Mikatsaka Hatsaran-toetra ve Ianao?
“Na inona na inona (...) misy [hatsaran-toetra, NW ], ary raha misy dera, dia hevero izany.” — FILIPIANA 4:8.
1. Inona no atao hoe faharatsiam-pitondran-tena, ary nahoana izy io no tsy nandoto ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
NY FAHARATSIAM-PITONDRAN-TENA dia fahambaniana na fahasimbana ara-pitondran-tena. Manenika ilay tontolo misy antsika izy io. (Efesiana 2:1-3). Tsy havelan’i Jehovah Andriamanitra ho voaloto anefa ny fanompoam-pivavahana madio atao aminy. Manome antsika fampitandremana ara-potoana momba ny fitondran-tena ratsy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana sy ireo fivoriana ary ireo fivoriambe. Mandray fanampiana azo ianteherana avy ao amin’ny Soratra Masina isika mba ‘hifikirana amin’ny tsara’ eo imason’Andriamanitra. (Romana 12:9). Noho izany, amin’ny maha-fandaminana azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mikely aina mba hadio, ho tsara toetra. Kanefa, ahoana ny amintsika isam-batan’olona? Mikatsaka hatsaran-toetra tokoa ve ianao?
2. Inona no atao hoe hatsaran-toetra, ary nahoana no mitaky ezaka ny fitoerana ho tsara toetra?
2 Ny hatsaran-toetra dia fahatsarana ara-pitondran-tena, hatsaram-po, fanaovan-javatra sy fisainana araka ny mety. Tsy toetra mipetra-potsiny akory izy io, fa toetra miasa, manorina. Mahafaoka zavatra bebe kokoa noho ny fanalavirana ota ny hatsaran-toetra; izy io dia midika hoe mikatsaka izay tsara. (1 Timoty 6:11). Nampirisika mafy an’ireo Kristiana tahaka azy toy izao ny apostoly Petera: “Ampio hatsaran-toetra ny finoanareo”. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny ‘fanaovana ny ezaka amim-pahatsorana rehetra ho setrin’[ny fampanantenan’Andriamanitra sarobidy]’. (2 Petera 1:5, NW ). Noho isika mpanota, dia tena mitaky ezaka tokoa ny fitoerana ho tsara toetra. Nanao izany anefa ny olona natahotra an’Andriamanitra tamin’ny lasa, na dia teo anatrehan’ny vato misakana goavana aza.
Nikatsaka hatsaran-toetra izy
3. Meloka noho ny asa ratsy inona avy i Ahaza Mpanjaka?
3 Mirakitra fitantarana maro momba ireo izay nikatsaka hatsaran-toetra, ny Soratra Masina. Diniho, ohatra, i Hezekia tsara toetra. Niharihary fa i Ahaza rainy, Mpanjakan’ny Joda, dia nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Moloka. “Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’i Davida rainy izy; fa nandeha tamin’ny làlan’ny mpanjakan’ny Isiraely izy; eny, ny zanani-lahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ny jentilisa izay noroahin’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely. Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo sy teny amin’ny havoana ary teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.” (2 Mpanjaka 16:2-4). Misy milaza fa ny hoe ‘mampamaky ny afo’, dia karazana fombafomba fanadiovana fa tsy fanaovana sorona olombelona. Izao anefa no marihin’ilay boky hoe Molech—A God of Human Sacrifice in the Old Testament (Moloka — Andriamanitry ny Sorona Olombelona ao Amin’ny Testamenta Taloha), nataon’i John Day: “Misy porofo ao amin’ireo loharanon-kevitra kilasika sy punique [avy any Carthage], ary koa porofo eo amin’ny arkeôlôjia, momba ny fisian’ny sorona olombelona (...) teo amin’ny tontolo kananita, ary noho izany dia tsy misy antony isalasalana ny amin’ny filazana tsy mivantana [momba ny sorona olombelona] ao amin’ny Testamenta Taloha.” Ankoatra izany, dia milaza amin’ny fomba voafaritra tsara ny 2 Tantara 28:3, fa i Ahaza dia ‘nandoro ny zanany tamin’ny afo’. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 12:31; Salamo 106:37, 38.) Fanaovan-javatra feno haratsiam-panahy re izany!
4. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’i Hezekia teo anivon’ny tontolo iray feno faharatsiam-pitondran-tena?
4 Nanao ahoana i Hezekia teo anivon’izany tontolo feno faharatsiam-pitondran-tena izany? Mahaliana ny Salamo faha-119, satria misy mihevitra fa i Hezekia no nanao azy io, fony izy mbola mpanapaka. (Salamo 119:46, 99, 100). Koa mety ho voalazan’ireto teny ireto ny toe-javatra nisy azy: “Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. [Tsy nahita tory, NW ] aho noho ny alaheloko”. (Salamo 119:23, 28). Noho izy voahodidin’ny mpanaraka fivavahan-diso, dia mety ho nanjary fihomehezana teo amin’ireo anisan’ny tao an-dapam-panjakana i Hezekia. Efa tafahoatra loatra ilay izy ka sarotra ny nahita tory. Na dia izany aza, dia nikatsaka hatsaran-toetra izy, tonga mpanjaka tamin’ny farany, ary “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy (...). Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”. — 2 Mpanjaka 18:1-5.
Nitoetra ho tsara toetra izy ireo
5. Fisedrana inona avy no natrehin’i Daniela sy ireo namany telo lahy?
5 Fakan-tahaka teo amin’ny hatsaran-toetra koa i Daniela sy ireo Hebreo telo lahy namany, nantsoina hoe Hanania sy Misaela ary Azaria. Nalaina an-keriny avy tao amin’ny tany niaviany izy ireo ary natao sesitany tany Babylona. Nomena anarana babyloniana ireo tanora efa-dahy ireo — Beltesazara sy Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Izy ireo dia notolorana ‘hanin’ny mpanjaka’, ka nisy sakafo voararan’ny Lalàn’Andriamanitra tafiditra tamin’izany. Ambonin’izany, dia noterena hanaraka fandaharam-piofanana naharitra telo taona momba ny “taratasy sy ny tenin’ny Kaldeana”, izy ireo. Tsy fianarana fiteny hafa fotsiny no voafaoka tamin’izany, satria azo inoana fa ny teny hoe “Kaldeana” eto dia manondro ny sarangan’ireo nahita fianarana. Araka izany, dia nifampikasoka tamin’ny fampianarana vetaveta babyloniana ireo tanora hebreo ireo. — Daniela 1:1-7.
6. Nahoana isika no afaka milaza fa nikatsaka hatsaran-toetra i Daniela?
6 Na dia teo aza ny fanerena goavana mba hanaraka ny fanaon’ny besinimaro, dia naleon’i Daniela sy ireo namany telo lahy nifidy ny hatsaran-toetra fa tsy ny faharatsiam-pitondran-tena. Hoy ny Daniela 1:21 (NW ): “Nanohy toy izany i Daniela mandra-pahatongan’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjaka.” Eny, “nanohy toy izany” i Daniela, tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah tsara toetra azy, nandritra ny 80 taona mahery — nandritra ny fisandratana sy ny fianjeran’ny mpanjaka nahery maro. Nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra izy na dia teo aza ireo tetika maizina sy teti-dratsin’ireo manam-pahefana nikororosy fitondran-tena, ary na dia teo aza ny faharatsiam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy, izay nanenika ny fivavahana babyloniana. Nanohy nikatsaka hatsaran-toetra i Daniela.
7. Inona no azo ianarana avy amin’ny lalana narahin’i Daniela sy ireo namany telo lahy?
7 Afaka miana-javatra betsaka isika avy amin’i Daniela sy ireo namany natahotra an’Andriamanitra. Nikatsaka hatsaran-toetra izy ireo, ary nanda tsy ho azon’ny kolontsaina babyloniana. Na dia nomena anarana babyloniana aza izy ireo, dia tsy namoy mihitsy ny naha-izy azy tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah azy ireo. Fitopolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia niantso an’i Daniela tamin’ny anarany hebreo, ny mpanjaka babyloniana! (Daniela 5:13). Ela velona i Daniela, kanefa nandritra ny fiainany manontolo, dia nanda tsy hanaiky lembenana izy, na dia tamin-java-madinika aza. Tamin’ny naha-tanora azy, dia “ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka”, izy. (Daniela 1:8). Io tsy fanekena lembenana notanan’i Daniela sy ny namany telo lahy io dia tsy isalasalana fa nanatanjaka azy ireo mba ho tafavoaka tamin’ireo fisedrana niankina aman’aina natrehin’izy ireo tatỳ aoriana. — Daniela toko faha-3 sy faha-6.
Fikatsahana hatsaran-toetra amin’izao andro izao
8. Ahoana no ahafahan’ny tanora kristiana manohitra ny fahatongavana ho anisan’ny tontolon’i Satana?
8 Sahala amin’i Daniela sy ireo namany telo lahy, ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao dia manohitra ny fahatongavana ho anisan’ny tontolo ratsin’i Satana. (1 Jaona 5:19). Raha tanora kristiana ianao, dia mety hahatsapa fanerena mafy avy amin’ireo mitovy taona aminao mba haka tahaka ny fitiavan-javatra tafahoatra ananan’izy ireo eo amin’ny fitafy sy ny fisehoana ankapobe ary ny mozika. Aza manaraka izay lamaody rehetra be mpitia anefa, fa miorena mafy kosa, ary aza manaiky “hovolavolain’itỳ fandehan-javatra itỳ”. (Romana 12:2, NW ). ‘Aoka ianao handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary aoka ianao ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’. (Titosy 2:11, 12). Ny zava-dehibe dia ny fankasitrahan’i Jehovah fa tsy ny an’ireo mitovy taona aminao. — Ohabolana 12:2.
9. Fanerena inona avy no mety hatrehin’ireo Kristiana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ary ahoana no tokony ho fitondran-tenany?
9 Miatrika fanerena koa ireo Kristiana efa olon-dehibe, ary tsy maintsy tsara toetra izy ireo. Ny mpandraharaha kristiana dia mety halaim-panahy hampiasa fomba mampiahiahy, na tsy hiraharaha ireo fitsipika apetraky ny fitondram-panjakana sy ireo lalàna momba ny hetra. Na manao ahoana na manao ahoana anefa fitondran-tena ananan’ireo mpifaninana eo amin’ny fandraharahana na ireo mpiara-miasa, dia “maniry hitondra tena amim-pahamarinana amin’ny zavatra rehetra” isika. (Hebreo 13:18, NW ). Takin’ny Soratra Masina ny hanaovantsika ny marina sy ny rariny amin’ireo mpampiasa sy mpiasa sy mpividy ary ny fitondram-panjakana ivelan’ny fivavahana. (Deoteronomia 25:13-16; Matio 5:37; Romana 13:1; 1 Timoty 5:18; Titosy 2:9, 10). Aoka isika hikely aina mba hilamina eo amin’ny fandraharahana ataontsika. Amin’ny fitahirizana firaketana an-tsoratra araka ny marina sy amin’ny fanaovana an-tsoratra ireo fifanarahana, matetika no ahafahantsika misoroka ny tsy fahazoan-kevitra.
Mitandrema!
10. Nahoana no ilaina ny ‘mitandrina’ raha ny amin’ny mozika fidintsika?
10 Manasongadina lafiny hafa iray amin’ny fitoerana ho tsara toetra eo imason’Andriamanitra ny Salamo 119:9. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.” Iray amin’ireo fiadiana mandaitra indrindra ampiasain’i Satana ny mozika, izay manan-kery hanaitra fihetseham-po. Mampalahelo fa misy Kristiana sasany tsy ‘nitandrina’ raha ny amin’ny mozika, ka mahita fa ny tenan’izy ireo dia voasinton’ny endriny mihoa-pampana amin’izy io, toy ny rap sy ny heavy metal. Mety hiaro ny heviny ny sasany amin’ny filazana fa tsy manimba azy ireo ny mozika toy izany, na koa hoe tsy miraharaha izay tonony akory izy. Ny hafa milaza fa izy ireo dia mankafy ngadon-kira mihetsiketsika na feon-gitara mafy fotsiny. Ho an’ny Kristiana anefa, ilay raharaha iadian-kevitra dia tsy hoe mahafinaritra na tsia, ny zavatra iray. Ny ahin’izy ireo dia ny hoe “ankasitrahan’ny Tompo” sa tsia, ilay izy. (Efesiana 5:10, izahay no manao sora-mandry.) Amin’ny ankapobeny, ny mozika heavy metal sy rap dia manindrahindra faharatsiam-pitondran-tena toy ny fitenenan-dratsy sy ny fijangajangana ary ny fivavahana amin’i Satana mihitsy aza — dia zavatra izay azo antoka fa tsy manan-toerana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra.a (Efesiana 5:3). Na tanora isika, na antitra, dia ho tsara ny hieritreretan’ny tsirairay amintsika izao fanontaniana izao: Mikatsaka hatsaran-toetra ve aho sa faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny mozika fidiko?
11. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana iray mitandrina raha ny amin’ireo fandaharana ao amin’ny televiziona sy ny vidéo ary ny sarimihetsika?
11 Fandaharana ao amin’ny televiziona sy vidéo ary sarimihetsika maro no manindrahindra faharatsiam-pitondran-tena. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana manokana iray momba ny aretin-tsaina, dia ny ‘fanindrahindrana fahafinaretana, ny fanaovana firaisana, ny herisetra, ny fierenana sy ny fitiavan-tena’ no manjaka eo amin’ny ankamaroan’ireo sarimihetsika avoaka amin’izao andro izao. Noho izany, ny fitandremana dia mahafaoka fahaiza-mifantina izay fidintsika hojerena. Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana”. (Salamo 119:37). Nampihatra io fotopoto-pitsipika io ny tanora kristiana iray atao hoe Joseph. Rehefa nanomboka nampiseho firaisan’ny lahy sy ny vavy sy herisetra mazava tsara ny sarimihetsika iray, dia nandao ilay sinema izy. Sanganehana ve izy nanao izany? “Tsia, tsy izany velively”, hoy i Joseph. “I Jehovah aloha no noeritreretiko voalohany ary teo koa ny hampifaliana azy.”
Ny anjara asan’ny fianarana sy ny fisaintsainana
12. Nahoana no ilaina ny fianarana manokana sy ny fisaintsainana mba hikatsahana hatsaran-toetra?
12 Tsy ampy ny fanalavirana zava-dratsy. Voafaoka amin’ny fikatsahana hatsaran-toetra koa ny fianarana sy ny fisaintsainana an’ireo zava-tsoa voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hahafahana hampihatra eo amin’ny fiainana ireo fotopoto-pitsipiny marina. “Endrey ny fitiavako ny lalànao!”, hoy ny fihiakan’ilay mpanao salamo. “Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Anisan’ny fandaharam-potoananao isan-kerinandro ve ny fianarana manokana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana? Marina fa mety ho zava-tsarotra ny hahitana fotoana hanaovana fianarana amim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsainana lalina. Azo atao anefa matetika ny maka fotoana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa. (Efesiana 5:15, 16). Angamba ny vao maraina be dia ho azonao ampiasaina tsara ho fotoana hanaovana vavaka sy fianarana ary fisaintsainana. — Ampitahao amin’ny Salamo 119:147.
13, 14. a) Nahoana no tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny fisaintsainana? b) Ny fisaintsainana andinin-teny inona no afaka manampy antsika mba hankahala ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy?
13 Tsy hay tombanana ny hasarobidin’ny fisaintsainana, satria manampy antsika hitadidy izay ianarantsika izy io. Mbola zava-dehibe kokoa aza ny fahafahan’izy io manampy mba hampitomboana fomba fihevitra araka an’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Zavatra iray ny mahafantatra fa mandrara ny fijangajangana Andriamanitra, fa zavatra hafa tanteraka ny ‘mankahala ny ratsy ka mifikitra amin’ny tsara’. (Romana 12:9). Tena afaka mahatsapa izay tsapan’i Jehovah momba ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy isika, rehefa misaintsaina andinin-teny fototra ao amin’ny Baiboly, toy ny Kolosiana 3:5 (NW ) izay mampirisika mafy toy izao: “Koa vonoy ny rantsambatanareo izay etỳ an-tany raha ny amin’ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filana mafy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ny faniriana manimba, sy ny fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy.” Manontania tena hoe: ‘Karazana filana mafy eo amin’ny lahy sy ny vavy inona no tsy maintsy vonoiko? Zavatra mety hanaitra faniriana maloto inona no tokony hohalaviriko? Misy fiovana ilaiko hatao ve eo amin’ny fomba itondrako ny olona tsy lahy na tsy vavy toa ahy?’ — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:1, 2.
14 Mampirisika mafy ny Kristiana i Paoly, mba hifady ny fijangajangana ka hampihatra fifehezan-tena mba “tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny”. (1 Tesaloniana 4:3-7). Manontania tena hoe: ‘Nahoana no manimba ny fijangajangana? Fanimbana inona no hoentiko amin’ny tenako na amin’olon-kafa raha manota amin’io lafiny io aho? Hanao ahoana ny fiantraikan’izany eo amiko, ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana? Ahoana ny amin’ireo olona tao amin’ny kongregasiona izay nandika ny lalàn’Andriamanitra ka tsy nibebaka? Nanao ahoana ny niafaran’izy ireny?’ Ny fandraisana am-po izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fitondran-tena toy izany dia afaka mampitombo ny halalin’ny fankahalantsika izay ratsy eo imason’Andriamanitra. (Eksodosy 20:14; 1 Korintiana 5:11-13; 6:9, 10; Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8). Milaza i Paoly fa, raha ny amin’ny mpijangajanga, dia “tsy olona no laviny, fa Andriamanitra”. (1 Tesaloniana 4:8). Kristiana marina iza moa no handa ny Rainy any an-danitra?
Hatsaran-toetra sy fifaneraserana
15. Inona no anjara asan’ny fifaneraserana eo amin’ny fikatsahantsika hatsaran-toetra?
15 Fanampiana hafa iray mba hitoerana ho tsara toetra ny fifaneraserana tsara. Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Naman’izay rehetra matahotra Anao [Jehovah] aho sy naman’izay mitandrina ny didinao.” (Salamo 119:63). Mila ilay fifaneraserana mahasoa omena any amin’ireo fivoriana kristiana isika. (Hebreo 10:24, 25). Raha mitokantokana isika, dia mety hanjary tsy hiraharaha afa-tsy ny tenantsika ao an-tsaintsika, ka ho afaka handresy antsika mora foana ny faharatsiam-pitondran-tena. (Ohabolana 18:1). Ny fiarahana mafana amin’ny samy Kristiana anefa dia afaka manatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hitoetra ho tsara toetra. Tsy maintsy mitandrina ny amin’ny fifaneraserana ratsy koa isika, mazava ho azy. Afaka misariaka amin’ireo mpiara-monina sy mpiara-miasa ary mpiara-mianatra, isika. Kanefa raha tena mandeha amim-pahendrena tokoa isika, dia tsy hitakosina be loatra amin’ireo izay tsy mikatsaka hatsaran-toetra kristiana. — Ampitahao amin’ny Kolosiana 4:5.
16. Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ny 1 Korintiana 15:33 manampy antsika hikatsaka hatsaran-toetra amin’izao andro izao?
16 Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny fifaneraserana ratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” Raha nilaza izany teny izany izy, dia nampitandrina ireo mpino fa nety ho namoy ny finoany izy ireo noho ny fifaneraserana tamin’ireo nihambo ho Kristiana izay nanda ny fampianaran’ny Soratra Masina momba ny fitsanganan’ny maty. Ilay fotopoto-pitsipika fonosin’ny fampitandreman’i Paoly dia mihatra amin’ny fifaneraserantsika, any ivelany sy ao anatin’ny kongregasiona. (1 Korintiana 15:12, 33, NW ). Mazava ho azy fa tsy irintsika ny hanalavitra ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy noho izy ireo sendra tsy miombon-kevitra amintsika raha ny amin’ny fihevitsika manokana fotsiny. (Matio 7:4, 5; Romana 14:1-12). Na dia izany aza, dia ilaina ny fitandremana raha toa ka misy ao amin’ny kongregasiona manaraka fitondran-tena mampiahiahy na maneho toe-tsaina feno lonilony sy be taraina. (2 Timoty 2:20-22). Fahendrena ny hitoerana ho akaikin’ireo izay afaka miara-mankafy “fifampaherezana” amintsika. (Romana 1:11, 12, NW ). Hanampy antsika izany mba hikatsaka lalam-pitondran-tena feno hatsaran-toetra sy hitoetra eo amin’ny “làlan’aina”. — Salamo 16:11.
Aza mitsahatra mikatsaka hatsaran-toetra
17. Araka ny Nomery toko faha-25, loza inona no nanjo ny Isiraelita, ary fianarana inona no omen’izany antsika?
17 Taloha kelin’ny nakan’ny Isiraely ny Tany Nampanantenaina ho fananany, dia an’arivony maro tamin’izy ireo no nifidy ny hikatsaka faharatsiam-pitondran-tena — ka nahita loza. (Nomery toko faha-25). Amin’izao andro izao, ny vahoakan’i Jehovah dia eo an-tokonan’ilay tontolo vaovao sy marina. Ny fidirana ao amin’izy io dia ho tombontsoa mahatretrika ho an’ireo izay manohy mandà ny faharatsiam-pitondran-tenan’itỳ tontolo itỳ. Amin’ny maha-olombelona tsy lavorary antsika, dia mety hanana fironan-dratsy isika, kanefa afaka manampy antsika Andriamanitra mba hanaraka ny fitarihana mahitsy omen’ny fanahiny masina. (Galatiana 5:16; 1 Tesaloniana 4:3, 4). Aoka àry isika hanaraka ilay fampirisihan’i Josoa ny Isiraely hoe: “Matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana”. (Josoa 24:14). Hanampy antsika hanaraka lalam-pitondran-tena feno hatsaran-toetra ny tahotra feno fanajana an’i Jehovah, dia tahotra sao tsy hampifaly azy.
18. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitry ny Kristiana rehetra mahakasika ny faharatsiam-pitondran-tena sy ny hatsaran-toetra?
18 Raha irin’ny fonao ny hampifaly an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanaraka ilay fampirisihana nataon’i Paoly hoe: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy [hatsaran-toetra, NW ], ary raha misy dera, dia hevero izany.” Raha manao izany ianao dia inona no ho vokany? Hoy i Paoly: “Ataovy [izany] (...); ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.” (Filipiana 4:8, 9). Eny, afaka mandà ny faharatsiam-pitondran-tena sy mikatsaka hatsaran-toetra ianao, noho ny fanampian’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aprily 1993, pejy faha-19-24, sy ny fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe...” ao amin’ny Mifohaza! No. 2 sy No. 3/1993, ary ny 8 Desambra 1996.
Hevitra ho Famerenana
◻ Inona no takina mba hikatsahana hatsaran-toetra?
◻ Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana avy no nitoeran’i Hezekia sy i Daniela ary ireo Hebreo telo lahy ho tsara toetra?
◻ Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Daniela eo amin’ny fanoherana ny tetik’i Satana?
◻ Nahoana ny Kristiana no tsy maintsy mitandrina raha ny amin’ny fialam-boly?
◻ Inona no anjara asan’ny fianarana sy ny fisaintsainana ary ny fifaneraserana eo amin’ny fikatsahana hatsaran-toetra?
[Sary, pejy 15]
Nikatsaka hatsaran-toetra i Hezekia tanora, na dia voahodidin’ny mpivavaka tamin’i Moloka aza
[Sary, pejy 17]
Tsy maintsy mitandrina ny Kristiana raha ny amin’ny fialam-boly