Ankasitraho ny Asan’i Jesosy, Ilay Davida Lehibe sy Solomona Lehibe
‘Misy lehibe noho i Solomona eto.’—MAT. 12:42.
1, 2. Nahoana no mety hahagaga ny hoe i Davida no nasaina nohosoran’i Samoela ho mpanjaka?
TSY toy ny mpanjaka no fahitan’i Samoela mpaminany an’ilay ankizilahy, fa toy ny mpiandry ondry rehetra ihany. Tanàna kely koa i Betlehema, tanàna niaviany, izay voalaza fa “kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory.” (Mika 5:2) Tsy iza io ankizilahy io fa i Davida. Toa tsy dia nisy nampiavaka azy loatra, kanefa izy no nasaina nohosoran’i Samoela ho mpanjakan’ny Israely.
2 Zanak’i Jese, lehilahy tsy nivadika, i Davida, ary izy no farany tamin’ireo zanany valo mirahalahy. Tsy i Davida no voalohany naroson-drainy teo anatrehan’i Samoela mba hohosorana ho mpanjaka. Tsy izy koa anefa no narosony faharoa na fahatelo. Tsy tao an-trano akory aza i Davida rehefa tonga i Samoela. I Davida anefa no nofidin’i Jehovah, ary ny safidin’i Jehovah no tena zava-dehibe!—1 Sam. 16:1-10.
3. a) Inona no tena zava-dehibe amin’i Jehovah rehefa mandinika olona iray izy? b) Inona no nitranga tamin’i Davida rehefa avy nohosorana ho mpanjaka?
3 Afaka nahita ny tao am-pon’i Davida i Jehovah, fa i Samoela kosa tsy afaka. Hitany hoe tsara ny toe-pon’ilay ankizilahy. Tsy ny bika aman’endrika mantsy no zava-dehibe amin’Andriamanitra, fa ny maha izy an’ilay olona mihitsy. (Vakio ny 1 Samoela 16:7.) Rehefa fantatr’i Samoela àry fa tsy nisy nofidin’i Jehovah ireo zanak’i Jese fito lahy, dia nasainy nalaina avy tany am-piandrasan’ondry ilay faralahy. Hoy ny Baiboly: “Koa nampanalain’i Jese [i Davida]. Somary mena ilay zazalahy, ary mahafinaritra be ny masony sady tsara tarehy izy. Dia hoy i Jehovah: ‘Mitsangàna, ka hosory izy, fa io no izy!’ Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.”—1 Sam. 16:12, 13.
Mifanitsy amin’i Davida i Kristy
4, 5. a) Inona avy no itovizan’i Davida sy Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no antsoina hoe Davida Lehibe?
4 Toa an’i Davida, dia teraka tany Betlehema koa i Jesosy, 1 100 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahan’i Davida. Tsy toy ny mpanjaka koa no fahitan’ny Israelita an’i Jesosy. Tsy toa azy mihitsy ny karazana mpanjaka nandrasan’ny ankamaroan’izy ireo. Toy ny tamin’i Davida anefa, dia izy no nofidin’i Jehovah, sady tiany no malalany.a (Lioka 3:22) ‘Niasa taminy koa ny fanahin’i Jehovah.’
5 Misy zavatra hafa koa itovizan’i Davida sy Jesosy. Samy nisy namadika, ohatra, izy ireo. Namadika an’i Davida i Ahitofela mpanolo-tsainy, ary namadika an’i Jesosy i Jodasy Iskariota, iray tamin’ny apostoliny. (Sal. 41:9; Jaona 13:18) Samy nafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah koa i Davida sy Jesosy. (Sal. 27:4; 69:9; Jaona 2:17) Ankoatra izany, dia mpandova an’i Davida i Jesosy. Hoy ny anjely iray tamin’i Maria, talohan’ny hahaterahan’i Jesosy: “I Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Lioka 1:32; Mat. 1:1) Lehibe lavitra noho i Davida anefa i Jesosy, satria tanteraka aminy daholo ireo faminaniana momba ny Mesia. Izy no Davida Lehibe, ilay Mesia Mpanjaka nandrasana hatry ny ela.—Jaona 7:42.
Araho ilay Mpanjaka sady Mpiandry
6. Inona no porofo fa mpiandry tsara i Davida?
6 Mpiandry koa i Jesosy. Ahoana no ahafantarana fa mpiandry tsara ny mpiandry iray? Be herim-po izy sady mikarakara tsara ny andian’ondriny, ary mamahana sy miambina azy. (Sal. 23:2-4) Mpiandry ondry i Davida tamin’izy mbola kely, ary nokarakarainy tsara ny ondrin-drainy. Be herim-po koa izy, ka vonona hanao vivery ny ainy mba hiarovana ny ondry tamin’ny liona sy ny orsa.—1 Sam. 17:34, 35.
7. a) Inona no nanampy an’i Davida ho vonona hiantsoroka ny andraikitry ny mpanjaka? b) Nahoana no lazaina fa Mpiandry Tena Tsara i Jesosy?
7 Nikarakara andian’ondry nandritra ny taona maro i Davida, na tany an-tsaha izany na teny amin’ny havoana. Nanomana azy hiantsoroka andraikitra sarotra izany, dia ny fiandrasana ny firenen’ny Israely.b (Sal. 78:70, 71) Ary ahoana ny amin’i Jesosy? Mpiandry fakan-tahaka koa izy. Miantehitra amin’ny hery sy ny tari-dalan’i Jehovah izy, eo am-piandrasana ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa.” (Lioka 12:32; Jaona 10:16) I Jesosy àry no Mpiandry Tena Tsara. Fantany tsara ny ondriny ka antsoiny amin’ny anarany avy. Tena tiany izy ireo, ka nafoiny ho azy ireo ny ainy. (Jaona 10:3, 11, 14, 15) Nahavita zavatra tsy ho vitan’i Davida mihitsy i Jesosy, ilay Mpiandry Tena Tsara. Nanome ny sorom-panavotana izy mba hanafahana ny olona amin’ny fahafatesana. Tsy hisy hahasakana an’i Jesosy tsy hiandry ny “ondry vitsy”, mandra-pahazoan’izy ireo ny fiainana any an-danitra ka tsy ho faty intsony. Tsy hisy hahasakana azy tsy hitarika ny “ondry hafa” koa, mandra-pahazoan’izy ireo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marina, izay tsy ahitana intsony an’ireo olona toy ny amboadia mpiremby.—Vakio ny Jaona 10:27-29.
Araho ilay Mpanjaka mandresy
8. Inona no porofo fa mpanjaka nandresy i Davida?
8 Mpiady i Davida Mpanjaka ary tsy mba natahotra. Niaro ny tanin’ny vahoakan’Andriamanitra izy, ary ‘novonjen’i Jehovah foana, na taiza na taiza nalehany.’ Nitatra hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata ny sisin-tanin’i Israely, tamin’ny fotoana nanjakany. (2 Sam. 8:1-14) Lasa mpitondra mahery izy noho ny hery nomen’i Jehovah azy. Hoy ny Baiboly: “Niely nanerana ny tany ny lazan’i Davida, ary nataon’i Jehovah natahotra azy ny firenena rehetra.”—1 Tant. 14:17.
9. Inona no porofo fa nandresy i Jesosy, ilay voatendry ho Mpanjaka?
9 Tsy natahotra toa an’i Davida Mpanjaka koa i Jesosy. Rehefa voatendry ho Mpanjaka izy tamin’izy tetỳ an-tany, dia nasehony fa mahery noho ireo demonia izy. Nafahany ny olona nofehezin’izy ireny. (Mar. 5:2, 6-13; Lioka 4:36) Tsy nanana fahefana tamin’i Jesosy, na dia i Satana Devoly, ilay fahavalony lehibe indrindra, aza. Nampian’i Jehovah izy, ka naharesy an’ilay tontolo eo ambany fahefan’i Satana.—Jaona 14:30; 16:33; 1 Jaona 5:19.
10, 11. Inona no nataon’i Jesosy sy mbola hataony amin’ny maha Mpanjaka sady Mpiady azy?
10 Nahazo fahitana momba an’i Jesosy ny apostoly Jaona, 60 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty. Mpanjaka sady Mpiady i Jesosy tao amin’io fahitana io. Hoy i Jaona: “Iny nisy soavaly fotsy. Nanana tsipìka ilay nitaingina azy, ary nomena satroboninahitra. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” (Apok. 6:2) I Jesosy io mitaingina soavaly fotsy io. “Nomena satroboninahitra” izy tamin’ny 1914, rehefa lasa Mpanjaka tany an-danitra. “Nivoaka handresy” izy taorian’izay. Mpanjaka mandresy àry i Jesosy, toa an’i Davida ihany. Nandresy an’i Satana izy raha vao lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanipy azy sy ny demoniany, tetỳ an-tany. (Apok. 12:7-9) Mbola handresy foana izy mandra-pahatongan’ny fotoana ‘hamitany ny fandreseny’, dia ny fotoana handringanany tanteraka ny tontolo ratsin’i Satana.—Vakio ny Apokalypsy 19:11, 19-21.
11 Mpanjaka mamindra fo toa an’i Davida anefa i Jesosy, ka hiaro ny “vahoaka be” izy amin’ny Hara-magedona. (Apok. 7:9, 14) Hisy “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina” koa rehefa hanjaka izy sy ireo 144 000. (Asa. 24:15) Ho afaka hiaina mandrakizay ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany. Hanana hoavy tsara tokoa izy ireo! Aoka àry isika rehetra ho tapa-kevitra ‘hanao ny tsara’ foana. Amin’izay isika dia ho anisan’ireo olo-marina sy falifaly hameno ny tany, eo ambany fitarihan’ilay Davida Lehibe.—Sal. 37:27-29.
Nangataka fahendrena i Solomona
12. Inona no nangatahin’i Solomona tamin’i Jehovah?
12 Mifanitsy amin’i Solomona, zanak’i Davida, koa i Jesosy.c Rehefa lasa mpanjaka i Solomona, dia niseho taminy tao amin’ny nofy i Jehovah, ary nilaza fa hanome azy an’izay rehetra hangatahiny. Azon’i Solomona natao ny nangataka harena sy fahefana bebe kokoa, ary nangataka ny ho ela velona. Izao anefa no nangatahiny: “Omeo fahendrena sy fahalalana aho mba hahaizako hitondra an’ity firenena ity, fa iza moa no afaka hitsara an’izao olonao maro be izao?” (2 Tant. 1:7-10) Novalian’i Jehovah ny vavaka nataony.—Vakio ny 2 Tantara 1:11, 12.
13. Nahoana no lazaina fa tsy nisy hendry toa an’i Solomona, ary iza no nanome azy fahendrena?
13 Tsy nisy hendry toa an’i Solomona, tamin’izy mbola tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nilaza “ohabolana telo arivo” izy. (1 Mpanj. 4:30, 32, 34) Maro tamin’izy ireny no noraketina an-tsoratra, ka mbola sarobidy foana amin’ireo olona mitady fahendrena. Nanao dia 2 400 kilaometatra ny mpanjakavavin’i Sheba, mba hametraka “fanontaniana saro-baliana” hitsapana ny fahendren’i Solomona. Talanjona izy nandre ny zavatra nolazain’i Solomona, sy nahita ny harenany. (1 Mpanj. 10:1-9) Iza no nanome fahendrena an’i Solomona? Hoy ny Baiboly: “Te hihaona taminy ny olona rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony.”—1 Mpanj. 10:24.
Araho ilay Mpanjaka hendry
14. Nahoana i Jesosy no “lehibe noho i Solomona”?
14 Olona iray ihany no hendry noho i Solomona. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, izay “lehibe noho i Solomona.” (Mat. 12:42) Nilaza “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” mantsy izy. (Jaona 6:68) Ahitana tsipiriany sy toro lalana maro kokoa, ohatra, ny toriteniny teo an-tendrombohitra, raha ampitahaina amin’ny ohabolana nataon’i Solomona. Nitanisa zavatra maromaro mahasambatra ny mpanompon’i Jehovah i Solomona. (Ohab. 3:13; 8:32, 33; 14:21; 16:20) I Jesosy kosa nanasongadina fa ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy ny fahazoana ny fitahiana nampanantenainy no tena mahasambatra. Hoy izy: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 5:3) Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay “loharanon’aina”, ireo olona mampihatra ny toro lalana nomen’i Jesosy. (Sal. 36:9; Ohab. 22:11; Mat. 5:8) I Kristy koa no “fahendren’Andriamanitra.” (1 Kor. 1:24, 30) Manana ny “fanahy manome fahendrena” io Mesia Mpanjaka io.—Isaia 11:2.
15. Ahoana no andraisantsika soa amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra?
15 Ahoana no andraisantsika soa amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra? Tsy maintsy miezaka mikaroka ny fahendrena ao amin’ny Teniny isika mpanara-dia an’ilay Solomona Lehibe. Midika izany fa tokony hianatra tsara ny Baiboly isika, indrindra fa ny tenin’i Jesosy, ary hisaintsaina izay ianarantsika. (Ohab. 2:1-5) Mila mangataka fahendrena amin’Andriamanitra foana koa isika. Manome toky antsika ny Teniny fa hamaly ny vavaka ataontsika amim-pahatsorana Izy, rehefa mangataka fanampiana aminy isika. (Jak. 1:5) Hanampy antsika hahita ny fahendrena sarobidy raketin’ny Baiboly ny fanahy masina, ka ho haintsika kokoa ny hiatrika olana sy handray fanapahan-kevitra tsara. (Lioka 11:13) Ankoatra izany, dia nantsoina hoe “mpamory vahoaka” i Solomona, ary “tsy nitsahatra nampianatra olona hahazo fahalalana” izy. (Mpito. 12:9, 10) Mamory ny vahoakany koa i Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana kristianina. (Jaona 10:16; Kol. 1:18) Tokony hanatrika ny fivorian’ny fiangonana àry isika, satria ‘tsy mitsahatra mampianatra’ antsika izy any.
16. Inona no itovizan’i Solomona sy Jesosy?
16 Nanorina zavatra maro nanerana ny fanjakany i Solomona, ary nanara-maso ny fanorenana an’izany. Nanorina lapa sy tanàna izy, ary nanao lalana, lakandrano, tanàna fitehirizana entana sy vokatra, tanàna fanatobiana kalesy ary tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly. (1 Mpanj. 9:17-19) Nandray soa tamin’ireny ny vahoakany. Nanao asa fanorenana koa i Jesosy. Nanorina ny fiangonana teo ‘ambonin’ny vatolampy’ izy. (Mat. 16:18) Hanara-maso ny asa fanorenana hatao ao amin’ny tontolo vaovao koa izy.—Isaia 65:21, 22.
Araho ilay Mpanjakan’ny Fiadanana
17. a) Inona no tena nampiavaka ny fitondran’i Solomona? b) Inona anefa no tsy vitan’i Solomona?
17 Avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana” ilay anarana hoe Solomona. Avy tao Jerosalema izy no nanjaka, ary midika hoe “Fananana Fiadanana Avo Roa Heny” ny hoe Jerosalema. Nanjaka 40 taona izy, ary niadana tsy nisy hoatr’izany ny firenen’ny Israely nandritra ny fotoana nanjakany. Hoy ny Baiboly momba izany: “Nonina tsy amin’ahiahy ny Joda sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1 Mpanj. 4:25) Na dia hendry toy inona aza anefa i Solomona, dia tsy vitany ny nanafaka ny vahoakany tamin’ny aretina sy ny ota ary ny fahafatesana. Ilay Solomona Lehibe kosa anefa hahavita izany.—Vakio ny Romanina 8:19-21.
18. Inona avy no fitahiana azontsika eo anivon’ny fiangonana kristianina?
18 Na ankehitriny aza anefa, dia efa miadana isika eo anivon’ny fiangonana kristianina. Miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy isika, izany hoe mihavana amin’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. Hoy i Isaia momba izany: “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.” (Isaia 2:3, 4) Mandray anjara amin’ny fisian’izany paradisa ara-panahy izany isika, raha manaiky hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra.
19, 20. Inona avy no mahafaly antsika?
19 Mbola ho tsara noho izany anefa ny hoavy, rehefa i Jesosy no hitondra. Hiadana tsy hisy toy izany ny olombelona mankatò, ary “hafahana [tsikelikely] amin’ny fanandevozan’ny fahalovana”, mandra-pahatongany ho lavorary. (Rom. 8:21) Hisy fitsapana farany rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona. “Handova ny tany” ireo mpandefitra ho tafavoaka amin’izany, “ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.” (Sal. 37:11; Apok. 20:7-10) Ho tsara lavitra noho ny fitondran’i Solomona tokoa ny fitondran’i Kristy Jesosy!
20 Faly ny Israely teo ambany fitarihan’i Mosesy sy Davida ary Solomona. Ho faly kokoa anefa isika eo ambany fitondran’i Kristy. (1 Mpanj. 8:66) Hisaorana anie i Jehovah, izay nanome antsika ny Zanany lahitokana, dia ilay Mosesy Lehibe, sy Davida Lehibe, ary Solomona Lehibe!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Toa midika hoe “Malala” ilay anarana hoe Davida. Nantsoin’i Jehovah hoe “Zanako malalako” koa i Jesosy, tamin’izy natao batisa sy niova tarehy.—Mat. 3:17; 17:5.
b Toy ny zanak’ondry natoky ny mpiandry azy koa anefa i Davida. Nitady ny fiarovana sy ny tari-dalan’i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe, izy. Tsy nisalasala izy niteny hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.” (Sal. 23:1) Nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra” koa i Jesosy.—Jaona 1:29.
c Mahaliana fa manana anarana hafa koa i Solomona, dia hoe Jedidia izay midika hoe “Malalan’i Jah.”—2 Sam. 12:24, 25.
Hainao Hazavaina Ve?
• Nahoana i Jesosy no antsoina hoe Davida Lehibe?
• Nahoana i Jesosy no antsoina hoe Solomona Lehibe?
• Nahoana ianao no mankasitraka ny asan’i Jesosy, ilay Davida Lehibe sy Solomona Lehibe?
[Sary, pejy 31]
Mampiseho ny fahendren’ilay Solomona Lehibe ny fahendrena nomen’Andriamanitra an’i Solomona
[Sary, pejy 32]
Ho tsara lavitra noho ny fitondran’i Solomona sy Davida ny fitondran’i Jesosy!