Aoka isika hampiditra ny lalan’Andriamanitra ‘ao anatintsika’
1 Nanambara ny faminaniana iray fa i Jesosy dia hanana ny lalàn’i Jehovah ‘ao anatiny’. (Sal. 40:8) Voamarina izany ary izany no nanampy an’i Jesosy hanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy.
2 Toy izany koa fa ireo mpianany voahosotra dia nanana ny lalàn’i Jehovah ‘tao an-tsainy sy voasoratra tao am-pony’. (Heb. 8:10.) Izany no nahatonga azy hanana fitondrantena tsara hatrany sy hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoany. Ary isika rehetra, inona no azontsika atao mba hahatonga ny lalàn’i Jehovah ho ao an-tsaintsika sy ho voasoratra eo amin’ny vato fisaky ny fontsika?—Ohab. 3:3.
Ny fianarana sy ny fikarohana manokana
3 Ny fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra dia mety hanampy antsika handray ho antsika ny fahamarinana. Tafiditra ao amin’ny fianarana ny fanaovana fikarohana sy ny fisaintsainana. Izay dia fiezahana mampifantoka ny saina amin’ny fomba maharitra izay mamela hifikitra amim-pitandremana amin’ny antsipiriany. Tsy hoe tokony hamaky fotsiny ireo zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana arakaraka ny andraisantsika azy isika, fa tokony hifehy tena koa mba hanana fandaharam-pianarana tsy tapaka, tafiditra amin’izany ny fanomanana ireo fivoriana rehetra isan-kerinandro.
4 Ny fahazarana tsara amin’ny fianarana dia manamafy ny finoantsika ny fahamarinana sady mamelombelona ny fanantenantsika ny amin’ny hoavy. Eny, izany dia mahatonga antsika ‘hitombo ho amin’ny famonjena’. (1 Pet. 2:2.) Rehefa mahita zavatra mahaliana ao amin’ny Soratra Masina isika dia maniry hiresaka ny amin’izany. Noho ny fitiava-namana dia voatosika hampita izay nianarantsika isika. Ny zotom-pontsika amin’ny fanambarana “ny tenin’ny fanjakana” dia mifamatotra amin’ny fankasitrahantsika an’ireo soa ara-panahy azontsika avy amin’ny fahazarana tsara amin’ny fianarana.—Matio 13:19.
Boky fianarana
5 Omen’ny fandaminan’i Jehovah antsika izay rehetra ilaintsika mba hahazoana fahalalana tena tsara ny fahamarinana. Mampiasa an’ireo Index ve ianao? Avy amin’ireny fitaovana sarobidy ireny sy ireo zavatra vita an-tsoratra isan-karazany misy amin’izao fotoana izao, isika dia manana harem-pahalalana marina. Tsy hadino amin’izany ny Auxiliaire sy ilay boky Révélation: dénouement. Ampiasainao amin’ny fomba tsara ve izy ireo?
6 Hitondra zavatra betsaka ho antsika ny fianarana manokana ataontsika arakaraka izay fotoana lanintsika amin’izany. Ao anatin’ny andronao iray dia fantaro hoe rahoviana ary aiza no mety hahafahanao mitokana mangina mba hifantohan’ny sainao sy hisaintsainanao. Ary indrindra aoka ianao hivavaka amin’i Jehovah mba hangataka ny fanampiany alohan’ny hanaovanao fianarana. Raha tiantsika ny hanao zavatra amim-pahendrena amin’izao andro sarotra izao, dia tokony hanana ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra latsa-paka lalina ao am-po sy saintsika isika (Ohab. 7:1-3; Josoa 1:8). Mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba handatsahana ao am-pontsika ny lalàny sy ny fampahatsiarovana nataony (Jaona 14:26; 1 Kor. 2:10). Raha mangataka aminy amim-pahatsorana isika mba hanampiany antsika hahita sy hahafantatra ny haren’ny Teniny, dia tsy hanampin-tsofina amin’ny hataka hataontsika izy.—Ohab. 2:1-6.
7 Tokony tsy hanapatapaka ny fandaharam-pianarana nataontsika isika raha irintsika ny hampiditra ny lalàn’Andriamanitra ‘ao anatintsika’. Amin’izany no ambolentsika fiainana ara-panahy ambony kokoa, hahazoantsika fahatakarana tsara kokoa ny fahamarinana amin’ny hafa ary handehanantsika amin’ny famindra matoky kokoa hatrany eo amin’ny “lalan’aina”.—Sal. 16:11; Kol. 2:7.