-
Tena Mahafantatra Anao Tokoa ve Andriamanitra?Ny Tilikambo Fiambenana—1993 | 1 Oktobra
-
-
9. a) Milaza inona momba ny fahafenoan’ny fahafantaran’Andriamanitra ny tarehin-javatra misy antsika moa ny Salamo 139:5? b) Mahatonga antsika hatoky ny amin’inona izany?
9 Tsy mijery antsika na ny tarehin-javatra misy antsika avy amin’ny fitazanana iray voafetra fotsiny i Jehovah. Manana ny sary manontolo izy, avy amin’ny lafiny rehetra. Tamin’ny fampiasana tanàna natao fahirano iray ho ohatra, dia nanoratra toy izao i Davida: “Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao”. Tamin’i Davida, dia tsy fahavalo nanodidina akory Andriamanitra; mpiambina mailo iray kosa izy. “Apetrakao amiko ny tànanao”, hoy ny teny nanampin’i Davida, nampiseho tamin’izany ny fanaraha-maso sy ny fiarovan’Andriamanitra izay natao mba hahasoa maharitra an’ireo izay tia azy.
-