hahatongavan’ny farany? (Marka 13:10) Tsy izao no fotoana tokony hanaovan-javatra tsy amim-piheverana, ka mety hamoizantsika ny fifaliana sy ny fahasalamana ara-panahy. Izao kosa no fotoana tokony hanoherana mafy kokoa ny fitaoman-dratsin’ny tontolon’i Satana. Izao koa no fotoana tokony hananana fitondran-tena madio hatrany, sy hitandremana mba ho marina hatrany eo imason’i Jehovah. Aoka hesorintsika tsy ho ao an-tsaina hatrany ny eritreritra maloto. Aoka isika tsy hanao fihetsika tsy mety amin’ny olona tsy vadintsika, ary na dia amin’ny lehilahy na vehivavy toa antsika ihany aza.—Kolosianina 3:5.
17 Manoro hevitra antsika i Davida hoe: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany. Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” (Salamo 37:8, 9) Tena afaka matoky isika fa tsy ho ela intsony, dia hesorin’i Jehovah ny faharatsiana rehetra etỳ an-tany sy izay rehetra mahatonga izany.
“Rehefa afaka kelikely”
18, 19. Inona no fampaherezana azonao avy amin’ny Salamo 37:10?
18 “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” (Salamo 37:10) Tena mampahery tokoa izany teny izany, arakaraka ny hanatonan’ny faran’ity tontolo ity, izay ho ny loza lehibe indrindra hanjo ny olombelona, noho izy tsy niankina tamin’i Jehovah! Tsy nisy nahomby mihitsy ny karazana fitondram-panjakana rehetra naorin’ny olombelona. Tsy ho ela kosa isika izao dia hiverina indray eo ambany fitondran’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’ilay Fanjakany, izay hoentin’i Jesosy Kristy. Handray an-tanana ny raharaha rehetra eto amin’ity tontolo ity ilay Fanjakany, ary handringana izay rehetra manohitra azy io.—Daniela 2:44.
19 Tsy hahita “ratsy fanahy” ao amin’ilay tontolo vaovao hofehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, na hikaroka toy inona aza. Haringana avy hatrany izay mikomy amin’i Jehovah amin’izany fotoana izany. Tsy ho hita ao koa ny olona manohitra ny zony hitondra na tsy manaiky hofeheziny. Samy haniry hampifaly an’i Jehovah daholo ny mpiara-monina aminao. Hampisy ny filaminana tokoa izany, ka tsy hilaina ny karetsaka na bara vy, ary tsy hisy na inona na inona hanimba ny fitokisana sy ny fahasambarana tanteraka!—Isaia 65:20; Mika 4:4; 2 Petera 3:13.
20, 21. a) Iza ireo “mpandefitra” voaresaka ao amin’ny Salamo 37:11, ary aiza izy ireo no mahatsapa ny ‘haben’ny fiadanana’? b) Inona no fitahiana ho azontsika raha manahaka an’ilay Davida Lehibe isika?
20 ‘Handova ny tany ny mpandefitra’ amin’izay. (Salamo 37:11a) Iza anefa ireo “mpandefitra” ireo? Avy amin’ny fototeny midika hoe “mampahory, mampietry, manambany” ilay teny nadika hoe “mpandefitra” eto. Ny “mpandefitra” àry dia ireo manetry tena sy miandry an’i Jehovah mba hanitsy ny tsy rariny rehetra natao taminy. “Hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” izy ireo. (Salamo 37:11b) Mahatsapa ny haben’io fiadanana io isika na dia ankehitriny aza, ao amin’ilay paradisa ara-panahy, eo anivon’ny tena fiangonana kristianina.
21 Mifanohana sy mampahery ireo ketraka isika, na dia mbola miaritra fahoriana aza. Noho izany, dia mahatsiaro ho tena afa-po ny vahoakan’i Jehovah. Mikarakara amim-pitiavana izay ilaintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ireo rahalahy voatendry ho mpiandry, ary manome izay ilaintsika ara-nofo mihitsy aza indraindray. Mahatonga antsika ho afaka hiaritra fijaliana noho ny fahamarinana izany. (1 Tesalonianina 2:7, 11; 1 Petera 5:2, 3) Sarobidy tokoa izany fiadanana izany! Manantena ny hiaina mandrakizay koa isika ao amin’ilay Paradisa efa antomotra, izay hanjakan’ny fiadanana. Enga anie àry isika hanahaka an’ilay Davida Lehibe, na i Kristy Jesosy, izay tsy nivadika hatramin’ny farany, noho ny zotom-pony ho an’i Jehovah. (1 Petera 2:21) Ho sambatra foana isika raha manao izany, ary hidera an’i Jehovah, ilay Andriamanitra iravoravoantsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Hainao Valiana Ve?
• Inona no nianaranao avy amin’ny fandinihana ny Salamo 37:1, 2?
• Ahoana no ahafahanao ‘miravoravo amin’i Jehovah’?
• Inona no manaporofo fa afaka matoky an’i Jehovah isika?
[Sary, pejy 9]
‘Tsy mialona ny mpanao meloka’ ny Kristianina
[Sary, pejy 10]
“Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa”
[Sary, pejy 11]
Miravoravoa amin’i Jehovah, ka mianara zavatra betsaka araka izay azo atao momba azy
[Sary, pejy 12]
‘Ny mpandefitra no handova ny tany’