Maniry Mafy Hanompo Amin’ny Fomba Feno Kokoa ve Ianao?
“TEZITRA tamin’i Jehovah aho”, hoy i Laura. “Nivavaka aho, ka nivavaka, mba hanampiany anay handamina ny fahasahirananay ara-bola mba hahafahako hanohy ny asan’ny mpisava lalana — fa ehe! Tsy nisy vokany. Farany dia voatery niala tamin’ny laharan’ny mpisava lalana aho. Tsy maintsy miaiky koa aho fa nialona ireo izay afaka nanohy aho.”
Hevero koa izay nanjo an’i Michael, mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka handroso ho amin’ny toeran’ny mpiandraikitra izy. (1 Timoty 3:1, NW ). Rehefa tsy tanteraka nandritra ny taona maromaro ny faniriany mafy, dia nanjary sosotra aoka izany izy ka tsy niriny intsony ny hodinihina ho amin’ilay tombontsoa. “Tsy tantiko tsotra izao ny fahoriana hoentin’ny fahadisoam-panantenana indray”, hoy izy.
Efa niaina zavatra mitovy amin’izany ve ianao? Efa voatery namoy tombontsoa teokratika iray maminao ve ianao? Ohatra, moa ve ianao efa voatery nitsahatra tsy nanompo tamin’ny naha-mpisava lalana, na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro? Sa ianao maniry mafy hahazo andraikitra sasany ao amin’ny kongregasiona izay nankinina tamin’ny hafa? Mety haniry fatratra hanompo ao amin’ny Betela na amin’ny maha-misionera mihitsy aza ianao, saingy tsy mamela anao hanao izany ny toe-javatra misy anao.
“Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo”, hoy ny fieken’ny bokin’ny Ohabolana. (Ohabolana 13:12). Mety ho izany indrindra no izy, rehefa ny hafa no mahazo ilay tombontsoa nantenainao iny indrindra. Manome fahatakarana hevi-dalina sy fampiononana ary fanantenana ho an’izay mandalo fahadisoam-panantenana toy izany ve ny Tenin’Andriamanitra? Eny, manome izany izy. Raha ny marina, ny Salamo faha-84 dia milaza ny fihetseham-pon’ny mpanompon’i Jehovah iray izay nanam-paniriana tsy tanteraka mitovy amin’izany mahakasika ny fanompoana an’i Jehovah.
Fankasitrahan’ny Levita iray
Ireo nanao ny Salamo faha-84 dia ny zanakalahin’i Kora, Levita izay nanompo tao amin’ny tempolin’i Jehovah sady nihevitra ho sarobidy ireo tombontsoam-panompoany. “Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ny maro, ô!”, hoy ny fihiakan’ny iray tamin’izy ireo. “Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona.” — Salamo 84:1, 2.
Mafy aoka izany ny fanirian’ilay Levita hanompo tao amin’ny tempolin’i Jehovah, hany ka taminy, na dia ireo faritra taza-maso nahazatra teny an-dalana hankany Jerosalema aza, dia toa nanintona. “Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy”, hoy izy, “dia ataony misy loharano izany”. (Salamo 84:6). Eny, toy ny faritra iray voatondraka tsara ny toerana iray maina amin’ny andavanandro.
Noho ilay mpanao salamo Levita tsy isan’ny mpisorona, dia tsy afaka nanompo tao amin’ny tempoly afa-tsy herinandro iray isaky ny enim-bolana, izy. (1 Tantara 24:1-19; 2 Tantara 23:8; Lioka 1:5, 8, 9). Ny sisa tamin’ny fotoanany dia lany tany an-trano, tany amin’ny iray amin’ireo tanànan’ny Levita. Noho izany, dia nihira toy izao izy: “Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany, dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ny maro, ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.” (Salamo 84:3). Toy inona moa ny hafalian’ilay Levita raha mba toy ny vorona izy ka nanana toerana ipetrahana maharitra kokoa tao amin’ny tempoly!
Ho mora tamin’ilay Levita ny hanaiky ho resin’ny fahasosorana noho izy tsy afaka nanompo matetika kokoa tao amin’ny tempoly. Kanefa dia faly izy nanompo araka izay azony natao, ary azo antoka fa takany fa mendrika ilay fiezahana ny fifikirana amin’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Inona no nanampy io Levita nahatoky io mba hitoetra ho afa-po tamin’ny tombontsoam-panompoany?
Mianara ho afa-po
“Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo [any an-toeran-kafa, NW ]”, hoy ilay Levita. “Aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra[, toy] izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy.” (Salamo 84:10). Takany fa tombontsoa tsy hay tombanana ny fandaniana na dia andro iray monja aza ao amin’ny tranon’i Jehovah. Ary ny Levita dia nanana andro betsaka lavitra noho ny iray mba hanompoana tao amin’ny tempoly. Ny fahafaham-pony tamin’ireo tombontsoany dia nahatonga azy hihira noho ny fifaliana.
Ahoana ny amintsika? Manisa ireo fitahiana azontsika ve isika, sa mirona hanadino izay efa ananantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Noho ny fifikiran’izy ireo aminy no nanankinan’i Jehovah tamin’ny vahoakany tombontsoa sy adidy maro karazana. Tafiditra amin’izany ireo andraikitra mavesatra kokoa, dia ny asa fiandraiketana sy fiandrasana ary fampianarana, mbamin’ireo endriny maro samihafa amin’ny fanompoana manontolo andro. Kanefa dia tafiditra amin’izany koa ireo zava-tsarobidy hafa izay mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.
Diniho, ohatra, ny fanompoana kristiana. Ny apostoly Paoly dia nampitovy ny tombontsoantsika hitory ny vaovao tsara amin’ny fananantsika ‘rakitra amin’ny vilany tany’. (2 Korintiana 4:7). Moa ve ianao mijery izany fanompoana izany ho toy ny rakitra tsy hay tombanana? Nihevitra azy io ho toy izany, sady nanome ny modely harahina, i Jesosy Kristy izay nitari-dalana teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. (Matio 4:17). “Satria manana izany fanompoana izany izahay, (...) dia tsy ketraka”, hoy i Paoly. — 2 Korintiana 4:1.
Fandaharana masina tsy tokony hohamaivanina koa ireo fivoriana kristiana. Any amin’ireo fivoriantsika isika no mandray toromarika iankinan’ny aina sy mankafy fiarahana ilaina. Afaka manao fanambarana ampahibemaso ny finoantsika sy ny fanantenantsika koa isika any amin’ireo fivoriana, amin’ny fanomezana valin-teny tsy tapaka sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana amin’ny fomba hafa. (Hebreo 10:23-25). Tsy azo lavina fa ireo fivoriantsika dia fandaharana tokony hankamamina!
Nihevitra ireny fitahiana ireny ho sarobidy tokoa i Michael voatonona tetsy aloha, ary nankasitraka azy ireny lalina. Kanefa ny fahadisoam-panantenany noho ny tsy nahafahany nanompo tamin’ny naha-loholona, dia nampihena ny fankasitrahany azy ireny nandritra ny fotoana kelikely. Rehefa niverina nifantoka tamin’izy ireny izy, dia afaka nahazo indray ny fahaizany mandanjalanja ka niandry tamim-paharetana an’i Jehovah.
Tsara raha averintsika dinihina ireo fomba itahian’i Jehovah antsika, toy ny nataon’ny mpanao salamo, toy izay hahatsiaro tena ho tsy afa-po noho ny tsy fananana tombontsoa sasany.a Raha tsy mahita betsaka amin’izany isika, dia mila ny mamerina mijery, mangataka amin’i Jehovah mba hanokatra ny masontsika, hahitantsika ireo tombontsoantsika sy ireo fomba izay itahiany antsika sy ampiasany antsika ho fiderana azy. — Ohabolana 10:22.
Zava-dehibe koa ny hahatakarana fa ireo tombontsoa manokana, toy ny asan’ny mpiandraikitra, dia mitaky fananana toetra ilaina voafaritra tsara. (1 Timoty 3:1-7, NW; Titosy 1:5-9, NW ). Koa mila mandini-tena isika, mijery izay mety ho faritra ilana hihatsarana, ary avy eo dia manao ezaka amim-pahatsorana mba hihatsara. — 1 Timoty 4:12-15.
Aza manjary kivy
Raha tsy mahazo tombontsoam-panompoana sasany isika, dia tsy voatery hanatsoaka hevitra fa tian’i Jehovah kokoa ireo izay manana izany, na hoe tanany tsy omeny antsika izay tsara. Azo antoka fa tsy tokony hilaza amim-pialonana isika hoe tsy mendrika akory ireny hafa ireny fa nahazo ny tombontsoany tamin’ny alalan’ny fiangaran’olombelona izy fa tsy tamin’ny fanendrena teokratika. Ny famisavisana eritreritra toy izany dia mety hitarika ho amin’ny fialonana sy ny fitiavana fifandirana, ary ny fanekentsika ho resy tanteraka mihitsy aza. — 1 Korintiana 3:3; Jakoba 3:14-16.
Tsy nanaiky ho resy i Laura voalaza teo am-piandohana. Tamin’ny farany izy dia nahavita nandamina ny fahatsapany hatezerana sy fialonana. Nivavaka tamin’Andriamanitra imbetsaka i Laura nangataka fanampiana mba handreseny ny fihetsiny tsy nanorina noho ny tsy fahafahany nanao ny asan’ny mpisava lalana. Nitady fanampiana koa izy tamin’ireo lehilahy manana ireo toetra ilaina ao amin’ny kongregasiona, ary nahazo toky indray ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izy. “Nanome ahy fiadanan-tsaina i Jehovah”, hoy izy. “Na dia tsy afaka manao ny asan’ny mpisava lalana aza izahay mivady izao, dia ankamaminay ny fotoana nanaovanay izany ary manovo tanjaka avy amin’ireo fanandraman-javatra hitanay izahay. Manampy ny zanakay lahy efa lehibe eo amin’ny fanaovany ny asan’ny mpisava lalana koa izahay.” Noho izy afa-po, dia afaka ‘miara-paly amin’izay mifaly’ eo amin’ny fanompoany amin’ny maha-mpisava lalana izao i Laura. — Romana 12:15.
Aoka ianao hametra tanjona azo tratrarina
Ny maha-afa-po antsika amin’ireo tombontsoam-panompoantsika amin’izao fotoana izao dia tsy midika hoe mitsahatra tsy mametra tanjona teokratika fanampiny isika. Rehefa niresaka ny amin’ny fitsanganana ho any an-danitra i Paoly, dia nilaza ny amin’ny hoe “miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha”. Hoy koa izy hoe: “Aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika”. (Filipiana 3:13-16). Ireo tanjona teokratika dia manampy antsika mba hiezaka hanatratra zavatra. Ny zava-tsarotra anefa dia ny fitanana azy ireo hifanaraka amin’ny zava-misy.
Ireo tanjona mifanaraka amin’ny zava-misy dia araka ny antonona sy azo tratrarina. (Filipiana 4:5, NW ). Tsy midika akory izany hoe tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ny tanjona iray mitaky asa mafy an-taonany maromaro. Izany tanjona mitaky fotoana lava izany dia azo tratrarina miandalana amin’ny famerana fitohitohizana tanjona na dingana eny anelanelany eny. Ireny dia afaka miasa ho toy ny famantarana fandrosoana ara-panahy. Ny famitana amim-pahombiazana ny dingana tsirairay dia hanome fahatsapana fahafaham-po mandritra ilay lalana, fa tsy fahadisoam-panantenana.
Fahaiza-mandanjalanja tsara dia tsara
Zava-dehibe anefa ny anekena fa, noho ny toe-javatra misy antsika sy ny fetran’ny tenantsika, dia mety tsy ho azo ny tombontsoa sasany. Ny famerana azy ireny ho tanjona dia mitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana sy fahakiviana fotsiny. Tokony hailika ny tanjona toy izany, fara faharatsiny, amin’izao fotoana izao. Tsy ho sarotra ny manao izany raha mivavaka mba hahazoana fahafaham-po araka an’Andriamanitra isika, ka ataontsika ho zavatra ahintsika lehibe indrindra ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Rehefa miezaka handroso ho amin’ny tombontsoa isika, dia zava-dehibe ny voninahitr’i Jehovah — fa tsy ny hanamarihana manokana izay zava-bitan’ny tenantsika. (Salamo 16:5, 6; Matio 6:33). Mety indrindra ny ilazan’ny Baiboly amintsika toy izao: “Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao.” — Ohabolana 16:3.
Rehefa mandinika ny Salamo faha-84 isika, dia afaka mahita fa ilay mpanao salamo dia naneho fihetsika tsara aoka izany tamin’ireo tombontsoam-panompoana, ka nitahy azy tamin’ny fomba tondraka i Jehovah. Ambonin’izany, dia manohy mitondra soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah mandraka androany io salamo io.
Amin’ny fianteherana amim-pahatsorana amin’i Jehovah no ahafahanao mampifandanja ny fanirianao mafy tombontsoa fanampiny sy ny fahafaham-po amin’izay anananao ankehitriny. Aza avela mihitsy ny faniriana hanao bebe kokoa, hanaisotra aminao ilay fankasitrahana an’izay anananao ankehitriny sy ilay fifaliana amin’ny fanompoana an’i Jehovah mandrakizay. Matokia an’i Jehovah, satria mitondra fahasambarana izany, araka ny asehon’ny tenin’ilay Levita hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, ô, sambatra izay olona matoky Anao.” — Salamo 84:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo aza fady ilay lahatsoratra hoe “Heverintsika ho Sarobidy ve ny Zavatra Masina?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Septambra 1988.
[Efajoro, pejy 11]
Tanjona Azontsika Ferana
Famakiana ny Baiboly isan’andro. — Josoa 1:8; Matio 4:4
Fanatsarana ny fahaizantsika misaina amin’ny alalan’ny fampiofanan’ny Soratra Masina. — Hebreo 5:14
Fampitomboana fifandraisana akaiky kokoa amin’Andriamanitra. — Salamo 73:28
Fambolena ny vokatry ny fanahy tsirairay. — Galatiana 5:22, 23, NW
Fampitomboana ny hatsaran’ny vavaka ataontsika. — Filipiana 4:6, 7
Fahatongavana ho mahita vokatra kokoa eo amin’ny fitoriana sy fampianarana. — 1 Timoty 4:15, 16
Famakiana sy fisaintsainana ny nomerao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Salamo 49:3
[Sary, pejy 9]
Rehefa mametra tanjona ho an’ny tenanao manokana ianao, dia apetraho eo amin’ny toerana voalohany ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra