Avotra mifanandrify ho an’ny rehetra
“Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” — MATIO 20:28.
1, 2. a) Nahoana no azo lazaina fa fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny taranak’olombelona ny avotra? b) Soa inona no raisina avy amin’ny fandinihana ny avotra?
FANOMEZANA lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny taranak’olombelona ny avotra. Noho ny “fanafahana avy amin’ny avotra”, dia afaka mahazo “famelana ny fahadisoantsika” isika. (Efesiana 1:7, MN). Fototry ny fanantenana fiainana mandrakizay, na any an-danitra na eo amin’ny tany tonga paradisa, izy io. (Lioka 23:43, MN; Jaona 3:16). Ary noho ny aminy dia afaka mifaly amin’ny fijoroana ho madio eo anatrehan’Andriamanitra ny kristiana na dia amin’izao fotoana izao aza. — Apokalypsy 7:14, 15.
2 Ny avotra àry dia tsy zavatra manjavozavo na tsy azo tsapaina. Noho izy manana fototra ara-dalàna ao amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, ny avotra dia afaka mitondra soa tena misy sy azo tsapaina. Mety ho “saro-pantarina” ny lafiny sasany amin’io fampianarana io. (2 Petera 3:16). Kanefa dia ho hitanao fa mendrika hatao tokoa ny fiezahana handinika akaiky ny avotra, satria izy io dia manome taratry ny fitiavana tsy manam-paharoa ananan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. Ny fahazoana ny hevitry ny avotra dia fahatakarana ny endrika iray tena lehibe amin’ny “haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany” tsy hita fetra. — Roman 5:8; 11:33.
Raharaha tsy maintsy alamina
3. Nahoana no nanjary nilaina ny avotra, ary nahoana Andriamanitra no tsy afaka nanala tsiny fotsiny ny fahotan’ny taranak’olombelona?
3 Nanjary nilaina ny avotra noho ny otan’ilay olombelona voalohany, dia i Adama izay nampita tamin’ny taranany lova tsy mahasoa: tsy fahasalamana, aretina, alahelo ary fanaintainana. (Romana 8:20). Noho ny herin’ny tsy fahatanterahana nolovany, dia “zanaky ny fahatezerana” mendrika ny ho faty ny taranak’i Adama rehetra. (Efesiana 2:3; Deoteronomia 32:5). Tsy afaka nanaiky ho resin’ny fihetseham-po tsy misy fitsipika Andriamanitra ka hamela heloka ny taranak’olombelona fotsiny amin’izao tsy misy fifehezana. Asehon’ny Teniny mihitsy fa “fahafatesana no tambin’ny ota”. (Romana 6:23). Raha nanala tsiny ny fahotan’ny taranak’olombelona Andriamanitra, dia ho ninia tsy niraharaha ny fari-pahamarinan’ny tenany, ho tsy nampanan-kery ny rariny ara-dalàna nananan’ny tenany! (Joba 40:8). Kanefa dia “rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandriananao [ny an’Andriamanitra]”. (Salamo 89:14). Ny fihatahany amin’ny fahamarinana na dia kely monja aza dia ho nampirisika fotsiny tsy fankatoavan-dalàna sady ho nanimba tsikelikely ny toerany amin’ny maha-Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:11.
4. Nampipoitra raharaha inona avy ny fikomian’i Satana?
4 Tsy maintsy nandamina raharaha hafa iray napoitran’ny fikomian’i Satana koa Andriamanitra, raharaha lehibe lavitra noho ny toe-javatra sarotra nisy ny olombelona. Nandoto ny laza tsaran’Andriamanitra i Satana tamin’ny fiampangana an’i Jehovah ho mpandainga sy tsy refesi-mandidy lozabe izay misakana ny zavaboariny tsy hahazo fahalalana sy fahafahana. (Genesisy 3:1-5). Ankoatra izany, tamin’ny toa fanakantsakanana ny fikasan’Andriamanitra hameno ny tany amin’ny olombelona marina, dia nataon’i Satana izay hiheverana an’Andriamanitra ho tsy nahomby. (Genesisy 1:28; Isaia 55:10, 11). Sahy nanendrikendrika ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky koa i Satana, niampanga azy ireo ho nanompo Azy noho ny antony manosika feno fitiavan-tena fotsiny. Raha ao anatin’ny fanerena izy ireo, hoy ny fireharehan’i Satana, dia tsy hisy na dia iray aminy aza hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra! — Joba 1:9-11.
5. Nahoana no tsy azon’Andriamanitra nodian-tsy hita ny fihaikan’i Satana?
5 Tsy azo odian-tsy hita ireo fihaikana ireo. Raha navela tsy ho voavaly izy ireo, dia ho rava tsikelikely amin’ny farany ny fatokiana ny fanapahan’Andriamanitra sy fanohanana izany. (Ohabolana 14:28). Raha zimbazimbaina ny lalàna sy ny filaminana, moa ve tsy hanjaka eo amin’izao rehetra izao ny fikorontanana lehibe? Araka izany, Andriamanitra dia voatery nanamarina ny fiandrianany, noho ny amin’ny tenany sy ny lalany marina. Voatery nanao izany izy noho ny amin’ireo mpanompony mahatoky, mba hamelana azy ireo hampiseho ny tsy fivadihany aminy tsy azo ravana. Izany dia nidika fikarakarana ny toe-javatra nampahonena nisy ny olombelona mpanota tamin’ny fomba izay nanome ny laharam-pahamehana ho an’ny raharaha tena lehibe. Nilaza toy izao tamin’ny Isiraely izy tatỳ aoriana: “Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako”. — Isaia 43:25.
Avotra: fanaronana iray
6. Inona avy ireo teny sasany ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazalazana izay entin’Andriamanitra hamonjena ny taranak’olombelona?
6 Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 92:5: “Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao”. Mitaky fiezahana ho antsika àry ny fahatakarana izay nataon’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. (Ampitahao amin’ny Salamo 36:5, 6.) Soa ihany fa manampy antsika hahatakatra izany ny Baiboly amin’ny fampiasana fitenenana maro be izay milazalaza na manazava ireo asa lehibe nataon’Andriamanitra amin’ny fomba fijery samihafa. Miresaka ny amin’ny avotra ny Baiboly amin’ny fitenenana hoe fividianana, fampihavanana, fampitonena, fanavotana, ary fanonerana. (Salamo 49:8, MN; Daniela 9:24, MN; Galatiana 3:13, MN; Kolosiana 1:20, MN; Hebreo 2:17, MN). Ny fitenenana izay mahalaza tsara indrindra ilay raharaha anefa angamba, dia ilay nampiasain’ny tenan’i Jesosy mihitsy ao amin’ny Matio 20:28 “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra [Grika: lyʹtron] hisolo ny maro.”
7, 8. a) Inona no ianarantsika avy amin’ireo teny grika sy hebreo nadika hoe avotra? b) Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba mahatafiditra zavatra mifanandrify ao amin’ny avotra.
7 Inona no atao hoe avotra? Ilay teny grika hoe lyʹtron dia avy amin’ny matoanteny iray midika hoe “manafaka”. Izy io dia nampiasaina mba hilazalazana ny vola naloa ho takalo mba hanafahana mpigadra an’ady. Ao amin’ny Soratra hebreo anefa, ny teny nadika hoe avotra, koʹpher, dia avy amin’ny matoanteny midika hoe “manarona” na “mandrakotra”. Ohatra, nilaza tamin’i Noa Andriamanitra mba handrakotra (ka·pharʹ) ny sambo fiara amin’ny tara (goudron). (Genesisy 6:14, MN). Amin’io lafiny io àry, ny hoe manavotra na manonitra ny ota dia manarona ny ota. — Salamo 65:3, MN.
8 Manamarika ny Rakibolana momba ny Teôlôjian’ny Testamenta Vaovao fa ny koʹpher dia “manondro mandrakariva zavatra mitovy” na zavatra mifanandrify. Araka izany, ny rakotry (kap·poʹreth) ny fiaran’ny fanekena dia nifanitsy tamin’ny bikan’ilay fiara mihitsy. Toy izany koa, eo amin’ny fanonerana ny ota na fanavotana, ny fahamarinan’Andriamanitra dia mitaky ‘aina solon’ny aina, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tànana solon’ny tànana, tongotra solon’ny tongotra’. (Deoteronomia 19:21). Indraindray àry ny fahamarinana dia azo omena fahafahampo raha toa ka misy zavatra mitovy atolotra ho solon’ny sazy hentitra. Mba hanazavana izany, dia jereo ny Eksodosy 21:28-32. Miresaka ny amin’ny omby manoto olona ka mahafaty azy izy io. Raha efa fantatry ny tompony ny toetoetry ny ombiny kanefa izy tsy nanao ny fitandremana mety, dia azo terena izy hanarona na handoa ny vidin’ny ain’ilay voavono amin’ny ain’ny tenany! Ahoana anefa raha kely ihany ny andraikitr’ilay tompony? Ho nila koʹpher izy, zavatra hanarona ny fahadisoany. Afaka manery azy handoa avotra, na vola sazy ho toy ny vidim-panavotana ny mpitsara voatendry.
9. Amin’ny ahoana ny toe-javatra nahatafiditra ny lahimatoan’ny Isiraely no manazava ny fahamarinana tsara notakina raha ny amin’ny vola fanavotana?
9 Ny teny hebreo hafa iray mifandray amin’ny hoe “manavotra” dia pa·dhahʹ, matoanteny izay amin’ny fotony dia midika hoe “mividy indray”. Manazava ny tokony hahamarina tsara ny volan’ny fanavotana ny Nomery 3:39-51. Tamin’ny famonjena ny lahimatoan’ny Isiraelita tamin’ny famonoana tamin’ny Paska 1513 al.fan.ir., dia nahazo azy ireo ho fananana i Jehovah. Tamin’izay, dia afaka nitaky ny lahimatoa Isiraelita tsirairay hanompo azy tao amin’ny tempoly Izy. Ho solon’izany, dia nanaiky ‘vola avotra’ (pidh·yohmʹ, anarana avy amin’ny pa·dhahʹ) Andriamanitra tamin’ny fandidiana hoe: “Alao ho ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely”. Tsy maintsy ho marina tsara anefa ilay solon-javatra. Natao ny fanisana ny fokon’i Levy: 22 000 lahy. Avy eo, dia natao ny an’ny lahimatoan’ny Isiraelita rehetra: 22 273 lahy. Tamin’ny fandoavana ‘vola avotra’ sekely dimy isan’olona ihany no nahafahan’ireo lahimatoa 273 nihoatra ho voavidy indray, na afaka tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly.
Avotra mifanandrify
10. Nahoana ireo sorona biby no tsy afaka manarona amin’ny fomba ampy ny otan’ny olombelona?
10 Hazavain’izay voalaza teo fa tsy maintsy mitovy amin’izay soloany toerana na izay saronany ny avotra iray. Ireo sorona biby natolotry ny olona nanam-pinoana hatramin’i Abela dia tsy afaka nanarona marina ny otan’ny olona, satria ambony noho ny biby tsy manan-tsaina ny olombelona. (Salamo 8:4-8). Afaka nanoratra àry i Paoly fa “tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy”. Afaka niasa ho toy ny fanaronana ara-panoharana na an-tsary fotsiny ireny sorona ireny teo am-piandrasana ilay avotra izay tokony ho avy. — Hebreo 10:1-4.
11, 12. a) Nahoana no tsy voatery ho faty ho sorona ny olona an’arivo tapitrisany maro mba hanaronana ny fahotan’ny taranak’olombelona? b) Iza irery ihany no azo natao “avotra mifanandrify”, ary miasa ho an’ny fikasana inona ny fahafatesany?
11 Tsy maintsy nitovy marina tsara tamin’i Adama io avotra naseho an’ohatra mialoha io, satria ny sazin’ny fahafatesana izay nampiharin’Andriamanitra ara-drariny tamin’i Adama dia niteraka fanamelohana ho an’ny taranak’olombelona. ‘Ao amin’i Adama no ahafatesan’ny olona rehetra’, hoy ny 1 Korintiana 15:22. Koa tsy ilaina ny hahafatesan’ny olona an’arivo tapitrisany maro ho sorona mba hifanandrify amin’ny olona tsirairay amin’ny taranak’i Adama. ‘Tamin’ny olona iray [Adama] no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana’. (Romana 5:12). “Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana”, ny fanavotana ny taranak’olombelona koa dia afaka ny ho avy amin’ny “Olona iray”. — 1 Korintiana 15:21.
12 Ilay olona afaka ho tonga avotra, dia tsy maintsy ho olombelona nofo aman-dra tanteraka — ny mitovy marina tsara amin’i Adama. (Romana 5:14). Tsy ho nifandanja teo amin’ny mizanan’ny fahamarinana ny zavaboary ara-panahy iray na “Andriamanitra-olombelona” iray. Olombelona tanteraka iray ihany, olona tsy eo ambanin’ny fanamelohan’ny fahafatesana avy amin’i Adama, no afaka nanolotra “avotra mifanandrify”, izay mifanandrify tanteraka amin’i Adama. (1 Timoty 2:6, MN)a. Tamin’ny fanolorana ny ainy ho sorona an-tsitrapo, io “Adama farany” io dia afaka nandoa ny tambin’ny otan’ilay “Adama voalohan-dahy”. — 1 Korintiana 15:45; Romana 6:23.
13, 14. a) Mandray soa avy amin’ny avotra ve i Adama sy i Eva? Hazavao. b) Ahoana no itondran’ny avotra soa ho an’ny taranak’i Adama? Manomeza ohatra.
13 Na i Adama na i Eva anefa dia tsy mandray soa avy amin’ny avotra. Nirakitra izao fotopoto-pitsipika izao ny Lalàn’i Mosesy: “Hianareo tsy handray avotry ny ain’ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty”. (Nomery 35:31). Tsy voafitaka i Adama, koa niniana natao, tamim-pahalalana tsara izay ho vokany àry ny fahotany. (1 Timoty 2:14). Nitovy tamin’ny famonoana ny taranany izany, satria nandova ny tsy fahatanterahana izy ireo izao, ka tonga eo ambanin’ny fanamelohan’ny fahafatesana. Mazava fa mendrika ny ho faty i Adama, satria tamin’ny naha-olombelona tanteraka azy, dia ninia nifidy ny tsy hankatò ny lalàn’Andriamanitra izy. Ho nanohitra ny fotopoto-pitsipiny marina i Jehovah raha nampihatra ny avotra ho tombontsoan’i Adama. Ny fandoavana ny tambin’ny fahotan’i Adama anefa, dia nahatonga ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty teo amin’ny taranak’i Adama ho azo natao. (Romana 5:16). Amin’ny heviny ara-dalàna, dia novonoina hatrany amin’ny fotony ny hery manimban’ny ota. ‘Nanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra’ ilay mpanavotra, nitondra ny vokatry ny ota ho an’ny zanak’i Adama rehetra. — Hebreo 2:9; 2 Korintiana 5:21; 1 Petera 2:24.
14 Mba hanazavana izany, dia alao sary an-tsaina ny ozinina lehibe iray misy mpiasa an-jatony maro. Naha-bankirompitra ilay orinasa ny talen’ozinina tsy marina iray; nakatona ilay ozinina. Tsy manana asa ary tsy afaka mandoa ny trosany izao ny olona an-jatony maro. Mijaly noho ny tsy fahamarinan’io lehilahy anankiray io ny vady aman-janak’izy ireo, ary na dia ireo tompon-trosa aza! Tamin’izay dia tonga ny mpanao soa manankarena iray izay nandoa ny trosan’ilay orinasa ary nanokatra indray ilay ozinina. Ny fanafoanana an’io trosa tokana io kosa, dia nitondra fanamaivanana feno ho an’ny mpiasa maro sy ny fianakaviany ary ireo tompom-bola. Kanefa moa ve ilay tale tany am-boalohany tsy maintsy handray anjara amin’ilay fitomboana harena vaovao? Tsia, any an-tranomaizina izy ka namoy tanteraka ny asany! Mitovy amin’izany, ny fanafoanana ny trosan’i Adama anankiray dia mitondra soa ho an’ny olona an-tapitrisany maro amin’ny taranany — fa tsy ho an’i Adama.
Iza no manome ny avotra?
15. Iza no afaka nanome avotra ho an’ny taranak’olombelona, ary nahoana?
15 Nitaraina toy izao ny mpanao salamo: “Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay)”. Milaza ny The New English Bible fa “mihoatra ny fahafahany mandoa mandrakizay” ny vidin’ny avotra. (Salamo 49:7, 8). Iza àry no hanome ilay avotra? Jehovah irery ihany no afaka nanome ilay ‘Zanak’ondry’ tanteraka “Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29). Tsy naniraka anjely hamonjy ny taranak’olombelona Andriamanitra. Nanao ny sorona tampony izy tamin’ny fanirahana ny Zanany lahitokana, “ilay nankamaminy manokana” — Ohabolana 8:30, MN; Jaona 3:16.
16. a) Ahoana no nahatonga ny Zanak’Andriamanitra ho teraka ho olombelona tanteraka? b) Ahoana no azo niantsoana an’i Jesosy tamin’ny heviny ara-dalàna?
16 Tamin’ny fandraisany anjara an-tsitrapo amin’ny fandaharan’Andriamanitra, ny Zanak’Andriamanitra dia ‘nanafoana ny tenany’ tamin’ireo toe-tenan’ny any an-danitra nananany. (Filipiana 2:7). Namindra ny herim-piainana sy ny môdelin’ny toetra naha-izy ny Zanany lahimatoa tany an-danitra ho ao an-kibon’ny virijiny jiosy antsoina hoe Maria, i Jehovah. Tamin’izay dia ‘nanaloka azy’ ny Fanahy masina, niantoka fa ilay zaza nitombo tao an-kibony dia masina, afaka tanteraka tamin’ny ota. (Lioka 1:35; 1 Petera 2:22). Tamin’ny naha-olona, dia nantsoina hoe Jesosy izy. Kanefa tamin’ny heviny ara-dalàna, dia azo nantsoina hoe ‘Adama faharoa’ izy satria nifanandrify tanteraka tamin’i Adama. (1 Korintiana 15:45, 47). Tamin’izany, dia afaka nanolotra ny tenany ho fanatitra i Jesosy, toy ny “zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina”, avotra iray ho an’ny taranak’olombelona mpanota. — 1 Petera 1:18, 19.
17. a) Tamin’iza no nandoavana ny avotra, ary nahoana? b) Koa satria Andriamanitra sady manome no mandray ny avotra, nahoana no mbola natao ihany ilay fifanakalozana?
17 Tamin’iza anefa no nandoavana izany avotra izany? Nandritra ny taonjato maro, dia nanao fanaporofoan-kevitra ireo teôlôjiana tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa naloa tamin’i Satana Devoly izany. Marina fa “namidy ho andevon’ny” ota ny taranak’olombelona ary tamin’izany dia tonga teo ambany fahefan’i Satana. (Romana 7:14; 1 Jaona 5:19). Na dia izany aza, dia i Jehovah no “mitaky fanasaziana” noho ny fanaovan-dratsy, fa tsy i Satana. (1 Tesaloniana 4:6). Noho izany, araka ny ilazan’ny Salamo 49:7 azy mazava tsara, ny avotra dia tokony haloa ‘amin’Andriamanitra’. Nanao izay hampanan-kery ny avotra i Jehovah, saingy taorian’ny nanaovana sorona ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, dia tsy maintsy naloa tamin’Andriamanitra ny vidin’ilay avotra nataony. (Ampitahao amin’ny Genesisy 22:7, 8, 11-13; Hebreo 11:17.) Izany akory tsy mampietry ny avotra ho fifanakalozana tsy misy heviny sy mandeha ho azy, toy ny vola nalaina avy tao amin’ny paosy iray ary natsofoka tao amin’ny hafa iray. Mahatafiditra kokoa fifampiraharahana ara-dalàna iray ny avotra fa tsy fifanakalozana ara-batana fotsiny. Tamin’ny fitakiana ny handoavana ny avotra — na dia lafo dia lafo ho an’ny tenany aza izany — dia nanambara ny fifikirany tsy azo hozongozonina amin’ny fotopoto-pitsipika marina i Jehovah. — Jakoba 1:17.
“Vita”
18, 19. Nahoana no nilaina ny nijalian’i Jesosy?
18 Tamin’ny lohataonan’ny 33 am.fan.ir., dia tonga ny fotoana fandoavana ny avotra. Nosamborina noho ny fiampangana lainga i Jesosy Kristy, nomelohina, ary nofantsihina teo amin’ny hazo famonoana. Nanao fangatahana tamin’Andriamanitra tamin’ny “fitarainana mafy sy ranomaso be” izy noho ny fanaintainana be sy ny fampietrena nahazo azy. (Hebreo 5:7). Nilaina ve ny hijalian’i Jesosy toy izany? Eny, satria tamin’ny fitoerany ho ‘masina, tsy nisy tsiny, tsy nisy loto, voasaraka tamin’ny mpanota’ hatramin’ny farany, dia nalamin’i Jesosy tanteraka tamin’ny fomba nanaitra ilay raharaha mikasika ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra. — Hebreo 7:26.
19 Ny fahorian’i Kristy koa dia nanatsara azy ho tonga lafatra ho amin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpisoronabe ho an’ny taranak’olombelona. Noho izany, dia tsy ho manam-pahefana ambony mangatsiaka sy miolonolona izy. “Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy”. (Hebreo 2:10, 18; 4:15). Rehefa niala aina i Jesosy, dia afaka nihiaka tamim-pandresena hoe: “Vita”. (Jaona 19:30). Tsy nanaporofo ny tsy fivadihan’ny tenany fotsiny izy fa nahavita koa ny fametrahana ny fototra ho an’ny famonjena ny taranak’olombelona — ary ny mbola zava-dehibe kokoa, ny fiarovana ny fiandrianan’i Jehovah!
20, 21. a) Nahoana i Kristy no natsangana tamin’ny maty? b) Nahoana i Jesosy Kristy no “novelomina tamin’ny fanahy (esprit)”?
20 Amin’ny fomba ahoana anefa no tena hampiharana ny avotra amin’ny taranak’olombelona mpanota? Oviana? Amin’ny fomba ahoana? Tsy navela ho an’ny kisendrasendra akory ireo fanontaniana ireo. Tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Kristy, dia nanangana azy tamin’ny maty i Jehovah. (Asan’ny apostoly 3:15; 10:40). Tamin’io fanaovan-javatra lehibe io, zava-nisy izay nohamarinin’ny olona nahita maso an-jatony maro, i Jehovah dia tsy vitan’ny hoe namaly soa ny fanompoana tamim-pahatokiana nataon’ny Zanany fotsiny fa nanome azy fahafahana hamita ny asa fanavotana nataony koa. — Romana 1:4; 1 Korintiana 15:3-8.
21 “Novelomina tamin’ny fanahy (esprit)” i Jesosy, ny vatany ara-nofo dia nampanjavonina tamin’ny fomba tsy fantatra. (1 Petera 3:18; Salamo 16:10; Asan’ny apostoly 2:27). Amin’ny maha-zavaboary ara-panahy azy, dia afaka miverina amim-pandresena any an-danitra izao i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. Firavoravoana tsy misy fetra toy inona moa no tsy maintsy nitranga tany an-danitra tamin’io fisehoan-javatra io! (Ampitahao amin’ny Joba 38:7.) Tsy niverina mba hifaly fotsiny amin’ny fandraisana azy i Jesosy. Tonga izy mba hamita asa hafa iray, anisan’izany ny fanaovana izay hahatonga ny taranak’olombelona iray manontolo handray soa avy amin’ny avotra nomeny. (Ampitahao amin’ny Jaona 5:17, 20, 21.) Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba nanatanterahany izany sy izay dikany ho an’ny taranak’olombelona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny grika ampiasaina eto hoe an·tiʹly·tron, dia tsy hita mihitsy any an-toeran-kafa ao amin’ny Baiboly. Mifandray amin’ilay teny nampiasain’i Jesosy nadika hoe avotra (lyʹtron) ao amin’ny Marka 10:45 izy io. Manamarika anefa ny Rakibolana iraisam-pirenena vaovao momba ny Testamenta Vaovao fa ny an·tiʹly·tron dia ‘manamafy ny hevitra momba ny fifanakalozana’. Nandika azy io tamin’ny fomba mety hoe “avotra mifanandrify” ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.
Fanontaniana famerenana
◻ Raharaha inona no mbola zava-dehibe lavitra noho ny famonjena ny olombelona?
◻ Inona no dikan’ny hoe “manavotra” mpanota?
◻ Tsy maintsy nifanandrify tamin’iza i Jesosy, ary nahoana?
◻ Iza no manome ny avotra, ary amin’iza no andoavana azy?
◻ Nahoana no nilaina ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty tamin’ny naha-fanahy (esprit)?
[Sary, pejy 13]
Tsy ampy hanaronana ny fahotan’olombelona ny sorona biby; nampiseho an-tsary ilay sorona lehibe kokoa mbola ho avy izy ireny