LESONA 47
Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
Betsaka ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah hatramin’izay nianaranao Baiboly izay. Azo inoana hoe efa niezaka nampihatra an’izay nianaranao ianao. Mety ho mbola misy zavatra misakana anao tsy hanokan-tena sy hatao batisa anefa. Horesahina ato amin’ity lesona ity hoe inona ny zavatra sasany misakana ny olona tsy hatao batisa ary ahoana no handresenao azy ireny.
1. Mila mahafantatra zavatra be dia be ve ianao vao azo atao batisa?
Mila ‘mahalala tsara ny fahamarinana’ ianao vao azo atao batisa. (1 Timoty 2:4) Tsy midika izany hoe tsy maintsy hainao daholo ny valin’ny fanontaniana rehetra momba ny Baiboly. Na ny Kristianina vita batisa efa ela aza mbola mianatra foana. (Kolosianina 1:9, 10) Mila azonao anefa ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana no hanampy anao hahita raha ampy ny zavatra fantatrao.
2. Inona avy no mila ataonao alohan’ny hanaovana batisa anao?
Mila mibebaka sy miova aloha ianao. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19, fanamarihana ambany pejy.) Midika izany hoe tena manenina ianao noho ny fahotana nataonao, ary mangataka famelan-keloka amin’i Jehovah. Tapa-kevitra koa ianao hoe tsy hanao an’izay zavatra tsy tian’i Jehovah ary hampifaly azy amin’ny fiainanao manontolo. Ankoatra izay, dia efa manomboka mivory sy mitory miaraka amin’ny fiangonana ianao.
3. Nahoana no tsy tokony havelanao hisakana anao ny tahotra?
Matahotra ny olona sasany hoe sao dia tsy ho vitany ny zavatra nampanantenainy an’i Jehovah. Marina fa mety hanao fahadisoana ianao indraindray. Na ireo lehilahy sy vehivavy tsy mivadika resahin’ny Baiboly aza mba hoatr’izany koa. Tsy manantena anefa i Jehovah hoe ho lavorary ny mpanompony. (Vakio ny Salamo 103:13, 14.) Faly izy rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao! Hanampy anao izy. Manome toky mihitsy aza izy hoe “tsy hisy hahavita hampisaraka antsika [aminy] ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony.”—Vakio ny Romanina 8:38, 39.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Ho hitantsika hoe handresy an’izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa ianao, raha miezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy manaiky hampiany.
4. Miezaha ho akaiky kokoa an’i Jehovah
Tokony ho hoatran’ny ahoana ny fifandraisanao amin’i Jehovah alohan’ny hanaovana batisa anao? Tokony hoe efa mifandray akaiky aminy ianao ka tia azy sy te hampifaly azy. Inona no nataon’ny mpianatra Baiboly sasany mba ho akaiky an’i Jehovah izy ireo? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona no nanampy an’ireo olona tao amin’ilay video mba ho vonona hatao batisa?
Vakio ny Romanina 12:2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Mbola misy mampisalasala anao ve ny zavatra ampianarin’ny Baiboly? Mbola misalasala ve ianao hoe marina sa tsia ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Inona no azonao atao raha mbola misalasala ianao?
5. Reseo izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa
Tsy maintsy miatrika olana isika rehefa tapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Inona, ohatra, izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Tsy maintsy nandresy zava-tsarotra i Narangerel mba ho afaka hanompo an’i Jehovah. Inona avy izany?
Nahoana no nanampy azy handresy azy ireny ny fitiavany an’i Jehovah?
Vakio ny Ohabolana 29:25 sy ny 2 Timoty 1:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no manampy antsika ho be herim-po ka handresy zava-tsarotra?
6. Matokia fa hanampy anao i Jehovah
Hanampy anao hampifaly azy i Jehovah. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nahoana ilay mpianatra Baiboly tao amin’ilay video no nisalasala hatao batisa?
Inona no nanampy azy hatoky kokoa an’i Jehovah?
Vakio ny Isaia 41:10, 13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Misy zavatra ampanantenainao an’i Jehovah rehefa manokan-tena ianao. Nahoana ianao no afaka matoky hoe hahavita hanatanteraka an’ilay izy?
7. Miezaha hankasitraka kokoa ny fitiavan’i Jehovah
Vao mainka ianao hankasitraka kokoa an’i Jehovah rehefa misaintsaina ny fitiavany anao. Vao mainka koa ianao te hanompo azy mandrakizay. Vakio ny Salamo 40:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona avy ny fitahiana nomen’i Jehovah anao ka tena ankasitrahanao?
Tia an’i Jehovah sy ny teniny i Jeremia mpaminany. Tena faly koa izy hoe nanana tombontsoa hitondra ny anaran’i Jehovah. Nilaza izy hoe: ‘Naharavoravo ahy ny teninao sady nahafaly ny foko. Fa mitondra ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitra ô!’ (Jeremia 15:16) Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no tombontsoa miavaka ilay hoe Vavolombelon’i Jehovah?
Te hatao batisa ve ianao ka ho lasa Vavolombelon’i Jehovah?
Misy zavatra misakana anao tsy hanao an’izany ve?
Inona no mbola mila ataonao mba ho tratranao ilay tanjona hoe atao batisa?
MISY MITENY HOE: “Matahotra aho hoe tsy ho vitako ny zavatra nampanantenaiko rehefa vita batisa eo aho.”
Hoatr’izany koa ve no tsapanao?
FAMINTINANA
Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia ho vitanao ny handresy an’izay zavatra misakana anao tsy hatao batisa.
Famerenana
Inona ny zavatra tokony ho fantatrao ao amin’ny Baiboly vao azo atao batisa ianao?
Inona avy ny fiovana mila ataonao alohan’ny hanaovana batisa anao?
Nahoana no tsy tokony havelanao hisakana anao ny tahotra?
JEREO KOA IRETO
Inona no tokony handrisika anao hatao batisa?
“Vonona Hatao Batisa ve Ianao?” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2020)
Inona ny zavatra sasany mety hisakana anao tsy hatao batisa, ary ahoana no handresenao azy ireny?
“Inona no Misakana Ahy Tsy Hatao Batisa?” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2019)
Nahavita nandresy zava-tsarotra ny lehilahy iray mba ho vita batisa. Ahoana no nataony?
Nisalasala hatao batisa ny lehilahy iray atao hoe Ataa, tamin’ny voalohany. Inona anefa no nandresy lahatra azy?