Manompoa An’i Jehovah Amim-paharavoam-po
“Ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo (...) satria tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po hianao”. — DEOTERONOMIA 28:45-47.
1. Inona no porofo fa falifaly ireo izay manompo an’i Jehovah, na aiza na aiza izy ireo no manompo azy?
FALIFALY ny mpanompon’i Jehovah, na any an-danitra izy ireo no manao ny sitrapony na eto an-tany. Ireo “kintan’ny maraina” voaforon’ireo anjely dia nihorakora-pifaliana tamin’ny nanorenana ny tany, ary tsy isalasalana fa ‘manatanteraka ny tenin’Andriamanitra’ amim-pifaliana ireo anjely maro be any an-danitra. (Joba 38:4-7; Salamo 103:20, NW ). ‘Mpiasa faran’izay nahay’ falifaly tany an-danitra ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah ary nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy tamin’ny naha-olombelona azy, dia i Jesosy Kristy, teto an-tany. Ambonin’izany, dia ‘naharitra ny hazo fijaliana izy, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy’. — Ohabolana 8:30, 31, NW; Hebreo 10:5-10; 12:2.
2. Inona no namaritra raha hahazo fitahiana na ozona ireo Isiraelita?
2 Nahita fifaliana ireo Isiraelita rehefa nampifaly an’Andriamanitra. Kanefa ahoana raha tsy nankato azy izy ireo? Nampitandremana toy izao izy ireo: “Ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay [ireo ozona], satria tsy nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po hianao noho ny habetsahan’ny zavatra rehetra. Ary amin’ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana ary ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.” (Deoteronomia 28:45-48). Nampiseho mazava ireo fitahiana sy ozona hoe iza no mpanompon’i Jehovah ary iza no tsy izy. Ireny ozona ireny koa dia nanamafy fa tsy azo hamaivanina ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra sy fikasany, no sady tsy azo atao tsinontsinona izy ireny. Koa satria ireo Isiraelita tsy nety nanisy fiheverana an’ireo fampitandreman’i Jehovah ny amin’ny fahafoanana sy ny fanaovana sesitany, dia tonga “fanozonana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany” i Jerosalema. (Jeremia 26:6). Noho izany, dia aoka isika hankato an’Andriamanitra ka hahazo ny fankasitrahany. Ny fifaliana dia iray amin’ireo fitahiana maro avy amin’Andriamanitra tsapan’ny olona tia an’Andriamanitra.
Ny fomba anompoana ‘amim-paharavoam-po’
3. Inona moa ny fo ara-panoharana?
3 Tokony ho nanompo an’i Jehovah “tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po” ireo Isiraelita. Koa tsy maintsy ho toy izany koa ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro maoderina. Ny hoe mifaly dia “ravo, dibo-kafaliana”. Na dia resahina ao amin’ny Soratra Masina aza ny amin’ny fo ara-batana, dia tsy misaina na manjohy hevitra ara-bakiteny izy io. (Eksodosy 28:30). Ny anjara asan’izy io lehibe indrindra dia ny mipaompy ny ra izay mamelona ireo selan’ny vatana. Amin’ny ankapobeny anefa, ny Baiboly dia manisy firesahana ny amin’ny fo ara-panoharana, izay mihoatra noho ny foiben’ny firaiketam-po sy ny antony manosika ary ny fahaizana ara-tsaina. Voalaza izy io fa mampiseho “ny faritra afovoany amin’ny ankapobeny, ny ao anaty, ary noho izany dia mampiseho ilay olona anaty, izay miseho eo amin’ny asa aman-draharahany samihafa, eo amin’ny faniriany, ny firaiketam-pony, ny fientanam-pony, ny firehetam-pony, ny fikasany, ny eritreriny, ny fahatsapany zavatra, ny zavatra foronin’ny sainy, ny fahendreny, ny fahalalany, ny fahaizany manao zavatra, ny zavatra inoany sy ny fanjohian-keviny, ny fitadidiany sy ny fahatsiarovany tena, rehetra”. (Journal of the Society of Biblical Literature and Exegesis, 1882, pejy faha-67). Mahafaoka ireo fihetseham-pontsika sy fientanam-pontsika, anisan’izany ny fifaliana, ny fontsika ara-panoharana. — Jaona 16:22.
4. Inona no afaka manampy antsika hanompo an’i Jehovah Andriamanitra amim-paharavoam-po?
4 Inona no afaka manampy antsika hanompo an’i Jehovah amim-paharavoam-po? Manampy ny fananana fomba fijery manorina sy mahay mankasitraka an’ireo fitahiana raisintsika sy ireo tombontsoa omen’Andriamanitra antsika. Ohatra, afaka misaintsaina amim-pifaliana ny amin’ny tombontsoantsika manolotra “fanompoana masina” ho an’ilay Andriamanitra marina isika. (Lioka 1:74, NW ). Eo ny tombontsoa mifandray amin’izany, dia ny fitondrana ny anaran’i Jehovah amin’ny maha-Vavolombelony. (Isaia 43:10-12). Azontsika anampiana izany ny fifaliana mahafantatra fa amin’ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra, dia mampifaly azy isika. Ary toy inona moa ny fifaliana amin’ny fanomezana taratry ny fahazavana ara-panahy ka araka izany, dia manampy olona maro hivoaka avy ao amin’ny haizina! — Matio 5:14-16; ampitahao amin’ny 1 Petera 2:9.
5. Inona no loharanon’ny fifaliana araka an’Andriamanitra?
5 Kanefa ny fanompoana an’i Jehovah amim-paharavoam-po dia tsy raharaha momba ny fisainana manorina fotsiny. Mahasoa ny hoe manorina eo amin’ny fomba fijery. Kanefa ny fifaliana araka an’Andriamanitra dia tsy zavatra vokarintsika amin’ny alalan’ny fanatsarana ny toetra. Vokatry ny fanahin’i Jehovah izy io. (Galatiana 5:22, 23). Raha tsy manana izany fifaliana izany isika, dia mety hila ny hanao fanitsiana mba hanalavirana ny fisainana na ny fanaovan-javatra amin’ny fomba tsy araka ny Soratra Masina, fomba izay mety hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra. (Efesiana 4:30). Amin’ny maha-olona nanolo-tena ho an’i Jehovah antsika anefa, dia aoka isika tsy hatahotra sao hoe ho porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny tsy fisian’ny fifaliana avy amin’ny fo amin’ny fotoana sasany. Tsy lavorary isika ary iharan’ny fanaintainana sy ny alahelo ary ny fahaketrahana mihitsy aza indraindray, kanefa mahalala tsara antsika i Jehovah. (Salamo 103:10-14). Noho izany, dia aoka isika hivavaka mba hahazoana ny fanahiny masina, amin’ny fitadidiana fa ny vokatr’izy io, ny fifaliana, dia omen’Andriamanitra. Hamaly ny vavaka toy izany ny Raintsika be fitiavana any an-danitra ary hanome fahafahana antsika hanompo azy amim-paharavoam-po. — Lioka 11:13.
Rehefa tsy misy ny fifaliana
6. Raha tsy misy ny fifaliana eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra, dia inona no tokony hataontsika?
6 Raha tsy misy ny fifaliana eo amin’ny fanompoantsika, dia mety hampihena ny zotom-pontsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika na mety hiharihary ho tsy mahatoky eo anatrehany mihitsy aza amin’ny farany. Koa amin’izany, dia ho fahendrena ny handinihana amim-panetren-tena sy amim-bavaka ireo antony manosika antsika sy ny hanaovana ny fanitsiana ilaina. Mba hananana ny fifaliana omen’Andriamanitra, dia tsy maintsy manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana isika ary manompo azy amin’ny fo sy ny fanahy ary ny saintsika rehetra. (Matio 22:37). Tsy tokony hanompo amin’ny toe-tsaina tia mifaninana isika, satria izao no nosoratan’i Paoly: “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” (Galatiana 5:25, 26). Tsy hanana ny tena fifaliana isika raha manompo satria te hisongona ny hafa na mila dera.
7. Ahoana no ahafahantsika mamelona indray ny faharavoam-pontsika?
7 Ahitam-pifaliana ny miaina mifanaraka amin’ny fanolorantsika tena ho an’i Jehovah. Fony isika vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia nanomboka nanaraka tamin-jotom-po ny fomba fiaina kristiana isika. Nianatra ny Soratra Masina isika ary nandray anjara tsy tapaka tamin’ireo fivoriana. (Hebreo 10:24, 25). Nanome antsika fifaliana ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoana. Ahoana anefa raha nihena ny fifaliantsika? Ny fianarana ny Baiboly, ny fanatrehana fivoriana, ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana — eny tokoa, ny fandraisana anjara feno amin’ny lafiny rehetra amin’ny Kristianisma — dia tokony hanome ho an’ny fiainantsika ny tsy fihilangilanana ara-panahy sady hamelona indray ny fitiavantsika voalohany sy ny faharavoam-pontsika teo aloha. (Apokalypsy 2:4). Amin’izay isika dia tsy ho tahaka ireo izay somary tsy falifaly sady matetika no mila fanampiana ara-panahy. Faly ny hanampy ireo loholona, kanefa tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fanolorantsika tena ho an’Andriamanitra isika tsirairay avy. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany ho antsika. Noho izany, dia aoka isika hanao ho zava-kendrentsika ny hanaraka ny fahazarana kristiana ara-dalàna mba hiainana mifanaraka amin’ny fanolorantsika tena ho an’i Jehovah ka hanana ny tena fifaliana.
8. Nahoana no zava-dehibe ny fananana fieritreretana madio raha te ho faly isika?
8 Raha tiantsika ny hanana ilay fifaliana izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia mila fieritreretana madio isika. Raha mbola niezaka nanafina ny fahotany i Davida Mpanjakan’i Isiraely, dia fadiranovana izy. Raha ny tena izy, ny fahatanjahany dia toa nanjavona, ary nety ho nanjary narary ara-batana izy. Toy inona moa ny fanamaivanana tsapany rehefa niseho ny fibebahana sy ny fieken-keloka! (Salamo 32:1-5). Tsy afaka ny ho falifaly isika raha manafina fahotana lehibe sasany. Izany dia mety hahatonga antsika hanana fiainana feno zava-manahirana tokoa. Azo antoka fa tsy izany no fomba ahitana fifaliana. Kanefa ny fieken-keloka sy ny fibebahana dia mitondra fanamaivanana sy famerenana amin’ny laoniny ny toe-tsaina falifaly. — Ohabolana 28:13.
Miandry amim-pifaliana
9, 10. a) Fampanantenana inona no noraisin’i Abrahama, kanefa ahoana no nety ho nisedrana ny finoany sy ny fifaliany? b) Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny ohatra navelan’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba?
9 Zavatra iray ny hoe manana fifaliana rehefa mianatra voalohany momba ny fikasan’Andriamanitra isika, fa zavatra hafa tanteraka ny mitoetra ho falifaly rehefa mandeha ireo taona. Azo hazavaina amin’ny alalan’ny ohatra ny amin’i Abrahama nahatoky izany. Rehefa avy nanandrana ny hanao sorona an’i Isaka zanany lahy izy araka ny baikon’Andriamanitra, dia nilaza izao hafatra izao ny anjely iray: “Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” (Genesisy 22:15-18). Tsy isalasalana fa dibo-kafaliana i Abrahama tamin’izany fampanantenana izany.
10 Nety ho nanantena i Abrahama fa i Isaka no ho ilay ‘taranaka’, izay amin’ny alalany no hiavian’ireo fitahiana nampanantenaina. Kanefa ny fandehan’ireo taona tsy nisy zava-nahagaga notanterahina tamin’ny alalan’i Isaka dia nety ho nisedra ny finoana sy ny fifalian’i Abrahama sy ny fianakaviany. Nanome toky azy ireo ny fanamafisan’Andriamanitra ilay fampanantenana tamin’i Isaka sy i Jakoba zanany lahy tatỳ aoriana fa ny fiavian’ilay Taranaka dia mbola ho avy, ary izany dia nanampy azy ireo hihazona ny finoany sy ny fifaliany. I Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba anefa dia maty tsy nahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra tamin’izy ireo, kanefa tsy hoe mpanompon’i Jehovah tsy falifaly izy ireo. (Hebreo 11:13). Isika koa dia afaka manohy manompo an’i Jehovah amim-pinoana sy fifaliana eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ireo fampanantenany.
Faly na dia eo aza ny fanenjehana
11. Nahoana isika no afaka ny ho falifaly na dia eo aza ny fanenjehana?
11 Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia afaka manompo an’i Jehovah amim-paharavoam-po isika, na dia miaritra fanenjehana aza. Nambaran’i Jesosy hoe sambatra ireo izay enjehina noho ny aminy, ary nilaza toy izao ny apostoly Petera: “Araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy; fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.” (1 Petera 4:13, 14; Matio 5:11, 12). Raha miaritra fanenjehana ianao sady mijaly noho ny fahamarinana, dia manana ny fanahin’i Jehovah sy ny fankasitrahany, ary azo antoka fa mampitombo ny fifaliana izany.
12. a) Nahoana isika no afaka miatrika amim-pifaliana ireo fisedrana ny finoana? b) Fianarana fototra inona no azontsika raisina avy amin’izay nitranga tamin’ny Levita iray tany an-tsesitany?
12 Afaka miatrika amim-pifaliana ireo fisedrana ny finoana isika satria Fialofantsika Andriamanitra. Aseho miharihary izany ao amin’ny Salamo faha-42 sy faha-43. Noho ny antony sasany, dia tany an-tsesitany ny Levita iray. Tena nanembona aoka izany ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra izy, hany ka nahatsiaro tena ho tahaka ny dieravavy nangetaheta, izay naniry rano mafy tao amin’ny faritra maina sy ngazana iray. ‘Nangetaheta’, na naniry fatratra, an’i Jehovah sy ny tombontsoa nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra tao amin’ny fitoerany masina izy. (Salamo 42:1, 2). Io fanandraman-javatra hitan’ilay Levita io dia tokony hanosika antsika hampiseho fankasitrahana ny fiarahantsika amin’ny vahoakan’i Jehovah. Raha toa ny tarehin-javatra iray, toy ny fanaovana an-tranomaizina noho ny fanenjehana, ka misakana antsika mandritra ny fotoana voafetra tsy ho tafaraka amin’izy ireny, dia aoka isika hisaintsaina ireo fifaliana tamin’ny lasa niarahana teo amin’ny fanompoana masina ary hivavaka mba hanana fiaretana raha mbola ‘manantena an’Andriamanitra’ mba hamerina antsika amin’ny asa tsy tapaka miaraka amin’ireo mpivavaka aminy. — Salamo 42:4, 5; 43:3-5.
“Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana”
13. Ahoana no ampisehoan’ny Salamo 100:1, 2 fa ny fifaliana dia tsy maintsy lafiny miavaka iray amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra?
13 Ny fifaliana dia tsy maintsy lafiny miavaka iray amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Izany dia naseho tao amin’ny salamo ho fiderana iray izay nihiran’ilay mpanao salamo toy izao: “Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” (Salamo 100:1, 2). “Andriamanitra finaritra” i Jehovah ary tiany hahita fifaliana ireo mpanompony amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra entin’ny fanoloran’izy ireo tena ho azy. (1 Timoty 1:11). Tokony hifaly indrindra amin’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena rehetra, ary tokony hahery, tahaka ny ‘fihobiana’ ataon’ny tafika mandresy, ny teny fiderana ataontsika. Koa satria mamelombelona ny fanompoana an’Andriamanitra, dia tokony harahim-pifaliana izany. Koa amin’izany, ilay mpanao salamo dia nampirisika ny olona mba hankeo anatrehan’Andriamanitra “amin’ny fihobiana”.
14, 15. Ahoana no iharan’ny Salamo 100:3-5 amin’ny vahoakan’i Jehovah falifaly amin’izao andro izao?
14 Nanampy teny toy izao ilay mpanao salamo: “Aoka ho fantatrareo [hekenareo] fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” (Salamo 100:3). Koa satria i Jehovah no Mpamorona antsika, dia azy isika toy ny maha-fananan’ny mpiandry iray ny ondriny. Tena mikarakara antsika tsara aoka izany Andriamanitra, hany ka midera azy amim-pankasitrahana isika. (Salamo 23). Momba an’i Jehovah, dia nihira toy izao koa ilay mpanao salamo: “Midira eo amin’ny vavahadiny amin’ny fisaorana, ary eo an-kianjany amin’ny fiderana; misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah; mandrakizay ny famindrampony [“hatsaram-panahiny miharo fitiavana”, NW ], ary mihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.” — Salamo 100:4, 5.
15 Amin’izao andro izao, dia misy olona falifaly avy amin’ny firenena rehetra miditra eo amin’ny kianjan’ny fitoerana masin’i Jehovah mba hanolotra fisaorana sy fiderana. Mankalaza amim-pifaliana ny anaran’Andriamanitra isika amin’ny firesahana mandrakariva zavatra tsara momba an’i Jehovah, ary manosika antsika hidera azy ireo toetrany lehibe. Tsara tanteraka izy, ary azo ianteherana mandrakariva ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana na ny fiheverany amim-pangorahana ireo mpanompony, satria mitohy hatramin’ny fotoana tsy manam-petra izany. Hatramin’ny “taranaka fara mandimby”, i Jehovah dia mahatoky amin’ny fanehoana fitiavana amin’ireo izay manao ny sitrapony. (Romana 8:38, 39). Azo antoka àry fa manana antony tsara ‘hanompoana an’i Jehovah amin’ny fifaliana’ isika.
Mifalia amin’ny fanantenanao
16. Afaka mifaly amin’ny fanantenana sy ny fahatsinjovan-javatra inona avy ireo Kristiana?
16 Nanoratra toy izao i Paoly: “Mifalia amin’ny fanantenana”. (Romana 12:12). Ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy voahosotra dia mifaly amin’ny fanantenana be voninahitra ny amin’ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra izay nosokafan’Andriamanitra ho azy ireo tamin’ny alalan’ny Zanany. (Romana 8:16, 17; Filipiana 3:20, 21). Manana fototra hifaliana koa ireo Kristiana manana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43). Ny mpanompon’i Jehovah mahatoky rehetra dia manana antony tokony hifaliana amin’ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana satria, na ho anisan’io fitondram-panjakana any an-danitra io izy ireo, na hiaina eo amin’ny faritra hotapahin’izy io eto an-tany. Fitahiana mahafaly re izany! — Matio 6:9, 10; Romana 8:18-21.
17, 18. a) Inona no nambara mialoha ao amin’ny Isaia 25:6-8? b) Ahoana no ahatanterahan’io faminanian’i Isaia io ankehitriny, ary ahoana ny amin’ny fahatanterahany amin’ny hoavy?
17 Nanambara mialoha hoavy mahafaly ho an’ny olombelona mankato koa i Isaia. Izao no nosoratany: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. Ary hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.” — Isaia 25:6-8.
18 Ny fanasana ara-panahy iombonantsika amin’izao andro izao amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah antsika dia fanasana mahafaly tokoa. Raha ny tena izy, dia dibo-kafaliana isika satria manompo an’Andriamanitra amin-jotom-po eo am-piandrasana amim-panantenana ilay fanasana amin’ny zava-tsoa ara-bakiteny izay nampanantenainy ho an’ny tontolo vaovao. (2 Petera 3:13). Miorina amin’ny soron’i Jesosy, i Jehovah dia hanaisotra “ny rakotra” manarona ny olombelona noho ny fahotan’i Adama. Ho fifaliana toy inona moa ny hahita ny fahotana sy ny fahafatesana ho voaesotra! Ho fahafinaretana toy inona moa ny handray an-tanan-droa ireo havan-tiana hatsangana amin’ny maty sy ny hahamarika fa foana ny ranomaso ary ny hiaina ao amin’ny tany zary paradisa! Eo dia tsy homen-tsiny ny vahoakan’i Jehovah fa hanome an’Andriamanitra valiny ho an’ilay mpiteny ratsy azy lehibe, dia i Satana Devoly! — Ohabolana 27:11.
19. Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anatrehan’ireo fahatsinjovan-javatra izay apetrak’i Jehovah eo anoloantsika amin’ny maha-Vavolombelony antsika?
19 Moa ve tsy mameno fifaliana sy fankasitrahana anao ny mahafantatra izay hataon’i Jehovah ho an’ireo mpanompony? Eny tokoa, izany fahatsinjovan-javatra lehibe izany dia mandray anjara amin’ny fifaliantsika! Ambonin’izany, ny fanantenantsika ombam-pitahiana dia mahatonga antsika hitodika any amin’ilay Andriamanitsika sambatra sy be fitiavana ary malala-tanana, amin’ny fananana izao fihetseham-po izao: “Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” (Isaia 25:9). Miaraka amin’ilay fanantenantsika mamirapiratra miraikitra ao an-tsaintsika, dia aoka isika hitarika amin-kery ny fiezahana rehetra mba hanompoana an’i Jehovah amim-paharavoam-po.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahantsika manompo an’i Jehovah ‘amim-paharavoam-po’?
◻ Inona no azontsika atao raha tsy misy ny fifaliana eo amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra?
◻ Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no afaka manana fifaliana na dia eo aza ny fanenjehana?
◻ Antony inona avy no ananantsika mba hifaliana amin’ny fanantenantsika?
[Sary, pejy 17]
Hampitombo ny fifaliantsika ny fandraisana anjara amin’ireo lafiny rehetra amin’ny fiainana kristiana