Aza Mivadika Mihitsy
“Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny [tsy fivadihako, “TV” ].”—SALAMO 26:11.
1, 2. a) Nahoana no mifandray akaiky ny tsy fivadihan’ny olombelona sy ny zon’Andriamanitra hitondra? b) Ahoana no ampisehoan’ny zavaboary manan-tsaina fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra izy?
MANANA zo hitondra ny zavaboariny rehetra ve Andriamanitra? Izany no adihevitra lehibe napoitran’i Satana tao amin’ny saha Edena, rehefa nikomy izy. Nilaza izy tatỳ aoriana, fa tsy hanompo an’Andriamanitra ny olona raha tsy hahitany tombontsoa izany. (Joba 1:9-11; 2:4) Lasa mifandray akaiky àry ny tsy fivadihan’ny olombelona sy ny zon’i Jehovah hitondra.
2 Mpitondra foana Andriamanitra, na mivadika aminy ny zavaboariny na tsia. Manohana ny zon’Andriamanitra hitondra anefa ny olombelona sy ny anjely, rehefa mifidy ny tsy hivadika aminy. Antony marim-pototra azo itsarana azy ireo àry ny tsy fivadihany.
3. a) Inona no tian’i Joba sy Davida hodinihin’i Jehovah sy hotsarainy? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka momba ny tsy fivadihana?
3 Natoky tanteraka i Joba rehefa nilaza hoe: “Enga anie ka holanjain’[i Jehovah] eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny.” (Joba 31:6) Nangataka an’i Jehovah koa i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, mba handinika raha nivadika izy na tsia. Hoy izy: “Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.” (Salamo 26:1) Tena tokony hanao ny marina, na tsy hivadika koa isika! Inona anefa no atao hoe tsy mivadika, ary inona no tafiditra amin’izany? Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?
‘Mandeha amin’ny fahamarinako aho’
4. Inona no atao hoe tsy mivadika?
4 Ny hoe tsy mivadika dia midika hoe mahitsy, marina, ary tsy misy tsiny. Tsy ampy ny manao ny tsara fotsiny, fa ilaina koa ny ho tia an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy hanana fitondran-tena tsy azo kianina. Niahiahy ny amin’ny antony nanosika an’i Joba i Satana rehefa nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolan[’i Joba] sy ny nofony—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” (Joba 2:5) Tokony hanao ny tsara àry ny olona tsy mivadika, sady tokony hanana antony manosika tsara koa.
5. Inona no mampiseho fa tsy voatery ho lavorary isika vao afaka ny tsy hivadika?
5 Tsy voatery ho lavorary anefa ny olona vao afaka ny tsy hivadika. Tsy lavorary i Davida Mpanjaka, ary nanao fahadisoana lehibe maro teo amin’ny fiainany. Milaza anefa ny Baiboly, fa ‘nandeha tamin’ny fahitsian’ny fo’ izy. (1 Mpanjaka 9:4) Fa nahoana? Satria tena tia an’i Jehovah izy. Niaiky ny fahadisoany izy, sady nanaiky fananarana, ary nanitsy ny lalany. Tena tsy nivadika tokoa izy, satria niraiki-po tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny, sady tia azy tamin’ny fony manontolo.—Deoteronomia 6:5, 6.
6, 7. Inona no tafiditra amin’ny hoe tsy mivadika?
6 Tsy eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ihany anefa no tokony hisehoan’ny tsy fivadihana, fa eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy. “Nandeha” tamin’ny tsy fivadihany i Davida. Hoy ilay boky hoe Fanazavana Vaovao Momba ny Baiboly (anglisy): “ ‘Fomba fiaina’ no hevitr’ilay matoanteny hoe ‘mandeha.’ ” Nihira toy izao momba an’ireo ‘mahitsy lalana’ ny mpanao salamo: “Sambatra izay mitandrina ny [fampahatsiahivan’Andriamanitra, TV ] ka mitady Azy amin’ny fo rehetra; eny, izay tsy manao ratsy, fa mandeha araka ny làlany.” (Salamo 119:1-3) Ny hoe tsy mivadika àry dia midika koa hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva sy mandeha amin’ny lalany.
7 Miraiki-po amin’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, na dia amin’ny toe-javatra sarotra aza. Tsy mivadika isika raha miaritra fitsapana, mijoro tsara na dia sendra zava-tsarotra aza, na koa manohitra ireo fakam-panahy alefan’ity tontolo ratsy ity. ‘Mampifaly ny fon’i Jehovah’ isika amin’izay, satria ho afaka hamaly an’ilay miteny ratsy azy izy. (Ohabolana 27:11) Azontsika atao àry ny manahaka an’i Joba, ka hanaporofo fa “olona marina sy mahitsy” isika. (Joba 2:3) Resahina ao amin’ny Salamo faha-26 ny zavatra hanampy antsika tsy hivadika.
“Izahao toetra ny voako sy ny foko”
8. Inona no ianaranao avy amin’ilay fitalahoan’i Davida mba handinihan’i Jehovah ny voany sy ny fony?
8 Nivavaka i Davida hoe: “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.” (Salamo 26:2) Any anatin’ny vatana lalina any no misy ny voa. Ampiasaina an’ohatra àry ny voa, mba hanondroana ny eritreritra sy ny fihetseham-po lalina indrindra. Manondro ny fahaiza-misaina sy ny fihetseham-po ary ny antony manosika hanao zavatra kosa ny fo. Ny handinihan’i Jehovah ny eritreriny sy ny fihetseham-pony àry, no nangatahin’i Davida tamin’ny vavaka.
9. Ahoana no anadiovan’i Jehovah ny voa sy ny fontsika ara-panoharana?
9 Nangataka koa i Davida, mba hozahan-toetra, na hohatsaraina ny voany sy ny fony. Ahoana no hanatsaran’i Jehovah ny toetrantsika? Nihira toy izao i Davida: “Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.” (Salamo 16:7) Inona no dikan’izany? Midika izany fa tena latsaka tao am-pon’i Davida ny torohevitr’Andriamanitra, ary notehiriziny tao. Nanitsy ny eritreriny sy ny fihetseham-pony lalina indrindra izany. Ho toy izany koa ny amintsika, raha misaintsaina sy mankasitraka ny torohevitra omena antsika amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny solontenany ary ny fandaminany isika, ary mitahiry izany ao am-pontsika. Tsy hivadika koa isika, raha mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah, mba hanadiovany antsika.
‘Ny famindram-ponao no eo anoloako’
10. Inona no nanampy an’i Davida handeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra?
10 Hoy ihany i Davida: “Ny famindramponao no eo anoloan’ny masoko; ary mandeha amin’ny fahamarinanao aho.” (Salamo 26:3) Fantatr’i Davida tsara ireo asa anehoan’Andriamanitra famindram-po na fitiavana sy hatsaram-panahy, ary nisaintsaina sy nankasitraka azy ireny izy. Nihira toy izao izy: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra.” Hoy koa izy, rehefa nahatsiaro ny iray tamin’ireo ‘fitahian’Andriamanitra’: “Jehovah manao fahamarinana sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny làlan-kalehany Izy; ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.” (Salamo 103:2, 6, 7) Toa nieritreritra ny amin’ny nampahorin’ny Ejipsianina ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy i Davida teo. Raha izany no izy, dia tsy maintsy ho nisaintsaina ny fomba nampahafantaran’i Jehovah an’i Mosesy ny fanafahana ny Israelita izy. Nanohina ny fony izany, ka tapa-kevitra kokoa ny handeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izy.
11. Inona no hanampy antsika tsy hivadika?
11 Tsy hivadika mihitsy isika, raha mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina izay ianarantsika. Nandositra, ohatra, i Josefa rehefa nasain’ny vadin’i Potifara hanao firaisana taminy. Azo antoka fa hanampy antsika handositra ny fijangajangana ny fitadidiana izany, rehefa misy mitaona antsika haloto fitondran-tena any am-piasana, na any am-pianarana, na any an-toeran-kafa. (Genesisy 39:7-12) Misy ohatra azo saintsainina koa ve rehefa alaim-panahy hikatsaka harena na toerana ambony eo amin’ity tontolo ity isika? Eny. Azontsika atao ny misaintsaina ny ohatra nomen’i Mosesy, izay nanda ny voninahitra tany Ejipta. (Hebreo 11:24-26) Niaritra koa i Joba, na dia teo aza ny aretiny sy ny fahoriany. Azo antoka fa ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika amin’i Jehovah isika raha misaintsaina izany. (Jakoba 5:11) Ahoana kosa raha enjehina isika? Hanana herim-po hiatrehana izany isika, raha mitadidy izay nitranga tamin’i Daniela tao an-davaky ny liona!—Daniela 6:17-23.
“Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho”
12, 13. Karaza-namana manao ahoana no tokony hohalavirintsika?
12 Niresaka lafin-javatra hafa nanampy azy tsy hivadika i Davida. Hoy izy: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy. Halako ny fiangonan’ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ny ratsy fanahy aho.” (Salamo 26:4, 5) Tsy niara-nipetraka tamin’ny ratsy fanahy i Davida, ary nankahala ny naman-dratsy.
13 Ary isika? Moa ve isika mandà tsy hiaraka amin’ny olon-dratsy, amin’ny alalan’ny tele, video, sarimihetsika, Internet, na zavatra hafa? Manalavitra ny olom-petsy na ireo mpihatsaravelatsihy ve isika? Mody minamana amintsika ny olona sasany any am-pianarana, na any am-piasana, kanefa ratsy saina. Tena irintsika ve ny hifandray akaiky amin’ny olona tsy mandeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra? Mety hilaza ho manao zavatra amim-pahatsorana koa ny mpivadi-pinoana, nefa ny hampiala antsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah no tena tanjony. Ary ahoana raha misy miseho ho Kristianina eo anivon’ny fiangonana, nefa manafina ny ratsy ataony? Mihatsaravelatsihy koa ny olona toy izany. Mpanampy amin’ny fanompoana i Jayson, ary nanana namana toy izany izy tamin’ny mbola tanora. Hoy izy momba azy ireny: “Nilaza tamiko ny iray tamin’izy ireo indray andro hoe: ‘Tsy hanenenantsika izay ataontsika ankehitriny, satria ho faty ihany isika rehefa ho tonga ny tontolo vaovao. Tsy ho fantatsika akory izay fitahiana hafointsika.’ Nahatonga saina ahy izany. Tsy te ho faty aho rehefa ho tonga ny tontolo vaovao.” Hendry i Jayson, ka nanapaka ny fifandraisany tamin’ireo olona ireo. Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tena zava-dehibe àry ny hanalavirantsika ny naman-dratsy!
‘Hilaza ny asanao mahagaga rehetra aho’
14, 15. Ahoana no ‘hitoerantsika eo akaikin’ny alitaran’i Jehovah’?
14 Hoy koa i Davida: “Manasa ny tànako noho ny fahamarinako aho ka te-hitoetra eo akaikin’ny alitaranao, Jehovah ô.” Nahoana? “Mba hanao feo fiderana ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.” (Salamo 26:6, 7) Te hadio fitondran-tena foana i Davida, mba ho afaka hanompo an’i Jehovah sy hanambara ny fitiavany azy.
15 “Tandindona sy aloky ny zavatra any an-danitra” ny zava-drehetra tao amin’ny tranolay sy ny tempoly, izay nifandray tamin’ny fivavahana marina. (Hebreo 8:5; 9:23) Ny alitara dia manondro ny sitrapon’i Jehovah tamin’ny nanekeny ny soron’i Jesosy Kristy ho fanavotana ny olombelona. (Hebreo 10:5-10) Manasa ny tanantsika noho ny fahamarinana isika, ary ‘mitoetra eo akaikin’ny alitaran’i Jehovah’, rehefa mino io sorona io.—Jaona 3:16-18.
16. Inona no soa raisintsika rehefa mitory ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra isika?
16 Tena mankasitraka sy velom-pisaorana an’i Jehovah sy ny Zanany lahitokana isika, rehefa mieritreritra ny soa azo avy amin’ny vidim-panavotana! Aoka àry isika hampahafantatra ny hafa ireo asa mahagaga nataon’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny namoronana ny olona tao amin’ny saha Edena, ka mandra-pamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra, ao amin’ny tontolo vaovao. (Genesisy 2:7; Asan’ny Apostoly 3:21) Miaro tokoa ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra! (Matio 24:14; 28:19, 20) Hazava tsara foana ny fanantenantsika raha mazoto amin’io asa io isika. Hatanjaka koa ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra, sady hitombo ny fitiavantsika azy sy ny mpiara-belona amintsika.
“Tiako ny trano itoeranao”
17, 18. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivoriana kristianina?
17 Ny tranolay sy ny alitarany no foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah, tany Israely. Nahafinaritra an’i Davida io toerana io, ka nivavaka izy hoe: “Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ny voninahitrao.”—Salamo 26:8.
18 Tianao ve ny mankany amin’ireo toerana fianarana momba an’i Jehovah? Misy fandaharam-pianarana Baiboly tsy tapaka any amin’ireo Efitrano Fanjakana tsirairay. Izy ireny no foiben’ny fivavahana marina, eo amin’ilay faritra misy azy. Eo koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy ny fivoriamben’ny faritra ary ny fivoriambe manokana. Dinihina any amin’ireny fivoriana ireny ny fampahatsiahivan’i Jehovah. Raha miezaka ny ho ‘tia’ azy ireny isika dia hazoto hivory, ary hihaino tsara rehefa tonga any. (Salamo 119:167) Mamelombelona tokoa ny miaraka amin’ny mpiara-manompo, izay maniry ny hahasambatra antsika sy manampy antsika tsy hivadika hatrany!—Hebreo 10:24, 25.
‘Aza mitondra ny aiko’
19. Inona no fahotana tsy nirin’i Davida hahameloka azy?
19 Fantatr’i Davida tsara hoe inona no mety ho vokany raha tsy manaraka ny fahamarinan’Andriamanitra izy. Nitalaho àry izy hoe: “Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ny mpanota, na ny aiko amin’ny mpandatsa-dra, izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.” (Salamo 26:9, 10) Tsy nirin’i Davida ny ho anisan’ny olona tsy tia an’Andriamanitra, ka ho meloka noho ny fitaka na fitondran-tena mahamenatra, na ny kolikoly.
20, 21. Inona avy no mety hitarika antsika hanaraka ny fomba fiainan’ny olona tsy tia an’Andriamanitra?
20 Feno zava-dratsy ity tontolo ity. Aely ao amin’ny televiziona sy gazetiboky ary sarimihetsika, ny fitondran-tena mahamenatra, toy ny ‘fijangajangana sy ny fahalotoana.’ (Galatianina 5:19) Lasa nandevozin’ny boky sy sary mamoafady mihitsy ny sasany, ka nanjary naloto fitondran-tena. Ny tanora no tena lasibatra amin’izany. Fanaon’ny olona any amin’ny tany sasany ny mampiaraka, ka manjary mihevitra ny tanora fa ara-dalàna izany. Maro ny ankizy mbola kely dia efa mampiaraka, nefa mbola tsy hahavita hitondra tokantrano akory. Tsy ela izy ireny dia naloto fitondran-tena, na nijangajanga mihitsy, mba hanomezana fahafaham-po ilay fanirian-dratsy nitombo tao anatiny.
21 Mety ho voasarika hanao ratsy koa ny olon-dehibe. Efa mivadika izy ireo, raha manao ny tsy marina eo amin’ny raharaham-barotra ary mandray fanapahan-kevitra feno fitiavan-tena. Vao mainka hanalavitra an’i Jehovah isika, raha manaraka ny fomba fiainan’izao tontolo izao. Aoka isika ‘hankahala ny ratsy sy ho tia ny tsara’, ary tsy hivadika mihitsy.—Amosa 5:15.
“Avoty sy amindrao fo aho”
22-24. a) Inona no fampaherezana azonao avy amin’ireo teny mamarana ny Salamo faha-26 ireo? b) Inona no fandrika hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Izao no namaranan’i Davida ilay vavaka nataony: “Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. Ny tongotro mijoro eo amin’ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’i Jehovah.” (Salamo 26:11, 12) Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah i Davida, sady nitalaho fanavotana taminy. Mampahery tokoa izany! Marina fa mpanota isika, nefa hanampy antsika izy raha tapa-kevitra ny tsy hivadika isika.
23 Asehoy amin’ny fiainanao manontolo àry, fa manaja sy manaiky ny zon’Andriamanitra hitondra ianao. Afaka mangataka amin’i Jehovah isika tsirairay, mba handinihany sy hanatsarany ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika. Hahatadidy ny fahamarinan’Andriamanitra foana isika, raha mazoto mianatra ny Teniny. Aoka àry isika hanalavitra ny naman-dratsy, fa hankalaza an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana. Enga anie isika hazoto hitory sy hanao mpianatra, ka tsy hamela an’ity tontolo ity hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, izay tena sarobidy. Afaka matoky isika fa hamindra fo amintsika i Jehovah, raha miezaka mafy isika mba tsy hivadika.
24 Mahafaoka ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ny tsy fivadihana. Mila mitandrina àry isika, mba tsy ho voan’ilay fandrika mahafaty, dia ny fisotroana tafahoatra. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no ara-drariny raha tsaraina araka ny tsy fivadihany, ny zavaboary manan-tsaina?
• Inona no atao hoe tsy mivadika, ary inona no tafiditra amin’izany?
• Inona no hanampy antsika tsy hivadika?
• Inona avy no loza tsy maintsy halavirintsika, raha tiantsika ny tsy hivadika mihitsy?
[Sary, pejy 14]
Mitadidy ireo asa anehoan’i Jehovah fitiavana sy hatsaram-panahy ve ianao?
[Sary, pejy 14]
Mivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah ve ianao mba handinihany ny eritreritrao?
[Sary, pejy 15]
Hampifaly ny fon’i Jehovah isika raha tsy mivadika rehefa tojo fitsapana
[Sary, pejy 17]
Hararaotinao ve ireo fandaharana ataon’i Jehovah mba hanampiana anao tsy hivadika?