Tsy Manao Tsinontsinona ny Fo Torotoro i Jehovah
“Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” — SALAMO 51:17.
1. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ireo mpivavaka aminy izay nanao ota lehibe kanefa mibebaka?
I JEHOVAH dia afaka ‘misaron-drahona, ka voasakana ny vavaka’. (Fitomaniana 3:44). Iriny anefa ny hahafahan’ny vahoakany manatona azy. Na dia rehefa manao fahadisoana lehibe aza ny iray amin’ireo mpivavaka aminy, kanefa mibebaka, dia mahatsiaro izay tsara nataon’izany olona izany ny Raintsika any an-danitra. Noho izany, dia afaka niteny tamin’ireo Kristiana namany toy izao ny apostoly Paoly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”. — Hebreo 6:10.
2, 3. Tokony hanisy fiheverana ny amin’inona ireo loholona kristiana rehefa mifampiraharaha amin’ny mpiray finoana izay nanao fahadisoana?
2 Ny loholona kristiana dia tokony hihevitra koa ireo taona lanin’ireo mpiray finoana aminy nanompoana tamim-pahatokiana an’Andriamanitra. Izany dia mahatafiditra ny fanompoana masina nataon’ireo olona mibebaka izay nanao fahadisoana na nanao fahotana lehibe mihitsy aza. Mitady izay hahasoa ara-panahy an’ireo rehetra ao anatin’ny andian’ondrin’Andriamanitra ireo mpiandry kristiana. — Galatiana 6:1, 2.
3 Mila ny famindram-pon’i Jehovah ny mpanao ratsy iray mibebaka. Na dia izany aza, dia bebe kokoa no takina. Voazava tsara izany, amin’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 51:10-19.
Ilaina ny fo madio
4. Nahoana i Davida no nangataka fo madio sy fanahy vaovao tao amin’ny vavaka?
4 Raha ao anatin’ny toe-piainana ratsy ara-panahy ny Kristiana vita fanoloran-tena iray noho ny ota, inona no mety hilainy ankoatra ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah? Niangavy toy izao i Davida: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary [asio fanahy vaovao ato anatiko, dia iray miorina tsara, NW ].” (Salamo 51:10). Toa nanao io fangatahana io i Davida noho izy nahatakatra fa mbola tao am-pony ihany ny fironana hanao fahotana lehibe. Mety tsy ho tafiditra amin’ireo karazam-pahotana namandrika an’i Davida tamin’i Batseba sy i Oria isika, kanefa dia ilaintsika ny fanampian’i Jehovah mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanana fitondran-tena misy fanaovana ota lehibe. Ankoatra izany, dia mety hila manokana ny fanampian’Andriamanitra isika mba hanesorana avy ao am-pontsika ireo toetoetra voamariky ny ota toy ny fitsiriritana sy ny fankahalana — heloka izay mifandray amin’ny fangalarana sy ny famonoana olona. — Kolosiana 3:5, 6, NW; 1 Jaona 3:15.
5. a) Inona no dikan’ny hoe manana fo madio? b) Inona no nirin’i Davida fony izy nangataka fanahy vaovao?
5 Takin’i Jehovah ny hananan’ny mpanompony “fo madio”, izany hoe, fahadiovan’ny antony manosika na ny fikasana. Noho izy nahatakatra fa tsy naneho izany fahadiovana izany, dia nivavaka i Davida mba hanadiovan’Andriamanitra ny fony ary mba hampifanarahany azy io amin’ireo fari-pitsik’Andriamanitra. Naniry fanahy, na fironana ara-tsaina vaovao sy mahitsy koa ilay mpanao salamo. Nila fanahy izay ho afaka hanampy azy hahatohitra fakam-panahy sy hifikitra mafy amin’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipik’i Jehovah, izy.
Zava-dehibe ny fanahy masina
6. Nahoana i Davida no nitalaho tamin’i Jehovah mba tsy hanaisotra ny fanahy masina taminy?
6 Rehefa ao anatin’ny famoizam-po noho ny fahadisoana na ny ratsy nataontsika isika, dia mety ho tsapantsika fa madiva hanary antsika sy hanaisotra amintsika ny fanahiny masina, na ny heriny miasa, Andriamanitra. Toy izany no tsapan’i Davida, satria nitalaho tamin’i Jehovah toy izao izy: “Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” (Salamo 51:11). Nanenina mafy sy nanetry tena i Davida ka nihevitra fa nahatonga azy ho tsy mendrika hanompo an’i Jehovah ny fahotany. Ny hoe ariana hiala eo anatrehan’Andriamanitra dia hidika hoe mamoy ny fankasitrahany sy ny fampiononany ary ny fitahiany. Raha te ho salama indray ara-panahy i Davida, dia nila ny fanahy masin’i Jehovah izy. Ny fitoeran’ny fanahy masina teo amin’ilay mpanjaka dia nahatonga azy ho afaka hitady ny fitarihan’Andriamanitra tamin’ny vavaka mba hahazoana sitraka aminy. Izany koa dia nahatonga azy ho afaka hanalavitra ny ota sy hanjaka tamim-pahendrena. Noho ny fahatakaran’i Davida ny ota nataony tamin’ilay Mpanome ny fanahy masina, dia nitalaho tamin’ny fomba mety tamin’i Jehovah izy mba tsy hanesorany izany taminy.
7. Nahoana isika no tokony hangataka amin’ny vavaka ny fanahy masina sy tokony hitandrina mba tsy hampalahelo azy io?
7 Ahoana ny amintsika? Tokony hangataka amin’ny vavaka ny fanahy masina isika, ary tsy maintsy mitandrina mba tsy hampalahelo azy io amin’ny tsy fanarahana ny fitarihany. (Lioka 11:13; Efesiana 4:30). Raha tsy izany, dia mety hamoy ny fanahy isika ka tsy ho afaka haneho ny vokany nomen’Andriamanitra, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy, ary ny fifehezan-tena. Hanaisotra indrindra ny fanahiny masina tsy ho eo amintsika i Jehovah Andriamanitra, raha manohy manota aminy tsy misy fibebahana isika.
Fifaliana amin’ny famonjena
8. Raha manota isika kanefa maniry hanana ny fifaliana amin’ny famonjena, inona no ilaintsika hatao?
8 Ny mpanota nibebaka iray izay nihasalama ara-panahy indray dia afaka mifaly amin’ny fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah. Noho izy naniry mafy izany, dia nangataka toy izao tamin’Andriamanitra i Davida: “Ampodio amiko ny fifaliana amin’ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto [“vonona”, NW ] aho.” (Salamo 51:12). Nahatalanjona toy inona moa ny fifaliana tamin’ilay fanantenam-pamonjena azo antoka avy amin’i Jehovah Andriamanitra! (Salamo 3:8). Rehefa avy nanota tamin’Andriamanitra i Davida, dia nitady fiverenan’ilay fifaliana amin’ny famonjen’i Jehovah. Tatỳ aoriana, dia nanome famonjena tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany, i Jehovah. Amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena antsika, raha manao fahotana lehibe isika, kanefa maniry ny hiverenan’ilay fifaliana amin’ny famonjena amintsika, dia ilaintsika ny manana fihetsika feno fibebahana ary tsy tokony hataontsika ho tonga hatrany amin’ny fanotana amin’ny fanahy masina ny fahotantsika. — Matio 12:31, 32; Hebreo 6:4-6.
9. Inona no nangatahin’i Davida fony izy nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanohana azy amin’ny “fanahy mazoto”?
9 Nangatahin’i Davida ny mba hanohanan’i Jehovah azy amin’ny “fanahy mazoto”. Izany dia toa tsy manondro ny fahazotoan’Andriamanitra hanampy na ny an’ny fanahiny masina, fa manondro kosa ny fironana ara-tsaina nanosika an’i Davida. Nirin’i Davida ny hanohanan’Andriamanitra azy tamin’ny fanomezana azy fanahy mazoto mba hanao izay mahitsy, ary mba tsy ho lavo indray tao anatin’ny ota. Manohana tsy an-kijanona ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra sady mampitraka ireo izay mitanondrika noho ny fitsapana isan-karazany. (Salamo 145:14). Fampiononana toy inona moa ny mahatakatra izany, indrindra rehefa nanao fahadisoana isika kanefa manenina mafy ary maniry ny hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana amin’ny hoavy!
Hampianatra inona amin’ny mpandika lalàna?
10, 11. a) Inona no azon’i Davida nampianarina ireo mpandika lalàna isiraelita? b) Tsy afaka nampianatra ireo mpanota i Davida raha tsy avy nanao inona aloha ny tenany?
10 Raha namela izany Andriamanitra, dia naniry hanao zavatra tsy nisy fitiavan-tena i Davida, dia zavatra izay ho nampiseho ny fankasitrahany ny famindram-pon’i Jehovah sy ho nanampy ny hafa. Tamim-pihetseham-po feno fitiavam-bavaka ho an’i Jehovah, dia nanao izao fanambarana izao avy eo ilay mpanjaka nibebaka: “Dia hampianatra ny olon-diso [“mpandika lalàna”, NW ] ny làlanao aho; [mba hiverenan’ny mpanota avy hatrany aminao, NW ].” (Salamo 51:13). Ahoana no ahafahan’i Davida izay voapentin’ny ota hampianatra ireo mpandika ny Lalàn’i Jehovah? Inona no azony nambara tamin’izy ireo? Inona ny soa azon’izany notanterahina?
11 Rehefa nampiseho ny lalan’i Jehovah tamin’ireo mpandika lalàna isiraelita i Davida, tamin’ny fanantenana ny hampiala azy ireo tamin’ny lalan-dratsy, dia afaka nanazava ny maha-ratsy ny ota, sy ny atao hoe fibebahana, ary ny fomba hahazoana ny famindram-pon’Andriamanitra. Noho izy nahatsapa ny fangirifirin’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah sy ny fieritreretana meloka, dia tsy isalasalana fa mpampianatra be indrafo ho an’ireo mpanota nibebaka sy torotoro fo i Davida. Mazava ho azy fa tsy afaka nampiasa ny ohatry ny tenany mba hampianarana ny hafa izy, raha tsy efa nanaiky ireo fitsipik’i Jehovah aloha ka nahazo ny famelan-keloka avy any Aminy, satria tsy manana zo ‘hitory ny lalàn’Andriamanitra’ ireo tsy mety manaraka izay takin’Andriamanitra. — Salamo 50:16, 17.
12. Ahoana no nandraisan’i Davida soa avy tamin’ny fahafantarana fa nanavotra azy tamin’ny valin-dra Andriamanitra?
12 Rehefa namerina ny fikasany tamin’ny endriny hafa i Davida, dia nilaza hoe: “Vonjeo ho afaka amin’ny valin-dra aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.” (Salamo 51:14). Ny valin-dra dia mitondra fanamelohana ho faty. (Genesisy 9:5, 6). Koa nanome fiadanam-po sy fiadanan-tsaina ho an’i Davida ny fahafantarana fa namonjy azy tamin’ny valin-dra nahakasika an’i Oria ilay Andriamanitry ny famonjena azy. Tamin’izay ny lelany dia afaka nihira tamim-pifaliana ny fahamarinan’Andriamanitra, fa tsy ny an’ny tenany. (Mpitoriteny 7:20; Romana 3:10). Tsy afaka nanafoana ny fahalotoam-pitondran-tena nataony i Davida, na namerina an’i Oria avy tany am-pasana, toy ny tsy ahafahan’ny olona amin’izao andro izao mamerina ny maha-virjiny ny olona iray avy nofitahiny mba hanana firaisana taminy, na hanangana olona iray efa novonoiny ho faty. Moa ve isika tsy tokony hieritreritra ny amin’izany rehefa alaim-panahy? Ary toy inona moa no tokony ho fankasitrahantsika ny famindram-pon’i Jehovah amintsika amim-pahamarinana! Raha ny marina, ny fankasitrahana dia tokony hanosika antsika hitarika ny hafa ho amin’io Loharanon’ny fahamarinana sy ny famelan-keloka io.
13. Ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana ihany ny mpanota iray vao afaka manokatra ny molony araka ny tokony ho izy mba hiderana an’i Jehovah?
13 Tsy misy mpanota afaka manokatra ny molony araka ny tokony ho izy mba hiderana an’i Jehovah raha tsy manokatra izany amim-pamindram-po Andriamanitra mba hilazany ny fahamarinany, raha azo atao ny milaza izany. Noho izany, dia nihira toy izao i Davida: “[Jehovah, NW ] ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.” (Salamo 51:15). Noho ny fieritreretany maivamaivana vokatry ny famelan’Andriamanitra, dia voatosika hampianatra ny lalan’i Jehovah tamin’ireo mpandika lalàna i Davida, sady afaka nidera Azy tamin-kalalahana. Izay rehetra voavela heloka sahala amin’i Davida, dia tokony hankasitraka ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory nasehon’i Jehovah taminy, ary tokony hanararaotra ny fahafahana rehetra izy ireo mba hanambarana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ‘hanambarana ny fiderana Azy’. — Salamo 43:3.
Fanatitra azon’Andriamanitra ekena
14. a) Fanatitra inona avy no notakina araka ny faneken’ny Lalàna? b) Nahoana no ho fahadisoana ny hieritreretana fa afaka manonitra ny fanohizana manao ratsy isika amin’ny fanaovana zavatra tsara sasany?
14 Nahazo fahatakaran-javatra lalina izay nahatonga azy hiteny toy izao i Davida: “Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany, dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.” (Salamo 51:16). Nitaky ny hanolorana fanatitra biby ho an’Andriamanitra ny faneken’ny Lalàna. Tsy azo nonerana tamin’ny fanatitra toy izany anefa ny fahotan’i Davida, dia fijangajangana sy famonoana olona izay mendrika ny fanasaziana ho faty. Raha tsy izany, dia tsy ho nitsitsy vola aman-karena izy mba hanolorana fanatitra biby ho an’i Jehovah. Raha tsy misy fibebahana amim-pahatsorana, dia tsy misy vidiny ireo fanatitra. Ho fahadisoana àry ny fieritreretana fa afaka manonitra ny fanaovan-dratsy mitohy isika amin’ny fanaovana zavatra tsara sasany.
15. Ahoana no fihetsiky ny olona iray vita fanoloran-tena ka manana fanahy torotoro?
15 Nanampy teny toy izao i Davida: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:17). Ho an’ny mpanota iray mibebaka, ‘ny fanatitra azon’Andriamanitra ekena dia ny fanahy torotoro’. Tsy manana fihetsika tia ady ny olona toy izany. Ho an’ny olona iray vita fanoloran-tena manana fanahy torotoro, ny fony dia malahelo mafy noho ny fahotany, nietry noho ny fahatsapany ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra, ary vonona ny hanao na inona na inona mba hahazoana sitraka indray amin’Andriamanitra. Tsy afaka manolotra na inona na inona misy vidiny ho an’Andriamanitra isika mandra-pibebatsika amin’ny fahotantsika ka hanolorantsika azy ny fontsika amin’ny fifikirana aminy irery ihany. — Nahoma 1:2.
16. Ahoana no fijerin’Andriamanitra ny olona iray manana fo torotoro noho ny fahotany?
16 Tsy mandà ny fanatitra toy ny fo torotoro sy mangorakoraka Andriamanitra. Noho izany, na dia eo aza izay mety ho fahasahiranana hitantsika amin’ny maha-vahoakany antsika, dia aoka isika tsy hamoy fo. Raha toa isika ka tafintohina teo amin’ny lalan’ny fiainana, tamin’ny fomba sasany izay nahatonga ny fontsika hiantsoantso ny famindram-pon’Andriamanitra, dia tsy hoe tsy misy fanantenana intsony akory ny tarehin-javatra. Na dia nanao ota lehibe aza isika, kanefa mibebaka, dia tsy hanilika ny fontsika torotoro i Jehovah. Hamela ny helotsika miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy izy, ary hamerina antsika ho ao amin’ny fankasitrahany indray. (Isaia 57:15; Hebreo 4:16; 1 Jaona 2:1). Sahala amin’i Davida anefa, ny vavaka ataontsika dia tokony ho amin’ny fiverenan’ny fankasitrahan’Andriamanitra fa tsy ho amin’ny fandosirana fananarana sy fanitsiana ilaina akory. Namela ny helok’i Davida Andriamanitra, kanefa dia nanafay azy koa izy. — 2 Samoela 12:11-14.
Fiahiana ny fanompoam-pivavahana madio
17. Ankoatra ny fitalahoana famelan-keloka amin’Andriamanitra, inona no tokony hataon’ireo mpanota?
17 Raha nahavita fahotana lehibe sasany isika, dia azo inoana fa hitambesatra mafy amin’ny saintsika izany, ary ny fo iray manenina mafy dia hanosika antsika hitalaho ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia aoka isika hivavaka koa ho an’ny hafa. Na dia nanantena ny hanolotra indray fanompoam-pivavahana azo nekena ho an’Andriamanitra aza i Davida, ny salamo nataony dia tsy nanilika tamim-pitiavan-tena ny hafa ho any ivelany. Io salamo io dia nahatafiditra fiangaviana toy izao: “Manaova soa amin’i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny màndan’i Jerosalema.” — Salamo 51:18.
18. Nahoana no nivavaka ho an’i Ziona i Davida izay nibebaka?
18 Eny, nanantena ny fiverenany indray tamin’ny fankasitrahan’Andriamanitra i Davida. Kanefa dia vavaka feno fanetren-tena nataon’ilay mpanao salamo koa ny hoe ‘araka ny fahasoavany, Andriamanitra dia hanao soa ho an’i Ziona’, ilay renivohitr’Isiraely, dia i Jerosalema izay nokasain’i Davida hanorenana ny tempolin’Andriamanitra. Nahatandindomin-doza ilay firenena iray manontolo ny fahotana lehibe nataon’i Davida satria nety ho nijaly ny olona rehetra noho ny ratsy nataon’ny mpanjaka. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela, toko faha-24.) Raha ny marina, ny fahotany dia nampahalemy “ny màndan’i Jerosalema” hany ka nila ny hamboarina indray izy io izao.
19. Raha nanota isika kanefa voavela heloka, dia mety ny mivavaka ny amin’inona?
19 Raha nanao fahotana lehibe isika, kanefa nahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, dia mety ny hivavahana mba hanamboarany izay fahasimbana rehetra nentin’ny fitondran-tenantsika. Mety ho nahafa-baraka ny anarany masina isika, mety ho nampahosa ny kongregasiona, ary mety ho nitondra fahoriana ho an’ny fianakaviantsika. Afaka manaisotra izay fahafaham-baraka rehetra natao tamin’ny anarany ny Raintsika be fitiavana any an-danitra, afaka mampahery ny kongregasiona amin’ny alalan’ny fanahiny masina izy, ary afaka mampionona ny fon’ireo olo-malalantsika izay tia sy manompo azy. Na misy ota tafiditra, na tsia, dia mazava ho azy fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy izay mahasoa ny vahoakany no tokony hahintsika mandrakariva. — Matio 6:9.
20. Tao anatin’ny toe-javatra inona i Jehovah no nifaly tamin’ireo fanatitra nataon’ny Isiraely?
20 Raha nanamboatra indray ny mandan’i Ziona i Jehovah, dia inona koa no hitranga? Nihira toy izao i Davida: “Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra [manontolo, NW ]; dia hanatitra vantotr’ombilahy eo amin’ny alitaranao ny olona.” (Salamo 51:19). Nirin’i Davida tamim-pahatsorana ny hananany, dia izy sy ilay firenena, ny fankasitrahan’i Jehovah mba hahafahany hanompo Azy tamin’ny fomba azo nekena. Amin’izay Andriamanitra dia ho faly amin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra manontolo nataon’izy ireo. Izany no izy, satria ireny dia ho fanati-pahamarinana natolotry ny olona vita fanoloran-tena, sy feno fahatsorana ary nibebaka, izay nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Noho ny fankasitrahan’izy ireo ny famindram-pon’i Jehovah, dia hanatitra vantotr’ombilahy — fanatitra tsara indrindra sy lafo indrindra — eo amin’ny alitarany izy ireo. Amin’izao andro izao, dia manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny fitondrana any aminy izay tsara indrindra ananantsika. Ary ny fanatitra atolotsika dia mahafaoka ‘vantotr’ombilahin’ny molotsika’, dia fanati-piderana ho an’ilay Andriamanitsika be famindram-po, dia i Jehovah. — Hosea 14:3, fanamarihana ambany pejy; Hebreo 13:15.
Mandre ny antsoantsontsika i Jehovah
21, 22. Inona avy no fianarana raketin’ny Salamo faha-51 izay andraisantsika soa?
21 Ny vavaka feno fahatsorana nataon’i Davida voarakitra ao amin’ny Salamo faha-51 dia mampiseho amintsika fa tokony hanana toe-tsaina mibebaka marina isika eo anatrehan’ny fahotantsika. Io salamo io koa dia mirakitra fianarana voafaritra tsara izay andraisantsika soa. Ohatra, raha manota isika kanefa mibebaka, dia afaka mitoky amin’ny famindram-pon’Andriamanitra. Kanefa aoka isika hiahy voalohany indrindra ny amin’izay fahafaham-baraka mety ho nentintsika ho an’ny anaran’i Jehovah. (Andininy 1-4). Sahala amin’i Davida, dia afaka mitalaho famindram-po amin’ilay Raintsika any an-danitra isika miorina amin’ny fananantsika ota nolovana. (Andininy faha-5). Tokony ho marina isika, ary ilaintsika ny mitady ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. (Andininy faha-6). Raha nanota isika, dia tokony hitalaho fanadiovana sy fo madio ary fanahy mazoto amin’i Jehovah. — Andininy faha-7-10.
22 Avy amin’ny Salamo faha-51, dia afaka mahita koa isika fa tsy tokony havelantsika na oviana na oviana ny tenantsika hanjary hikiry ao amin’ny ota. Raha manao izany isika, dia hanaisotra amintsika ny fanahiny masina, na hery miasa, i Jehovah. Ny fananana ny fanahin’i Jehovah eo amintsika anefa, dia mahatonga antsika ho afaka hampianatra amim-pahombiazana ny lalany amin’ny hafa. (Andininy faha-11-13). Raha manao fahadisoana isika kanefa mibebaka, dia hamela antsika hanohy hidera azy i Jehovah, satria tsy manao tsinontsinona ny fo torotoro sy mangorakoraka mihitsy izy. (Andininy faha-14-17). Asehon’io salamo io, ankoatra izany, fa ny vavaka ataontsika dia tsy tokony hifantoka amin’ny tenantsika fotsiny. Tokony hivavaka isika ho an’ny fitahiana sy ho an’izay mahasoa ara-panahy an’ireo manao fanompoam-pivavahana madio ho an’i Jehovah rehetra. — Andininy faha-18, 19.
23. Nahoana ny Salamo faha-51 no tokony hanosika antsika ho be herim-po sy hahay hijery lafy tsaran-javatra?
23 Io salamo manohina ny fo nataon’i Davida io dia tokony hanosika antsika ho be herim-po sy hahay hijery lafy tsaran-javatra. Izy io dia manampy antsika hahatakatra fa tsy voatery hihevitra isika hoe tsy misy fanantenana intsony raha lavo ao amin’ny ota isika. Nahoana? Satria raha mibebaka isika, dia afaka mamonjy antsika amin’ny famoizam-po ny famindram-pon’i Jehovah. Raha manenina mafy sy manolo-tena tanteraka ho an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, dia handre ny antsoantsontsika mitady famindram-po izy. Ary fampiononana toy inona moa ny mahafantatra fa tsy manao tsinontsinona ny fo torotoro i Jehovah!
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny Kristiana no mila fo madio sy fanahy masin’Andriamanitra?
◻ Inona no azon’ny olona mibebaka iray ampianarina ireo mpandika ny lalàn’i Jehovah?
◻ Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fo torotoro sy mangorakoraka?
◻ Fianarana inona avy no hita ao amin’ny Salamo faha-51?
[Sary, pejy 15]
Mivavaka mba hahazoana ny fanahy masina sy mitandrina mba tsy hampalahelo azy ve ianao?
[Sary, pejy 17]
Manehoa fankasitrahana ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, amin’ny fanambarana ny fahamarinany