Ny Fiheveran’ny Baiboly
Fampisamboram-bola sy Fisamboram-bola eo Amin’ny Mpinamana
“MISAMBOTRA NY RATSY FANAHY, NEFA TSY MANONITRA; FA NY MARINA KOSA MAMINDRA FO KA MANOME.” — SALAMO 37:21.
“AZA mba misambotra na mampisambotra, fa matetika no sady very ny vola no very ny fisakaizana.” Izany no nosoratan’ilay mpanoratra tantara an-tsehatra anglisy atao hoe William Shakespeare, rehefa namerina fitenenana feno fahendrena iray efa hatramin’ny ela izy. Azo antoka tokoa fa vitsy ny lafin-javatra eo amin’ny fifandraisan’olombelona mety hitera-java-manahirana toy ny fisamboram-bola na ny fampisamboram-bola. Na dia eo aza ny fandaharana mialoha vita kalamina indrindra sy ny fikasana feno fahatsorana indrindra, dia tsy araka ny antenaina foana akory ny fandehan-javatra. — Mpitoriteny 9:11, 12.
Mety hisy tarehin-javatra hipoitra izay manasarotra na tsy mamela mihitsy an’ilay nisambotra hanatanteraka ny adidiny. Na mety hila tampoka an’ilay vola nampisamboriny ilay nampisambotra. Rehefa mitranga ny zavatra toy izany, dia mety hotandindomin-doza ny fisakaizana sy ny fifandraisana, araka ny nohazavain’i Shakespeare.
Mazava ho azy fa mety hanana antony marim-pototra hisamboram-bola ny olona iray. Mety ho izay no hany fomba hitany ho azo atao rehefa niatrika fahavoazana ara-bola vokatry ny loza lehibe na ny famoizana ny asany, izy. Mampirisika an’ireo izay afaka manampy ny sahirana ny Baiboly mba hanao izany, rehefa azony atao izany. (Ohabolana 3:27). Mety ho tafiditra amin’izany ny fampisamboram-bola. Ahoana anefa no tokony hiheveran’ny Kristianina izay tafiditra amin’ny fifanarahana toy izany, ny adidiny?
Foto-pitsipika tokony hoheverina
Tsy boky mivaofy momba ny raharaha ara-bola ny Baiboly. Tsy miresaka momba ny tsipiriany rehetra mety ho tafiditra amin’izany hoe fisamboram-bola na fampisamboram-bola izany, izy io. Avela ho an’ireo olona tafiditra amin’izany ny hametra ny raharaha toy ny hoe haka zanabola sa tsia, ary ohatrinona no alaina.a Ny omen’ny Baiboly kosa dia foto-pitsipika mazava sy feno fitiavana izay tokony hanapaka ny fihetsika sy ny fitondran-tenan’izay rehetra misambotra na mampisambotra.
Diniho ny foto-pitsipika izay mihatra amin’ilay misambotra. Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba tsy ‘hamela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavana ihany’. (Romana 13:8). Na dia foto-pitsipika malalaka aza no nambaran’i Paoly eto, ny toroheviny dia azo raisina tokoa ho fampitandremana mba tsy hitrosa. Indraindray dia tsara kokoa ny mijanona amin’izao noho ny midi-trosa. Fa nahoana? Manazava ny Ohabolana 22:7 fa “izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra”. Tsy maintsy takatr’ilay nisambotra fa manana adidy izy mandra-pamerina ilay vola. Raha ny marina, dia tsy tena azy tanteraka ny fananany. Tsy maintsy ho loha laharana eo amin’ny fiainany ny fandoavana ny trosany araka izay nifanarahana, raha tsy izany, dia azo inoana fa hisy zava-manahirana hipoitra.
Ohatra, rehefa mandeha ny fotoana ka tsy voaloa ny trosa, dia mety hanjary ho sorena ilay nampisambotra. Izay zavatra ataon’ilay nisambotra, toy ny fividianam-pitafiana, ny fisakafoana any amin’ny hotely, na ny fandehanana manao vakansy, dia mety hampiahiahy an’ilay nampisambotra. Mety hisy fahasosorana hitombo. Mety hihenjana na hiharatsy ny fifandraisana eo amin’izy ireo, sy eo amin’ireo mpianakaviny mihitsy aza. Toy izany no mety ho vokatra mampalahelo raha toa ilay nisambotra ka tsy mitana ny teny nataony. — Matio 5:37.
Ahoana anefa raha misy zavatra tsy azony anoarana misakana tampoka an’ilay nisambotra tsy hanatanteraka ny fifanekena? Hanafoana ilay trosa ve izany? Tsy voatery ho izany. Milaza ilay mpanao salamo fa ny olo-marina dia “tsy mivadika amin’ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza”. (Salamo 15:4). Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ho fanehoam-pitiavana sy fahendrena ny hanazavan’ilay nisambotra avy hatrany ilay toe-javatra amin’ilay mpampisambotra. Avy eo, dia afaka mifanaraka ny amin’ny fanamboarana hafa azo atao izy ireo. Izany dia hiantoka ny fihavanana sy hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 133:1; 2 Korintiana 13:11.
Raha ny marina, ny olona iray dia mampahafantatra zavatra betsaka momba ny tenany amin’ny fomba iatrehany ny trosany. Mampiharihary tsy fiahiana ny hafa ny fihetsika tsy rototra manoloana ny trosa. Ny olona manana fihetsika toy izany tokoa dia mampiseho fitiavan-tena: ny faniriany no tokony ho loha laharana. (Filipiana 2:4). Mahatandindomin-doza ny toerany eo anatrehan’Andriamanitra ny Kristianina iray izay manao fanahy iniana tsy mandoa ny trosany, ary mety ho famantarana ny amin’ny fananany fo ratsy sy feno faniriana mihoa-pampana izany. — Salamo 37:21.
Ilay mampisambotra
Na dia mipetraka eo amin’ilay nisambotra aza ny adidy lehibe, dia misy foto-pitsipika koa mihatra amin’ilay mampisambotra. Manambara ny Baiboly fa raha manana fahafahana hanampy ny sahirana isika, dia tokony hanao izany. (Jakoba 2:14-16). Izany anefa akory tsy midika fa ny olona iray dia voatery hampisambo-bola, na dia rahalahy ara-panahy aza ilay mangataka izany. “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”, hoy ny Baiboly. — Ohabolana 22:3.
Mahafantatra sy mahatakatra ny fandrika tena misy, tafiditra amin’ny fampisamborana sy fisamborana, ny olona mahira-tsaina, ka hihevitra amim-pitandremana izay fangatahana fampisamboram-bola rehetra mety ho voarainy. Marim-pototra ve ilay fangatahana? Efa nandinika tamim-pitandremana an’ilay raharaha ve ilay olona? Olona mahay mandamin-javatra sy manana laza tsara ve ilay misambotra? Vonona hanao sonia taratasy manoritra ny fepetra amin’ilay fifanarahana ve izy? (Ampitahao amin’ny Jeremia 32:8-14.) Tena miomana handoa ilay trosa ve izy?
Izany akory tsy milaza fa tokony handa tsy hanampy olona iray sahirana, izay toa mety tsy hahaloa trosa, ny Kristianina iray. Mihoatra noho ny fanao marina ara-pandraharahana ny adidy manokana ananan’ny Kristianina eo anatrehan’ny hafa. “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?”, hoy ny fanontanian’ny apostoly Jaona. Eny, tsy maintsy tia, ‘tsy amin’ny teny na amin’ny lela [ny Kristianina], fa amin’ny asa sy amin’ny marina’. — 1 Jaona 3:17, 18.
Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety hisy olona hanapa-kevitra ny tsy hampisambo-bola ny rahalahiny sahirana. Mety ho tiany kokoa ny hanao fanomezana ho azy, na ny hanolotra fanampiana amin’ny endriny hafa. Mitovy amin’izany koa, rehefa mipoitra ny zava-manahirana eo amin’ny fifanaraham-pisamborana, dia mety hifidy ny hamindra fo ilay mpampisambotra. Mety hiriny ny hihevitra ilay fiovan’ny toe-javatra misy ilay nisambotra, ka hanalava kokoa ny fe-potoana hamerenana ilay trosa, hampihena ilay izy, na hanafoana tanteraka izany mihitsy aza. Izany dia fanapahan-kevitra manokana izay tsy maintsy raisin’ny olona tsirairay.
Tokony hotadidin’ny Kristianina ao an-tsaina fa mandinika ny zava-drehetra Andriamanitra ary hampamoaka antsika ny amin’ny fomba nitondrantsika tena sy nampiasantsika ny fananantsika. (Hebreo 4:13). Azo antoka fa mihatra amin’ny fampisamborana sy fisamborana eo amin’ny mpinamana ilay torohevitry ny Baiboly hoe izay rehetra ataontsika dia aoka hatao “amin’ny fitiavana”. — 1 Korintiana 16:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fakana zanabola, dia jereo, aza fady, Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1992, pejy 25-28.
[Sary, pejy 18]
“Ilay Mpanakalo Vola sy ny Vadiny” (1514), nataon’i Quentin Massys
[Sary nahazoan-dalana]
Scala/Art Resource, NY