Fandehanana Amin’ny Fo Tsy Mizarazara
“Ampianaro (...) aho, Jehovah ô, (...) ampiraiso [“ataovy tsy mizarazara”, NW ] ny foko hatahotra ny anaranao.” — SALAMO 86:11.
1. Ahoana no amalian’i Jehovah soa ireo olona tsy mivadika aminy?
‘JEHOVAH ô, ianao irery ihany no Andriamanitra’. (Salamo 86:8, 10). Nidera an’Andriamanitra tamin’ny fo safononoky ny fankasitrahana i Davida. Na dia talohan’ny nahatongavan’i Davida ho mpanjaka teo amin’ny Isiraely aza, dia nanavotra azy tamin’i Saoly sy tamin’ny Filistina i Jehovah. Noho izany, dia afaka nihira toy izao izy: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Ny olona [tsy mivadika, NW ] no isehoanao [ho tsy mivadika, NW ]”. (2 Samoela 22:2, 26). Niaro ny mpanompony tsy mivadika tao anatin’ny fitsapana maro i Jehovah. Afaka nametraka ny fitokiany tamin’ilay Andriamaniny tsy mivadika i Davida, kanefa dia nila fitarihana nitohy izy. Izao i Davida dia nangataka tamin’Andriamanitra hoe: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô”. — Salamo 86:11.
2. Ahoana no nanaovan’i Jehovah fandaharana mba handraisantsika fampianarana avy any aminy?
2 Naniry ny hanalavitra tanteraka ireo hevitra sy filozofian’izao tontolo izao i Davida. Naniry ny ‘hampianarin’i Jehovah’ izy, araka ny nambaran’ny mpaminanin’Andriamanitra tatỳ aoriana. (Isaia 54:13). Azo inoana fa boky ao amin’ny Baiboly sivy monja, izay nisy tamin’ny androny, no azon’i Davida nosaintsainina. Na dia izany aza, dia sarobidy taminy izany fampianarana avy tamin’i Jehovah izany! Rehefa ampianarina isika amin’izao andro izao, dia afaka manaram-po amin’ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly 66, ary koa amin’ny fahatondrahan’ireo zavatra vita an-tsoratra momba ilay Fanjakana izay omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45, NW ). Sahala amin’i Davida, dia aoka isika hiantso an’i Jehovah mba hahafahan’ny fanahiny hanampy antsika hikaroka ao amin’izay “efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy (...) na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza”. — 1 Korintiana 2:9, 10.
3. Amin’ny fomba ahoana avy no hahafahan’ny fampianaran’ny Baiboly hitondra soa ho antsika?
3 Manana ny valin’ireo fanontaniana sy ala olona amin’ny zava-manahirana tsirairay izay mety hipoitra eo amin’ny fiainantsika ny Baiboly. “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Ny fandraisana ny fampianarana avy amin’i Jehovah dia hanatanjaka antsika mba hiaritra zava-tsarotra, sady hampionona antsika amin’ny fotoam-pahaketrahana, ary hitana ny fanantenana ilay Fanjakana hiredareda ao am-pontsika. Enga anie isika hahita fahafinaretana eo am-pamakiana ny Tenin’Andriamanitra sy eo am-pisaintsainana ny aminy “andro aman-alina”, satria ny fahendrena miorina amin’ny Baiboly dia manjary “hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy (...) ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra”. — Salamo 1:1-3; Ohabolana 3:13-18; jereo koa Jaona 17:3.
4. Raha ny amin’ny asa ataontsika, ohatra inona no navelan’i Jesosy ho antsika?
4 Niankina mandrakariva tamin’i Jehovah mba hahazoana fampianarana ilay Zanak’Andriamanitra, dia i Jesosy izay nantsoina koa hoe “Zanak’i Davida”. (Matio 9:27).a Hoy izy: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka”. “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany”. (Jaona 5:19; 8:28). Namela ohatra ho antsika i Jesosy ‘mba hanarahantsika akaiky ny diany’. (1 Petera 2:21). Mba eritrereto ange! Raha mianatra toy ny tsy maintsy ho nataon’i Jesosy isika, dia ho afaka hanao zavatra araka izay asain’i Jehovah hataontsika amin’ny tarehin-javatra rehetra. Lalana marina foana ny lalan’i Jehovah.
5. Inona no atao hoe “fahamarinana”?
5 Izao no nambaran’i Davida nanaraka izany: “Handeha amin’ny fahamarinanao aho”. (Salamo 86:11). Arivo taona tatỳ aoriana, dia nanontany an’i Jesosy Zanak’i Davida toy izao i Pilato: “Inona no [fahamarinana, NW ]?” Vao avy namaly izany fanontaniana izany i Jesosy tamin’ny filazana tamin’i Pilato hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”, sy tamin’ny fanampiana hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny [fahamarinana, NW ]”. (Jaona 18:33-38).Tamin’izay i Jesosy dia nampahafantatra fa ny fahamarinana dia mifantoka amin’ilay Fanjakana Mesianika. Tsy azo lavina fa ny foto-kevitry ny Baiboly iray manontolo dia ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah amin’ny alalan’io Fanjakana io. — Ezekiela 38:23; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 11:15.
6. Tokony hitandrina ny amin’inona moa isika rehefa mandeha ao amin’ny fahamarinana?
6 Inona no dikan’ny hoe mandeha ao amin’ny fahamarinana? Izany dia midika ho fanaovana ny fanantenana momba ilay Fanjakana ho ny zavatra ahintsika indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy iainantsika ny fahamarinan’ilay Fanjakana. Tsy tokony ho voazarazara isika rehefa mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany, ary tsy maintsy be zotom-po, arakaraka ny fahafahana ananantsika, eo amin’ny fanaovana fanambarana momba ny fahamarinan’ilay Fanjakana, araka ny ohatr’i Jesosy. (Matio 6:33; Jaona 18:37). Tsy afaka ny handeha tapa-potoana ao amin’ny fahamarinana isika, amin’ny fanolorana fanompoana anarany fotsiny kanefa avy eo dia hampifaly ny tenantsika ka hanalavi-dalana mba hanaranam-po amin’ny fialam-boly tafahoatra, na mba hidirana amin’ny anton’asa mandany fotoana be, na mba ‘hanompoana ny Harena’. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Mety ho very any amin’ny iray amin’ireny sakelidalana ireny isika, ka tsy hahita intsony ny lalana miverina any amin’ilay ‘lalana tery izay mankany amin’ny fiainana’. Aoka isika tsy hiala amin’izany lalana izany! (Matio 7:13, 14). Amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, i Jehovah, ilay Mpampianatra antsika Lehibe, dia mampahazava ny lalana, amin’ny filazana hoe: “Ity no làlana, ka andehano”, “na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia”. — Isaia 30:21.
Tahotra araka ny tokony ho izy
7. Ahoana no ahafahantsika ‘mampiray’ na ‘tsy mampizarazara’ ny fontsika?
7 Mitohy toy izao ilay vavak’i Davida eo amin’ny andininy faha-11: “Ampiraiso [“ataovy tsy mizarazara”, NW ] ny foko hatahotra ny anaranao”. Sahala amin’i Davida, dia tokony haniry hanana fo tsy voazarazara, feno eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, isika. Izany dia mifanaraka amin’ilay torohevitr’i Mosesy manao hoe: “Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny làlany rehetra ary ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba hahita soa hianao?” (Deoteronomia 10:12, 13). Hahitantsika soa marina tokoa ny fampiasana ny fontsika sy ny fanahintsika manontolo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Amin’izany isika dia haneho tahotra ny anarany malaza, araka ny tokony ho izy. Ny anaran’i Jehovah dia midika ara-bakiteny hoe “Mahatonga Izy”, indrindra fa momba ny fanaovana izay hahatanteraka ny fikasany lehibe. Io anarana io koa dia mampiseho ny fahefany tampony eo amin’izao rehetra izao manontolo. Raha manompo amin’ny tahotra miharo fanajana ny fahamendrehan’Andriamanitra isika, dia tsy ho voavilin’ny tahotra olombelona mety maty. Tsy ho voazarazara ny fontsika. Hatahotra kosa isika ny hanao zavatra izay tsy hahafaly an’i Jehovah, ilay Mpitsara Tampony sy Mpanjaka Tompo, izay mitana ny aintsika eo am-pelatanany. — Isaia 12:2; 33:22.
8, 9. a) Inona no dikan’ny hoe “tsy naman’izao tontolo izao”? b) Dingana inona avy no tokony hataontsika noho isika “fizàhan’izao rehetra izao”?
8 Na dia eo anatrehan’ny fanomezan-tsiny sy ny fanenjehana aza isika dia hanaraka ny ohatra feno fahasahiana nananan’i Jesosy amin’ny tsy fetezana ho naman’izao tontolo izao ratsy fanahy manodidina antsika. (Jaona 15:17-21). Izany akory tsy midika hoe tokony hiaina toy ny mpitoka-monina na hisitrika any amin’ny monasitera ireo mpianatr’i Jesosy. Hoy i Jesosy tao amin’ny vavaka iray nataony tamin-dRainy: “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15-18). Sahala amin’i Jesosy, dia irahina mba hanambara ny fahamarinan’ilay Fanjakana koa isika. Mora nohatonina i Jesosy. Nahazo famelombelomana noho ny fomba fampianarany ny olona. (Ampitahao amin’ny Matio 7:28, 29; 11:28, 29; Jaona 7:46.) Tokony ho toy izany koa ny amintsika.
9 Ny fanehoantsika fisakaizana feno fiheverana ny hafa sy ny fihaingoantsika amim-pahaiza-mifidy zavatra, ary ny resadresaka mahafinaritra sy madio ataontsika dia tokony hahatonga antsika sy ny hafatra entintsika ho mendrika horaisina amin’ireo olona tso-po. Tokony hohalavirintsika ny fisehoana ho misavoritaka, ny fitafiana tsy maotina, sy fifaneraserana izay mety hitarika ho amin’ny fampidiran’izao tontolo izao fahasahiranana, ary ny fomba fiaina baranahiny sy tsy misy fitsipika izay hitantsika eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika. Noho isika “natao ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona”, dia miasa 24 ora isan’andro isika mba hanompoana sy hiainana toy ny Kristiana fakan-tahaka. (1 Korintiana 4:9; Efesiana 5:1-4; Filipiana 4:8, 9; Kolosiana 4:5, 6). Tsy maintsy tsy mizarazara ny fontsika ho fikendrena izany.
10. Ahoana no ahatsiarovan’i Jehovah an’ireo izay mampiray ny fony ao amin’ny fanompoana masina?
10 Hotsaroan’i Jehovah isika izay tsy mampizarazara ny fontsika amin’ny fahatahorana ny anarany ka misaintsaina ny fikasany lehibe ary mameno ny fiainantsika amin’ny fanompoana masina atao aminy. “Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy [“tsy voazarazara”, NW ] aminy”. (2 Tantara 16:9). Rehefa nanisy fitenenana ara-paminaniana ny amin’izao androntsika izao ny Malakia 3:16 dia nanao hoe: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” Enga anie ny fontsika tsy ho voazarazara ao amin’izany tahotra an’i Jehovah mahasoa izany!
Ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana
11. Ahoana no hanehoana ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana amin’ireo tsy mivadika?
11 Feno hafanam-po toy inona moa ny vavak’i Davida! Nanohy toy izao izy: “Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, [ry Jehovah Andriamanitro ô, NW ]; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho. Fa lehibe ny [hatsaram-panahinao miharo fitiavana, NW ] amiko; ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ny [Sheola] ambany indrindra.” (Salamo 86:12, 13, fanamarihana ambany pejy). Fanindroany izao tao amin’io salamo io no nideran’i Davida an’i Jehovah noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana — dia ny fitiavany tsy mivadika. Lehibe aoka izany io fitiavana io, hany ka afaka mamonjy amin’ny tarehin-javatra toa faran’izay sarotra. Rehefa nanenjika azy tany an’efitra i Saoly, dia nety ho nahatsiaro ho toa nandadilady ho amin’ny toerana iray mba hahafatesana i Davida. Izany dia toy ny fandehanana hifanatrika amin’ny Sheola ambany indrindra — dia ny fanambanin’ny fasana. Nanavotra azy anefa i Jehovah! Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia matetika i Jehovah no mitondra fanamaivanana ho an’ireo mpanompony amin’ny andro maoderina, amin’ny fomba mahatalanjona. Notohanany koa ireo mpihazona tsy fivadihana izay niaritra tamim-pahatokiana na dia mandra-pahafatiny mihitsy aza. Ireny olona tsy nivadika rehetra ireny dia hahazo ny valisoany, amin’ny alalan’ny fitsanganan’ny maty mihitsy aza, raha ilaina izany. — Ampitahao amin’ny Joba 1:6-12; 2:1-6, 9, 10; 27:5, NW; 42:10; Ohabolana 27:11; Matio 24:9, 13; Apokalypsy 2:10.b
12. Ahoana no nisehoan’ny klerjy ho sahisahy ratsy sy ho lozabe, ary inona no ho valin’asany?
12 Nitaraina toy izao i Davida momba ireo mpanenjika: “Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, ary ny antokon’ny lozabe mitady ny aiko; ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.” (Salamo 86:14). Amin’izao andro izao, ireo mpanenjika dia mahafaoka ny klerjin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana. Izy ireo dia mihevitra fa manompo an’Andriamanitra kanefa manolo ny anarany masina amin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo” sady mampiseho azy ho Trinite iray mifono zava-miafina, teny izay tsy voatonona na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly, raha ny marina. Fahasahisahian-dratsy re izany! Fanampin’izany, dia manandrana mandresy lahatra ireo fahefana ara-politika izy ireo mba handrarana sy hanaovana an-tranomaizina ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny mbola atao any amin’ny tany maro be amin’ny fomba mahazendana, manerana izao tontolo izao. Ireny olona mirebareba mpiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ireny dia handray ny valin’asany, miaraka amin’ny tapany rehetra amin’ny Babylona Lehibe izay toy ny vehivavy janga. — Apokalypsy 17:1, 2, 15-18; 19:1-3.
13. Toetra tsara inona avy no asehon’i Jehovah amin’ny fampahafantarana ny hatsaram-pony?
13 Mifanohitra amin’izany amin’ny fomba mahafaly ny tohin’ny vavak’i Davida: “Fa hianao, [Jehovah ô, NW ] , dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana.” (Salamo 86:15). Fara tampony marina tokoa ireo toetra tsaran’ilay Andriamanitsika ireo. Ireo teny ireo dia mitondra antsika hiverina any amin’ny Tendrombohitra Sinay, fony i Mosesy nangataka ny hahita ny voninahitr’i Jehovah. Namaly toy izao i Jehovah: “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’i Jehovah eo anatrehanao”. Nampitandrina an’i Mosesy toy izao anefa izy: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”. Taorian’izay, dia nidina tao anatin’ny rahona i Jehovah, nanambara hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be [hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ] sy fahamarinana”. (Eksodosy 33:18-20; 34:5, 6). Nanonona ireo teny ireo tao amin’ny vavaka nataony i Davida. Ireo toetra tsaran’i Jehovah ireo dia midika ho zavatra be lavitra ho antsika noho izay mety ho fisehoana ara-batana! Amin’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika manokana, moa ve isika tsy mankasitraka ny hatsaram-pon’Andriamanitra toy ny aseho amin’ireo toetra tsara dia tsara ireo?
“Famantarana mampiseho hatsaram-po”
14, 15. Ahoana no anaovan’i Jehovah “famantarana mampiseho hatsaram-po” amin’ireo mpanompony?
14 Nitalaho indray ny fitahian’i Jehovah i Davida tamin’ny filazana hoe: “Todiho aho ka amindrao fo; omeo ny herinao ny mpanomponao, ary vonjeo ny zanaky ny [mpanompovavinao, NW ]. Anehoy famantarana [mampiseho hatsaram-po, NW ] aho, mba ho hitan’izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; fa Hianao, Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.” (Salamo 86:16, 17). Niaiky i Davida fa tamin’ny naha-‘zanaky ny mpanompovavin’i Jehovah’ azy, dia tsy maintsy fananan’i Jehovah koa ny tenany. Toy izany koa ny amintsika rehetra izay nanolotra ny fiainantsika ho an’i Jehovah sy manompo ao amin’ny asany amin’izao andro izao. Mila ny hery famonjen’i Jehovah avy amin’ny alalan’ny fanahiny masina isika. Noho izany, dia mangataka amin’ilay Andriamanitsika isika mba hanaovany “famantarana mampiseho hatsaram-po”. Ny hatsaram-pon’i Jehovah dia mahafaoka ireo toetra tsara dia tsara vao avy noresahintsika teo. Mifototra amin’izany, dia famantarana na marika inona no azontsika ampoizina fa homen’i Jehovah antsika?
15 I Jehovah no Mpanome “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra”, ary malala-tanana izy amin’ny fanomezana “ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy”, araka ny toky nomen’i Jesosy antsika. (Jakoba 1:17; Lioka 11:13). Fanahy masina — izany ka fanomezana tsy voavidim-bola aman-karena avy amin’i Jehovah! Amin’ny alalan’ny fanahy masina, i Jehovah dia manome fifaliam-po, na dia amin’ny fotoam-panenjehana aza. Noho izany, rehefa nosedraina ny fiainan’izy ireo, ireo apostolin’i Jesosy dia afaka nanambara tamim-pifaliana fa Andriamanitra dia manome fanahy masina an’izay manaiky azy. (Asan’ny Apostoly 5:27-32). Nanao “famantarana mampiseho hatsaram-po” tamin’izy ireo tsy an-kijanona ny fifaliana avy amin’ny fanahy masina. — Romana 14:17, 18.
16, 17. a) Famantarana mampiseho ny hatsaram-pony inona no nomen’i Jehovah an’i Paoly sy i Barnabasy? b) Famantarana inona no nomena ireo Tesaloniana nenjehina?
16 Nandritra ny dia misionera nataon’izy ireo nanerana an’i Azia Minora, dia sendra zava-tsarotra, fanenjehana mafy mihitsy aza, i Paoly sy i Barnabasy. Rehefa nitory tany Antiokia any Pisidia izy ireo, dia nanda ny hafatra nentiny ny Jiosy. Noho izany dia nitodika tany amin’ireo olona hafa firenena izy ireo. Inona no vokany? “Rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra, ary izay nanana ny toe-po nety mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tonga mpino”. Nahatonga tabataba anefa ireo Jiosy ka noroahina hiala tamin’ilay tanàna ireo misionera ireo. Kivy tanteraka noho izany ve izy ireo sy ireo mpino vaovao? Sanatria! “Feno fifaliana sy ny fanahy masina hatrany” kosa izy ireo. (Asan’ny Apostoly 13:48, 52, NW ). Nanome azy ireo famantarana ny amin’ny hatsaram-pony i Jehovah.
17 Tatỳ aoriana, dia niharam-panenjehana ny kongregasiona vaovao tany Tesalonika. Izany dia nitarika ny apostoly Paoly hanoratra taratasy fampiononana iray, izay nidera ny fiaretan’izy ireo tao anatin’ny fahoriana. “Nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” izy ireo. (1 Tesaloniana 1:6). Nanohy nanatanjaka azy ireo ny “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” ho toy ny famantarana miharihary iray avy amin’ilay Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana.
18. Ahoana no nanehoan’ireo rahalahintsika any Eoropa Atsinanana ny fankasitrahany ny hatsaram-pon’i Jehovah?
18 Tsy ela izay, i Jehovah dia nampiseho ny hatsaram-pony tamin’ireo rahalahintsika mahatoky any Eoropa Atsinanana, ka nampahamenatra ireo nankahala azy ireo — dia ireo mpanenjika azy ireo taloha. Na dia vao haingana aza izy ireo no nahazo fanamaivanana avy amin’ny fampahoriana naharitra am-polony taona maro, dia mbola tsy maintsy miaritra ihany ireo rahalahy malala ireo, satria maro no miatrika zava-tsarotra lehibe ara-bola. Na dia izany aza, dia mampionona azy ireo ny ‘hafaliany avy amin’ny fanahy masina’. Inona moa no fifaliana lehibe kokoa mety ho azon’izy ireo noho ny fampiasana ny fahafahany vaovao amin’ny fanitarana ny fanambarana? Misy olona maro mihaino azy ireo, araka ny asehon’ireo tatitra momba ny fivoriambe sy ny batisa. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:31.
19. Ahoana no ahafahantsika manao ireo teny ao amin’ny Salamo 86:11 ho an’ny tenantsika mihitsy?
19 Izay rehetra voaresaka ao amin’ity lahatsoratra ity sy ao amin’ilay teo aloha dia mamerina ilay vavaka feno hafanam-po nataon’i Davida tamin’i Jehovah manao hoe: “Ampianaro (...) aho, Jehovah ô, (...) ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao”. (Salamo 86:11). Aoka isika hanao ireo teny ao amin’ny teny fototra ampiasaintsika amin’ny taona 1993 ireo, ho an’ny tenantsika manokana rehefa miasa amin’ny fontsika rehetra isika ho fanohanana ny tombontsoan’ilay Fanjakana sy ho fankasitrahana ny hatsaram-po tsy mety ritra asehon’ilay Andriamanitsika tokana, dia i Jehovah Mpanjaka Tompo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny maha-‘taranaka’ voambara mialoha azy, dia mpandova ny fanjakan’i Davida i Jesosy, ka noho izany dia “Zanak’i Davida” izy, amin’ny heviny ara-bakiteny sy ara-panahy. — Genesisy 3:15; Salamo 89:29, 34-37.
b Momba ireo ohatra amin’ny andro maoderina, dia jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah, fanontana tamin’ny 1974, pejy faha-113-211; 1985, pejy faha-194-197; 1986, pejy faha-237-238; 1988, pejy faha-182-185; 1990, pejy faha-171-172; 1992, pejy faha-174-181.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no asehontsika amin’ny fivavahana hoe “Ampianaro aho, Jehovah ô”?
◻ Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ny fontsika atao tsy mizarazara mba hatahotra ny anaran’i Jehovah?
◻ Ahoana no hanehoan’i Jehovah ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana amin’ireo tsy mivadika rehetra?
◻ Ahoana no anehoan’i Jehovah “famantarana mampiseho hatsaram-po” amintsika?
[Efajoro, pejy 16]
Teny fototra amin’ny 1993: “Ampianaro (...) aho, Jehovah ô, (...) ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” — Salamo 86:11.
[Sary, pejy 15]
Harambato sy batery fiarovana ho an’ireo mandeha mahitsy ao amin’ny fahamarinana i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Tamin’ilay Fivoriambe Niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Ireo Mpitondra Fahazavana” natao tany St. Petersburg, any Rosia, tamin’ny volana Jona, dia 46 214 no nanatrika ary 3 256 no natao batisa. Tamin’ny fomba nahatalanjona toy inona moa no nandraisan’izy ireo soa tamin’ny hatsaram-pon’i Jehovah, tamin’ny “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina”!