Antomotra ny faran’ny heloka bevava!
IREO olona anankinana famotopotorana manokana dia mikaroka ny mpanao heloka bevava amin’ny fandinihana famantarana heverina fa hahalalana ny maha-izy azy sy ny antony nanosika azy. Ny fomba fanao sy ny fomba fiasan’ilay mpanao famotopotorana dia manome foto-kevitra ho an’ny tantara noforonina maro fantatra maneran-tany. Na dia mety hahomby amin’ny fampiharihariana ilay olo-meloka aza ilay mpanao famotopotorana amin’ny farany, matetika ny asany no manomboka aorian’ny fanaovana ilay ratsy, rehefa vita ilay heloka.
Araka ny asehon’ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava, raha iray ny mpanao heloka voasambotra, olona maro hafa no manolo-tena ho amin’ny heloka bevava. Noho izany, raha tiana ho foana io loza io, dia tokony hanao mihoatra noho ny mikaroka ny mpanao asa ratsy efa vita. Noho ny inona no hisakanana ny olona tsy ho tonga mpanao heloka bevava?
Ny heloka bevava dia raharaha momba ny fitondrantena. Tsy sarotra amintsika ny hiaiky fa ny famonoana olona, ny fisavihana sy ny asa feno herisetra hafa dia heloka bevava avokoa. Ahoana anefa no fiheverantsika ny fanovana ny filazana momba ny hetra? Izany koa dia asa fandikan-dalàna satria mifanohitra amin’ny fitsipika ara-pitondrantenan’ny fanaovana ny marina. Ny famongorana ny heloka bevava dia tokony handalo amin’ny fanafoanana ny asa rehetra izay mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena tena lehibe.
Andeha hodinihintsika ny ohatra telo ao amin’ny Baiboly izay mampisongadina, tsy ny antony mahatonga ny heloka ihany, fa ny fomba hanafoanana azy koa.
Tahotra an’Andriamanitra mifanohitra amin’ny faniriana
Hevero ireto tenin’i Asafa mpanao salamo ireto: “Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 73:3). Eny tokoa, ny fitsiriritana ny fahombiazana sy ny fomba fiainan’ny ratsy fanahy no matetika manosika olona maro hanaraka fanao mifanohitra amin’ny lalàna. Tsy mamporisika hankahala izay ratsy ny televisiona sy ny gazety fa manova ny heloka bevava ho azo ekena kokoa amin’ny fanaronana azy amin’ny loko manjelatra mahasodoka.
Na dia izany aza, ny mpanao Ohabolana, nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra dia manome izao fampirisihana izao: “Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro.” Araka izany, dia ao amin’ny antony manosika sy ny fanirian’ny olona ihany no mamaka ny zava-manahirana. Ny fomba mandaitra indrindra hifehezana izany dia ny fambolena tahotra ny tsy hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra mampiseho fitiavam-pivavahana. “Fa raha mbola hisy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao.” — Ohabolana 23:17, 18.
Finoana mifanohitra amin’ny fitiavan-karena fatratra
Tamin’ny fahavaratra tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia namakivaky ny tanànan’i Jeriko i Jesosy. Tao no nonenan’i Zakaiosy, lehilahy izay soritan’i Lioka evanjelistra ho “lehiben’ny mpamory hetra”, sady nolazainy mazava fa “nanan-karena”. Ny mahalonaka ny manodidina an’i Jeriko dia nahatonga azy ho faritra tena tsara ho amin’ny famorian-ketra ary, araka ny nambaran’ny tenan’i Zakaiosy mihitsy, ny asany tamin’ny naha-mpamory hetra dia nanome azy fahafahana maro hanao fanambakana. Tsy nijanona ho mpandika lalàna foana anefa io lehilahy io. — Lioka 19:1-8.
Nihazakazaka sy naka toerana nialoha ny vahoaka nifanety nanodidina an’i Jesosy i Zakaiosy ary, satria fohy izy, dia nifidy toerana nety tsara teny ambonin’ny aviavy iray. Nahamarika azy i Jesosy ary nangataka azy mba hidina, sady nilaza taminy fa hitoetra ao an-tranony izy mandritra ny fivahiniany tao Jeriko. Tatỳ aoriana dia nahariharin’i Zakaiosy fa niova izy, satria izao no nolazainy: ‘Ny antsasaky ny fananako dia omeko ho an’ny malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avo efatra heny izany.’ Handaniany vola be ny fanonerana ny vola nalainy an-keriny. Tamin’ny fampanantenany fa hanao izany dia nampiseho ny finoany an’i Jesosy àry i Zakaiosy. Eny tokoa, nitondra vokatra azo tsapain-tanana ny fiovan’ny toe-tsainy: namerina izay nalainy tsy ara-dalàna i Zakaiosy sady mbola nampiany avo telo heny, izany hoe nanonitra avo efatra heny izy. Tamin’izany no nanonerany ny fahadisoana nataony, ary nanaovany mihoatra lavitra noho izany aza, mba hanaporofoana fa tena feno fahatsorana ny fiovana nataony. — 2 Korintiana 7:11.
Fiheverana kokoa ny olona noho ny fananana
Nanambara toy izao ny amin’i Jesosy Kristy izay nomelohina i Pilato governora romana: “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.” (Lioka 23:4). Tsy nampiasa heloka bevava mba hahazoana fananana i Jesosy fa nampiseho fiheverana feno fitiavana ny olona nandritra ny fanompoany manontolo teto an-tany. “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy izy tamin’ny mpianany: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:36-38). Mazava fa naneho fiheverana kokoa ny olona noho ny fananana i Jesosy ary nihoatra noho ny zavatra nampiadana azy manokana na ny tombontsoany koa aza. Porofon’izany ny fahadodonany hikarakara ny mpianatra sy ny vahoaka izay nitady fanampiana sy fampianarana avy aminy (Matio 8:20; 14:13-16). Namela ohatra tokony harahintsika i Jesosy tamin’izany. — 1 Petera 2:21.
Azo atao ve ankehitriny ny manaraka io ohatra io, ny mihevitra ny olona hafa ho sarobidy kokoa noho ny fananana ara-nofo? Azo atao ny mamaly hoe eny. Ampy fotsiny ny mandinika ireo Vavolombelon’i Jehovah, izay efa maherin’ny 3 250 000 izao. Miezaka hanana ny toe-tsain’i Kristy sy haneho izany amin’ny fomba miharihary izy ireo. Miasa lalandava izy ireo mba hanaisotra ao am-pony ny faniriana ratsy izay mitarika olon-kafa maro ho amin’ny heloka bevava. Tohina ny fony rehefa nianatra ny Baiboly ary namboly fitiavana an’Andriamanitra izy. Nahatsiaro tena ho voatosika hanonitra ny fahadisoana nataony àry izy ireo. Tsy nanao toy izany mba hiresahana ny aminy izy, fa mba hananana fifandraisana milamina amin’i Jehovah ary, amin’izay fomba izay dia handray soa amin’ny fahasoavana ho an’izay tsy mendrika akory izay nasehony tamin’ny fanolorana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. — 1 Korintiana 2:16; 6:11; 2 Korintiana 5:18-20.
Noho ny fitiavany ny namany, ireny kristiana ireny dia maka fotoana hitsidihana ny hafa mba hanazavana aminy ny hoe noho ny inona no mety hanantenany, izy sy ny ankohonany, hiaina ao amin’ny Paradisa eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Isan-kerinandro dia manao fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakanany ny Vavolombelon’i Jehovah. Indray andro dia nanaiky fanasana hijery ny toetoetran’ireny fivoriana ireny ny tenan’ny mpangalatra iray. Nanazava toy izao izy: “Gaga ihany aho. Sady tsy nanorisory no tsy nanasatra araka ny nahiko ilay izy. Ny fitiavana izay nasehon’ny olona tonga tao dia niharihary tokoa fa feno fahatsorana. Ankoatr’izany, ny fahalianany ny amin’ny zavatra ara-panahy dia tsy toy ny fahita.” Tohina aoka izany io lehilahy io hany ka nanohy nanatrika ireo fivoriana izy ary izany dia nanampy azy hiova. Na nanao heloka bevava ianao na tsia, amin’ny fifaneraseranao amin’ny mpanompon’Andriamanitra dia hahatsapa ianao, toy io mpangalatra teo aloha io, fa tena mihevitra ny olona izy ireo fa tsy ny fananany. — Matio 22:39.
Efa foana ve ny heloka bevava?
Raha misy olona tsy mitondra tena toy ny mpanao heloka bevava intsony, azo tsoahina avy amin’izany ve fa tanteraka izy? Tsia dia tsia tokoa! Sahala amin’ny olona rehetra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandova ota avy tamin’ilay lehilahy voalohany, dia i Adama (Romana 5:12; 1 Jaona 1:8). Kanefa manomboka hatreo izy ireo dia tafaray ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, izany dia asehon’ny asa fitoriany sy fampianarany maneran-tany, vavolombelona maherin’ny fahatanterahan’ity faminanian’i Isaia ity: “Ary izao no ho tonga any am-parany; ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra (...); Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” (Isaia 2:2). Ary mitanjozotra mankamin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah tokoa ny olona an-tapitrisany maro, amin’ny faniriana ny hampianarina ao amin’ny lalany. Afaka mandray soa amin’izany fampianarana izany ianao, miaraka amin’ny olona izay manalavitra ny heloka bevava.
Ny fanafoanana ny heloka bevava: zavatra tena izy tsy ho ela
Ny fitomboan’ny heloka bevava amin’izao androntsika izao dia manambara tokoa ny fandraisan’Andriamanitra anjara tsy ho ela ka hanafoanany ny ratsy fanahy rehetra, anisan’izany ny mpanao heloka bevava. “Fa ny mpanao ratsy hofongorana (...). Fa rehefa afaka kelikely dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao fa tsy ho hita izy.” (Salamo 37:9, 10). Efa tena antomotra tokoa izao ny faran’ny heloka bevava, satria isika dia tonga eo amin’ny fotoana izay hamatorana sy hanipazana ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa an’ilay mpanao heloka bevava voalohany, dia i Satana Devoly (Apokalypsy 20:1-3). Fifaliana toy inona no tsy maintsy ho tsapantsika amin’ny fahafantarana fa ny tahotra ny heloka bevava sy ny fijalian’ireo niharan-doza dia ho anisan’ny zavatra taloha tsy ho ela intsony izao!
Kanefa, ahoana ny amin’ireo olona an-tapitrisany maro izay haverin’ny fananganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana eto an-tany (Asa. 24:15)? Raha mikiry mihazona ny maha-izy azy sy ny fomba fiasa nananany talohan’ny nahafatesany izy, moa ve izy tsy hampipoitra onjan-keloka bevava vaovao? Tsy misy tokony hampanahy ny amin’izany. Nampanantena fitsanganana amin’ny maty ny mpangalatra iray tokoa i Jesosy, raha nilaza hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hihaona amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, MN ). Izany no mampiseho marina tokoa fa hanana fiovana hatao ireo hatsangana amin’ny maty; raha tsy izany dia tsy ho paradisa ny izao tontolo izao vaovao.
Mila fahazarana indray ny mpanao heloka bevava mafy hatoka iray alohan’ny hahafahany hiditra indray ao amin’ny fiaraha-monina ka tsy hiteraka zava-manahirana, dia toy izany koa, ny fandaharam-pampianarana lehibe iray dia hanampy ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho tonga mpankatò lalàna (Apokalypsy 20:12, 13). Ankoatra ny tombontsoa tsy azo iadian-kevitra ny ho voahodidin’ny mponin’ny Paradisa izay hankatò ny lalàn’Andriamanitra, ireo hatsangana amin’ny maty dia hiaina ao anatin’ny toe-piainana ara-bola tonga lafatra (Isaia 65:21-23). Hisy mpanapaka marina hapetraka amin’ny toerany, ary izay mpanao meloka rehetra tsy mety mibebaka dia ho voaheloka ho faty (Isaia 32:1; 65:20). Tena manana antony tokony hinoana àry isika fa hifarana ny heloka bevava rehefa ela ny ela.
Na dia mbola miaina foana ao amin’izao tontolo izao voamariky ny heloka bevava aza isika dia afaka matoky tanteraka an’i Jehovah, izay mampanantena fa hamaly soa ny mpanompony mahatoky amin’ny fiainana tanteraka ao amin’ny Paradisa ianao. Ataovy izany dieny ankehitriny, amin’ny fanekena izay atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah anao: fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano (Jaona 17:3). Rehefa mihaona amin’izy ireny ianao amin’ny manaraka, nahoana no tsy manontany azy momba ny lafiny hafa amin’ilay raharaha? Na koa, manorata any amin’ny adiresy iray akaiky indrindra ny fonenanao izay ho hitanao miaraka amin’ireo maro hafa eo amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity. Aoka ho azonao antoka fa mendrika ny fiezahana izany, satria efa antomotra ny faran’ny heloka bevava!
[Sary, pejy 5]
Natosiky ny finoany i Zakaiosy ka namerina izay nalainy an-keriny.
[Sary, pejy 7]
Ny fandaharam-pampianarana iray dia hampianatra ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ho tonga mpankatò lalàna.