“Vavolombelona Marina” eny Amin’ny Lanitra
EFA ela ny poety sy ny mpamoron-kira no nidera ny hatsaran-tarehin’ny volana. Miresaka momba ny vehivavy iray “tsara tarehy tahaka ny volana”, ohatra, ny hira iray fahiny nasain’Andriamanitra nosoratana. (Tonon-kiran’i Solomona 6:10) Niantso ny volana hoe “vavolombelona marina” eny amin’ny lanitra koa ny mpanao salamo, rehefa nanoratra hira iray miendrika tononkalo. (Salamo 89:37) Nahoana no lazaina fa vavolombelona marina ny volana?
Mahavita ny fihodinany amin’ny tany ny volana, isaky ny 27 andro sy 7 ora sy 43 minitra ary 11 segondra mahery kely. Tsy miova mihitsy io fotoana io, ka mety ho izany no antony ilazana fa marina ny volana. Mety tsy ho izany ihany anefa no tao an-tsain’ilay mpanao salamo. Faminaniana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay hira nosoratany, nisy ilay teny hoe “vavolombelona marina.” Nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany tamin’ny vavaka ny hahatongavan’io Fanjakana io.—Matio 6:9, 10.
Maherin’ny 3 000 taona lasa izay, dia nanao fifanekena momba io Fanjakana io tamin’i Davida mpanjakan’ny Israely i Jehovah Andriamanitra. (2 Samoela 7:12-16) Natao io fifanekena io mba hanaporofoana fa manan-jo handova mandrakizay ny seza fiandrianan’i Davida i Jesosy Kristy, satria taranany. (Isaia 9:6; Lioka 1:32, 33) Hoy ilay mpanao salamo momba ny fanjakan’io taranak’i Davida io: “Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.”—Salamo 89:36, 37.
Haharitra mandrakizay àry ny fanjakan’i Kristy. Natao hampahatsiahivana antsika ny amin’izany ny volana, ilay ‘fanazavana mpanapaka ny alina.’ (Genesisy 1:16) Hoy ny Daniela 7:14 momba ny Fanjakan’i Kristy: “Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” Ny volana dia vavolombelona mampahatsiahy antsika momba an’io Fanjakana io sy ny fitahiana hoentiny ho an’ny olombelona.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Volana: NASA photo