-
Iza no Namorona ny Lalàna Mifehy An’izao Rehetra Izao?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Jolay
-
-
3. Maharitra mandrakizay sa mety simba?
Nino i Aristote fa tena samy hafa be mihitsy ny lanitra sy ny tany. Nilaza izy fa mety miova sy mihasimba ny tany, fa maharitra mandrakizay sady tsy miovaova kosa ny etera mahaforona ny lanitra feno kintana. Tsy mety miova mihitsy, hono, na lasa tonta na maty ireo bola kristaly sy ireo zavatra miraikitra aminy.
Izany ve no ampianarin’ny Baiboly? Hoy ny Salamo 102:25-27: “Efa hatramin’ny ela ianao no nametraka ny fototry ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra. Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra, ary ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo. Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka hifarana hatreo ny aminy. Fa ianao kosa tsy miova, ary ny taonanao tsy hisy farany.”
Mety ho 200 taona talohan’i Aristote no nanoratan’ny mpanao salamo an’io. Mariho fa tsy nilaza izy hoe mety simba ny tany fa maharitra mandrakizay kosa ny lanitra feno kintana. Samy nampifanoheriny tamin’ilay Andriamanitra mahery namorona ny zavaboary kosa ny tany sy ny lanitra.d Lazain’io salamo io fa mety simba toy ny zava-drehetra etỳ an-tany ny kintana. Inona kosa no hitan’ny mpahay siansa?
Hitan’ireo manam-pahaizana fa marina ny lazain’ny Baiboly sy Aristote hoe mety simba ny tany. Kaohin’ny riaka foana mantsy ny nofon-tany ka mihasimba. Tafaverina amin’ny laoniny foana koa anefa izy io, noho ny volkano na ny zavatra hafa mampihetsika ny tany.
Ary ny kintana? Mety simba araka ny lazain’ny Baiboly ve izy ireny sa maharitra mandrakizay araka ny tenin’i Aristote? Lasa nisalasala momba ilay hevitr’i Aristote ireo manam-pahaizana eoropeanina, rehefa nahita kintana nipoaka tamin’ny taonjato faha-16. Izay izy ireo vao nahita toy izany. Hitan’izy ireo fa mety ho faty ny kintana rehefa mipoaka, ary mety hahery vaika be ny fitrangan’izany. Mety ho faty tsikelikely koa izy ireny na hianjera ho azy. Hitan’izy ireo koa anefa fa nisy kintana vaovao niforona tao amin’ireo gazy matevina avy amin’ireo kintana nipoaka. Tena mety tsara àry ilay sarin-teny ampiasain’ny mpanoratra Baiboly hoe toy ny akanjo tonta ka soloana ny zavatra eny amin’ny lanitra.e Mahavariana tokoa ny hoe mifanaraka tsara amin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ankehitriny ny zavatra nosoratan’ilay mpanao salamo fahiny.
Mety mbola hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Milaza àry ve ny Baiboly fa tsy hisy intsony na tokony hosoloana ny tany sy ny lanitra feno kintana indray andro any?’ Tsia! Mampanantena ny Baiboly fa hisy foana izy ireny. (Salamo 104:5; 119:90) Tsy midika anefa izany hoe tsy mety simba mihitsy izy ireny. Ilay Andriamanitra namorona azy ireny kosa no mampanantena fa hampaharitra azy ireny. (Salamo 148:4-6) Tsy lazainy hoe ahoana no hanaovany an’izany. Izy anefa no nanao an’izao rehetra izao, ka azo antoka fa ho vitany izany. Tsy toy izany koa ve no ataon’ny mpanao trano tena mahay? Tsy hanao izay hampahateza ny trano nataony ho an’ny ankohonany ve izy?
-
-
Iza no Namorona ny Lalàna Mifehy An’izao Rehetra Izao?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Jolay
-
-
e Hitan’i William Thomson, mpahay siansa antsoina koa hoe Lord Kelvin, tamin’ny taonjato faha-19, ilay lalàna manazava hoe nahoana ny zavatra hita eo amin’ny natiora no mety hihalò sy hihasimba. Nandinika tsara ny Salamo 102:25-27 izy, ka izany no anisan’ny nahatonga azy hiaiky toy izany.
-