Iza no afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra?
AFAKA ny ho sakaizan’Andriamanitra ianao. 4 000 taona lasa izay, dia nisy lehilahy iray natao hoe Abrahama nanam-pinoana an’i Jehovah Andriamanitra. Nisaina ho fahamarinany izany, ary nantsoina hoe “sakaizan’Andriamanitra” io patriarka io. (Jakoba 2:23.) Noho izany àry, raha manam-pinoana an’Andriamanitra ianao, dia afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra koa.
Olona asainao hiara-misakafo aminao ny sakaiza. Noho izany, ny andinin-teny iray ao amin’ny salamo malaza iray, dia ny faha-23 izany, dia mampiseho an’Andriamanitra ho toy ny mpampiantrano vahiny. Hoy io andininy io: “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko ianao [Jehovah]; (...) ny kapoakako feno dia feno.” — Salamo 23:5.
Ao amin’ny iray hafa amin’ireo Salamo nosoratany, dia nametraka ireto fanontaniana ireto i Davida, mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao? Iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?” (Salamo 15:1). Amin’ny heviny ara-panoharana, ny hoe mitoetra an-tendrombohiny masina dia midika fahafahana hanatona Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanompoam-pivavahana ankasitrahany. Tombontsoa lehibe toy inona moa izany! Ahoana no ahafahan’olombelona tsy tanteraka mameno ireo fepetra takina mba ho tonga sakaizan’Andriamanitra sy olona ampiantranoiny?
Mamaly izany fanontaniana izany ny Salamo faha-15, amin’ny fanomezana fepetra folo voafaritra tsara hofenoin’ireo izay maniry ny ho tonga sakaizan’Andriamanitra sy olona ampiantranoiny. Aoka hojerentsika tsirairay ireo fepetra ireo, manomboka eo amin’ny andininy faharoa.
“Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy”
Nambinina tokoa ireo taranak’i Abrahama noho izy io nanana fitondran-tena tsy nisy tsiny ary nandeha teo anatrehan’Andriamanitra (Genesisy 17:1, 2). Midika hoe manome lalana izorana iray ho an’ny fiainan’ny tena ny teny hoe “mandeha”, indraindray (Salamo 1:1; 3 Jaona 3, 4). Ho an’ireo sakaizan’Andriamanitra sy ireo olona ampiantranoiny, dia tsy ampy ny ho anisan’ny fivavahana iray, ny ho tia ireo fiangonany feno ravaka ary ny hanaraka fombam-pivavahana sasany. Tsy izay rehetra manao “Tompoko, Tompoko” na milaza fa mahafantatra an’Andriamanitra akory no handray ireo fitahiana ao amin’ny Fanjakany (Matio 7:21-23; Titosy 1:16). Ireo sakaizan’i Jehovah dia ‘mandeha tsy misy tsiny’ eo imasony ary ‘manao ny marina’ araka ny fepetra omeny. — Mika 6:8.
Izany dia manala avy hatrany ny tsy fahamarinana rehetra, ny fahalotoam-pitondran-tena rehetra ary ny fandraisana kolikoly rehetra. Ny tenan’Andriamanitra ihany no nanome ny antony: “Ho masina ianareo, satria masina aho.” (1 Petera 1:16). Manaraka ireo fepetra ambonin’Andriamanitra ve ny fivavahanao? Manaiky ny handroaka mihitsy ireo izay mandà tsy hanaraka ireo fepetra noferan’Andriamanitra ve izy? Moa ve ny fanirian’ny fonao sy ny an’ny fianakavianao dia ny hitana fitondran-tena mahitsy hatrany? Raha izany no izy, dia hameno ny fepetra manaraka takina mba ho sakaizan’Andriamanitra sy olona ampiantranoiny ianareo.
“Misaintsaina [miteny, MN ] ny marina ny fony”
Raha mitady ny fisakaizan’Andriamanitra isika, dia tsy afaka ny handainga na hampiasa teny mandrobo amin’ny fo mamorom-pitaka (Salamo 12:2). Tsy maintsy ‘miteny ny marina ny fontsika’, fa tsy ny molotsika fotsiny akory. Eny tokoa, tsy maintsy ho marina tanteraka isika ary haneho “finoana tsy mihatsaravelatsihy”. (1 Timoty 1:5.) Mandainga na milaza zavatra tsy dia marina afa-tsy ny tapany ihany ny sasany mba hialana amin’ny fahamenarana. Ny hafa kosa dia mangalatra any amin’ny fanadinana na mandiso ny filazany momba ny hetra. Mampiharihary tsy fananana fitiavana ny marina ny asan’izy ireo. Fa raha ny amin’ireo sakaizan’Andriamanitra kosa, dia avy amin’ny fony mihitsy no iavian’ny fahamarinany sy ny asany marina (Matio 15:18-20). Tsy miolakolaka na mamitaka izy ireo. — Ohabolana 3:32; 6:16-19.
Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao.” (Kolosiana 3:9, 10). Izany tokoa, satria ireo izay miteny ny marina ny fony dia nitafy “ny toetra vaovao”. Tena marina tanteraka amin’ny tenanao sy amin’ny hafa ve ianao, ka miteny ny marina ao am-ponao? Raha izany no izy, dia tsy maintsy hita taratra eo amin’ny fomba firesakao momba ny hafa izany.
“Tsy manendrikendrika amin’ny lelany” izy
Mba hamenoana io fepetra takina amin’izay ampiantranoin’Andriamanitra io dia tsy tokony hiresaka momba ny hafa amin’ny fomba ratsy mihitsy isika (Salamo 15:3). Ny teny hebreo nadika hoe “manendrikendrika” dia avy amin’ny teny hoe “tongotra” ka midika hoe “mandeha an-tongotra” ary, avy amin’izany, “mandehandeha”. Nahazo izao baiko izao ny Isiraelita: “Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao: Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:16; 1 Timoty 5:13). Raha mandoto ny laza tsaran’ny olona iray isika amin’ny fanendrikendrehana azy, dia tsy afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra.
Nanambara toy izao i Davida: “Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako [hampanginiko, MN ].” (Salamo 101:5). Afaka ny hampangina ireo mpanendrikendrika koa isika, raha mandà tsy hihaino azy ireo. Indro misy fitsipika tsara dia tsara tokony harahina: Aza milaza zavatra momba ny olona iray raha tsy eo izy ka tsy holazaintsika eo imasony izany. Mahafinaritra tokoa raha afaka mifehy ny lelantsika toy izany isika. Zava-dehibe koa anefa ny mifehy ny asan’ny tena!
“Tsy manisy ratsy ny sakaizany” izy
Mendrika ny hodinihintsika ireto tenin’i Jesosy ireto: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, isika dia tsy maintsy miezaka mba tsy hanao izay ratsy. Hoy ny mpanao salamo: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy; miaro ny fanahin’ny olony masina izy ary mamonjy azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.” (Salamo 97:10). Noho izany, raha maniry ny fisakaizan’Andriamanitra sy ny fanampiany isika dia tsy maintsy manaiky ireo fepetra omeny.
Ny hoe miala amin’ny ratsy dia midika indrindra hoe tsy mamitaka na iza na iza, eo amin’ny raharaha ara-barotra na amin’ny fomba hafa. Na amin’ny teny na amin’ny atao, isika dia tsy tokony hanao na inona na inona izay hanimba ny namantsika, fa hanao izay tsara aminy kosa. Mahakasika ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana izany. Raha mitondra fiarakodia isika, ohatra, dia afaka mijanona amim-pahalemem-panahy mba hiampitan’ireo mpandeha an-tongotra ny arabe. Na koa, afaka manampy ireo efa zokiolona isika, na mamporisika ireo kivy, na mampionona ireo ory. Jehovah dia manome ny ohatra tsara indrindra amin’io lafiny. Araka ny filazan’i Jesosy, Andriamanitra dia “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”. (Matio 5:43-48.) Ny manao soa ho an’ny hafa dia mifanaraka koa amin’ny filazalazana omen’ilay mpanao salamo manaraka.
“Tsy manao izay hahafa-baraka ny namany” izy
Manao fahadisoana daholo isika rehetra; velom-pankasitrahana toy inona, anefa, moa isika rehefa manakimpy ny masony amin’ireny fahadisoana kely ataontsika ireny ny namantsika! Hampalahelo antsika raha toa ka ambaran’ny sakaizantsika akaiky amin’ny hafa ny fahalementsika, izay hahamenatra antsika na dia madinika aza izany. Manao izany ny sasany mba tsy hahitan’ny hafa ny kileman’ny tenany manokana na mba hisehoana ho ambony noho ny hafa. Ny fitondran-tena toy izany anefa dia tsy mendrika ireo izay maniry ny ho sakaizan’Andriamanitra.
“Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena sakaiza”, hoy ny Ohabolana 17:9. Mazava fa tsy tokony hanandrana ny hanafina ireo fahotana lehibe isika (Levitikosy 5:1; Ohabolana 28:13). Mifanohitra amin’izany anefa, raha te-ho sakaizan’Andriamanitra isika, dia tsy hanaiky ireo fanakianana atao amin’ny olona mahitsy fantatsika (1 Timoty 5:19). Miteny tsara momba ireo mpanompon’Andriamanitra ny sakaizan’i Jehovah, fa tsy manaparitaka tsaho momba azy ireo, ka hampitombo indray ny zava-mavesatra izay efa zakainy noho ny fanakianana ratsy ataon’ireo olon-dratsy. Ireo sakaizan’Andriamanitra sy ireo ampiantranoiny dia mitandrina ihany koa ny fifaneraserany, satria hoy ny nanampin’i Davida eo amin’ny andininy faha-4:
“Tsy manaja ny ratsy fanahy” izy
Noho ny fitsiriritana tombontsoa feno fitiavan-tena, dia mifanerasera amin’olona manan-karena na mitana toerana ambony ny sasany na dia mandray kolikoly aza ireo (Joda 16). Tsy afaka ny ho sakaizan’i Jehovah anefa isika raha mifankazatra amin’ireo mpanao ratsy. Tokony ho halantsika aoka izany ny ratsy hany ka na dia ny fifankazarana amin’ireo izay manao izany aza dia hohalavirintsika (Romana 12:9). Olona mpanao ratsy aoka izany i Jorama, mpanjakan’ny Isiraely, hany ka hoy i Elisa taminy: “Raha velona koa Jehovah, Tompon’ny maro, izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.” (2 Mpanjaka 3:14). Mba hahatongavana ho sakaizan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mihaino izao fampitandreman’i Paoly izao isika: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” — 1 Korintiana 15:33.
Noho izany àry, raha heverintsika fa sarobidy ny fisakaizana amin’i Jehovah, dia handà tsy hifanerasera amin’ireo izay manao ratsy isika. Tsy hifandray aminy isika raha tsy tena voatery hanao izany. Hifidy ireo namantsika noho ireo fifandraisana tsara ananany amin’i Jehovah isika, fa tsy noho ny toerana tanany eo amin’izao tontolo izao akory. Hofidintsika amim-pahendrena ireo namantsika raha manana tahotra feno fanajana an’Andriamanitra isika. Amin’izany lafiny izany, dia mariho ny fepetra fahafito tokony hofenoina mba hahatongavana ho anisan’ireo izay ampiantranoin’i Jehovah.
“Fa manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah” izy
Mba hahatongavana ho sakaizan’Andriamanitra sy anisan’ireo izay ampiantranoiny, dia tsy maintsy matahotra azy isika. Hoy ny Ohabolana 1:7: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana.” Inona moa no atao hoe “fahatahorana an’i Jehovah”? Izany dia tahotra miharo fanajana an’Andriamanitra ary tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy. Izy io no mahatonga antsika hanana ny fahalalana marina, fifehezana mahavonjy, ary ny fahendrena avy any an-danitra izay mpitari-dalana azo antoka.
Manaraka ireo fotopoto-pitsipika mahitsin’i Jehovah ireo olona izay matahotra azy na dia ihomehezana aza izy noho izany. Maro be, ohatra, ireo olona izay manaraby ireo izay matahotra an’Andriamanitra satria izy ireo miasa tsara, mahitsy, na miezaka mitondra fanampiana ara-panahy ho an’ny hafa. Ahoana anefa no iheveran’ny olona tia an’Andriamanitra ireo olona mahitsy toy izany? “Manome voninahitra ny matahotra an’i Jehovah izy”, ka manam-panajana lalina azy ireo, na dia mahazo tsiny tahaka azy ireo koa aza izy noho izany. Manam-panajana toy izany ho an’ireo izay matahotra an’Andriamanitra ve ianao? Nanonona fepetra iray hafa koa mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ilay mpanao salamo ka nanampy hoe:
“Tsy mivadika amin’ny fianianany [izy], na dia maningotra ny tenany aza”
Izao no fotopoto-pitsipika tsoahina avy amin’io andinin-teny io: Tsy maintsy mitana ny fampanantenana nomentsika isika, toy ny ohatra nomen’Andriamanitra (1 Mpanjaka 8:56; 2 Korintiana 1:20). Na dia voamaritsika aza, aorian’ny nanomezantsika ny tenintsika, fa ho sarotra amintsika ny hitana ny fampanantenana nomentsika, dia tsy tokony hiova hevitra isika ka hivadika amin’ny teny nataontsika. Ao amin’io andininy io, dia ny hoe “nianiana tamin’ny namany” no lazain’ny Septante grika, ny Peshitto siriaka sy ny Vulgate latina. Raha mianiana hanao zavatra anankiray isika, na manao voady azo ekena iray, dia tsy maintsy mitana ny teny nataontsika (Mpitoriteny 5:4). Tsy isalasalana fa, raha ampahafantarina isika fa mifanipaka amin’ny Baiboly ny fampanantenana nomentsika, dia tsy hitana izany isika.
Tsy nanapaka ny teny nataony tamin’ireo Gibeonita i Josoa, na dia nampahafantatra azy aza izy ireo fa namitaka azy mba hitarihana azy hanao io fanekena io (Josoa 9:16-19). Tokony ho lehilahy, sy vehivavy ary ankizy mitana ny teny nataontsika àry isika. Aoka isika tsy hampanantena na inona na inona ny hafa ka tsy hitana ny tenintsika raha vao misy toe-javatra manintona kokoa atolotra antsika. Hoy Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia.” (Matio 5:37). Ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah indrindra indrindra no tokony ho vonona ny hitana ny fampanantenana nomeny, dia ny ho Vavolombelony ka hanompo azy mandrakizay. Ankoatra ny fitazonana ny teny nataontsika, isika dia tokony hahay hahatakatra ny fihevitry ny hafa raha momba ny raharaha ara-bola, toy ny ampisehoan’i Davida azy eo amin’ny andininy faha-5, amin’ny Salamo faha-15.
“Tsy mitady zana-bola [izy] raha manome, MN”
Raha mampisambo-bola ampiasaina mba hahazoana vola isika, dia azo atao ara-dalàna ny mampandoa zana-bola. Kanefa, ny tian’i Davida holazaina eo amin’io andinin-teny io, dia ny hoe ‘manome vola’ ny malahelo. Namariparitra toy izao ny Lalàn’i Mosesy: “Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao hianao, dia tsy ho toy ny mpampanàna vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy hianao.” (Eksodosy 22:24; Levitikosy 25:35, 36). Rehefa hitan’i Nehemia fa nahita loza teo am-pelatanan’ny mpampanjana-bola ny malahelo sasany, dia nasainy natsahatra izany fanararaotana izany. — Nehemia 5:1-13.
Ny teny hebreo nampiasain’i Davida ary nadika hoe “zana-bola” dia avy amin’ny teny iray hafa midika hoe “manaikitra”, izay milaza amintsika fa ireo mpampanjana-bola mpierina dia nandrapaka ireo mahantra sy izay kely nananany. Mazava amin’izany fa tsara kokoa ny manampy ireo izay latsaka ao anatin’ny fahantrana ary tsy miandry na inona na inona ho valiny. Nampiseho izany toy izao i Jesosy: “Raha manasa olona amin’ny sakafo antoandro na ny sakafo hariva hianao, (...) dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” (Lioka 14:12-14). Tsy hitady ny hanararaotra tsy ara-drariny ny fahantran’ny namany mihitsy ny olona iray maniry ny ho sakaizan’Andriamanitra sy ho anisan’ireo ampiantranoiny. Hitandrina koa izy mba hanao toy izay nambaran’ilay mpanao salamo manaraka:
Tsy “mandray kolikoly hanameloka ny marina” izy
Manimba ny kolikoly. Nahazo izao baiko izao ny Isiraelita: “Aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ary mamadika ny tenin’ny marina.” (Deoteronomia 16:19). Tokony hohelohina indrindra indrindra ny fanekena kolikoly mba hamelezana olona tsy manan-tsiny iray, mety ho fijoroana ho vavolombelona mandainga any amin’ny fitsarana angamba izany. Olona ratsy toy inona moa i Jodasy Iskariota, izay nandray kolikoly mba hamadihana an’i Jesosy izay olona tsy meloka akory! — Matio 26:14-16.
Tsy azo kianina angamba isika amin’io lafiny io. Kanefa, tsy mba efa nalaim-panahy ve isika handoa vola mba hialana amin’ny tarehin-javatra manahirana iray? Tsy nanaiky handray “kolikoly” mihitsy i Samoela mpaminany (1 Samoela 12:3, 4). Tsy maintsy mitondra tena toy izany avokoa isika rehetra raha tiantsika ny ho sakaizan’Andriamanitra sy ny ho anisan’ireo ampiantranoiny.
“Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay”
Mifarana amin’ireo teny ireo ny Salamo faha-15, sy ny filazalazany mizara folo ny amin’ny olo-mahitsy. Afaka hanampy antsika hamakafaka ny fivavahantsika ireo lafiny folo ireo. Raha tena ny fivavahana marina izy io, dia tokony hampianatra antsika 1) handeha tsy misy tsiny ary hanao izay mahitsy, 2) hiteny ny marina na dia ao am-pontsika aza, 3) tsy hanendrikendrika ny hafa, 4) tsy hanao ratsy mihitsy. Ny fivavahana eken’Andriamanitra dia 5) hanakana antsika tsy hanaiky ireo fanakianana atao amin’ny olona mahitsy izay fantatsika ary 6) hanosika antsika tsy hifanerasera amin’ny olona tsinontsinona. Ny finoana marina dia hanosika antsika 7) hanome voninahitra izay matahotra an’i Jehovah, 8) hitana ny teny nataontsika raha azo ekena izany, 9) hanome ireo mahantra fa tsy hampanjana-bola aminy ary 10) tsy handray kolikoly hanameloka olona tsy manan-tsiny iray.
Tsy milaza akory i Davida fa na iza na iza mamaky, mahare, miteny na mino ireo zavatra ireo koa aza dia “tsy mba hangozohozo mandrakizay”. Izay “mitandrina izany” ihany no ho tahaka izany. Ny finoana tsy misy asa manaporofo azy dia maty ary tsy mitondra ny fankasitrahan’Andriamanitra (Jakoba 2:26). Tsy hangozohozo mandrakizay ireo izay manao ireo zavatra tsara voatanisa ao amin’ny Salamo faha-15, satria harovan’Andriamanitra izy ireo ary hotohanany. — Salamo 55:22.
Marina aloha fa tsy ireo fepetra folo voatanisa ao amin’ny Salamo faha-15 ireo ihany akory no mahaforona ny fanompoam-pivavahana madio. Fotoana ela taorian’ny nanoratana io Salamo io, dia nianatra izay tokony hatao amboniny ireo mpianatr’i Jesosy mba hanompoana an’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23, 24.) Afaka ny hanompo an’Andriamanitra amin’izany fomba izany koa ianao, satria amin’izao andro izao dia misy olona mitandrina ireo zavatra ireo. Amin’ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah sy amin’ny fianarana ny Baiboly, ianao dia hanolokolo ny fanantenana ny hiaina ao amin’ny paradisa an-tany izay hahafahanao ny ho sakaizan’Andriamanitra sy ho anisan’ireo ampiantranoiny mandrakizay.