Mamonjy Antsika Amin’ny Famoizam-po ny Famindram-pon’i Jehovah
“Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.” — SALAMO 51:1.
1, 2. Amin’ny ahoana ny ota lehibe no mety hisy fiantraikany eo amin’ny mpanompon’i Jehovah iray?
TSY azo atao ny mandika ny lalàn’i Jehovah ka ho afa-maina. Toy inona moa ny fihariharian’izany rehefa mahavita fahotana lehibe amin’Andriamanitra isika! Na dia mety ho nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana efa an-taonany maro aza isika, ny fandikana ny lalàny dia mety hiteraka fanahiana lehibe na fahaketrahana lalina. Mety hihevitra isika fa nandao antsika i Jehovah, ary tsy mendrika ny hanompo azy intsony isika. Mety ho toa rahona mavesatra manakana ny fahazavan’ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fahotantsika.
2 Tao anatin’ny toe-javatra toy izany, indray mandeha, i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Ahoana no nitomboan’izany tarehin-javatra izany?
Ny fahadisoana dia mety hitarika ho amin’ny fahotana lehibe
3, 4. Inona no nitranga tamin’i Davida Mpanjaka nandritra ny vanim-potoana iray nampanan-karena azy?
3 Tia an’Andriamanitra i Davida, saingy nanao fahadisoana izay nitarika ho amin’ny fahotana lehibe izy. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:1, NW.) Mety hitranga amin’ny olombelona tsy tanteraka rehetra izany, indrindra fa raha manana fahefana eo amin’ny hafa izy. Tamin’ny naha-mpanjaka nanan-karena azy, dia nanan-daza sy fahefana i Davida. Iza no sahy nanohitra ny teniny? Vonona ny hanompo azy ireo lehilahy nahay, ary mailaka nanao izay nasainy natao ny olona. Na dia izany aza, dia nanao fahadisoana i Davida tamin’ny fampitomboana ny isan’ny vadiny sy tamin’ny fanisana ny vahoaka. — Deoteronomia 17:14-20; 1 Tantara 21:1.
4 Nandritra izany vanim-potoana nampanan-karena ara-nofo azy izany, dia nahavita fahotana lehibe tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona i Davida. Ny ota iray dia nitarika ho amin’ny hafa iray toy ny kofehy mifampidipiditra amin’ny ravin-damba iray notenomin’i Satana! Raha tany am-piadiana tamin’ny Amonita ireo Isiraelita namany, i Davida kosa, avy teo an-tampon-tranony, nitazana an’i Batseba tsara tarehy, vadin’i Oria, nandro. Noho i Oria tany an’ady, dia nampaka an’ilay vehivavy hankao an-dapany ny mpanjaka ary dia nijangajanga taminy. Alao sary an-tsaina ny fikorontanan-tsaina mafy tampoka nahazo azy rehefa reny, tatỳ aoriana, fa bevohoka ravehivavy! Naniraka hampaka an’i Oria i Davida, tamin’ny fanantenana fa hiara-mandry amin’i Batseba izy io ka hihevitra ilay zaza ho ny azy. Na dia nataon’i Davida aza izay hahamamo azy, dia tsy nety niara-nandry tamin’ny vadiny i Oria. Diso fanantenana izao i Davida ka nandefa baiko niafina tany amin’i Joaba lehiben’ny miaramila, mba hametraka an’i Oria eo amin’ny loha laharana amin’ny ady, dia toerana izay nahazoana antoka fa hahafaty azy. Maty tany an’ady i Oria, nitandrina ny fotoam-pisaonana nahazatra ilay vady navelany, ary dia naka azy io ho vady i Davida talohan’ny nahafantaran’ny olona ny naha-bevohoka azy. — 2 Samoela 11:1-27.
5. Inona no nitranga rehefa avy nanota niaraka tamin’i Batseba i Davida, ary nisy vokany inona tamin’ny tenany ilay ota nataony?
5 Tamin’ny alalan’i Natana mpaminany, dia nampiharihary ny fahotan’i Davida Andriamanitra ary nilaza hoe: “Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ny ankohonanao ihany”. Araka izany, dia maty ilay zaza naterak’i Batseba. (2 Samoela 12:1-23). Nisavika an’i Tamara anabaviny tsy iray reny taminy i Amnona zanak’i Davida lahimatoa ka novonoin’ny anadahin-drazazavavy. (2 Samoela 13:1-33). Nanandrana naka an-keriny ny seza fiandrianana i Absaloma zanaky ny mpanjaka, ary nanala baraka an-drainy tamin’ny fananana firaisana tamin’ireo vaditsindranon’i Davida. (2 Samoela 15:1–16:22). Nifarana ny ady an-trano tamin’ny fahafatesan’i Absaloma izay nitondra alahelo bebe kokoa ho an’i Davida. (2 Samoela 18:1-33). Ny fahotan’i Davida anefa dia nahatonga azy hanetry tena sy hahatakatra ny ilana hitoetra akaikin’ilay Andriamaniny be indrafo. Raha sanatria ka manao fahadisoana isika, dia aoka isika hibebaka amim-panetren-tena sy hanatona an’i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Jakoba 4:8.
6. Nahoana i Davida Mpanjaka no meloka indrindra?
6 Meloka indrindra i Davida noho izy mpanapaka isiraelita izay nahafantatra tsara ny Lalàn’i Jehovah. (Deoteronomia 17:18-20). Tsy hoe farao egyptiana akory izy, na mpanjaka babyloniana izay tsy nanana izany fahalalana izany ka nety ho zatra nanao zavatra tsy nankasitrahan’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Efesiana 2:12; 4:18.) Tamin’ny naha-anisan’ny firenena iray vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah an’i Davida, dia takany tsara fa ny fanitsakitsaham-bady sy ny famonoana olona dia ota lehibe. (Eksodosy 20:13, 14). Mahafantatra ny lalàn’Andriamanitra koa ny Kristiana. Sahala amin’i Davida anefa, dia mandika izany ny sasany amin’izy ireo noho ny fahotana nolovana, noho ny fahalemen’olombelona, ary noho ny fakam-panahy tsy voatohitra. Raha sanatria ka mitranga amin’ny iray amintsika izany, dia tsy voatery isika hitoetra ao anatin’ny alahelo tafahoatra izay manamaizina ny fahitantsika ara-panahy sady mandentika antsika ao anatin’ny famoizam-po.
Mitondra fanamaivanana ny fibabohana
7, 8. a) Inona no nitranga tamin’i Davida fony izy nanandrana nanafina ny fahotany? b) Nahoana no mibaboka ny fahotan’ny tena sy mitsahatra tsy manao izany?
7 Raha meloka noho ny fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra isika, dia mety ho sarotra amintsika ny mibaboka ny fahotantsika, na dia amin’i Jehovah aza. Inona no mety hitranga amin’ny toe-javatra toy izany? Ao amin’ny Sl 32 Salamo faha-32, dia niaiky toy izao i Davida: “Raha nangina aho [fa tsy nibaboka], dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” (Sl 32:3, 4 Andininy faha-3, 4). Ny fanandramana nanafina ny fahotany sy nampangina ny feon’ny fieritreretany meloka, dia nandany tanteraka an’i Davida izay nampanaram-po ny fironan-dratsiny. Nampihena ny tanjany aoka izany ny fitebitebena, hany ka toy ny hazo voan’ny fahamainana tsy nisy hamandoana nanome aina izy. Raha ny marina, dia nety ho nahita voka-dratsiny ara-tsaina sy ara-batana mihitsy ny tenany. Na ahoana na ahoana, dia namoy ny fifaliany izy. Raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany ny iray amintsika, inona no tokony hataontsika?
8 Afaka mitondra famelan-keloka sy fanamaivanana ny fibabohana amin’Andriamanitra. “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko”, hoy ny hiran’i Davida. “Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:5). Moa ve ianao ory mafy noho ny ota miafina sasany? Tsy ho tsara kokoa ve ny hibabohana sy hitsaharana tsy hanao ilay ota mba hahazoana ny famindram-pon’Andriamanitra? Nahoana raha miantso ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ary mitady fanasitranana ara-panahy? (Ohabolana 28:13; Jakoba 5:13-20). Hasiana fiheverana ny toe-tsainao nampiseho fibebahana, ary rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hiverina indray ilay fifaliana kristiana nanananao. “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany”, hoy i Davida. “Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” — Salamo 32:1, 2.
9. Oviana no natao ny Sl 51 Salamo faha-51, ary nahoana?
9 Azon’i Jehovah Andriamanitra nampamoahina noho ny ratsy nataony i Davida sy i Batseba. Na dia tokony ho novonoina ho faty aza izy ireo noho ny fahotany, dia namindra fo taminy Andriamanitra. Namindra fo tamin’i Davida manokana izy noho ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana. (2 Samoela 7:11-16). Hita ao amin’ny Sl 51 Salamo faha-51 ny fihetsika nampiseho fibebahana nananan’i Davida noho ilay otany nahatafiditra an’i Batseba. Io salamo manohina ny fo io dia nataon’ilay mpanjaka nibebaka, rehefa avy nataon’i Natana mpaminany izay hahatsapany ny halehiben’ny fandikany ny lalàn’Andriamanitra. Nila herim-po i Natana mba hanintonana ny sain’i Davida ho amin’ilay fahotany, toy ny tsy maintsy maha-be herim-po ireo loholona kristiana koa mba hanaovan-javatra toy izany amin’izao andro izao. Tsy nanda ilay fiampangana na nandidy ny hamonoana ho faty an’i Natana ilay mpanjaka, fa nibaboka tamim-panetren-tena. (2 Samoela 12:1-14). Asehon’ny Sl 51 Salamo faha-51 izay nolazainy tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka momba ireo zavatra nanala baraka nataony. Mety tsara io salamo io ho an’ny fisaintsainana am-bavaka, indrindra raha nanao fahadisoana isika ka mitady ny famindram-pon’i Jehovah.
Azon’Andriamanitra ampamoahina isika
10. Ahoana no nahafahan’i Davida nahazo fahasitranana indray ara-panahy?
10 Tsy nitady ny hanala tsiny ny fahotany i Davida fa nitalaho hoe: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao [“hatsaram-panahinao miharo fitiavana”, NW ]; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.” (Salamo 51:1). Tamin’ny fandikan-dalàna, dia nihoatra ireo fefin’ny Lalàn’Andriamanitra i Davida. Nisy fanantenana anefa ny fahasitranany indray ara-panahy raha namindra fo taminy Andriamanitra, araka ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, na fitiavany tsy mivadika. Ny hamaroan’ny famindram-po nasehon’Andriamanitra tamin’ny lasa, dia nanome fototra ho an’ny finoan’ilay mpanjaka nibebaka, fa hamono ny fahadisoany ilay Mpanao azy.
11. Inona no hevitra fonosin’ireo sorona tamin’ny Andro Fanavotana, ary inona no takina mba hahazoana famonjena amin’izao andro izao?
11 Tamin’ny alalan’ny tandindona ara-paminaniana, izany hoe ireo sorona natao tamin’ny Andro Fanavotana, dia nampahafantarin’i Jehovah fa nanana fomba fanadiovana ny olona nibebaka tamin’ny fahotany izy. Fantatsika izao fa ny famindram-pony sy ny famelany heloka dia nitarina amintsika, miorina amin’ny finoantsika ny sorom-panavotana nomen’i Jesosy Kristy. Raha afaka natoky ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana sy ny famindram-pony i Davida, tamin’ny fitadidiana an-tsaina ny tandindon’izany sorona izany fotsiny, tsy vao mainka ve ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao tokony haneho finoana ny avotra nomena ho famonjena azy! — Romana 5:8; Hebreo 10:1.
12. Inona no atao hoe manota, ary nanao ahoana ny fahatsapan’i Davida ny ratsy nataony?
12 Tamin’ny fiangaviany an’Andriamanitra, dia nanampy teny toy izao i Davida: “Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.” (Salamo 51:2, 3). Ny hoe manota dia ny tsy fahatratrarana ny tarigetra raha ny amin’ireo fari-pitsipik’i Jehovah. Azo antoka fa nanao izany i Davida. Na dia izany aza, izy dia tsy sahala amin’ny mpamono olona iray, na mpijangajanga iray, izay tsy miraharaha ny faharatsiana nataony fa ory fotsiny noho ny fanasaziana azy na noho ny mety hahavoan’ny aretina azy. Noho izy tia an’i Jehovah, dia nankahala izay ratsy i Davida. (Salamo 97:10). Nahatsapa rikoriko tamin’ilay ota nataony mihitsy izy ary naniry ny hanadiovan’Andriamanitra azy tanteraka. Takatr’i Davida tsara ny fandikan-dalàna nataony ary nalahelo mafy izy noho ny namelany ny faniriany feno ota handresy azy. Teo anatrehany mandrakariva ny fahotany, satria tsy maivamaivana mihitsy ny feon’ny fieritreretana meloka ananan’ny olona iray matahotra an’Andriamanitra, raha tsy misy fibebahana sy fibabohana ary famelan-keloka avy amin’i Jehovah.
13. Nahoana i Davida no afaka niteny fa nanota tamin’Andriamanitra irery ihany izy?
13 Niaiky i Davida fa azon’i Jehovah ampamoahina ny tenany ka nilaza izy hoe: “Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, — mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.” (Salamo 51:4). Nandika ny lalàn’Andriamanitra i Davida, nanala baraka ny toerany tamin’ny naha-mpanjaka, ary “tena tsy nanaja an’i Jehovah”, nahatonga Azy hotsinìna. (2 Samoela 12:14, NW; Eksodosy 20:13, 14, 17). Ny fahotana nataon’i Davida dia fanaovan-dratsy koa tamin’ny mpiara-monina isiraelita sy tamin’ny mpikambana amin’ny fianakaviany, toy ny mpanao ratsy efa vita batisa amin’izao andro izao izay mahatonga alahelo na fahoriana ao amin’ny kongregasiona kristiana sy eo amin’ireo olon-tiany. Na dia fantatr’ilay mpanjaka nibebaka aza fa nanota tamin’ny olombelona namany, toa an’i Oria, izy, dia niaiky fa meloka bebe kokoa teo anatrehan’i Jehovah izy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 39:7-9.) Niaiky i Davida fa ho marina ny fitsaran’i Jehovah. (Romana 3:4). Mila manana izany fomba fijery izany ireo Kristiana izay nanao fahotana.
Toe-javatra manalefaka
14. Toe-javatra manalefaka inona avy no notononin’i Davida?
14 Na dia tsy nanandrana nanamarin-tena aza i Davida, dia niteny hoe: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5). Teraka nisy tsininy i Davida, ary nahatsapa fanaintainan’ny fiterahana ny reniny noho ny fahotana nolovana. (Genesisy 3:16; Romana 5:12). Ny teny nataony akory tsy midika hoe fahotana ny firaisan’ny mpivady araka ny tokony ho izy, sy ny fahatorontoronina, ary ny fahaterahana, satria Andriamanitra no nanao ny fanambadiana sy ny fiterahana. Tsy nanondro fahotana manokana nataon-dreniny koa i Davida. Notorontoronina tamin’ny ota izy satria ireo ray aman-dreniny dia mpanota toy ny olona tsy lavorary rehetra. — Joba 14:4.
15. Na dia mety hanisy fiheverana ireo toe-javatra manalefaka aza Andriamanitra, dia inona no tsy tokony hataontsika?
15 Raha nanota isika, dia afaka manonona, ao amin’ny vavaka amin’Andriamanitra, izay mety ho toe-javatra manalefaka nety ho nandray anjara tamin’ilay ratsy nataontsika. Kanefa aoka isika tsy hanova ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory ho fanalana tsiny ny fitondran-tena tsy mendrika. Ary aoka isika tsy hampiasa koa ny fahotana nolovana ho fanakonana hiafenana amin’ny andraikitsika amin’ny fahotantsika. (Joda 3, 4). Nanaiky ny andraikiny ho nanolokolo eritreritra naloto sy ho nanaiky ho resin’ny fakam-panahy i Davida. Aoka isika hivavaka mba tsy ho resin’ny fakam-panahy, ary aoka isika avy eo hanao zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany. — Matio 6:13.
Fiangaviana fanadiovana
16. Finaritra amin’ny toetra inona Andriamanitra, ary amin’ny ahoana izany no tokony hisy akony eo amin’ny fitondran-tenantsika?
16 Mety hiseho ho tsara sy be fandavan-tena ho an’Andriamanitra ny olona, kanefa Andriamanitra dia mijery ny ao ambadik’izay miseho ivelany, ary mahita izay ao anatin’izy ireo. Hoy i Davida: “Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao [Jehovah]; ary fahendrena [madio, NW ] ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy.” (Salamo 51:6). Meloka ho nampiasa lainga sy fitaka i Davida tamin’ny fitarihana tamim-pahakingana izay hahafaty an’i Oria sy tamin’ny fanandramana nanafina ireo zava-nisy momba ny naha-bevohoka an’i Batseba. Na dia izany aza, dia fantany fa finaritra amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana Andriamanitra. Izany dia tokony hisy akony tsara eo amin’ny fitondran-tenantsika, satria hanameloka antsika Andriamanitra raha toa isika ka be fitapitaka. (Ohabolana 3:32). Takatr’i Davida koa fa raha ataon’Andriamanitra izay ‘hahafantarany ny fahendrena madio’, amin’ny maha-mpanjaka nibebaka azy, dia ho afaka hanaraka ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy amin’ny andro sisa iainany.
17. Inona no dikan’ny hoe mivavaka mba ho voadio amin’ny hysopa?
17 Koa satria hitan’ilay mpanao salamo fa nila ny fanampian’Andriamanitra izy mba handresena ny fironany voaloton’ny ota, dia niangavy toy izao izy ho fanampin’izany: “Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka [“toy ny orampanala”].” (Salamo 51:7, fanamarihana ambany pejy). Ankoatra ny zavatra hafa, ny hysopa (angamba marjolaine, na Origanum maru), dia nampiasaina teo amin’ireo fombafombam-pidiovana ho an’ny olona voan’ny habokana taloha. (Levitikosy 14:2-7). Koa nety tsara ny nivavahan’i Davida mba ho voadio ho afaka amin’ny ota tamin’ny hysopa. Ny hevitra ny amin’ny fahadiovana dia nifandray koa tamin’ilay fiangaviany mba hosasan’i Jehovah mba hahatonga azy hadio tanteraka, ho fotsy kokoa noho ny orampanala izay tsy nanangona molaly na poti-javatra hafa. (Isaia 1:18). Raha misy amintsika izao enjehin’ny fieritreretany noho ny fanaovan-dratsy sasany, dia aoka isika hanam-pinoana fa, raha mitady ny famelan’Andriamanitra amim-pibebahana isika, dia afaka ny hanadio antsika izy, mifototra amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy.
Fitalahoana fiverenana indray ho toy teo aloha
18. Nanao ahoana ny toe-javatra nisy an’i Davida talohan’ny nibebahany sy nibabohany, ary amin’ny ahoana ny fahafantarana izany no afaka manampy amin’izao andro izao?
18 Na iza na iza Kristiana efa nijaly noho ny fieritreretana meloka dia afaka mahatakatra ny tenin’i Davida manao hoe: “Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho [Jehovah], hifalian’ny taolana izay voavakivakinao.” (Salamo 51:8). Talohan’ny nibebahan’i Davida sy nibabohany ny fahotany, dia nahatonga azy ho fadiranovana ny fieritreretany tsy nandry. Tsy nahita fahafinaretana izy na dia tamin’ny hiram-pifaliana sy faharavoravoana nataon’ireo mpihira nahay sy mpitendry zavamaneno nanan-talenta aza. Lehibe aoka izany ny fangirifiriana nahazo an’i Davida mpanota noho ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra, hany ka toy ny lehilahy iray nanan-taolana novakivakina tamim-panaintainana izy. Naniry mafy famelan-keloka sy fahasitranana indray ara-panahy, ary famerenana indray ilay fifaliana nananany teo aloha izy. Ny mpanao ratsy nibebaka iray amin’izao andro izao dia mila koa ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah mba hahazoany indray ilay fifaliana nananany talohan’ny nanaovany zavatra izay nahatandindomin-doza ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Ny fiverenan’ilay “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” indray amin’ny olona iray mibebaka, dia mampiseho fa namela azy i Jehovah ary tia azy. (1 Tesaloniana 1:6). Endre ny fampiononana entin’izany!
19. Ho nanao ahoana i Davida raha novonoin’Andriamanitra ny helony rehetra?
19 Fanampin’izany, dia nivavaka toy izao i Davida: “Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra.” (Salamo 51:9). Tsy azo antenaina ny hijeren’i Jehovah amim-pankasitrahana ny fahotana. Noho izany, dia nangatahina izy mba hanafina ny tavany tamin’ny fahotan’i Davida. Niangavy koa ilay mpanjaka ny hamonoan’Andriamanitra ny helony rehetra, hamongorany ny tsy fahamarinany rehetra. Raha mba nanao izany mantsy i Jehovah! Ho nanamaivana ny toe-pon’i Davida izany, ho nanaisotra ilay enta-mavesatry ny fieritreretana tsy nandry, ary ho namela ilay mpanjaka nibebaka hahafantatra fa nahazo ny famelan’ilay Andriamaniny be fitiavana izy.
Ahoana raha nanota ianao?
20. Inona no asaina hataon’ny Kristiana rehetra izay nanao fahotana lehibe?
20 Ny Sl 51 Salamo faha-51 dia mampiseho fa izay mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena rehetra nahavita fahotana lehibe kanefa mibebaka, dia afaka mangataka amim-patokiana mba hamindrany fo sy hanadiovany azy ho afaka amin’ny fahotany. Raha Kristiana nanao fahadisoana tamin’izany fomba izany ianao, nahoana raha mitady ny famelan-keloka avy amin’ny Raintsika any an-danitra amin’ny vavaka amim-panetren-tena? Ekeo ny ilanao ny fanampian’Andriamanitra mba hahazoanao sitraka eo imasony, ary angataho ny hamerenany indray ny fifalianao teo aloha. Ireo Kristiana mibebaka dia afaka manatona amim-patokiana an’i Jehovah amim-bavaka miaraka amin’ny fangatahana toy izany, satria “hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy”. (Isaia 55:7; Salamo 103:10-14). Mazava ho azy fa tokony hangatahina ny fanampian’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona mba hahafahan’izy ireo manome ny fanohanana ara-panahy ilaina. — Jakoba 5:13-15.
21. Inona no hodinihintsika amin’ny manaraka?
21 Tena mamonjy ny olony amin’ny famoizam-po ny famindram-pon’i Jehovah. Kanefa aoka isika handinika ireo fiangaviana feno fahatsorana hafa nataon’i Davida nibebaka, ao amin’ny Sl 51 Salamo faha-51. Hasehon’ny fianarantsika fa tsy manao tsinontsinona ny fo torotoro i Jehovah.
Ahoana no Havalinao?
◻ Mety hisy vokany inona eo amin’ny mpanompon’i Jehovah iray ny ota lehibe?
◻ Nisy akony inona teo amin’i Davida ny fanandramany nanafina ny fahotany?
◻ Nahoana i Davida no nilaza fa nanota tamin’Andriamanitra irery ihany izy?
◻ Na dia mety hanisy fiheverana ireo toe-javatra manalefaka aza Andriamanitra, dia inona no tsy tokony hataontsika?
◻ Inona no tokony hataon’ny Kristiana iray raha nanao fahotana lehibe izy?