Mila Fikarakarana Feno Fitiavana ny Ondrin’i Jehovah
“Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; (...) Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” — SALAMO 100:3.
1. Ahoana no itondran’i Jehovah ny mpanompony?
JEHOVAH no ilay Mpiandry Lehibe. Raha mpanompony isika dia mihevitra antsika ho toy ny ondriny izy, ka manome antsika fikarakarana feno fitiavana. Mampionona sy mamelombelona ary mitarika antsika “amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany” ilay Raintsika any an-danitra. (Salamo 23:1-4). Tia antsika aoka izany ka nanolotra ny ainy ho antsika ilay Mpiandry Tsara, i Jesosy Kristy. — Jaona 10:7-15.
2. Ao anatin’ny toe-piainana manao ahoana no ahitan’ny vahoakan’Andriamanitra ny tenan’izy ireo?
2 Amin’ny maha-mpandray ilay fikarakarana feno fitiavana antsika, dia afaka miara-miteny amin’ny mpanao salamo isika hoe: “Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana. Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” (Salamo 100:2, 3). Eny, falifaly sy tsy manana ahiahy isika. Izany dia toy ny hoe voaro tamin’ireo fahavalo manimba isika tao anaty vala iray misy rindrina vato mafy. — Nomery 32:16; 1 Samoela 24:3; Zefania 2:6.
Mpiandry ny andian’ondry vonona
3. Ahoana no itondran’ireo loholona kristiana voatendry ny andian’ondrin’Andriamanitra?
3 Tsy mahagaga raha falifaly isika amin’ny maha-ondrin’Andriamanitra antsika! Misy loholona voatendry mitarika eo anivontsika. Izy ireny dia tsy manao azy ho ‘lehibe’, na mampanompo antsika tokoa, na manandrana ny ho tompon’ny finoantsika. (Nomery 16:13; Matio 20:25-28; 2 Korintiana 1:24; Hebreo 13:7). Izy ireny kosa dia mpiandry be fitiavana izay mampihatra ilay torohevitry ny apostoly Petera manao hoe: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa [amim-pahavononana, NW ] [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (1 Petera 5:2, 3). Nilaza tamin’ireo loholona namany toy izao ny apostoly Paoly: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’[ny Zanany mihitsy, NW ]”. Ary velom-pankasitrahana toy inona moa ireo ondry noho ireny lehilahy voatendrin’ny fanahy masina ireny ‘mitondra ny andian’ondry amim-panehoam-pitiavana’! — Asan’ny Apostoly 20:28-30, NW.
4. Ny amin’ny karazana fifandraisana tamin’ny andian’ondry inona no nahafantarana tsara an’i Charles T. Russell?
4 I Jesosy dia nanome ho an’ny kongregasiona “fanomezana voaforona lehilahy”, ny sasany ho toy ny “pastora” na mpiandry, izay mitondra ny andian’ondrin’i Jehovah amim-panehoam-pitiavana. (Efesiana 4:8, 11; King James Version). Iray tamin’ireny lehilahy ireny i Charles T. Russell, ilay prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower. Nantsoina hoe Pastora Russell izy noho ireo asa feno fitiavana sy fangoraham-po nataony teo amin’ny fiandrasana ny andian’ondry teo ambany fitarihan’ilay Mpiandry Lehibe, i Jesosy Kristy. Amin’izao andro izao, ireo loholona kristiana dia voatendrin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary misy fitandremana atao mba tsy hampiasana teny toy ny hoe “pastora”, “loholona” na “mpampianatra” ho toy ny anaram-boninahitra. (Matio 23:8-12). Kanefa, dia manao asan’ny mpitandrina na mpiandry ireo loholona amin’izao andro izao ho tombontsoan’ireo ondry fiandrin’i Jehovah.
5. Nahoana ireo vaovao no tokony hanao izay hahafantarana ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona kristiana?
5 Amin’ny maha-mpiandry azy, ireo loholona dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fandrosoana ara-panahin’ireo vaovao. Noho izany, dia milaza toy izao ilay boky vaovao hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, eo amin’ny pejy faha-168: “Ataovy izay hahafantarana ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona. Manana fanandraman-javatra betsaka izy ireo raha ny amin’ny fampiharana ny fahalalana an’Andriamanitra, satria nahafeno ireo toetra takina mba ho mpiandraikitra, voasoritra ao amin’ny Baiboly. (1 Timoty 3:1-7, NW; Titosy 1:5-9). Aza misalasala manatona ny iray amin’izy ireo raha mila fanampiana ara-panahy ianao mba handresena fahazarana iray na lafin-toetra iray izay mifanipaka amin’ny fepetra takin’Andriamanitra. Ho hitanao fa ireo loholona dia manaraka ny fananaran’i Paoly manao hoe: ‘Omeo toky [ireo fanahy (âme) ketraka, NW ]; ampaherezo ny ketraka; mandefera amin’ny olona rehetra.’ — 1 Tesaloniana 2:7, 8; 5:14.”
Rehefa maniry hitory ireo vaovao
6. Inona no fomba fanaovan-javatra arahina raha maniry ho tonga mpitory ilay Fanjakana ny mpianatra Baiboly iray?
6 Rehefa avy nandray fahalalana ny mpianatra Baiboly iray, ary namonjy ireo fivoriana hatramin’ny fotoana kelikely, dia mety haniry ho tonga mpitory ilay Fanjakana, mpitory ny vaovao tsara, izy. (Marka 13:10). Raha izany no izy, ilay Vavolombelona mitarika ilay fampianarana Baiboly aminy dia tokony hanatona ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, izay hanao fandaharana mba hisian’ny iray amin’ireo loholona anisan’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kongregasiona sy loholona hafa iray hihaona amin’ilay mpianatra Baiboly sy ilay mampianatra azy. Hiorina amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, eo amin’ny pejy faha-98 sy faha-99 ny fiaraha-midinika. Raha hitan’ireo loholona roa ireo fa mino ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ilay vaovao ary efa nampifanaraka ny fiainany tamin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, dia hilazana izy fa mahafeno fepetra ny tenany mba handray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso.a Rehefa hanao tatitra ny amin’ny fanompoany izy amin’ny famerenana tatitra momba ny fanompoana eny amin’ny saha, izany dia hampidirina ao amin’ilay karatra Firaketana ny Asan’ny Mpitory natao amin’ny anarany. Izao ilay mpitory vaovao dia afaka manao tatitra momba ny asa anaovany fanambarana, miaraka amin’ireo hafa an-tapitrisany maro izay ‘mitory ny tenin’Andriamanitra’ amim-pifaliana. (Asan’ny Apostoly 13:5). Hisy filazana hatao ao amin’ny kongregasiona hanambarana fa izy dia mpitory tsy vita batisa.
7, 8. Amin’ny lafiny inona avy ny mpitory iray tsy vita batisa no mety homena ny fanampiana ilaina eo amin’ny fanompoana?
7 Mila ny fanampian’ny loholona sy ny Kristiana matotra hafa ny mpitory tsy vita batisa. Ohatra, ny fandrosoany ara-panahy dia raharaha tokony hanehoan’ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona atrehiny fiheverana. Mety ho hitan’ilay mpitory vaovao fa sarotra ny miresaka amin’ny fomba mandaitra eo amin’ny asa isan-trano. (Asan’ny Apostoly 20:20). Koa azo inoana fa hankasitrahany ny fanampiana, indrindra indrindra fa avy amin’ilay olona izay nitarika ny fianarana Baiboly taminy tamin’ilay boky Fahalalana. Mety tsara ny fanampiana azo ampiharina toy izany, satria i Jesosy Kristy dia nanomana ireo mpianany ho amin’ny fanompoana. — Marka 6:7-13; Lioka 10:1-22.
8 Mba hahombiazantsika eo amin’ny fanompoana, dia tena ilaina ny fanomanana tsara mialoha. Noho izany, dia mety hihaona mialoha ireo mpitory roa mba hanao fanazaran-tena amin’ireo fomba fampiseho atolotry ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mivoaka isam-bolana. Rehefa manomboka ny fanompoany eny amin’ny saha izy ireo, dia ilay ampy fanandraman-javatra kokoa no mety hanao ny varavarana voalohany na ireo roa voalohany. Aorian’ny fampahafantaran’izy ireo ny tenany amim-pisakaizana, dia afaka mifarimbona amin’ny fanaovana fanambarana ireo mpitory roa. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanompoana mandritra ny herinandro vitsivitsy dia mety hitarika ho amin’ny fiverenana mitsidika tsara dia tsara, ary fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ilay boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay mihitsy aza. Mety hitarika ilay fampianarana Baiboly mandritra ny fotoana kelikely ilay mpitory ampy fanandraman-javatra kokoa, ary avy eo izy dia hamerina izany amin’ilay mpitory vaovao ilay Fanjakana. Ho faly toy inona moa ireo mpitory roa raha maneho fankasitrahana ny fahalalana an’Andriamanitra ilay mpianatra Baiboly!
9. Fandaharana inona avy no atao rehefa maniry hatao batisa ny mpitory iray?
9 Arakaraka ny handrosoan’ny mpitory tsy vita batisa iray eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mety hanolo-tena ho an’Andriamanitra amim-bavaka izy, ary haniry hatao batisa. (Ampitahao amin’ny Marka 1:9-11.) Tokony hampahafantariny ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ny faniriany hatao batisa, ary io kosa dia hanao fandaharana mba hisian’ny loholona hiara-mandinika amin’ilay mpitory, ireo fanontaniana eo amin’ny pejy faha-175 ka hatramin’ny faha-218 amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika. Loholona telo samy hafa, raha azo atao, no handinika mandritra ny fotoam-pandaharana telo, ireo tapany efatra nizarana ireo fanontaniana. Raha manaiky izy ireo fa manana fahazoana antonona ny hevitr’ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly ilay mpitory tsy vita batisa, ary mahafeno fepetra eo amin’ny lafiny hafa, dia hilaza aminy izy ireo fa azo atao batisa izy. Ho vokatry ny fanolorany tena sy ny batisany, dia manjary ‘misy ilay marika’ ho amin’ny famonjena izy. — Ezekiela 9:4-6.
Fanomezana fahafaham-po amin’ireo zavatra ilaina manokana
10. Rehefa avy nahavita ny fianarany ny boky Fahalalana sy natao batisa ny olona iray, ahoana no hampitomboany ny fahalalany araka ny Soratra Masina?
10 Rehefa avy nahavita ny fianarany Baiboly tamin’ny boky Fahalalana ny olona iray ary vita batisa, dia mety tsy hilaina ny hitarihana aminy fianarana toy ny fanao, amin’ny boky faharoa toy ny Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina.b Mazava ho azy, fa hianatra zavatra betsaka ilay olona vita batisa vao haingana, arakaraka ny hanomanany ireo fivoriana kristiana sy hanatrehany azy ireny tsy tapaka. Handray fahalalana fanampiny koa izy arakaraka ny hanosehan’ny hetahetany ho an’ny fahamarinana ny tenany hamaky sy hianatra manokana ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana, ary hiara-midinika hevitra araka ny Soratra Masina amin’ireo mpiray finoana. Ahoana anefa raha mipoitra ireo zavatra ilaina manokana?
11. a) Ahoana no nanampian’i Prisila sy i Akoila an’i Apolosy? b) Fanampiana inona no mety homena ny olon-dehibe tanora iray vita batisa vao haingana ka mieritreritra ny hanambady?
11 Na dia i Apolosy aza, izay “nahery tamin’ny Soratra Masina” sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy, dia nandray soa rehefa “nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra” i Prisila sy i Akoila, Kristiana ampy fanandraman-javatra. (Asan’ny Apostoly 18:24-26; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:1-7.) Noho izany, aoka hatao hoe mieritreritra ny hiaraka amin-jazalahy na zazavavy tsy tahaka azy sy hanambady ny olon-dehibe tanora iray vita batisa vao haingana. Mety hanampy azy hahita fanazavana momba ireo foto-kevitra ireo ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra an’ny Watch Tower, ny Kristiana ampy fanandraman-javatra kokoa. Ohatra, misy fanazavana mahasoa mifandray amin’ireo lafin-javatra ireo ao amin’ilay boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, fizarana faha-7.c Ilay mpitory izay nitarika ny fampianarana Baiboly taminy dia mety hiara-mandinika izany fanazavana izany amin’ilay vaovao, na dia tsy hisy fianarana tsy tapaka ho tafiditra aza.
12. Fanampiana inona no mety homena ny mpivady iray vao vita batisa ka manan-java-manahirana?
12 Diniho ny ohatra hafa iray. Angamba manan-java-manahirana ny mpivady iray vao vita batisa eo amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Mety izy ireo hanatona loholona, izay ho afaka handany takariva vitsivitsy hiaraha-mandinika ny Soratra Masina aminy ary hisarika ny sainy ho amin’ny fanazavana hita ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra an’ny Watch Tower. Tsy hanorina indray fianarana Baiboly tsy tapaka amin’ilay mpivady anefa akory ilay loholona.
Raha manao fahadisoana ny olona vao vita batisa
13. Nahoana ireo loholon’ny kongregasiona no tokony hampiseho famindram-po amin’ny olona iray vao vita batisa izay nanao fahadisoana nefa nibebaka?
13 Ireo loholona dia manahaka an’i Jehovah, ilay Mpiandry Lehibe, izay milaza hoe: “Izaho no hiandry ny ondriko, (...) ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko”. (Ezekiela 34:15, 16; Efesiana 5:1). Mifanaraka amin’io toe-tsaina io, i Joda mpianatra, dia nampirisika mafy ny hanehoana famindram-po tamin’ireo Kristiana voahosotra izay nanana fisalasalana na latsaka tao amin’ny fahotana. (Joda 22, 23). Koa satria isika manantena ara-drariny zavatra bebe kokoa amin’ny Kristiana ampy fanandraman-javatra, dia azo inoana fa tokony hanehoana famindram-po ny olona vao vita batisa — zanak’ondry ihany — izay nanao fahadisoana kanefa nibebaka. (Lioka 12:48; 15:1-7). Ny loholona izay ‘mitsara ho an’i Jehovah’ àry dia manome fikarakarana feno fitiavana ho an’ny ondry toy izany, ary manarina azy amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy. — 2 Tantara 19:6; Asan’ny Apostoly 20:28, 29; Galatiana 6:1, NW.d
14. Inona no tokony hatao rehefa manao fahotana lehibe ny mpitory vita batisa vao haingana, ary ahoana no azo anampiana azy?
14 Aoka àry hatao hoe nanan-java-nanahirana momba ny zava-pisotro misy alkaola taloha ny mpitory iray vita batisa vao haingana ary latsaka indray tao amin’ny fanaranam-po tafahoatra tamin’izany, indray mandeha na indroa. Na angamba naharesy ny fahazarana nifoka sigara na nihinam-paraky hatramin’ny ela izy, kanefa dia lavo tamin’ny fakam-panahy hifoka tamim-piafenana, indray mandeha na indroa. Na dia efa nivavaka tamin’Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka aza ilay rahalahintsika vaovao, dia tokony hitady ny fanampian’ny loholona iray izy mba tsy hanjary ho fahazarana ilay fahotana. (Salamo 32:1-5; Jakoba 5:14, 15). Rehefa milaza ilay fahadisoana nataony amin’ny iray amin’ireo loholona izy, dia tokony hiezaka hanarina ilay rahalahy vaovao amim-pamindram-po io loholona io. (Salamo 130:3). Mety ho ampy ny torohevitra araka ny Soratra Masina mba hanampiana azy hanitsy ny lalan-kalehan’ny tongony aorian’izay. (Hebreo 12:12, 13). Io loholona io dia hiara-midinika ireo toe-javatra amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ao amin’ny kongregasiona mba hamaritana izay fanampiana fanampiny tokony homena.
15. Amin’ny toe-javatra sasany, inona no mety ho tena ilaina rehefa manota ny olona iray vita batisa vao haingana?
15 Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hisy zavatra bebe kokoa hilaina. Raha fanta-bahoaka sy mampidi-doza ho an’ny andian’ondry ilay fahotana, na misy zava-manahirana lehibe tafiditra, dia hanendry loholona roa ny fitambaran-doholona mba hamotopototra ny amin’ilay raharaha. Raha hitan’ireo loholona ireo fa lehibe ihany ilay raharaha ka ilana komitim-pitsarana iray, dia tokony hanao tatitra ny amin’izany any amin’ny fitambaran-doholona izy ireo. Amin’izay ny fitambaran-doholona dia hanendry komitim-pitsarana iray mba hanampy ilay nanao fahadisoana. Tokony hifampiraharaha aminy amim-panehoam-pitiavana ilay komitim-pitsarana. Tokony hiezaka mafy hanarina azy indray amin’ny alalan’ny Soratra Masina izy ireo. Raha mandray tsara ny ezaka ataon’ilay komitim-pitsarana amin-katsaram-panahy izy, dia ho azon’izy ireo atao amin’izay ny hamaritra raha hahasoa azy ny tsy hampiasaina amin’ireo anjara atao eny amin’ny lampihazo, any amin’ireo fivoriana hatao any amin’ny Efitrano Fanjakana, na koa raha tokony havela hanome valin-teny any amin’ny fivoriana izy.
16. Inona no azon’ireo loholona atao mba hanampiana ny olona iray nanao fahadisoana?
16 Raha mampiseho fihetsika tsara ilay nanao fahadisoana, dia afaka manao fandaharana ny loholona iray na roa mba hanao fitsidihan’ny mpiandry mba hanatanjahana indray ny finoany sy hampiorenana ny fankasitrahany ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra. Mety hiara-miasa aminy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ny tsirairay aminy, indraindray. Mety hanao dinika vitsivitsy miorina amin’ny Soratra Masina miaraka aminy izy ireo, ka azony ampiasaina ireo lahatsoratra mifanentana ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, kanefa tsy hanorina fampianarana Baiboly tsy tapaka izy ireo. Noho ny fikarakarana mampiseho fitiavana toy izany, dia mety hahazo tanjaka ilay nanao fahadisoana mba hanoherana ny fahalemen’ny nofo amin’ny andro ho avy.
17. Dingana inona avy no atao raha tsy mibebaka sy tsy miala amin’ny lalany feno ota ny mpanao ratsy iray vita batisa?
17 Mazava ho azy, fa tsy fialan-tsiny ho amin’ny fahazarana manota tsy misy fibebahana akory ny maha-olona vita batisa vao haingana ny tena. (Hebreo 10:26, 27; Joda 4). Raha misy mpanao ratsy vita batisa tsy mibebaka sy tsy miala amin’ny lalany feno ota, dia horoahina avy ao amin’ny kongregasiona izy. (1 Korintiana 5:6, 11-13; 2 Tesaloniana 2:11, 12; 2 Jaona 9-11). Rehefa toa tena ilaina io fanaovan-javatra io, dia hifidy komitim-pitsarana iray ny fitambaran-doholona. Raha misy ny fandroahana, dia hatao izao filazana fohy izao: “Voaroaka i (...).”e
Ampio izy ireo mba “hanatratra ny fahamatorana”
18. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa hanan-javatra betsaka kokoa foana hianarana momba an’i Jehovah sy ny sitrapony ireo Kristiana vao vita batisa sy ny hafa?
18 Hijanona ao amin’ny andian’ondry ny ampahany lehibe amin’ireo mpanompon’Andriamanitra. Soa ihany koa fa isika rehetra dia ho afaka hanatona akaiky kokoa hatrany an’ilay Raintsika any an-danitra satria ho afaka hianatra bebe kokoa foana momba azy sy ny sitrapony isika. (Mpitoriteny 3:11; Jakoba 4:8). Azo inoana fa ireo olona an’arivony maro natao batisa tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. dia nanan-javatra betsaka kokoa tokony hianarana. (Asan’ny Apostoly 2:5, 37-41; 4:4). Toy izany koa ireo Jentilisa izay tsy nanana fanabeazana ara-tsoratra masina. Marina izany, ohatra, raha ny amin’ireo natao batisa taorian’ny lahatenin’i Paoly tao amin’ny Areopago, tao Atena. (Asan’ny Apostoly 17:33, 34). Amin’izao andro izao koa, ireo vao vita batisa dia manan-javatra betsaka kokoa tokony hianarana, ary mila fotoana sy fanampiana izy ireo mba hanatanjahana ny fahatapahan-keviny hanao izay marina hatrany eo imason’Andriamanitra. — Galatiana 6:9; 2 Tesaloniana 3:13.
19. Ahoana no azo anampiana ireo vita batisa mba “hahatratra ny fahamatorana”?
19 Isan-taona, dia misy olona an’arivony maro atao batisa ary mila fanampiana mba “hanatratra ny fahamatorana”. (Hebreo 6:1-3, NW ). Amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra ary ny fanampiana azo ampiharina eo amin’ny fanompoana dia mety ho afaka hanampy ny sasany ianao mba hitafy ny toetra vaovao sy ‘handeha araka ny fahamarinana’. (3 Jaona 4; Kolosiana 3:9, 10). Raha mpitory ampy fanandraman-javatra ianao, dia mety hanasa anao ny loholona mba hanampy mpiray finoana vaovao eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na hidinika miaraka aminy hevitra araka ny Soratra Masina sasany mandritra ny herinandro vitsivitsy mba hanatanjahana ny finoany an’Andriamanitra sy ny fankasitrahany ireo fivoriana kristiana, sy ny toy izany. Ny fifandraisan’ny mpiandry amin’ny andian’ondry dia tahaka ny an’ny ray raha ny amin’ny fampirisihana ary tahaka ny an’ny reny raha ny amin’ny fahalemem-panahy. (1 Tesaloniana 2:7, 8, 11). Kanefa ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana vitsivitsy dia tsy afaka mikarakara izay rehetra ilaina ao amin’ny kongregasiona. Isika rehetra dia tahaka ny fianakaviana iray izay mifanampy ny mpikambana ao aminy. Afaka manao zavatra mba hanampiana ireo mpiara-mivavaka amintsika, isika tsirairay. Ny tenanao koa dia mety ho afaka hanolotra fampaherezana, hampionona ny ketraka sy hanohana ny malemy. — 1 Tesaloniana 5:14, 15, NW.
20. Inona no azonao atao mba hanelezana ny fahalalana an’Andriamanitra sy mba hanomezana fikarakarana feno fitiavana an’ireo ondry fiandrin’i Jehovah?
20 Mila ny fahalalana an’Andriamanitra ny olombelona, ary amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah anao dia afaka mandray anjara amim-pifaliana amin’ny fanelezana azy io ianao. Mila fikarakarana feno fitiavana ny ondrin’i Jehovah, ary afaka manana anjara asa mampiseho fitiavana ianao amin’ny fanampiana amin’ny fanomezana izany. Enga anie i Jehovah hitahy ny fanompoanao, ary enga anie izy hamaly soa anao noho ny ezaka amim-pahatsorana ataonao mba hanampiana ireo ondry fiandriny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Eto ilay mpitory vaovao dia afaka mahazo iray amin’ilay boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
c Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
d Izany fandaharana natao ho an’ny mpitory tsy vita batisa izany dia voasoritra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hanampy ny Mpiara-belona Amintsika Hivavaka Amin’Andriamanitra”, navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1989, pejy faha-15-20.
e Rehefa tapaka fa hatao ny fandroahana, ary misy fangatahana famerenam-pitsarana, dia hahemotra ilay filazana mandra-pahafantatra ny fiafaran’ilay raharaha. Jereo ny pejy faha-146-147 amin’ny boky Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no itondran’i Jehovah ny ondriny?
◻ Inona no atao rehefa maniry hitory ireo vaovao?
◻ Ahoana no azon’ireo mpiray finoana anampiana ireo vaovao mila fanampiana manokana?
◻ Fanampiana inona no azon’ireo loholona omena an’ireo nanao fahadisoana kanefa nibebaka?
◻ Ahoana no mety hanampianao olona iray vao vita batisa mba “hahatratra ny fahamatorana”?
[Sary, pejy 16]
Charles T. Russell dia fantatra tsara tamin’ny naha-mpiandry ny andian’ondry be fitiavana azy
[Sary, pejy 18]
Ireo mpiandry mangoraka dia mitondra ny andian’ ondrin’Andriamanitra amim-panehoam-pitiavana